NY FIAINANAY TETO MKARA RANKIZY
1. vonynive
(
30/11/2010 11:49)
mazoto handrakitra ny fiainana niainako aho eto @ ity takelaka ity ka manasa anareo koa mba ho fantatry ny taranaka ka mba tsy ho ny vahiny no hilaza ho mahay ny zavatra iainana'ny Malagasy.
tsy fiainana manokana fa ny zavatra tsaroanao niainanao sy ny manodidina anao t@ vanimpotoana iray.
Maro ny zavatra zay tsy fantatry ny ankizy ankehitriny koa.
ndao àry : ohatra
-tsaroako ny filaharam-bary t@ taona 1983 tany ho any : mandeha vao mangirandratsy manatitra solon-karona; avy eo miverina @ 9ora miandry an'ilay vary avy @ SINPA miaraka @ karinem-pokontany ; vary fotsy toa ny lohambary mampangidihidy sady be fofona no andrasana eo; ; sady vary tsy ampy lanja koa ity zaraina fa dia miaritra eo tsy afaka raha tsy @ 14ora ary indraindray aza tsy mahazo fa mody maina
- mangalatra mijery fahita lavitra eo am-baravaran-kelin'olona mijery Bouba fa zay mahitahita ihany no nanana télé. miaraka @ bodofotsy.

répondu par vonynive le 15/12/2010 08:58
2. maholisoa
(
08/12/2010 21:41)
Manao ahoana,
Ohatry ny mitovitovy angamba isika sy vonynive zany, fa izaho koa dia tsaroako ho nampijaly ahy io nilaha-bary io.
Ny zavatra hafa tsaroako koa dia iray ihany ny radio sy ny tele tamin'izany andro zany. Ny ankizy rehetra mihaino hira mitovy daholo, ary mijery film mitovy daholo.Ilay bouba, candy candy, tom sawer, village dans les nuages.
Ny tena mahafinaritra ahy dia rehefa amin'ny iray sy dimy atoandro, miakatra daholo ny volumen'ny radio : mihaino tantara
Indry ......lasa zany andro zany
Maholisoa

vonynive:
mazoto handrakitra ny fiainana niainako aho eto @ ity takelaka ity ka manasa anareo koa mba ho fantatry ny taranaka ka mba tsy ho ny vahiny no hilaza ho mahay ny zavatra iainana'ny Malagasy.
tsy fiainana manokana fa ny zavatra tsaroanao niainanao sy ny manodidina anao t@ vanimpotoana iray.
Maro ny zavatra zay tsy fantatry ny ankizy ankehitriny koa.
ndao àry : ohatra
-tsaroako ny filaharam-bary t@ taona 1983 tany ho any : mandeha vao mangirandratsy manatitra solon-karona; avy eo miverina @ 9ora miandry an'ilay vary avy @ SINPA miaraka @ karinem-pokontany ; vary fotsy toa ny lohambary mampangidihidy sady be fofona no andrasana eo; ; sady vary tsy ampy lanja koa ity zaraina fa dia miaritra eo tsy afaka raha tsy @ 14ora ary indraindray aza tsy mahazo fa mody maina
- mangalatra mijery fahita lavitra eo am-baravaran-kelin'olona mijery Bouba fa zay mahitahita ihany no nanana télé. miaraka @ bodofotsy.
3. naritsimba
(
09/12/2010 12:22)
Mampahatsiaro an'ity hira ity ianareo!
Lasa tokoa re, ny andro fahiny
Nankaiza izany ankehitriny???
Sao hisy hiteny indray hoe te hiverina @ zany filaharam-bary izany indray angaha nareo? Misaotra izay nahatsiaro e, tadidiko tsara ny milaha-bary, ny fakana savony sy menaka teny @ Magasin "M", 'lay karine @ io efa voafetra ho 400g isan'olona ihany, dia tao koa ny fanofana ireny karine ireny t@ ireo olona tsy mba milaha-bary, sns sns e!
Mandra-pilahatra dia milalao aloha hihihi

4. vonynive
(
15/12/2010 08:58)
-tsy mba nisy afatsy ny radio Madagasikara t@ zany an ka ny fandaharana tao dia ny ampitampitao; ny fonja mamokatra...; fa ny tena nahafinaritra dia rehefa sabotsy alina mihaino tantara : miaraka @ le radio transistor mandeha @ piles: dia antanin'andro aloha ny piles mba hahazo hery ny sabotsy atoandro; dia samy mitakoko eo avokoa ny ankizy tsy misy mahazo mitabataba fa samy mankafy
ary ny alahady alina e : ny tokotapaka niarahana t@ i Dawilly, joéline sy Clara; vahandanitra; ny kalonay fahiny; ny tononkalo sy hira miaraka @ i harinaivo; ary mamarana azy ny feo mamatonalina na ny feon'ny silamo. dia midika izay fa hianatra indray ny alatsinainy ka kamo ery.
ary tsy adino ny biscuit trondro a