Tandremo ny sekta
1. hery
(
09/08/2010 23:30)
Voalohany indrindra aloha dia tsy hiresaka ilay dikan'ny sekta ara-bakiteny ilay hoe nisampana aho satria raha izany dia azo lazaina sekta daholo ny fivavahana rehetra.
Fa ilay famaritana ara-kevitra (ara-dalàna, araka ny zo maha-olona, ara-potokevitra) no tiana havoitra.
Ireto misy fomba vitsivitsy hahafantarana ny atao hoe sekta.
- Fanasana atidoha (fandemen-tsaina atao amin'ny mpikambana) mahatonga anao hanameloka ny tenanao sy tsy hanana estime de soi intsony
- Fanerena ankolaka amin'ny ara-bola (Takomana amin'ny hoe hampandroso ny fikambanana sns) Amin'ny voalohany dia tsy dia maninona loatra fa rehefa elaela dia manjary hanome izay rehetra hananana mihitsy... misy mivaro-pananana
- Fisarahana tsikelikely amin'ny fiaraha-monina tsy ao anatin'ny fikambanana (miteraka ady amin'ny fianakaviana mihitsy indraindray) Misy mpivady miady satria ny iray tsy ao anatiny (Jereo ny tantara ery ambany)
- Fibaikoana manontolo ny mahaolona ilay mpikambana (tsy tompon'ny tenany intsony fa manao izay lazain'ny Gourou... matahotra izay lazainy, manaraka am-bokony)
- Fiainana anatin'ny tahotra (farandro, fahotan'ny hafa, matahotra fifaneraserana)
- Fiheverana fa ny an'ny tena no tena fiangonana fa ny hafa dia fahaverezana daholo.
Fa ny tena goavana dia Sarotra dia sarotra ny miala ao anaty sekta.
Raha ao amin'ny Fiangonana iray ianao no miala tsy misy arakaraka sy romoromo fa malalaka tsara dia tsy sekta izy izay. Fa raha vao manomboka tezitra mafy ny mpitarika, manao fara-teny, manozona mihitsy aza... dia misaora fa tafavoaka.
Ity misy tantaran'ny olona iray afaka tao amin'ny sekta iray.
http://www.prevensectes.com/tj7.htm

répondu par xxxw le 22/08/2010 06:03
2. bor2lais
(
10/08/2010 09:39)
Misaotra an'i Hery nizara : amiko, tsy misy ampiana, tsy misy analàna izay voalaza.
Ny iray amin'ireo voatsoakako tamin'ilay tantara dia ity :
"En réalité, on n'étudiait pas la Bible mais un livre de la Société, donnant la doctrine des ..., et émaillé de citations bibliques à leur convenance"
Dia mampahatsiaro ahy ity tsimpona iray ity io voalaza io :
I Jaona 4:1 "Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao."
Sy ny nataon'ireo tany Beria fahizay, izay tsy nitelina am-bolony ny fampianaran-dry Paoly :
Asa 17:11b "... ka nandinika ny Soratra Masina isan-andro, na marina izany, na tsia"

3. ikaretsaka
(
10/08/2010 12:27)
dia voafehin'ilay fiteniko matetika hoe
"raha ny metimety aminao ihany momban'Atra no tazominao fa ny tsy mety arianao na odianao fanina na tsy raharahianao izao fotsiny: dia tsy Atra mihitsy no inoanao @ izay fa ny tenanao"

6. fijo
(
10/08/2010 18:53)
ny mahatonga ny olona hitonatonana any aminn'y sekta anie,dia tsapany fa "tsy mahavonjy "azy ny fiangonana "fototra "e,ka mila hetsika avy aminn'y fiangonana "fototra" koa io
8. hery
(
10/08/2010 21:22)
Ho ahy dia tsy mampaninona ahy mihitsy raha mandeha any amin-ny sekta ry zareo raha tsy mahafapo azy ny fiangonana fototra... Safidy manokana ny azy iny. Fa ny tohiny avy eo no olana, ny zanany izay tsy avelany hanan-tsafidy tahaka ny safidy nomena azy. Ny hafa izay tsy ao anatin'ny société izay harceler-ny sns.
Ary tsy izaho mihitsy no hitomany ny hiverenany ao amin'ny Fiangonana fototra, satria safidy koa iny, fa hoe araho fotsiny ny fitsipiky ny fiaraha-monina. Rehefa any ianao dia mipetraha tsara any fa aza mifandrebireby... aza mitety ny varavaranay.

9. ikaretsaka
(
10/08/2010 22:12)
ny ahy koa mitovitovy @ ny an'i Hery ihany fa ny ahy indray miampy hoe fantaro tsara koa aloha ilay "fototra" fa betsaka mantsy raha ilay liens nomen'i hery io no vangiana , ireo olona lasa any tsy mahafantatra tsara ny doctrinen'ny 2 tonta fa sodokan'ilay endrika ivelany fotsiny.
Zahako koa tsy manana problem loatra rehefa tsy manery ny olona , ny fianakaviana , sy ny societe ho ao anatiny .
ohatra hoe zaho katolika, Lefijo tsy mpino, tsy hoe satria tsy mitovy amiko i fiho dia tsy namakosy hiatakatahako lavitra
na hoe nohon'ny maha mpiakama anay mitsam de nanaiky ny ho entin'i lefijo amy @ "tsy finoany" na za nitarika azy ho any @ finoako, fa nohazavaiko azy ny finoako dia nohazavainy taminy ny tsy finoany
dia hitako izy fa tsy manorisory ny maha izaho anahako, moa za hitany fa tsy manorisory ny maha izay anazy.. dia mifankahazo zahay

10. andrywui
(
11/08/2010 14:02)
Hery === ) Ny fiangonana voalohany dia ny Fiangonan'ireo Fariseo sy Sadoseo !
--ka nony tonga Jesosy nanao Fampianarana tsisy KILEMA dia hoy ireo F sy S hoe sekta leio (manao fampianaran-diso)
-- tadidio ary fa Jesosy no nanao fiangonana sekta voalohany raha izay(sekta ) izay no anarana omen'ireo fiangonana nentipaharazana azy !!
-- matoa Luther niala ny Kato ka nanao sekta (hoy ny Kato) dia nisy zavatra tsy nilamina tao !!!( manana documents bedebe momba ny tantara sy ny antony nialan'ny Luther ah )
-- Hoy jesoa : "Hanao asa lehibe noho izany aza izy .... " - izany hoe tsy tokony hijanona amin'ny asa na ny fanompoana Nentim-paharazana intsony ny mpino na ny Pasteur na ny mompera fa tokony hanao asa lehibe noho izay nataon'i jesoa ! __ otran'ny ahoana moa izany !? = raha nanasitrana Jesoa dia tokony hanasitrana sy hanao miotra an'izany aza , sns....

11. ikaretsaka
(
11/08/2010 14:28)
Efa nozarain'i hery anankiroa ange io e
le famaritana ara bakiteny io nataonao io
fa eto le ara kevitra:
fa tadidio fa talohan'ny nafahatesan'i Lotera dia bedebe ihany ny fahatongavan-tsaina nataony an
jereo ohatra
famous conference at Marburg. sy ny faramparan'ny sermonina nataony (1539 sns... ireny)

12. fijo
(
11/08/2010 21:09)
manaiky io voalazan'i hery io koa aho,saingy amiko dia tokony handray andraikitra ny mpitarika finoan a"fototra" sy ny fanjakana.
tany amerika atsimo,ny katolika,rehefa nahatsapa,na nisintaka azy ny mpino,dia nijery ny "mety "ho antony izy,ary dia nanaraka ihany koa ny fomba ataon'ireo sekta rehefa mivavaka.nataony koa izay hanentana ireo mpino rehefa ao ampiangonana.ary raha ny resaka heno,di amaro no niverina ireo nisafelika tary ambadika.izay no anjarann'y fiangonana,
fa ny fanjakana koa,dia tokony handray ny adidiny.rah amitsabaka any ny ray sy reny,tsy olana,fa ny zanany kosa ,mila fiarovana,ka io ,anjarann'y fanjakana,ary tokony hoataony.

13. bor2lais
(
12/08/2010 13:33)
fijo:
tany amerika atsimo,ny katolika,rehefa nahatsapa,na nisintaka azy ny mpino,dia nijery ny "mety "ho antony izy,ary dia nanaraka ihany koa ny fomba ataon'ireo sekta rehefa mivavaka.nataony koa izay hanentana ireo mpino rehefa ao ampiangonana.ary raha ny resaka heno,di amaro no niverina ireo nisafelika tary ambadika.izay no anjarann'y fiangonana
Mety vahaolana 1 tokoa io lazain'i Fijo io a !
Raha tsy diso aza aho, toa efa misy Fiangonana Malagasy (ao Tanà) manao an'io "hetsika" lazain'i Fijo io amin'izao fotoana izao.
Tafiditra ao amin'ny efa nolazaiko teto (tsy dia ela izay) hoe : tokony miaina amin'ny vanim-potoana misy azy ny Fiangonana no tsy miala amin'ny Fototra (fond) maha-Fiangonana azy (na manary izany) !
14. ikaretsaka
(
12/08/2010 14:44)
tsy any Amerika atsimo ihany io fa naiza na aiza ka.. mila mi s'adapte @ misy azy ny fiangonana
Fony zahay mbola mpianatra tany @ universite izao dia tsy mba misy izany "dress code izany loatra rehefa miangona satria ahoana moa ny hanerena ankizy hoe tsy maintsy izao nefa izy avy nanao baolina no manararaotra mamonjy lamesa alohany hiverenany hianatra miaraka @ maillots sns?
marina koa io an-drabord io : tsy ao tana irery fa n'aiza n'aiza n'aiza io ka
http://www.youtube.com/watch?v=bU4bNsn4JKw

15. fijo
(
12/08/2010 21:26)
ka izay le mila jerena,satria misy hezaka mila arahina hatrany rah ate hitana ny olona
17. ouioui
(
18/08/2010 22:26)
Samy secte daholo, izany , sectaire samy tsy mety hifangaro @ sasany fa samy mizirizy @ heviny any daholo
Samy mihezaka mitazona ny kilna daholo , raharaha izy ity rehefa vola vola lava koa ny ao ambadimbadika ao e hihihi

18. marcus11
(
19/08/2010 10:13)
on & on ;0[IMG]http://s07.flagcounter.com/count/DymW/bg=ffffff/txt=ffffff/border=ffffff/columns=1/maxflags=1/viewers=3/labels=0/[/IMG]
19. fijo
(
19/08/2010 21:28)
ka izay no olana amin'io.ny tena fototra dia resabola,fa le (kil) mpnino no fanina ao
20. ouioui
(
20/08/2010 23:40)
Hita hoa ry fijo , vola daholo , firy ny vola voaroba t@ ireny kroazady ireny no nanaovana eglizy eran-tany , efa manomboka ritra koa angamba ny saosy hihihihi