AZA ADINO FA

1. RBNIR ( 26/11/2010 08:39)
Hoy Jesosy Tompo :« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 7:21)
Mila mianatra sy manao ny sitrapon'Andriamanitra isika fa izay irery ihany no antoka hidirana ao amin'ny fanjakan'ny lanitra.
répondu par RBNIR le 30/11/2010 04:48
2. BTLB ( 26/11/2010 13:59)
Miarahaba anao, efa hitako tany @ loha hevitra hafa ihany ny zavatra nosoratanao fa mba te hanontany a hoe aiza ilay fiangonana VAF de isaky ny andro inona de @ firy fa mba te ho any aho fa tsy mahalala, manaraka io fandaharana io aho isaky ny @ 5 maraina efa 1volana mahery izay (fa toa rediffusion no fahalalako azy).
3. RBNIR ( 29/11/2010 06:09)
Faly Miaraba anao, mahafinaritra b ahy ny mandray ity hafatrao ity,
Marina tokoa fa rediffusion no atao alefa ao izao,
Nefa mino aho fa tsy tokony hampaninona antsika izany e? Satria tokoa mantsy ny marina anie iray ihany e! ka raha ampianarina anio na ampianarina rahampitso, dia iny ihany no horesaina ao fa tsy azo ovaina arak'ilay nampianaran'ny Tompo azy. Sa tsy izany?
P.S : aleo alefako message perso ny toerana misy ilay fiangonana raha mangetaheta ny ho any ianao.
Tohizo foana ny fanarahana ilay fandaharana e! ary aza adino foana fa izay sitrapon'Andriamanitra fantatrao avy hatrany dia ampiaro fa izay no antoka amin'ny ahazoana ny fiainana mandrak'izay.
Veloma

4. RBNIR ( 29/11/2010 07:56)
BTLB:

fa mba te hanontany a hoe aiza ilay fiangonana VAF de isaky ny andro inona de @ firy fa mba te ho any aho fa tsy mahalala,

Tsy hitako ao amin'ny lisitry ny namana ianao fa mba afaka alefanao hafatra perso amiko v ny adiresy mail nao azafady hanoroako ilay toerana?
5. RBNIR ( 30/11/2010 04:48)
BTLB:

Miarahaba anao, efa hitako tany @ loha hevitra hafa ihany ny zavatra nosoratanao fa mba te hanontany a hoe aiza ilay fiangonana VAF de isaky ny andro inona de @ firy fa mba te ho any aho fa tsy mahalala,

Manao ahoana,
Ny torohevitro dia araho hatrany ilay fandaharana, ary ny zavadehibe dia ny ianaranao ny sitrapon'Andriamanitra sy ny fanaovana izany.
Ho avy tsy ho ela ary ho hitanao ao anaty fandaharana ny fanasana raha tianao, nefa tadidio mandrakariva, tsy ny fandehanana any amin'ilay fiangonana akory no tokony ho tanjona fa ny fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra mba ahazoana antoka any amin'ilay fiainana mandrak'izay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6101