IO ARY
1. piozila
(
02/10/2010 13:15)
Manentan ny olona tsy handeha hifidy ry zareo ao amin'ny 3 mouvances, ary izay mihintsy lay efa nitrikitrihako teto tapa-bolana lasa izay.
Ahoana moa no handehanana mifidy kanefa:
Ny zavatra ho fidiana tsy fantatra akory hoe inona?
Ny mpanomana ny fifidianana tsy ara_dalana
Ny pdt fokontany sovaly mianto-bilona: asaina miantoka ny panneaux d'affichage amin'ny fifidianana ny pdt fkt ao Antsirabe fa tsy manambola hono ny tetezamita. fa ny mpikambana ao aminy efa voky
Bulletin unique hono no ampiasaina, kanefa ny 60% gasy tsy mahay mamaky teny sy manoratra, mandehana any Ambanivohitra dia ho hitanao. Donc ny bulletin unique no fomba tsotra indrindra hangalarambato tsy misy arakaraka
CONCLUSION Te hitondra mafy Rajoelina satria izy no soavaly taingenan'ireo dinozoro sy ny mpanjanatany. Ho ela velona izy hahita an'i Tsiafahy sy nosy lava

répondu par milamm le 06/10/2010 02:13
2. nilex
(
04/10/2010 10:51)
Marina fa tsy mampite hifidy tokoa nefa izay valiny eo nge ka tena izy foana na ho vitsy aza ny mpifidy ary hanjaka araka izany ny ENY,fa ny mety dia aleo mifidy dia manao TSIA daholo e,amin'izay tsy lany any io no fantatry ry zalahy tsara fa be ny olona tsy tia an'io zavatra io.
Tsy misy tombotsoan'ny malagasy mihintsy io fa manamboatra ny sezan'ny mpanao politika fotsiny ,tia tena be ireo bandy ireo sady ratsy loha ka ny mety dia tsy laniana mihintsy izay ataony eo.

3. hery
(
04/10/2010 11:25)
Fahalemena ny tsy mifidy.
Ny azo atao dia na tsy misy fifidianana mihitsy (izany hoe tsy manan-kery mihitsy ilay izy) na manao tsia.
Ny olana arak'io lazain'i nilex io dia ho lany ny Eny.
Tadidio ny nahalany indray an'i Radidy tamin'ny 1996

4. Miharena
(
05/10/2010 06:52)
Marina ny an'i Hery. Rehefa tsy mifidy ny olona te-hanao tsia dia mitovy amin'ny olona manaiky nefa ny ao am-pony mandà. Dia misavoritaka daholo ny zava-drehetra rehefa avy e satria tsy manana fahavononana ny hanaraka izay hevitr'olom-bitsy nandatsa-bato. Dia io désobéissance civile mandrak'ity ny androany io. Lasa tsy manana accroc intsony amin'ny hevitra tsara hataon'ny mpitondra satria diso nolotoina loatra ny fitsipika politika.
Ny momba ny lalam-panorenana indray dia na dia tsara toy ny inona aza no voavolavola eo dia rehefa tsy manatanteraka azy an-tsakany sy an-davany dia samy mivaralila eo. Ary io no fitaizana nasehon'ny mpitondra sy ny mpiasam-bahoaka hatramin'izay ka mahatonga ny olona hihevitra ny hoe aleo samy maka ho azy fa raha izay rafitra dia tsy misy dikany (voaporofon'ny fisian'ny kolikoly sy ny tsy fankatoavan-dalàna izany zavatra izany). Ity farany ity no tsy mampandroso ny hevitra volavolaina hatraiza hatraiza, na fikambanana io na fiangonana io na antoko politika, na tetik'asa tiana hampandroso.

5. milamm
(
06/10/2010 02:13)
ny tsy azo kosehina aza adino anie ry miharena dia tsotra e, hadisoana sy ireo fomba mamohehitra niseho omaly no averina androany ary vao maika ratsy kokoa aza satria hitohy rahampitso ihany koa, eo no miatomboka ny atao hoe fiovana satria miverimberina izy ireny toy ny lalan-kita kisoa .Io no sakana tsy maha afaka an-davaka ny fitantanana ny fitondram-panjakana, ary namitahany ireo milaza azy ho filoha sy tompon'andraikitra @ zao fotoana ny rehetra niandry fiovana natao ho vato tsindry hahazana, ka atsipy rehefa malok'andro (ny vahoaka izay very sasaka, very fahatelo ohatran'ny rano nosotroin'ny sima)