Fiarovanao ny zonao ny tsy mifidy

1. hery ( 11/11/2010 09:27)
Raha toa ianao ka tsy mankasitraka ny HAT na tsy matoky ny HAT dia aza mandeha mifidy akory. Satria nahoana?

Betsaka tokoa ny resaka momba ny fitsapan-kevi-bahoaka ho avy ity ka mba arosoko ihany koa ny ahy. Mizara efatra izao mantsy ny firehana. Ireo mampanao Eny, ireo mampanao Tsia, ireo mamporisika tsy hifidy ary ireo izay tsy mahalala n'inona n'inona ka mifidifidy na tsy mifidifidy (firehana koa ireo). Hoy i Simp tatsy ambadika hoe "Ny ankamaroan'ny olona moa dia hoe tsy misy dikany ilay fifidianana satria na eny na tsia no lany dia tsy mampiova inona izany"... dia izay no manentana ny olona tsy hifidy. Raha ny fahalalako azy anefa, ny manentana ny olona tsy hifidy dia ilay fiarovana ny safidiny. Eritrereto tokoa moa fa raha TSIA no alatsakao kanefa miova ho ENY tampoka rehefa avy eo... dia aleo tokoa tsy mifidy. Amin'iny mantsy ny safidinao mba tsy azo angalarina.Sarotra tokoa ny hino fa tsy mitongilana io fitsapan-kevi-bahoaka io satria betsaka ireo ankolafin-kery izay tsy mandray anjara amin'ny fikarakarana azy. Raha hery andaniny fotsiny izany no mikarakara dia tsy maintsy hisy mizàna tsindriana ila ao, ka ny azy no ezahiny atao mandresy. Ka na ho be vato aza ny an'ny ankilany, dia tsy maintsy hovainy ho nifidy ny azy. Efa nitranga izany tamin'ny fifidianana sasany taloha. Misy mitsimbadika tanteraka mihitsy ny voka-pifidianana, indrindra ny tany amin'ny tany lavitra andriana. Nefa aza tamin'izany nisy mpanohitra sy vavolombelona nanatrika. Amin'ity fifidianana ity dia mety tsy ho afaka (satria tsy te) hanatrika akory ny mpanohitra.

Zo sy adidy goavana tokoa izany mifidy izany. Raha ny tokony ho izy dia tokony tsy maintsy hifidy hatrany ny olona isaky ny misy fifidianana satria sady zo izany no adidy. Eo indrindra isika izao. Raha toa ka efa fantatrao dieny mialoha ve fa hisy hangalatra ny zo-nao dia mbola hatoky ihany ianao? Asa aloha.

Koa hoy aho hoe, arakaraky ny tsirairay ihany io. Raha matoky ny fitondrana tetezamita ianao dia mifidiana na ho ENY na ho TSIA. Vonona ny hizaka ny fitokisanao azy ianao izany, dia mizaka izay vokany eo. Raha ohatra kosa tsy matoky dia aza manao na dia TSIA aza satria ny TSIA alefanao mety hiova ho ENY. Lojika be izany satria efa tsy matoky azy rahateo ianao.

Tokony hazava tsara fotsiny ny antony handraisanao na tsy handraisanao anjara.
répondu par rahery08 le 16/11/2010 06:44
2. Noue ( 11/11/2010 21:06)
ka na io fifidianana io aza efa tsy ara-dalana ka inona no tokony hifidianana ? na ny mpitondra efa tena tsy ara-dalana ko
3. RAR.DAGO ( 11/11/2010 22:17)
Anao fifidianana amboletra ny FAT satria zay ihany ne efa nandeha taloha ka maninona moa no tsy andeha anio?

Izaho kosa raHery dia milaza aminao fa na mifidy ianao na tsy mifidy rehefa angala-bato ireo na olona 15% aza no mifidy dia hovainy 75%. Izany hoe tsy ny abstention no mampiova inona.

Eto Antananarivo sy ny renivohi-paritany kosa anefa dia efa sarotra ny manao izany ala-bato satria tena manaramaso ny vahoaka. Ka hoy aho hoe andaho aloha homena ny felaka tahamaina kely ireo @ fanaovana TSIA
4. AndriambyII ( 12/11/2010 01:06)
Ny taranak' andevo no ampisafidianana , fa ny manampahefana no mampisafidy , ouzz le masna Rabesorongola !! Ka aôna rahery ?
5. andrywui ( 12/11/2010 10:21)
salut tonton hery !
tsisy handeha hifidy TGV vaky pné ,bitrolahy lavanify kàkàkloty zany eo rahery a !.... ary elaela tonton tsitaita a !..
6. jiolah ( 12/11/2010 11:47)
FIDIO NY TSIA!!!
Miantefa mivantana ireo afaka mifidy eto amin'ny tanin'ny repoblikan'iMADAGASIKARA.
"Mba hisian'ny tena fanovana sy fandrodanana ny jadona..hozy le propakan-dry zalahy ze averina aminy ihany.
7. piozila ( 12/11/2010 15:56)
Zato isanjato miombonkevitra amin'ny Hery
8. itaramasoandro ( 13/11/2010 02:42)
tsidio anie ny global voices @ teny malagasy dia ho hitanao ao ny ambagovangon-dresaka momba ity resaka fitsapan-kevitra tsy ara-dalàna ity sady tsy mifandraika @ fisainana malagasy rahateo

http://mg.globalvoicesonline.org/
http://mg.globalvoicesonline.org/category/topics/elections/

rehefa voatsidikao izany dia ireto misy fanontaniana manitikitika:
- @ fomba ahoana ny mitia tsy misy fahafahana?
- mifanerasera @ tranokala/fiaramanidina/mifamoivoizana samihafa ny tsirairay @ vanin'andro ankehitriny.iza no hihonona, ankoatra ny tenin-drazany, @ tenim-pirenena iray tokana - indrindra fa ny teny frantsay tsy mahatonga n'aizan'aiza eo akaikin'ny teny anglisy sy atsy ho atsy ny teny sinoa sy ny rosiana izay mia mahazo vahana ankehitriny ?
mila mivelatra @ hafa ny malagasy, mila mifanakalo @ hafa saingy manaja ny tenin-drazany.

- hanaiky ho voafitaka hatrany hatrany ve ny malagasy ka ho jamban' ny mody hoe fiovàna dia hinia milatsaka ankibon'ny voay?


itaramasoandro 8)



9. bazylou ( 13/11/2010 18:43)
lany daty ny anareo rahery , io efa vita fa lany avyhatrany , ny aorinan'io no tsara jerevanao fa efa lasan'ny kary ny hena e....

sahala amin'ny hoe , iza no hahazo an'i iarivo , amin'izy telo mitsama??
10. rahery08 ( 15/11/2010 12:39)
Resaka henoko izy ity fa tsy dia hoe tsaho akory!

Asa fa efa azo ampiasaina hangalarana vato ve ny Ordinateur!
Izany hoe efa misy programa ampidirina ao!
ka izy ordi ihany no manova ny safidinao dia lany ny Eny!

Efa fangalarana avo lenta ihany koa zany an!
11. AndriambyII ( 15/11/2010 18:39)
Tsotra ny valinteny ho antsika misalasala. Mario ny ENY sy TSIA @ bulletin de vote-ntsika.Fidikàna fa sady eny no tsia ,nifidy eny satria mila fanovàna , ary tsia satria tsy ampy ny antontan-kevitry ny volavolan-dalàna nisy sy niainanaa hatr@ izay ka hatr@ izao fotoana izao.
12. zigzag ( 16/11/2010 05:54)
mandeha ny fanambakana vahoaka ;ka ampiditra ny lohan'ny malagasy any amboud ny FATY
!gaga anao aho ra malagasy raha mbola azo badoina iany ianao!
badoina am vary iray kapoaka sy menak d mandeha mandatsabato hoan'ireo JIOLAHY sy JIOVAVY mpivarotra firenena !
ka hoy aho hoe FOZAORANA z mandeha mifidy !ary la chasse est ouverte hoan-zay manao ankanjo zarain'ny jiolahy am n io fotoana io!
ianggaviana isika mba hiaza ny Foza sy ny MIARAMILAMPOTAKA am zay fa ampy zay!
mazotoa daolo aza
13. rahery08 ( 16/11/2010 06:44)
Misaotra antsika samy naneho hevitra!

Zao ihany koa anie tsy tokony ho adinoina :
Andriamanitra no mamehy ny zavatra rehetra!
Raha toa ohatra ka ataon'ny Mpitondra ankehitriny ny manatsimbadika ny isam-bato!izany hoe tsy lany ny eny fa dia ataony izay mahalany azy!
Dia fanjakana miorina eo ambonin'ny halatra sy fitaka eh! tsy ho ela dia ho rava izany fanjakana izany!

ataovy eny ho an'izay mankasitraka!
ataovy tsia ho an'izay tsy mankasitraka
Ny tsy mifidy rahateo efa misafidy sahady!

Adriamanitra no atahory ary ny didiny no ankatoavy!

fa Andriamanitra no hamaly ny ratsy atao!
« Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan'ny fon'ny zanak'olombelona amin'ny fanaovan-dratsy. » (Mpitoriteny 8:11)



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3428