Ety an-danitra ety
1. soanja
(
25/01/2011 17:33)
Lasa indray ny fisainako fa ambony dia ambony tokoa ny misy ahy raha oharina amin'ny tany. Tazako ery lavitra ambany ery ny rahona. Foana ny manodidina. Feo mireondrehona no heno. Tony dia tony avokoa izay jerena. Azoko lazaina ny lanitra no misy ahy raha amin'ny teny gasy. Saingy tena ety an-danitra tokoa ve aho?
Mahavariana ahy ny fivoarana misy eto an-tany. Vy be toy itony dia hanidina toy ny vorona. Izy ihany koa no mampanitsaka amin'andro vitsivitsy ny tongotro avy any amin'ny kontinanta iray hanitsaka kontinanta iray.
Aiza ary izay ilay tanindrazako. Ilay "Ny any aminay" tsy foiko loatra. Toerana nilasiana sy nitositosiana teo anilan'ireo tiana.
Manga ny lanitra aloha hatramin'izao. Hinoako fa hafanana no handray ahy any amin'izay hitobiana.
Lasa hoy aho ny eritreritro. Na tsy manan'elatra aza aho dia afaka nanidina ety an-danitra ety ihany.

répondu par ledala le 05/03/2011 22:48
2. mirananirina
(
29/01/2011 09:17)
Tsy lavitra ny misy andry raha mba nanan elatra aky eh.za zany efa ela tsy nandende tany andanitra :)
Mahafinaritra ahy ny namaky ilay voalaza an i Soanja
Mahafinaritra ahy ny namaky ilay voalaza an i Soanja
3. soanja
(
30/01/2011 00:35)
mirananirina:
Tsy lavitra ny misy andry raha mba nanan elatra aky eh.za zany efa ela tsy nandende tany andanitra :)
Mahafinaritra ahy ny namaky ilay voalaza an i Soanja
Manao ahoana i Mirananirina. Ilay eritreritra no mampanakaiky antsika rehetra tokoa. Za ve moa nahalala fa na dia ety an-tany ety aza dia hifandray koa eny an-danitra eny. Mifampiraharaha amin'ny sokatra sy ny voay ary ny manan-tongotra maro indray ato aloha fa nilaozana ny toeran'ny vorona. Tsy misy tsara ny ety an-tany aloha an. Vao nigadona dia ora-mikija no niarahaba ahy avy eo amin'izay nisokatra ny havana. Ilay mahavelom-bolo, ilay ifandraisantsika amin'ny lanitra. Aoka tsy hifarana ny eritreritra. Veloma vetivety indriako. Misaotra.
4. mirananirina
(
01/02/2011 12:55)
Soanja,marina mihitsy ny lazainao.Miarahaba soa ety antany indray aloha ary eh!Dia miandry ny eritreritra mandalo manaraka indray
5. ledala
(
05/03/2011 22:48)
hummmm, aza variana loatra any andanitra any fa miandry anao ny ety antany, nefa, aloan'izany dia mba mivavaha ho anay eh,eny akaiky kokoa