JERY TODIKA

1. ydifas ( 24/11/2010 07:20)
Miarahaba antsika amin'ny Anaran'i Kristy.
Iray volana mahery sisa dia hifarana ity taona folo amby roarivo ity. Fotoana fanaovana jery todika (bilan) ny fifaranan'ny taona toa izao. Na ho an'ny isam-batan'olona izany na ho an'ireo orinasa maro. Inona no zavatra vita? Inona no mila arenina? Fatiantoka sa tombony no vokatra azo?

Toa izany ihany koa ny fiainam-panahy: "Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin'ny finoana hianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin'ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy Kristy, raha tsy olona nolavina hianareo?" 2 Korintiana 13/5
Isika ihany no tena mahalala ny momba antsika sy ny fitondran-tenatsika hoe tena matotra ao amin'i Kristy ve isika sa tsia.
Fotoana fandinihan-tena izao. Tena an'i Jesosy ve isika? Voatanatsika ve ilay voady nataontsika fony isika nandray Azy ho Mpamonjy antsika?

Zavatra maro no nandalo teo amin'ny fiainantsika tamin'izay lasa rehetra izay. Tao ny nahafaly, tao ny nahatezitra, tao ny nampahory, tao ny aretina... Eo indrindra no mahatonga ny tenin'Andriamanitra hanotany antsika hoe nifikitra tamin'Andriamanitra ve isika tao anatin'ireny sa tsia? Nino ny Heriny ve isika sa nandeha tamin'ny herin'ny tenatsika fotsiny? Amin'ny fotoan-tsarotra matetika no hizahana sy ahafantarana antsika hoe mitoetra tsara ao amin'i Kristy ve isika sa tsia?

Voalazan'ny baiboly fa lehilahy marina i Joba tamin'ny androm-piainany rehetra. Na nanan-karena aza izy dia nidera sy nanome voninahitra an'Andriamanitra hatrany. Tsy noho ireo harena nananany anefa no nanosika azy hanao izany fa noho ny fahafantarany hoe Andriamanitra no Lohalaharana sy faratampony amin'ny zavatra rehetra. Tsy nivadika tamin'Andriamanitra izy na nandalo sedra faran'izay henjana aza. Tsy nanome tsiny an'Andriamanitra izy na nimonomonona fa vao mainka niankohoka tamin'ny tany izy raha vao nahare hoe rava ny fananany, maty ny zanany... : "Dia nitsangana Joba ka nandriatra ny lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niapoka tamin'ny tany ka niankohoka sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon'ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran'i Jehovah. Tamin'izany rehetra izany dia tsy nanota Joba, na nanome tsiny an'Andriamanitra." Joba 1/20 - 22

Mino aho fa tsy mbola nandalo olana toa ny an'i Joba isika. Andriamanitra dia mitady olona manana toe-po tahaka ny an'i Joba. Tsy nifikitra tamin'ny haren'ny tany ny fony fa nanana finoana ny Fahefan'Andriamanitra hanome sy haka izy. Nanana finoana izy fa na inona na inona lalovany dia mahavita azy Ilay Andriamanitra inoany ary tsy hiala Aminy mandrakizay izy. Mino koa aho fa afaka ny hahatoky an'Andriamanitra toa an'i Joba isika ary tsy hihatsaram-bela-tsihy amin'ny fiarahantsika Aminy. Na misy aza izany, tsy azontsika fitahana Izy.

Raha tena ao anatitsika marina i Kristy dia tokony hitondra tena toa Azy isika. Tamin'ny fotoana naneketsika hanjakany dia minoa fa efa nanaiky hitantana antsika Izy, hiantoka ny momba antsika manontolo.
Koa ndeha hampiakatra ny refim-pinoantsika indray, hirehitra ho an'Andriamanitra, hanome voninahitra Azy, hambabo ny fony ka hiteny Aminy hoe: "tena tia Anao aho ry Ray Tsitoha".
Aoka tsy hijery ny zavatra ananatsika na tsy ananatsika isika, aoka tsy ho variana amin'ny famahàna olana, ary indrindra tsy hanankina ny fotsika amin'ny haren'ny tany fa aoka hibanjina an'i Kristy Izay Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy. Aoka hanao jery todika ny toe-panahitsika isika ahafahantsika manapa-kevitra ny hiroso hatrany amin'ny fanahafana an'i Kristy, handeha araka ny sitrapony ary hiala amin'ny faharatsiana misy eo amintsika.

Mila finiavana avy amintsika anefa hiova ho tsara sy mahitsy ary marina. Manantena aho fa tsy hoentintsika amin'iny taona ho avy iny intsony ny fomba ratsy rehetra sy izay mbola mamatotra antsika fa havalontsika miaraka amin'ity taona ity. Pejy vaovao ary ho tanteraka ilay hoe: "Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo." 2 Korintiana 5:17. Inoy fa izay manana an'i Kristy dia afaka handresy ny fahalemena sy ny faharatsiana rehetra ka hitondra tena mahitsy sy marina eo anatrehany. Mino aho fa ho tombony fa tsy fatiantoka ho antsika izany fanapahan-kevitra tsara izany. Tsarovy fa fianarana mandrakizay ny miaraka amin'Andriamanitra, koa n'inon'inona manjo dia aoka hahatoky Azy mandrakariva isika.

Ilay Ray Tsitoha tena tia antsika anie hampandresy antsika rehetra ka hampiala ny faharatsiana tsy ho eo amintsika. Ho Azy irery anie ny voninahitra mandrakizay.

Hafatra:

"Tsy manaja ny ratsy fanahy, fa manome voninahitra ny matahotra an'i Jehovah; tsy mivadika amin'ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza." Salamo 15/4
"Fa araka ny fahamasinan'Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa hianareo amin'ny fitondrantena rehetra" 1Petera 1/15
"Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra." Deoteronomia 6/5
répondu par vonynive le 30/11/2010 07:51
2. RBNIR ( 24/11/2010 08:47)
AMEN!
3. rijadolly ( 24/11/2010 15:04)
Feno tanteraka...,
Misaotra nanome aim-panahy sy fampitsahivana fa mbola ao foana Ilay Mpamonjy na dia solafaka aza isika.Isaorana anie Andriamanitra nanome AZY hanavotra ny Ondry very.
4. vonynive ( 30/11/2010 07:51)
misaotra anao ydifas

Tsy nifikitra tamin'ny haren'ny tany ny fony fa nanana finoana ny Fahefan'Andriamanitra hanome sy haka izy. Nanana finoana izy fa na inona na inona lalovany dia mahavita azy Ilay Andriamanitra inoany ary tsy hiala Aminy mandrakizay izy. Mino koa aho fa afaka ny hahatoky an'Andriamanitra toa an'i Joba isika ary tsy hihatsaram-bela-tsihy amin'ny fiarahantsika Aminy.

tena marina zany; ny fianteherana tanteraka @ fo ho an'Atra no takian'ny Ray amintsika zanak'Atra @ zao vanin'andro zao fa tsy ny fanindrahindrana ny materialy akory.
aza mitsahatra mitory izany ! mahereza
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4239