Ho an'i Komanda Sarla
1. piozila
(
02/11/2010 14:42)
Any ianao Komanda Charles,
Voalohany, komanda ianao hatreto fa tsy Lietna-kolonely satria fitondrana sandoka (azo tamin’ny fanonganampanjakana izay nataonareo) no nanome galona anao sy ireo namanao ary I Camille Vital, dikan’izany tsy manankery.
Faharoa, raha hiresaka fampihavanampirenena ianao dia aza mihatsara velatsihy; Tsy ho tanteraka io raha tsy mibaboka ianao sy ireo namanao tamin’ireo fanambaniana olona sy fanalana Baraka ary fampihinanana maloto ary ny herisetra nataonareo:
• Fitaritana ny olona hovonoina teny Ambohitsorohitra sy fanakorontanana eran’Antananarivo sy tany amin’ny faritra;
• Fitaritana tamin’ny fanapotehana ny fananan’olona sy ny fananampanjakana;
• Famonoana an’I Hanta teny Analakely;
• fanalana Baraka an’I Manandafy imasombahoaka(sy tamin’ny fahita lavitra) amin’ny fandraisana ny vozonankajony(fa angaha izy jiolahimboto no atao an’ireny sa 19 eme promotion?);
• Fisamborana sy fampidirana amponja ireo tsy nitovy hevitra taminao;
• Fivarotana ny tanindrazana amin’ny vahiny, indrindra fa tamin’ny frantsay;
• Fanalana baraka sy fanagadrana ary fampihinanana maloto an’I Pasitera Lala Rasendrahasina;
• Ny fanaovan’ny FIS herisetra tamin’ireo frera telolahy teny Ambanidia;
• Ny fanaovan’ny FIS herisetra tamin’ilay resevera bus teny Alasora;
• Sy ireo maro tsy voatanisa izay mampalahelo ny fonay sady anananay alahelo maharitra satria olombelona no voaratra sy voavono
Noho izany dia miangavy anao izahay mba hiaiky ampahabemaso ireo heloka vitanareo ireo, toy ny nataondravalomanana tamin’ny androny izay nanekeny ampahabemaso fa nisy ny fahadisoana nataony.
Raha tsy hanao izany ianao dia aza mifanonononona anaram-poko fa masina loatra ireny sy ny razambe nipoirana ary I Madagasikara tanindrazanay. Ary aleo hijanona any ny fandranitana adimpoko sy ny filazana hoe iry no toy izao na itsy no toy izao, fa samy Malagasy avokoa izy rehetra ireo.
Efa mazava hatreto fa TSY HO AN’NY TANINDRAZANA IANAREO, fa ho an’ny tombontsoanareo manokana sy ho an’ny tombontsoan’I Rajoelina.
Ary farany, raha hitady mpitondra olomanga ho an’ny firenena ianao dia tsy ireo miaramila (indrindra fa ny andiany faha 19 izay nisy anao sy lelison)manao asan’ny jiolahimboto sy misetrasetra etsy sy eroa ary mitarika adimpoko no mendrika izany.
ANJARANAO NO MIERITRERITRA.

répondu par Rabaradaka le 09/11/2010 11:44
3. Rabaradaka
(
09/11/2010 11:44)
Dadatoa commandant Sarla ange ka efa lasa 4 amis zao e ! Hitako lery teny Analakely rovitra ny akanjony. Ary mba sahy mandeha eny amin'ny toerana be olona lery an ! Raha mandalo eny aminay lery efa vita ohatr'izay, tena marina e ! Ilazao ange lery hoe mandalova eny amin-dry rabaradaka fa doran'ny olona eny iny