inona no tena fihetsika atao manintona lehilahy

1. nyhaingo ( 07/10/2010 11:02)
... ataon'ny vehivavy sy maha-tamana azy ireo ary mampitoetra azy aminao ?

répondu par Lejoba le 04/11/2010 12:11
2. Lejoba ( 07/10/2010 12:02)
samy manana ny hanitra ho azy io ry zavavy a! Ny manintona ahy mety haharikoriko bandy hafa. Izay tian'ny hafa mety tsy hanaitra ahy mihitsy. Mety misy fihetsika be mpitia na manaitra be am-boalohany fa mampitsoaka raha hita foana
Izay no mahatonga ny Malagasy milaza fa sora-jandiana ny fitiavana : karazany be ny mety hifanojo @ tadiavin'ny Tsi-11
raha te hanintona ny lehilahy ianao, dia aza mitady zavatra lalina be fa izay maha-ianao anao aseho. io koa miankina @ hafatra tianao ampitaina sy ny tadiavinao @ ilay lhl
Ohatra raha ny entanao no arantirantinao, dia hanome fahafaham-po filàna ara-nofo fotsiny izany no zava-dehibe aminao, dia izay lhl voasarikao eo, mandena dia lasa.
Raha toetra tsara no trandrahinao, mety tsy hanaitra lehilahy avy hatrany, fa izay voasintona kosa mety ho tamàna
Mety ho fahaizana am-pahalalana no tena imatimatisanao, dia izay lhl mitady vhv marani-tsaina no ho taitra @nao.
Fa aza mihevitra fa raha mila bandy manam-bola dia mivaro-tena dia mahazo
3. mirananirina ( 07/10/2010 12:54)
Na inona fihetsika atao na inona toetranao dia ny lehilahy na vehivavy koa aza,rehefa mahita olona hafa tiany indray izy tsy azonao sakanana mihitsy.Firifiry moa ny vehivavy maontina manaja vady,mikarakara toa inona ny vadiny,ny ankizy,nefa misaraka ihany avy eo.
Fa io nambaran'i lejoba io koa tena izy.
4. soanja ( 07/10/2010 13:29)

nyhaingo:

... ataon'ny vehivavy sy maha-tamana azy ireo ary mampitoetra azy aminao ?




Fantaro aloha iza ianao sy ny momba anao. Fantaro koa iza ilay lehilahy tinao sy mampaniry mafy ny fonao. Fantaro ny momba azy. Dia miankina amin'izay ny ahafantaranao raha mety hifanaraka ny aminareo roa. Aza miantsampy amin'ny hazo tsy fantatra hoy ny Ntaolo.

Fihetsika voajanahary, miampy fahendrena miavosa ary zotom-po, safidy mifangia no manome ny faharetan'ny fiarahana iray.

5. jiolah ( 08/10/2010 11:29)
hoatran'iza ilay tadiavina ?? Zany hoe mila tiana ilay olona aloha.(aza be famaritra ohatra ny rambon'osy anefa) .Rehefa hita izay dia iza no mahazaka ilay momba anao amin'ireo? (hankizitinana, hakamoana ,vanitinitika,mibaikobaiko....sns..)izany hoe lay toetra sarotra ovaina ao am-po fa voaova am-bava matetika.Rehefa tafahaona ny tia sy ny manina (zany hoe samy a "l'aise "avokoa eo ny roa tonta) de misosa ho azy.
Amiko tsy ilaina tekinika be ny fisintonana bandy fa mety mandeha ho azy tsy ampoizina eo.
6. tiarah ( 08/10/2010 11:56)
Io koa nefa izay lehilahy tianao ho azo tsy voatery tsy maintsy ho azo foana na hanao inona na inona raha tsy hoe Beyoncé na Angelina Jolie enao , fa samy manana ny mety ho azy sy efa napetratr ' Andriamanitra ho anjarany ny tsirairay , mety tsy ho bogosy be izy fa tsy maintsy zavatra iray hanintona anao aminy

"Zaho mahay sekre hitiavako anao ,tsy ambarako olo,,,,,"

7. vale ( 08/10/2010 12:20)

[quote=tiarah]
Io koa nefa izay lehilahy tianao ho azo tsy voatery tsy maintsy ho azo foana na hanao inona na inona raha tsy hoe Beyoncé na Angelina Jolie enao , fa samy manana ny mety ho azy sy efa napetratr ' Andriamanitra ho anjarany ny tsirairay , mety tsy ho bogosy be izy fa tsy maintsy zavatra iray hanintona anao aminy

"Zaho mahay sekre hitiavako anao ,tsy ambarako olo,,,,,"


-------------------------
Slt dol: soyons sincères , d'après moi kous tout se base sur le physique!! TSY afaka iaraka @ oul itay enao que par PITIE ohatra 1 ftsn io, na oul mi-dégouter anao, na oul tsy genre le tinao, na tsy voatery oe le genre tinao fa mba misy ITIAVANAO anaz eny @ araka ny voalazan'i TIARAH io ambony eo ! ny sisa manaraka dia miankina @ TOETRA izay mbola antony maro ihany koa, MISY LHL tia domniné-na VHV, eh oui MISY mints izany, misy VhV tsy Tia dominé-na LhL, etc, etc, dia oe kou: oe mifanaraka ve sa , mifandefitra ve sa? mifanaja ve sa?! etc, etc..
8. vale ( 08/10/2010 12:24)
Ny haingo> alors raha amiko manonkana tsy misy fietsika na toetra VOAFARITRA MANOKANA momban'izany fa mi-dépendre @ izay tadiavin'ny tsi 1-1, na avy @ lay LHL io na avy 0 ilay VHV, rehefa tsy mitombona ao @ ilay fietsika Tadiavny sy toetra tadiaiviny na le LHL io na le VHV de tsy hateza hatrany. raha tsy misy iray manao martyre angaha?! MDR!!!!!!!
9. sipagasy ( 09/10/2010 16:45)
ka nanaraka ireo voalaza retetra ireo ary veh aloha ianao e!! dia tantarao anay moa ny valiny e!
10. nyhaingo ( 14/10/2010 07:48)
eny ry sipagasy a efa nanaraka aho fa ny omaly tsy miova foana e hihihihihi

zah koa manana endrika somary masiaka dia zany koa angamba no mampitsoaka bandy
11. Lejoba ( 14/10/2010 11:30)
mety bandy tsy mitsiky koa izany no voasintona eo grrrrrrrrrrrrrrrrr
na ny tena mifanohitra @ izay : irey mpananihany be tsy laitra ireny mihitsy.
Dia mba mitsikia izany dia aza masiaka e! Tairo fijery malefaka fotsiny
12. cyril ( 19/10/2010 12:13)
makanesa aty amiko nyhaingo fa za mahay mapitsiky sipa , adress 12 rue kremlin bagnolet 16éme ha ha ha ha ha

ha ha ha ha ha
13. bonne ( 27/10/2010 13:17)
Ny naturel ihany no tsra fa tsy amboarina e, tia izy tsara tsy tia izy tsara, fa ny tsiky kosa aloha tokony hananan'ny rehetra e, fa raha miavona mampilefa lelahy zany
14. Lejoba ( 04/11/2010 12:11)


Diso fiantefa ny anao ry Ikala fa ny manova no mety a! Tsy any aminao izany no andrian'ny fony, saina amboarina.

Misy sipa tsy manambady izay, nilazako hoe matetika ny fitiavana ohatry ny olona mitanjozotra mitovy fitodika : ianao variana mijery ny any alohanao, tsy mahatsikaritra fa hay misy mandinika miandrandra anao any aoriana any.
Ovay ny fitodiky ny maso fa sao mba any ilay izy e. Izy koa izay mety ho efa ela no nitady izay fihetsika manintona anao ;-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1943