Maputo ihany hono e! Bravo aloha Raharinaivo a!!!

1. ronaldo09 ( 12/08/2010 07:09)
Amizao fotoana anoratana izao dia nody ventiny ny rano nantsakaina satria hita ihany ny marimaritra iraisana! Nivory sy nikaondoha teny amin'ny Ivotoerana Fandraisana fihaonana iraisam-pirenena eny Ivato manko ireo mpanao politika rehetra eto Madagasikara ,tao ireo mpanohitra sy mpanohana ny HAT . Tapaka tao ary y daty rehetra hanaovana ny fifidianana ary tapaka ihany koa fa eken'ny rehetra ny maha filohan'ny HAT ny filoha hajaina Andry Rajoelina.Eto dia isaorana ny filoha hajaina Andry tamin'ny tsy fikelezany soroka nikatsaka ny tombotsoa ho an'ny malagasy tsy ankanavaka ary hita taratra ihany koa fa tena irak'Andriamanitra ny filoha hajaina tahaka an'i Moizy t@ fotoan'androny satria rava ny jadona nataon'ny teo aloha ny fanavakavahana ara-piaviana toy ny governemanta izay avy @ faritra iray ny mpikambana rehetra tao, ny fanagadrana ireo élite politique avy any anindrana.Izany rehetra izany dia niravona.
Etsy akilan'izay anefa dia mbola tsy maty voalavo ankibo ny sasany izay mivorivory pour rien eny Ivandry fa ny Maputo ihany hono.Tena mampalahelo ireto olona ireto : Efa nomena chance ange ianareo nefa nohararaotinareo izany ary heverinareo ho fahalemena ny nanekena an'le izy dia nosimbainareo ka Maputo inona indray no nofisinareo ireo;Maputo dia i Fetison izay mpivarotra friperie no ho coprésident? Sa iRakotovahiny sy Zafy izay tratran'ny empéchement sy motion de censure no hitana institution? Raha ny Maputo no eritreretinareo dia misotroa tangena iray litatra avy na mikepokepoha vatokely e!
Efa mazava ny lalana miaraka amin'ny filoha hajaina Andry Nirina fa roso amin'ny fifidianana ny vahoaka zany hoe miverina @ vahoaka topom-pahefana ny fahefana fa eo ianareo sy ry dada.
Misaotra an'Andriamatoa Raharinaivo sy ry Rasomotra nahatsapa tena tonga nanoina ny antso aloha e, izany ka olona manana ny maha izy azy hitany fa diso ny lalany ka niverina izy sady io koa no tena TIM fa tsy Fetison zay tsy fantatra fa nipoipoitra ho azy teny .
Ho ela velona anie ny filoha hajaina Andry Nirina sy i Madagasikara mitraka!!!!!
répondu par zakilinina le 14/08/2010 07:07
2. andrywui ( 12/08/2010 13:15)
Milay letsy ronaldo fa elah no tena ela tsy mandalo ato mitsy de faizindry zalah ato fona ah de petsa nefa isika no mahery hon hon hon ...


--- tapitra ny mondial e... vita koa ny lamina rehetra !

mpetraka ho filoha foana ilay raikalahy ! hatao tsy ho ela ny fifidianana !!

-- i Dada no tsary mahazo manao hoe ...


raharinaivo hivadika TGV fa efa hitany ny lalana fa miha tery ao amin'ny tIM ao !! niara- niala zahay mtsamy !!!

3. fijo ( 12/08/2010 20:45)
hoatry ny mahatratra fanompoana izany aho mamaky le dinika.izany hoe hiverina ny sefosefo,sy ny alika kely irakiraka sy mitaty tsindroka.
4. ronaldo09 ( 13/08/2010 06:48)
Izay iheverantsika azy tsy maninona zokibe fijo a!Zahay dia manohana ny filohantsika foana!!!
5. Hagg ( 13/08/2010 07:01)
Miarahaba,
Ny mahagaga dia ianao ihany dia efa mitanisa anarana mpahohitra izay tsy tao. Izany hoe tsy ny antoko politika rehetra akory , ary tsy ny mpanohitra rehetra akory no voasolo tena tao, araka ny voalazanao. Toy ny mahazatra moa dia ny fampiharana azy ihany no ahitana ny tena heriny. Na inona na inona voasonia rehefa tsy tanteraka ka tsy nampiharina dia tsy manankery ihany izany.....dia mitohy ihany dinidika ambany tafotrano e!!

Ka isika hoy aho raha mbola mifanaratsy samy gasy eto dia tsy ho aiza mihitsy, indrindra fa raha asiana an'ity resaka cotier sy merina ity amin'ny resaka politika. Tsy izany akory no hampandroso. Mahatsiarova saina fotsiny hoe ianao izao inona na avy aiza dia inona ny vitanao irery?
6. andrywui ( 13/08/2010 09:02)
Ka le vavabe tato anie ry hagg no tena tsy laitra e! ...

hoe ho vita io kelifingotra lavanify io atsy ho atsy eeéé... ho fatin'ny olona le bitrolahy io eeééé... ahita ny angannnii io eééé ... aiza zao zay ?? tsa nety ve sa nanokory toa tsary nisy hita aby ry le pika mpanaonao tato reny nakaia aby ?...
7. rabaradaka ( 13/08/2010 11:14)
Maputo, Addis-Abeba, CCI Ivato, Carlton, ho aiza ihany e
8. fijo ( 13/08/2010 19:56)
ronaldo an,le manohana tsy fahotana akory.na iza no tohanana na iza,tsy any le olana.ny olana dia le manompo olona.na ny manompo an dravalo na ny manompo an'i ratsiraka na ny manompo an'i andry dia ratsy amiko.
9. zakilinina ( 14/08/2010 07:07)
Ny tena olana dia ilay olona efa voalaza hoe sans qualité tany amin'ny fivorian'ny ONU ka nahafabaraka ny Malagasy.
Ny tena olona dia ilay fitondrana jiolahim-boto voalazan-dRanjeva. Io Ranjeva io anefa dia tena manana qualité satria henoin'izao tontolo izao teny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0679