samy ho faty ihany

1. Lejoba ( 01/10/2010 12:22)
Saika hosoratako tatsy @ vavolombelona ity fa toa eto no be mpitsidika kokoa.
Maro lahy ny anadahin-dreniko, be revy, ny vola misy ny aina matanjaka.
Hita indray andro fa misy diabeta ny zokiny. Noraran'ny dokotera ny zavatra betsaka : matavy na mamy loatra, toaka, mila mampiasa vatana. Tsy noraharahian-dranamana mihitsy satria : samy ho faty ihany. Notohizany ny revy, sady mana-pi be ileiry no misôrà, laoka matsiro, tsy manao fanatanjahan-tena ets.
Ny zandry lahy indray ny sigara no tena fameliny. Mahalany hatr@ 3 pake isan'andro. Efa mikohaka sy raran'ny mpitsabo koa, fa dia tsy azo tenenina mihitsy : samy ho faty ihany.

Naratra indray andro ny tongotr'ilay zoky lahy. Ratra kely tsisy dikany, saingy noho ny diabeta dia nanonitra be ilay fery, niditra hopitaly mihitsy. Efa 1 volana tany @ hopitaly dia tapaka ny hevitra fa hotapahina mihitsy ilay tongotra fa miakatra ilay aretina. Ny vola efa be dia be no lany, ny fianakams reraka manati-bary sy manao garde malade. Ranamana miha-kizintina sy sorena lava fa maloto be ny ao Befelatanana. Dia notapahina tokoa teo @ lohalika. Nijaly mafy, vao mainka nifady hanina be dia be ary satria moa tany @ hopitaly dia tsy afa-nangala-pihinana mihitsy fa dia izay avelan'ny dokotera hohanina sisa. Tsy ampy 1 volana taty aoriana, maty leiry, samy ho faty ihany.
Nanao asthme koa ilay zandry kely, dia nasain'ny dokotera najanona ny sigara. Dia afaka... nandritry ny herinandro vitsivitsy. Niverina nifoka tsikelikely : singany 1 ao anatin'ny 1 andro, dia avy eo lasa 2 ... niverina t@ 3 pake isan'andro. Taty aoriana, narary mafy ny tratra. diagnostic : cancer du poumon. Tsisy hevitra, efa mihanaka tanteraka ny aretina. Tsy mahatelin-kanina intsony fa miverina misotro ronono, ron-dasopy sy farilac ohatry ny zaza tsisy nify. Nangidy tanteraka ny fiainana satria tsy afa-nihetsika teo am-pandriana intsony, miaraka @ fanaintainana mafy. ny ankizy tsy misy mety irahina hividy sigara. Nahatsiaro ho nijaly mafy. Miady @ fianakaviana sy mitaraina foana. Ary dia maty ihany koa no niafarany.
Tsy sanatria manenji-dresy ilay fianakavianay aho, fa rehefa samy ho faty ihany.... aleo mitandrin-tena
Izahay taranaka taty aoriana tsisy te hiherika toaka sy sigara intsony. Henjana be ny nanatrika ny faharariana sy ny fahafatesan'ireo dadatoa 2 ireo. Nefa ireo no mpampirevy taloha
Ka ento milamina ihany ny fiainana ry zareo fa mbola be ny ilàna vatana salama sy tomady ah, samy ho faty ihany
répondu par diamondra27 le 11/11/2010 16:38
2. Belle ( 01/10/2010 15:31)
Misaotra an'i Lejoba nizara sy nanao vavolombelona.

Tohiziko amin'ny loha-hevitra mifandray amin'ny fahafatesana ihany ny dinika. Lafiny hafa mihitsy indray kosa no andraisako ilay hoe "samy ho faty ihany".

Ny tranga toy ireo voalaza ireo no mahatonga saina ahy matetika ka mampiteny irery hoe tsy misy dikany mihitsy ity fiainana ity (inona no antony itadiavana vola? inona no antony hiadivana? hifandrafesana? sns...

MangalA iray minitra anie ianao andefasana saina fa ny zavatra rehetra imatimatesana ka mahatonga ny toetra ratsy rehetra mitranga amin'ny fiainana dia TSY MISY DIKANY, fa tsy te-hiherika hanao ireny zavatra ireny intsony ianao. Fahafatesana no hiafaran'ny rehetra, fahalovana, ka nahoana raha mba fitiavana no atao betsaka mameno ny fiainana isaky ny afaka manao an'izany?

Faranako amin'ny hoe: samy ho faty ihany ka nahoana raha mifankatia dieny mbola velona?

Samia tsara jiaby!
3. fahamarinana ( 03/10/2010 15:57)
Misaotra nay lejoba sy belle , misy ho saintsainina tokoa , rehefa samy ho faty mba ho soa sy fahafinaretana no hiarahana , tys siana lagy na atao faran'ny kely indrindra rehefa tsy tohitra ! Mankasitraka e! :)
4. niryna ( 04/10/2010 04:06)

fahamarinana:

Misaotra nay lejoba sy belle , misy ho saintsainina tokoa , rehefa samy ho faty mba ho soa sy fahafinaretana no hiarahana , tys siana lagy na atao faran'ny kely indrindra rehefa tsy tohitra ! Mankasitraka e! :)

Amin'ny fiainantsika dia misy tokoa izany,ao ny miteny hoe maninona aho raha manao izay hiadanan'ny kiboko aloha,manao fiainana fa ho faty hiany aho?
Ao koa ny olona izay manana adintsaina ka tsy mety miaiky izany ary tsy mitondra izany eo amin'Atra fa ny sainy ihany dia izay ka dia hizaka izay fisainany sy eritreritra mety ho diso izy
Ny fahitana fahoriana indraindray dia mety ampianatra antsika tsy anao an'iny zavatra iny fa rehefa tonga kosa izay mokondoha hoe ny ahy ihany dia tsy mety mihaino hanatra isika
Tsy mora ny miala ny fahazarandratsy,tsy mora fa mila mivavaka mafy isika ary mangataka amin'Atra mba anampy antsika ,mba farafaharatsiny miala tsikelikely,tsy tonga dia mety hiala tanteraka fa rehefa mieritreritra ny lafiratsy mety hitranga amintsika isika ary ny vokatra mety ho anterak'iny na ireo taranaka hijaly any aoriana dia miala ihany amin'ny farany
5. soanja ( 06/10/2010 03:44)
Lejoba>

Misaotra indrindra nitantara ny zavamisy mitranga eo amintsika samy Malagasy.

Ny fahitako azy matetika dia tsy ny toe-tsain'ilay olona loatra no mitondra azy ka mahatonga izany fisainana hoe "Samy ho faty ihany" fa ny fitaizana no misy olana.

Io ilay antsoina hoe "instant gratification" hoy ny vazaha aty aminay. Hoy i Daniel Goleman izay hoe isan'ny tafiditra ao anatin'ny "emotional intelligence" ny fampiandrasana ny tena tsy hahazo avy hatrany izay fahafinaretana eo no ho eo na zavatra takian'ny vatana eo no ho eo.

Ka io dia mitomboka avy amin'ny fitaizana indrindra raha manakarena ny ray aman-drenin'ilay zaza na ireo ankizy. Io ilay atao " mampihanta ratsy" hoy ny Gasy, na fampihantana be loatra. Izany hoe mbola kely ny zaza dia izay tiany ho azo sy mahafinaritra azy dia azony avy hatrany. Ka mihazatra ilay saina, tsy mba afaka hiandry na handinika hoe " aoka kely aloha" satria efa zatra nahazo fahafinaretana foana. Aty aoriana dia mihatra ilay izy amin'ny fampiadanan-tena be loatra ka tsy vonona hanao zavatra hampiafy sy hiandry hany ka mampiasa an'io tena hoe " samy ho faty ihany " io ny olona hanalana izay tsy fahafahana miandry sy mamela izay hita fa hamparary any aoriana. Io no isan'ny mahabe ny fampiasana drogy na zavamahadomelina aty an-dafy satria tsy zatra miaritra ilay vatana fa raha vao misy maharary dia aleo domboina tsy aheno maharary na mitaintaina sns sns... avy eo olana manaraka ny arabe.

Dieny mbola kely ny zaza dia mila zarina miandry kely, miafy kely ary mila manao ezaka vao mahazo zavatra mahasambatra ny vatany, ankoatr'ireo tsy maintsy atao aminy izay ilainy amin'ny fibeazany no tiako tenenina. Mila mianatra miasa saina, mandanjalanja sns sns....

Mazotoa daholo.
6. AndriambyII ( 06/10/2010 22:21)

Lejoba:

Saika hosoratako tatsy @ vavolombelona ity fa toa eto no be mpitsidika kokoa.
Maro lahy ny anadahin-dreniko, be revy, ny vola misy ny aina matanjaka.
Hita indray andro fa misy diabeta ny zokiny. Noraran'ny dokotera ny zavatra betsaka : matavy na mamy loatra, toaka, mila mampiasa vatana. Tsy noraharahian-dranamana mihitsy satria : samy ho faty ihany. Notohizany ny revy, sady mana-pi be ileiry no misôrà, laoka matsiro, tsy manao fanatanjahan-tena ets.
Ny zandry lahy indray ny sigara no tena fameliny. Mahalany hatr@ 3 pake isan'andro. Efa mikohaka sy raran'ny mpitsabo koa, fa dia tsy azo tenenina mihitsy : samy ho faty ihany.

Naratra indray andro ny tongotr'ilay zoky lahy. Ratra kely tsisy dikany, saingy noho ny diabeta dia nanonitra be ilay fery, niditra hopitaly mihitsy. Efa 1 volana tany @ hopitaly dia tapaka ny hevitra fa hotapahina mihitsy ilay tongotra fa miakatra ilay aretina. Ny vola efa be dia be no lany, ny fianakams reraka manati-bary sy manao garde malade. Ranamana miha-kizintina sy sorena lava fa maloto be ny ao Befelatanana. Dia notapahina tokoa teo @ lohalika. Nijaly mafy, vao mainka nifady hanina be dia be ary satria moa tany @ hopitaly dia tsy afa-nangala-pihinana mihitsy fa dia izay avelan'ny dokotera hohanina sisa. Tsy ampy 1 volana taty aoriana, maty leiry, samy ho faty ihany.
Nanao asthme koa ilay zandry kely, dia nasain'ny dokotera najanona ny sigara. Dia afaka... nandritry ny herinandro vitsivitsy. Niverina nifoka tsikelikely : singany 1 ao anatin'ny 1 andro, dia avy eo lasa 2 ... niverina t@ 3 pake isan'andro. Taty aoriana, narary mafy ny tratra. diagnostic : cancer du poumon. Tsisy hevitra, efa mihanaka tanteraka ny aretina. Tsy mahatelin-kanina intsony fa miverina misotro ronono, ron-dasopy sy farilac ohatry ny zaza tsisy nify. Nangidy tanteraka ny fiainana satria tsy afa-nihetsika teo am-pandriana intsony, miaraka @ fanaintainana mafy. ny ankizy tsy misy mety irahina hividy sigara. Nahatsiaro ho nijaly mafy. Miady @ fianakaviana sy mitaraina foana. Ary dia maty ihany koa no niafarany.
Tsy sanatria manenji-dresy ilay fianakavianay aho, fa rehefa samy ho faty ihany.... aleo mitandrin-tena
Izahay taranaka taty aoriana tsisy te hiherika toaka sy sigara intsony. Henjana be ny nanatrika ny faharariana sy ny fahafatesan'ireo dadatoa 2 ireo. Nefa ireo no mpampirevy taloha
Ka ento milamina ihany ny fiainana ry zareo fa mbola be ny ilàna vatana salama sy tomady ah, samy ho faty ihany


Ka rehefa be kosa ny hatokona tsy aleo kosa vé? NIsy cas nitovy t@ izany betsaka t@ fianankavianay . Notapahina aloha ny ankihibe , dia avy eo felantongotra , , nanaraka ny ranjo , farany ny tongotra roa , ...., ,rehefa fantany fa tsy hisy fanantenana intsony ny aminy , dia tsy aleo kosa ve mba mamela azy hanao izay fahafinaretana mba tiany hanavotra ny fanahiny ? Olombelona foana isika , ary ny fameperana tsy milaza ny tena antom-piavian' ny aretina sns io dia anisan' ny mitondra aretina hafa tsy hay faritana ihany koa ! Raha tsy ampy tosika t@ insuline , na fanafody nifanahaka t@ aretina nahazo azy ireo dadatoanao , angamba dia mbola mety ho vokatry ny tsy fahampian' ny fahaizan' ny olombelona hatr@ izao izany .Aza kivy fa ho hitanao ny tena votoatiny nahatonga izany , ka hanampianao ireo mpiara-belona aminao @ ho avy .
7. euh ( 11/10/2010 13:10)
samia fotsiny mandray ny fiainana arakaraky ny heviny fa tsy mifampitondromolotra ny hafa sy manindrahindra ny tenany miandry dera na mitonotena ho masina

misy ny manao toetra jorery, tsy mihevitra ny ampitso fa izay misy androany hikoranana, ilaozana mandany andro @ fanararaotana ny ankehitriny.
misy kosa ireo mitsinjo vody andro merika tsy mandanilany foana fa manangona hatrany, tsy tia mirobaroba sy manararaotra ny fiainana fa mihafihafy lava
Samy manana ny hanitra ho azy, rehefa tsy mifampitalaho fotsiny fa samy miaritra ny tarigetrany

Samy ho faty ihany daholo, samia manao izay sitraky ny fony

Misy olona mitandrina mafy fa rehefa voafaoky ny fiaran'ny mpidaina ohatra dia maty ihany no anjarany, na ohatrinona vola tahiry, na madio mangarahara ny vavony, na tsy nisotro toaka hatramin'izay niainany

cancer des poumons mety azo avy @ amiante na produits toxiques tsy ferana avy aiza no nifofohana azy, marina fa ny fifohantsigara dia mankasarotra ny aretina toy izany
diabeta avy @ malbouffe nefa mety ho aretina nolovaina koa. Betsaka ny olona taloha tsy mahafantatra fa misy aretina, tsy voatery hahafaty azy koa ilay izy

Lakalaka ny anjara fa tsy misy ho olomasina omena satroka mamirapiratra o
8. mirananirina ( 11/10/2010 13:48)
Lejoba,samy ho faty ihany ,ka aleo maty aoriana toy izay maty mialoha tokoa an!
9. diamondra27 ( 11/11/2010 16:10)
Lejoba: tsy manenji-dresy ianao fa mampita @ hafa ny zava-misy
zavatra roa eto no misongadina dia ilay diabeta sy ny revy toaka sy sigara

mazava ho azy araka ny voalazanao rehefa tratran'ny diabeta dia mila mitandrina am sakafo

ny vokan'ny sigara sy toaka koa dia zavatra mampidi-doza mihintsy fa raha misy olona te-hiala am zany dia tokony manao visite kely any am hopitaly izy aloha amin'ireny service ny olona marary ny toaka sy ny sigara ireny fa tsy maintsy miova izy raha tsy hoe angaha efa suicidaire.

Zany hoe raha voan'ny diabeta ianao dia mila mitandrina ary ny toaka dia fahavalo satria raha sendra maratra dia elabe vao cicatriser dia lasa mitarika aretina hafa dia io nahazo azy io: tapaka ny membres sns...

ny vokan'ny fisotroana toaka indray refa amantaonany dia cirrhose alcoolique ary lasa cancer du foie
tsy mihinankanina normale tsony le olona fa toaka sisa no sotroiny sy mi-deprime eo izy ary zany no maha kizitina ilay olona dia lasa denutri sy mety hanao hematemese ary izy, zany hoe mandoa ra ary sady rehefa mifoka sigara dia ny systeme respiratoire no voadona mafy ihany koa.tsy miasa tsara intsony ny poumons, be goudrons am le sigara

rehefa voadonamafy moa ilay foie dia tsy misy azo atao hafa tsy ny operation, na manao grefy
am zay fotoana zay de tokony hiditra hopitaly ilay olona mianatra misakafo manao reeducation digestive sy nutritionnelle. Fa na izany aza rehefa tsy avotra tsony dia tsy maints la mort no iafarany e

10. diamondra27 ( 11/11/2010 16:20)


dia mazotoa mijery sy mampandre ny havana aman-tsakaiza ny voka-dratsin'ny toaka


Lejoba: mahereza ry ise a
11. diamondra27 ( 11/11/2010 16:38)
MISY CANCER anankiroa hono ny 1 hemastase dia ny faharoa hepatocarcinome

metastase= tumeur situe ailleurs dans le corps sur le colon , sur le sein qui envoyait des cellule cancereuses dans le foie
cancer primitif= hepatocarcinome CHC, il va naitre dans le foie, dia avy @ hepatite B et C sy ny alcool no mahatonga an'io, DIA ALOHAN'NY HISehoan'ny cancer dia io TOXIQUE io no mi-provoquer ny CIRRHOSE
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3818