VAVAKA NAMPIANARIN'NY TOMPO

1. YDIFAS ( 24/09/2010 19:02)
Miarahaba antsika amin'Ilay tena tia antsika
Hoy ny mpianatr'i Kristy Taminy :mampianara anay hivavaka. Hoy Izy namaly:
Koa amin'izany mivavaha toy izao hianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay. Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny ratsy. Matio 6/9

1) Hitatsika miharihary eto fa ny fiantsoana ny Anaran'Andriamanitra no lohalaharana rehefa mivavaka. Izany hoe mangataka ny fanatrehany, satria raha tsy izany dia miteny amin'ny rivotra isika. Tokony hataotsika izay hikasihany ny Fony, izay hampiherika Azy: "Ary hitady Ahy hianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra" Jeremia 29/13. Izany no ahafahatsika mahita Azy sy miresaka Aminy ary manana antoka isika fa tsy miteny an'efitra ( dans le vide ) satria Izy no efa niteny io teny io dia tanterahiny izany ary mahatoky isika fa eo amin'ny fanatrehany

2)"...hohamasinina anie ny anaranao...". Rehefa manana toky isika fa manatrika antsika Izy dia fanomezam-boninahitra Azy, fanandratana Azy, fiankohofana eo anatrehany no dingana manaraka. Izany hoe, faratapony sy lahara-pahamehana no toerana omena an'Andriamanitra amin'ny zava-drehetra: midika ihany koa io hoe tsinotsinona isika olombelona manoloana ny Fahalebiazany, eo alohan'ny Fahamasinany; koa noho izany, mampiankohoka ny amitsika manontolo. Salamo 148

3)"...Ho tonga anie ny fanjakanao...". Ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra dia Andriamanitra no Mpanjaka. Ny Fanjakany dia ny fanantanterahana ny Asany (toriteny, antsam-panahy, mamafa fiangonana...). Tonga aiza anefa io Fanjakany io? Ho tonga ao am-potsika, ao an-tsaitsika, ao anaty fanahitsika, ao an-tokatranotsika, eo amin'ny fianarana sy asatsika... Izany anefa dia mila hetsika avy aty amitsika dia ny fanokafatsika ny amitsika manontolo sy ny famelatsika Azy ho Mpanapaka ny momba antsika izay Izy vao afaka hanjaka.

4)"...Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra...". Ny any an-danitra dia efa manao ny sitrapon'Andriamanitra. Tsy milaza Izy hoe hotanteraka anie ny sitrapony. Raha adika io dia midika hoe Andriamanitra no avelatsika hanao ny asa fa tsy isika no manao ilay ampanaoviny dia ny sitrapony izany. Manao ny sitrapon'Andriamanitra = manaraka ny didiny, manatanteraka ny teniny, mino Azy sy izay lazainy, mankato izay ampianariny. "Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana izy" Jaona 5/2; "Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra". Matio 7/21

"Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalanao no ato anatiko" Salamo 40:8

Ireo dingana efatra ireo izany no tsy maintsy arahina raha mivavaka sy te hiresaka amin'Andriamanitra isika. Miala tsiny raha manonona anaram-piangonana: diniho fa ny litorijian'ny FJKM sy ny Katolika ohatra dia manaraka io vavaka nampianarin'ny Tompo io: 1) Fiantsoana ny Anarany, 2) Fanomezam-boninahitra Azy, 3) Mamaky ny teny manambara ny sitrapony...

Vita izay rehetra izay vao afaka mangataka isika: "...Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay...
Ny antsika olombelona mantsy dia ny antsika foana no mahamaika antsika sy tiatsika hivaha mialoha ny zavatra rehetra.

Koa manomboka izao dia aoka isika hianatra sy hampihatra ny vavaka nampianarin'ny Kristy fa ny sitrany dia ny an'Andriamanitra no tokony imasoantsika mialoha ny fangatahana mety ao am-potsika.

Ho an'Andriamanitra irery anie ny voninahitra

répondu par vonynive le 04/10/2010 09:17
2. ouioui ( 26/09/2010 01:33)
Misaotra [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Messages/0027a.gif[/IMG]
3. AndriambyII ( 26/09/2010 23:47)
Jereo kely anie ito YDIDAS é !
http://new.fr.music.yahoo.com/blogs/blog_c_ma_tournee/9262/avec-nina-hagen-choisissez-votre-jsus-personnel/
4. mirananirina ( 27/09/2010 12:51)
Toriteny re zao,merci
5. ouioui ( 27/09/2010 17:21)
Amen!!!!! [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Grands_Smileys/emoticone-msn-lis-un-livre.gif[/IMG]
6. vonynive ( 04/10/2010 09:17)

YDIFAS:

Miarahaba antsika amin'Ilay tena tia antsika
Hoy ny mpianatr'i Kristy Taminy :mampianara anay hivavaka. Hoy Izy namaly:
Koa amin'izany mivavaha toy izao hianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay. Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny ratsy. Matio 6/9

1) Hitatsika miharihary eto fa ny fiantsoana ny Anaran'Andriamanitra no lohalaharana rehefa mivavaka. Izany hoe mangataka ny fanatrehany, satria raha tsy izany dia miteny amin'ny rivotra isika. Tokony hataotsika izay hikasihany ny Fony, izay hampiherika Azy: "Ary hitady Ahy hianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra" Jeremia 29/13. Izany no ahafahatsika mahita Azy sy miresaka Aminy ary manana antoka isika fa tsy miteny an'efitra ( dans le vide ) satria Izy no efa niteny io teny io dia tanterahiny izany ary mahatoky isika fa eo amin'ny fanatrehany

2)"...hohamasinina anie ny anaranao...". Rehefa manana toky isika fa manatrika antsika Izy dia fanomezam-boninahitra Azy, fanandratana Azy, fiankohofana eo anatrehany no dingana manaraka. Izany hoe, faratapony sy lahara-pahamehana no toerana omena an'Andriamanitra amin'ny zava-drehetra: midika ihany koa io hoe tsinotsinona isika olombelona manoloana ny Fahalebiazany, eo alohan'ny Fahamasinany; koa noho izany, mampiankohoka ny amitsika manontolo. Salamo 148

3)"...Ho tonga anie ny fanjakanao...". Ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra dia Andriamanitra no Mpanjaka. Ny Fanjakany dia ny fanantanterahana ny Asany (toriteny, antsam-panahy, mamafa fiangonana...). Tonga aiza anefa io Fanjakany io? Ho tonga ao am-potsika, ao an-tsaitsika, ao anaty fanahitsika, ao an-tokatranotsika, eo amin'ny fianarana sy asatsika... Izany anefa dia mila hetsika avy aty amitsika dia ny fanokafatsika ny amitsika manontolo sy ny famelatsika Azy ho Mpanapaka ny momba antsika izay Izy vao afaka hanjaka.

4)"...Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra...". Ny any an-danitra dia efa manao ny sitrapon'Andriamanitra. Tsy milaza Izy hoe hotanteraka anie ny sitrapony. Raha adika io dia midika hoe Andriamanitra no avelatsika hanao ny asa fa tsy isika no manao ilay ampanaoviny dia ny sitrapony izany. Manao ny sitrapon'Andriamanitra = manaraka ny didiny, manatanteraka ny teniny, mino Azy sy izay lazainy, mankato izay ampianariny. "Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana izy" Jaona 5/2; "Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra". Matio 7/21

"Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalanao no ato anatiko" Salamo 40:8

Ireo dingana efatra ireo izany no tsy maintsy arahina raha mivavaka sy te hiresaka amin'Andriamanitra isika. Miala tsiny raha manonona anaram-piangonana: diniho fa ny litorijian'ny FJKM sy ny Katolika ohatra dia manaraka io vavaka nampianarin'ny Tompo io: 1) Fiantsoana ny Anarany, 2) Fanomezam-boninahitra Azy, 3) Mamaky ny teny manambara ny sitrapony...

Vita izay rehetra izay vao afaka mangataka isika: "...Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay...
Ny antsika olombelona mantsy dia ny antsika foana no mahamaika antsika sy tiatsika hivaha mialoha ny zavatra rehetra.

Koa manomboka izao dia aoka isika hianatra sy hampihatra ny vavaka nampianarin'ny Kristy fa ny sitrany dia ny an'Andriamanitra no tokony imasoantsika mialoha ny fangatahana mety ao am-potsika.

Ho an'Andriamanitra irery anie ny voninahitra

izaho aloha liana @ fampaherezanao e, tena tia mandalina soratra masina enao an, mety ho maro ny manakivy sy mananihany fa za miteny oe mahereza fa misy mamaky ny lahatsoratrao

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0532