Kolotsaina ve ny fampirafesana sa fahazaran-dratsy ?

1. Rabaradaka ( 17/12/2010 10:35)
Ny vahoaka tatsinanana rehetra dia mampirafy avokoa, hoy ity mpandinika iray ity. Dia gaga aho dadatoa fa ireo vazaha ireo no tena mampirafy sady tsy vitan'izay fa mbola manam-bady biby koa
répondu par 201007jacky le 03/07/2012 13:56
2. AndriambyII ( 18/12/2010 08:01)
Ka ny olombelona mihintsy no tsy tonga lafatra Rabaradaka fa tsy dia hoe kolontsaina ireny zavatra ireny , na fahazarana nolovaina t@ fiaraha-monina taloha.
3. tomms ( 13/01/2011 14:06)
Raha any @ faritry ny jody sy ny arabo ary ny egyptianina iny no hasian-teny dia fomba io. Ny an'ny vahoaka Jody na Jiosy(@ protestanta) dia tena ara-dalana sy ara-baiboly mihitsy zany.
Raha ny eto Dago kosa anefa dia fomba ihany koa izy io @ iny faritra atsimo iny: Bara, atandroy,antanôsy, Vezo sy Mahafaly,Faritra atsimo antsinana iny(t@ taloha fa ankehitriny efa lafo ny fiainana).

Ka amiko dia sady tsy kolontsaina no tsy fahazaran-dratsy ny fampirafesana fa fomba ohatran'ny fomba rehetra. Fa hoan'ny Kristianina kosa, ny fampirafesana dia ts ekena araka ny Testamenta vaovao.
4. Herimiafina ( 18/01/2011 18:35)
Misy karazany roa: le mampirafy ara-mpotoana na misolosolo vady, sy le mampirafy ara-toerana na manambady betsaka, ka iza amin'ireo ilay mametraka olana?
5. Lejoba ( 02/02/2011 15:10)
misy efa ao anatiny mihitsy ilay toetra, ka na miafina io na am-pahibemaso, na voarara na tsia dia ataony ihany.
Misy kosa ampirisihin'ny fiaraha-monina dia azo lazaina ho kolontsaina
6. ledala ( 17/05/2011 23:11)
ao min'ny baiboly: lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no noharian'Andriamanitra
7. jesuisla ( 17/01/2012 16:57)
Ny fampirafesana d halatra, fitaka. F ireo olon afaka manambady maro d efa miera @ vadiny izy. Ary ny vadiny no mangataka lay zazavavy ho zandriny
Samy hafa ny fampirafesana sy ny fahafahana manmbady maro. Tsy fanambadiana, na fampirafesana no atao @ biby fa fahavetavetana. Mba mianara teny malagasy
Inona no tsy mampitovy ny mianjera sy ny latsaka?
8. jesuisla ( 17/01/2012 16:58)
Trondro ve ny voay sa tsy trondro?
9. 201007jacky ( 03/07/2012 13:56)
Ny fampirafesana dia fananana vady na sipa na sakaiza ankoatry ny efa nekena teo aloha na apetraka an-trano hafa na ajanona ivelan'ny trano , izany hoe izay toerana misy azy.
Miseho amin'ny endrika maro io fampirafesana io ary eto tonga dia afaka ataoko ny milaza fa tsy fahazaran-dratsy io fa zavatra tena iniana atao.Tsy afaka hilaza hoe fahazaran-dratsy aho satria dia ny vavan'ilay olona mihitntsy no minia mamboraka izay ambinambim-pitiavany na izy manontolo amina olona iray .Fa hilaza kosa aho fa sitra-po sy hetraketraka ny fampirafesana ary mety ho noho ny anton-javatra tsy avy amin'ny tena manokana koa anefa .
Mety NOHO NY FANERENA NY OLONA IRAY HANAMBADY OLONA TSY TIANY no mahatonga izany. NOHO NY FIREHEREHANA AMIN'NY FANANANA MARO koa no met hahatonga ny olona iray hampirafy.


FA TSY KOLONTSAINA NA FAHAZARAN-DRATSY AKORY NY FAMPIRAFESANA FA SITRA-PO SY HETRAKETRAKA ARY METY HO ANTONY HAFA.
Anjaran'ny tsirairay ny mieritreritra izany sy mamaly ity fanontaniako ity hoe :"MBOLA AZO ATAO VE NY MAMPIRAFY ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3063