ILAY MPANJAKA LEHIBE

1. RBNIR ( 10/05/2011 16:29)
Faly miarahaba an-tsika rehetra indray,
Inty mba misy aingam-panahy kely ry namana isany :
Nisy hono Mpanjaka lehibe anankiray (Mpanjakan'ny mpanjaka mihitsy Izy ity satria ny mpanjaka rehetra dia eo ambany fiadidiany avokoa).

Dia novoriany ireo mpanjaka feheziny rehetra ary natao nakotrokotroka tokoa ny fanasana,
Nony vita ny fanasana ka samy efa afa-po daholo ireo nasaina, dia niteny amin'izay Ilay Mpanjakan'ny mpanjaka.
Iza aminareo ireo kay no tena tia Ahy ry mpanjaka isany. Dia niara namaly izy rehetra ka nanao hoe izaho no tena tia anao ry Mpanjaka Lehibe. Dia nitsiky ilay Mpanjaka lehibe satria hitany fa tena tamin'ny fo tokoa no namalian'ireo mpanjaka kely ireo Azy.
Eny ary hoy Izy, fantatro tokoa fa tena Tia Ahy tokoa ianareo rehetra fa saingy izao hoy aho e! hisy tany iray izay hotafian-tsika, tsy maintsy ho azon-tsika io tany io fa aza matahotra satria efa vita daholo ny tetika rehetra angalan-tsika azy. Ka izao inty hoy aho mba misy sitrapo avy aty amiko mba tiako hotanterahinareo rehetra e! (dia nanao décret maromaro ilay Mpanjaka lehibe). Na iza na iza aminareo ireo manaja iny sitrapoko iny dia ahazo anjara lehibe tokoa izy amin'ilay tany vaovao io fa na iza na iza kosa tsy manaja dia mialatsiny aho fa hoesoriko tsy ho mpanjaka intsony izy ary alaiko eo antanany hatramin'ny fanjakana izay hananany ka homeko izay mitandrina ireny décret ireny).
Dia lasa nody any amin'ny taniny avy ary ireto mpanjaka kely,
Nony teny an-dalana dia samy valabalaka daholo ireto mpanjaka kely satria hita ho sarotrarotra ihany ny hanantanteraka ireto decrets indrindra ny hiteny amin'ny olona hanantanterka ilay izy.
Na izany aza
Hoy ny iray, tena hoporofoiko amin'ny mpanjaka fa tena tiako b tokoa izy ka dia hajaiko tanteraka ireto décret rehetra ireto ary asaiko hotanterahin'ny olona, na dia tsy hahazo izany fampanantenana nataony izany aza aho satria tena tiako tokoa raha iny Manjakako iny.
Hoy kosa indray ny faharoa, aiza moa ilay décret teo. An, tsara kosa izany décret izany an, hataoko ity fa tsy olana sady amin'izay fananana b no miandry ahy, avy eo tsy maninona fa ataoko ity, dia nanao tokoa izy,
Hoy indray kosa ny fahatelo, aleho hoe dinihina tsara ireo décret nomen'ny mpanjaka teo, an an, tena tsara izay izany ka tena tsara, saingy dry ary inona ity iray ity, dray dray dray, raha io v no asaiko hotanterahin'ny olona hanaiky eo ireo. Marina tsy ahongany eo aho ka izao indray no ho faty eo. Ataoko daholo ireto afatsy ity iray ity, ilay Mpanjaka lehibe kosa v dia hanome tsiny ahy e! ny 90% anie efa ataoko e! azavaiko aminy fotsiny hoe mikorontana ny vahoaka raha hatao iny anankiray farany iny dia najanoko ry Mpanjaka.
Hoy ny fahefatra, Manjaka mila voatsiary, izaho no asainy manantanteraka ireto sady hiaritra ny vavan'ireo vahoaka ireo nefa izy indray no handray ny vokatra?? sanatria amiko raha hanantanteraka ireo. Niheritreritra tampoka anefa izy avy eo , ny vahoaka efa mahafantatra fa nampitondra ahy décrets ny Mpanjaka, Inona no atao? Aleo rahangahy ity ovaina ity décret ity a! dia nodinihiny teo, ka hoy izy aleho tsy dia ovaina loatra fa atao amin'izay mety ahafaly ireo vahoaka, sady tsy raharahako fa teneniko fotsiny ny Mpanjaka hoe diso fandray ny olona fa ilay anao no nalefako tany hotanterahina.
Nony taty aoriana kely nandefa hiraka ny Mpanjaka Lehibe hanaramaso ny fanantanterahina ireo decrets. Mazava ho azy nahazo fankasitrahana tamin'ilay iraka ireo mpanjaka kely 2 voalohany, Ny fahatelo kosa nahazo fanamarihina fa mila manantanteraka ilay iray tsy nataony raha tsy izany dia hotenenin'ity hiraka ity any amin'ny Mpanjaka lehibe ny nataony, Natahotra mafy ity farany tsy ahazo anjara any amin'ilay tany vaovao ka dia nanantanteraka ihany.
Ilay fahefatra kosa raha vao nahare hoe misy hiraka ho avy amin'ny mpanjaka dia avy hatrany dia ny azy no nataony tonga aloha, ndana teneno ny vahoaka fa misy jiolahy ho avy hono aty an-tanana, raha vao hitanareo dia vonoy ho faty fa tena mampididoza b ireo. Ny marina anefa tsy tiany ho fantatry ny vahoaka ny marina, dia novonoin'ny olona tokoa ary ireto hiraka ka dia tapitra maty avokoa. Tezitra ilay Mpanjaka Lehibe, notafihany ilay fanjakana fahefatra ary tapitra ringana (ary ny nampalahelo dia maty hatramin'ireo vahoaka tsy manan-tsiny satria noheverin'ilay Mpanjaka Lehibe ho mpiray tetika tamin'ilay mpanjaka ratsy fanahy izy ireo.
Mampalahelo, tantara iny ka tantara.. aingam-panahy e!

Izaho kosa mba velom-panontaniana hoe iza tamin'ireo mpanjaka kely ary no tena Tia an'ilay Mpanjaka Lehibe??

Samy ho tahin'i Tompo indray e!
répondu par RBNIR le 12/05/2011 05:12
2. hery ( 11/05/2011 04:23)
Mahaliana tokoa.

Io izany izao tsy misy lesona azo raisina satria tsy ao anaty baiboly :-(

Dia vakiana fotsiny dia izay :-p
3. Miharena ( 11/05/2011 05:10)
Analogie amin'ny tantara nataon'i Jesoa momba ny namonoana Azy io lazain'i RBNIR io. Izany hoe afaka manao tantara arakaraka ny zavatra fantany tao anaty Baiboly ny olona. Tsy te-hilaza toa an'i Hery aho hoe tsy azo raisina fa tsy ao anaty Baiboly.

Ny fahendrena rehetra ambany masoandro moa dia misy itovizany avokoa ary io no nandrafitra ny foto-pisainan'ny olona ary efa nolovaina elabe ilay izy.
Ohatra: ho an'ilay mpanjaka kely nilaza fa sarotra ny mampita ny décret dia efa nanana fomba fiaina izany ny olona nentiny tsy mifanaraka amin'ilay décret. Nefa araka ny voalaza indray dia fantatr'ireo olona ireo fa misy ilay mpanjaka lehibe. Fa inona no nitranga izany tao anelanelan'ny nahatongavan'ilay décret? Izany hoe tsy nifanakalo hevitra elabe tamin'ny olona mivantana izany ilay mpanjaka lehibe fa nanisy mpanelanelana dia mpanjaka kely ary ela be efa lo daholo ny olona eo ambany fahefany vao nanao ilay décret izy.

Dia tsy maintsy voafantsika ny irany avy eo satria mazava fa tsy maintsy mibata ny vokatry ny fahanginany izy izany.

Raha atao analogie ilay izy dia mazava fa Jesoa voafantsika no vokany. Trosan'Andriamanitra izany ilay izy ary nefaiNY tamin'io famantsihana Azy io hamelana ny fivangongoan"ny tsy nanaovana resaka tamin'ny voariNY ko!

Fehiny: Ilay décret dia tsy nahova feno ny olon-drehetra ambany fahefaNY fa ny fitsidihaNY ao am-po ny tsirairay amin'ny famindram-po mandrakizay no mahatonga ny fahafenoan'ny fikasaNY mba tsy hisy very na dia iray aza ny voariNY.
4. bor2lais ( 11/05/2011 09:16)
Ialako tsiny mialoha raha toa ka mety HS ny resako.
Raha ny fandraisako ilay "aingam-panahy" dia toa notendrena sy nasaina niasa (araka izay fantany !) aloha ireo "mpanjaka kely" ireo izay vao nomena "feuille de route" (vaovao) taty aoriana ! :-)
5. 0uioui ( 11/05/2011 18:10)
tena tsy hitan'i hery ve zay fampianarana na ohatra mazava sy mahavelombolo azo anoharana anio tantara mahaliana be io ?? ..vakio tsara e ...
6. RBNIR ( 12/05/2011 05:12)
Faly miarahaba e,
Aingam-panahy io ry namana isany a!
Aoka hilamina isika,

Samy tahin'ny Tompo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2207