ZAVA-DOZA SY ATAMBO RY RETO A ... inona ity Raharinaivo a ! oouuudddrryyyyyyy....

1. andrywui ( 09/08/2010 10:38)
NIFAMOTOTRA NY TANY SY LANITRA rey olona a! vonjeo fa zava-doza be mbola tsisy teto antany ity !!!!!!!!!!! fa nisy inona , fa nisy inona ?????

-- Nanohana ny HAT i Raharinaivo Andrianatoandro izay efa nokendrikendrena hanolo an'"i dada hofidiana !!!

fa inona no tena anton'izao e?? -- vao naraviravy seza i Harinaivo kely fa "omena toerana sy seza" raha hendry tsara dia tena namitsaka sy nanao oui msié tsara mihitsy !!

ARY RAHA IZAY NO IZY DIA HIVERINA TGV NDRAY AHO ZANY ... tsy mamely mihitsy zany le ao amin'ny TIM ao !! saika afa-baraka tao aho kleeeee.... hon hon hon hon



Politika
Andry Rajoelina
«Fihaonambem-pirenena sy datim-
pifidianana no laharam-pahamehana »
Amin’ny alarobia izao no hivory miaraka amin’ny Filohan’ny HAT indray ny mpanao pôlitika rehefa samy mikaon-doha mampitovy tadin-dokanga mandritra ny 4 andro.
Raharinaivo Andrianantoandro, Rasomotra, Ngolo Gilbert no solontenan’ny TIM nanatrika ny fihaonan’ny mpanao pôlitika tamin’ny Filohan’ny HAT, teny Iavoloha, omaly. «Solontena velona vonona hampitsahatra ny krizy izahay», hoy Ing Raharinaivo.
Tsiahivina fa nizara roa ny hevitry ny mpanao pôlitika nandritra ny dinika. Andaniny ireo nivondrona saika hamoaka ilay fifanarahana teny Ambohidahy, nahitana antoko pôlitika 50 mahery ( Arema, Fanavaozana, AVI, Farimbona, MDM, TIM, TGV, Tambatra, Grad Iloafo, Leader Fanilo…..). Ny fehin-kevitr’izy ireo raha tsiahivina dia mijanona ho Filoha Ing Andry Rajoelina. Hiarahana manendry kosa ny Praiministra. Ary tokony hohalehibiazina ny HAT. Raha fintinina dia tokony hotadiavina ny hisian’ny fitoniana, hoy izy ireo. Niteraka adihevitra be nandritra ny fivoriana ny hoe: «tetezamita bis» satria samy nanana ny nandraisany azy.
Saingy rehefa nazava fa tsy handrava efa ireo nanao fifanarahana dia niravona.

Famotsoran-keloka!

Ankilany ny HAT sy ny antoko manohana ny tetezamita milaza fa efa sahirana ny vahoaka ka tsy tokony hotarihina lava be intsony ny tetezamita satria mbola miteraka fandaniam-bola be izany. Amin’iretsy farany dia tsy misy afa-tsy ny famerenana amin’ny vahoaka ny fahefana no vahaolana.
Rehefa nandravona ny fihaonana rahateo ny Filohan’ny tetezamita dia nilaza fa «ny fanatanterahana fihaonambem-pirenena sy fandinihana ny Lalampanorenana ary ny famoahana ny datim-pifidianana no tokony hatao laharam-pahamehana ka raha manaiky izany ny mpanao pôlitika dia miady ny resaka. Aorian’izay dia azo dinihina ny fomba hiarahana mitantana ny tetezamita». Sarotra ny maminavina mialoha na ho tonga amin’ny marimaritra iraisana na tsia ny samy mpanao pôlitika. Mbola fizaran-toerana ny resaka. Asa hanao ahoana rehefa hidirana ny famotsoran-keloka ?
V.R.

Politika
Ing. Raharinaivo teny Iavoloha
« Tsy misy idiran’ny antoko TIM mihitsy »
Milaza fa tsy mivaky ry zareo. Toa tsy takona afenina anefa izany manoloana ireo fanehoan-kevitra samihafa.
Nanaitra an’ireo mpikambana sasany ao amin’ny TIM ny filazan’Ing. Raharinaivo Andrianantoandro tamin’ny fandraisam-pitenenany nandritra an’ilay fihaonana niaraka tamin’ny Filohan’ny FAT Andry Rajoelina teny Iavoloha fa « amin’ny alalan’ny antoko TIM no ijoroako eto ». « Tsy misy idiran’ny antoko TIM mihitsy ny nijoroany teny fa tombontsoany manokana » hoy ny Depiote Herisaina omaly. Nanindry mafy mihitsy ity Depiote ity fa « vao tsy ela akory ny antoko TIM no nivory ary nanapaka fa tsy mandefa olona amin’ilay sehatra ifanakalozan-kevitry ny mpanao politika fa izay mandeha na miditra amin’izany dia amin’ny anaran’ny tenany manokana ». Misandoka ny anaran’ny antoko ve izany ireo milaza fa Tim amin’ireny fivoriana sy dinika samihafa ireny ?
Ny Depiote Herisaina aza dia namatsapatsaka mihitsy nilaza fa « Ing. Raharinaivo Andrianantoandro anie ka tsy mpitondra tenin’ny antoko intsony. Efa nisy fanambarana lehibe natao momba azy ». Raha ny zava-misy tokoa aloha dia ireo olona nailika noho ny fanaovana fanambarana tsy niarahan’ny antoko nanapaka ireo olon’ny TIM ao amin’io sehatra io ka isany ry Ing. Raharinaivo Andrianantoandro sy Ing. Vyvato Rakotovao. Ankoatra ny TIM dia nilaza koa Ing. Emmanuel Rakotovahiny manoloana ny fahitana an’Ing. Joseph Randriamiandrisoa sy ry Ing. Maurice Beranto ao amin’ny « sehatra ifanakaloza-kevitra » fa « tsy olona ao anatin’ny ankolafy Zafy Albert izy ireo fa ilay antoko mpivory ao amin’ny Villa Elizabeth »
Ny Tahiry R.

répondu par ronaldo09 le 12/08/2010 07:19
2. andrywui ( 09/08/2010 10:42)
" Hiverina amin'ny asako taloha aho ndray aho izany ..."

- Tsy mamely ireto bandy ato amin'ny TIM and co ireto kah !!!
vao noraviravezana mena miraviravy ve dia nanary ny akoho taman-trano ??? ny nahatsara azy aloha de tonga de nanifika haingana ry TIM rehetra hoe efa tsy TIM intsony io Naivo kely io ee zao ee!! zao eee !! eny ee!!... na izany aloha na tsia de tongasoa ato amin'ny TGV and CO enao ry Naivo kely !! makà toerana dia mandraisa vera otran'ny namana konikoa ! raha mba te hiaraka amin'ny lamasinina konikoa ! hon hon hon hon
3. andrywui ( 09/08/2010 10:50)
MIVOAHA TANY ABY NAREO RY AND CO FA AZA MIPITRAPITRA ANY FA HIRESAKA ISIKA NIANY A !!... MAHAMAY AMIKO NAREO ANDROANY !! MPIVADI-BELIRANO TSARY MAHALALA MENATRA ABY SSSSHHHH


MIVOAHA TANY ABY HOAAAAAAAAAAAAAAAA........ AIZA NY TIM AIZA NY 3MVS MIVOAHA OAAAAAAA .....

TIA MENA MIRAVIRAVY ABY NAREO !! TSY MAHARITRA NY FAMPANDRIANA ADRISA SY NY JONO ARY NY FITIAVANKELY .... TIA TENA ..
4. andrywui ( 09/08/2010 11:01)
Any Iavoloha mihitsy Harinaivo no mivovo hono izao kleee... hon hon hon


mahamay be le resaka .....
5. ronaldo09 ( 12/08/2010 07:19)
Bravo Rahary aaaaaaaaaaaaaaa!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1939