Ny fanahy masina !
1. ndenn
(
03/08/2010 21:50)
Araka ny fivavahana x/ana ,raha taranak'olona paien toa ny ankabeazan' ny olombelona ve dia mety hohamasinina @ alàlan' ny vavaka sy batisa ? Ahoana no ahafahantsika mahafantatra ary milaza ny atao hoe fahamasinan'ny fanahy ao @ olombelona iray namboarin' ny lanitra hanahaka ny tarehin'A/tra amintsika ? Tsy mpanota , tsy meloka , tsy manan-tsiny ?
répondu par Miharena le 14/08/2010 09:22
2. Miharena
(
04/08/2010 13:57)
Fahafantarana ny loharano ipoiran'ny fisainan'ny olona no azo jerena amin'ny mari-drefin'ny Fanahy Masina. Izy dia mahitsy ary efa voajanahary ao anatin'ny olona rehefa tonga amin'ny fotoana hifohazany izy. Ny Fanahy Masina dia Ilay hifandraisan'Andriamanitra sy ny voariNY ka na iza na iza eto an-tany raha voary koa dia manana izany. Ny fahadisoan-kevitra eo amin'ny mpino manao batisa dia ny fanerena olona iray hatao batisa vao voavonjy. Tsy nandalina loatra ny vontoatin'ny finoany izy matoa milaza izany. Raha mandalina tsara anefa izy dia hahafantatra fa ny fanapahan-kevitr'Andriamanitra no mahamasina ny olona iray, ary io fanapahan-keviNY io dia FITIAVANA TSY MISY FETRA ary tsy ho voakosoky ny ota na inona na inona karazany. Ny toetra manilika dia tsy toetr"Andriamanitra velively. Ary izay manilika ny namany dia toy ny manilika ny tenany ihany koa ary manilika ny Mpamorona azy satria iray ihany no namorona azy rehetra.
Ny Batisa dia fanapahan-kevitra hiombona ary misy hevi-panadiovana ao anatiny. Tena iray ihany ny olona hatao Batisa. Saingy ihany koa tsy manambara izany hoe izay tsy natao batisa dia azontsika tsaraina fa hafa noho isika.
Ity misy kitsimpona azo halalinina tsara momba izany:
Matio 7:21 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra.
22 Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko , tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay?
23 Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.
Ny fihatsaram-belatsihy no mahalavo ny maro eto.
Ary matoa Jesoa niteny hoe aoka ny teninareo ho eny dia eny, tsia dia tsia, dia mazava izany fa ny olona mahitsy tsy mba ho meloka velively na vita batisa izy na tsy vita batisa.
Ny savorovoron-tsaina amin'ny adihevitra amin'ny zavatra tsy misy fotony loatra eo amin'ny mino no mahatonga fisarahana sy mahatonga ny tsy mino hanatebaka.
Ny hetaheta kosa anefa dia eo amin'ny tsirairay izay te-hiombona ka izay hatao batisa dia voatendry ho amin'izany ary ireo izay tsy natao batisa dia voantso ny amin'izany koa raha samy mahitsy lalana avy izy ireo. Ny Fanahy Masina dia afaka miasa amin'izy rehetra ireo noho ny FITIAVANY tsy misy fetra.
Ireto misy kitsimpona ahafahana mijery ny asan'ny Fanahy Masina:
Asa 10:44 Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin'izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina. ASA 10
Asa 10:45 Ary talanjona ny mino isan'ny voafora izay niaraka tamin'ny Petera, satria nilatsaka tamin'ny jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.
Asa 40:47 Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa?
Asa 11:15 Ary raha vao niteny aho, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina tahaka ny tamintsika fahiny. ASA 11
Asa 11:16 Dia nahatsiaro ny tenin'ny Tompo aho, izay nolazainy hoe: "Jaona nanao batisa tamin'ny rano, fa hianareo kosa dia hatao batisa amin'ny Fanahy Masina" ASA 11
Ireo kitsimpona ireo ohatra dia ahitana fa ny Fanahy Masina dia mirotsaka amin'ny mihaino fotsiny ihany aza, ka na jentilisa izy na olona voafidy dia afaka mandray izany avokoa.
Ny teny voatsipika eo ambany no matetika tsy tsaroan'ny olona mihitsy. Ny voalohany dia fanapahan-kevitry ny olona no nanaovany batisa tamin'ny rano ny olona efa nandray ny Fanahy Masina ary n faharoa kosa dia ny Fanahy Masina mihitsy no manao batisa ny olona mangetaheta AZY.
Fehiny: Izay mino dia tokony hanana saina mazava tsara eo anatrehan'ny tsy mino ary handray ny tsy mino arak'izay fitantanan'ny Tompo azy eo anatrehany ka raha maniry hatao batisa ny tsy mino dia azonao taomina tsara hiditra amin'izany. Fa raha manam-panahy izy ka tsy hiditra amin'izany dia azonao raisina ho namana hatrany hatrany araka ny Fitiavana nomena anao avy amin'ny Fanahy Masina.
Ny ratsy toetra kosa dia tsara raha hivavahanao hiova fo araka ny fahalalanao ny Loharano nipoiran'ny tsirairay izay voary satria tsy fantany izay ataony matoa izy ratsy toetra. Dia ny Fanahy Masina hatrany no avelanao hanao ny asaNY.

3. bor2lais
(
04/08/2010 15:25)
Miharena:
Ny Fanahy Masina dia Ilay hifandraisan'Andriamanitra sy ny voariNY ka na iza na iza eto an-tany raha voary koa dia manana izany.
...
reo kitsimpona ireo ohatra dia ahitana fa ny Fanahy Masina dia mirotsaka amin'ny mihaino fotsiny ihany aza, ka na jentilisa izy na olona voafidy dia afaka mandray izany avokoa.
Fanontaniana manitikitika ho an'i Miharena :
1. Lazainao fa ôtômatika ny hananana ny Fanahy Masina, koa nahoana no mbola misy ny firotsahaNY indray rehefa avy eo (sa samihafa ireo Fanahy Masina resahinao ireo) ? Ianao anefa milaza fa tsy mety miala (tsy mety maty ny Jiro) io Fanahy Masina io fa mety matory fotsiny ...
Aminao ve izany diso ilay teny hoe "nirotsaka" fa "nifoha" no tena izy ?
Voalaza ihany koa raha tsy diso aho fa na i Jesoa aza dia mba nilatsahaNY ihany koa.
2. Inona no maha-samihafa ilay lazainao fa ôtômatika @ ilay nomen'i Jesoa ny mpianaNY. Farany, inona aminao Ilay voalaza fa nilatsaka t@ pentekosta ?
4. andrywui
(
04/08/2010 17:04)
Voalohany aloha alohan'ny hiresahana eto dia misy zavatra kely ho lazaiko ity :
-- Tandremo , tandremo ny miteny ratsy ny Fanahy Masina raha misy teny lasa ka mahatafintohana anao fa
--" Izay miteny ratsy ny Zanak'olona dia mbola ahazo Famindram-po avy amin'Andriamanitra izy , fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy ahazo Famelankeloka mandrakizay !!!!"
ka mialohan'ny handehanan'ny dinika momba ny Fanahy Masina ity dia lanjao tsara izay lazaina sao manaotanao foana fa tsy azo vazivaziana ny Fanahy masina !...

5. soanja
(
04/08/2010 17:20)
ndenn:
Araka ny fivavahana x/ana ,raha taranak'olona paien toa ny ankabeazan' ny olombelona ve dia mety hohamasinina @ alàlan' ny vavaka sy batisa ? Ahoana no ahafahantsika mahafantatra ary milaza ny atao hoe fahamasinan'ny fanahy ao @ olombelona iray namboarin' ny lanitra hanahaka ny tarehin'A/tra amintsika ? Tsy mpanota , tsy meloka , tsy manan-tsiny ?
Amiko izay rehetra namboarin'Andriamanitra dia masina avokoa satria efa noheverin'Andriamanitra sy novolavolainy ary tiany ka hanome fahasoavana ny rehetra.
6. mpanazava
(
05/08/2010 03:59)
Araka ny fivavahana x/ana ,raha taranak'olona paien toa ny ankabeazan' ny olombelona ve dia mety hohamasinina @ alàlan' ny vavaka sy batisa ?
Hoy ny vavakan'ny mpanao salamo :"Ry mpihaino vavaka ô, ianao no hohatonin'ny karazan'olona rehetra" (sal.65:2) Tsy manavakavaka Andriamanitra na dia taranak'olona paien aza.
Raha ny batisa dia misy karazany roa raha ampidirina ila teny hoe fanahy masina izay tsy takatry ny ankamaroan'ny olona. Mariho ange ny mahasamy hafa ireto tenin'Andriamanitra ireto.
- "Mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin'ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin'ny anaran'ny Ray sy amin'ny anaran'ny Zanaka ary AMIN'NY ANARAN'NY FANAHY MASINA." (Matio 28:19,20)
- "Jaona nanao batisa amin'ny Rano fa ianareo kosa hatao batisa AMIN'NY FANAHY MASINA"(Asa 11:16)
Ahoana no ahafahantsika mahafantatra ary milaza ny atao hoe fahamasinan'ny fanahy ao @ olombelona iray namboarin' ny lanitra hanahaka ny tarehin'A/tra amintsika ? Tsy mpanota , tsy meloka , tsy manan-tsiny
Voalohany aloha dia tsy ara-bakiteny ilay tarehy. Avy eo raha jerena ny soratra masina dia Mpanota isika, meloka ary manan-tsiny. Hanafaka antsika amin'izany no antony iray nahatongavan'i Jesosy teto an-tany.
7. Miharena
(
05/08/2010 06:48)
Bor2lais:
1. Lazainao fa ôtômatika ny hananana ny Fanahy Masina, koa nahoana no mbola misy ny firotsahaNY indray rehefa avy eo (sa samihafa ireo Fanahy Masina resahinao ireo) ? Ianao anefa milaza fa tsy mety miala (tsy mety maty ny Jiro) io Fanahy Masina io fa mety matory fotsiny ...
Aminao ve izany diso ilay teny hoe "nirotsaka" fa "nifoha" no tena izy ?
Voalaza ihany koa raha tsy diso aho fa na i Jesoa aza dia mba nilatsahaNY ihany koa.
2. Inona no maha-samihafa ilay lazainao fa ôtômatika @ ilay nomen'i Jesoa ny mpianaNY. Farany, inona aminao Ilay voalaza fa nilatsaka t@ pentekosta ?
Ny tanako amin'ny fanontanian'i Bor2lais dia hoe mifoha ny Fanahy Masina fa tsy mirotsaka loatra. Mijoro Izy ao anaty rehefa afaka avokoa ny sakana rehetra ifandraisana amin'Andriamanitra Mpahary. Raha Izy no ifandraisantsika Aminy dia Tsy misy reconnaissance avy amin'ny Nahary raha tsy tao amintsika hatramin'izay nahaterahantsika ny Fanahy Masina izay entintsika tsy manantsiny raha vao teraka isika. Rehefa miha-lehibe ny olona dia mampiditra ota amin'ny alalan'ny seho isan-karazany iainany eto an-tany. Io ota io dia fiheveran'ny olona ihany no mamaritra azy fa ny Fanahy Masina dia tsy mihevitra izany ota izany velively satria tsy manan-tsiny IZY sady tsy mahakasika Azy ny ota.
Rehefa mifoha io tsy fananantsiny io dia madio ny olona.
Ny resaka fisehoan'ny fifohazan'ny Fanahy Masina ivelany sy fahatsapana no samy manana ny endriny ny tsirairay: Ny an'ny Apostoly lelafo eo amin'ny loha, ny an'i Paoly ny Hazavana sy Feo.
Tsara resahina ihany hoe efa hatrany amin'ny andron'i Noa, Abrahama, Mosesy, eny hatrany amin'ny andron'i Adama sy Eva dia efa miasa ny Fanahy Masina fa tsy hoe tamin'ny andro nahatongavan'i Jesosy ihany akory. Izany no nahatonga an'i Mosesy, Davida sy ireo mpaminany maro nilaza faminaniana ny ho amin'ny fahatongavan'i Jesosy taty aoriana. Feo iray no itenenan'Andriamanitra amin'ireo voary rehetra ireo dia ny Fanahy Masina.
Ilay hoe nirotsaka tamin'ny pentekosta dia fifohazana lehibe teo amin'ny mpino. Misy endrika famohazana Azy ny Fanahy Masina fa tsy mifohafoha ho azy ihany koa indraindray. Ny olona mivavaka amin'ny fony tanteraka na tsy mitsahatra ny manontany ny momba azy no matetika afaka mifandray tsy amim-pihambahambana amin'ny Fanahy iraisany amin'Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy.
Mila fahavononana hiatrika satria izay ilay fibebahana izay fanoloran-tena dia afaka miaina tsara miaraka amin'ny Fanahy Masina Lovantsika isika.
Mba hanazavana azy tsara dia aoka horaisintsika hoe trano iray mazava ny ao anatintsika ary misy varavarana manodidina idiran'ny fahazavana avy aty ivelany koa. Isaky ny manota isika dia manakatona varavarana iray mandra-pikaton'ny varavarana rehetra. Isika anefa dia mihevitra hatrany fa mazava ny ao anatintsika ao dia tsy mahatsiaro tena isika hoe manota. Tsy fantatsika intsony ilay hazavana nifamoivoy teo ahafahantsika mifanerasera amin'Andriamanitra Mazava. Dia rehefa tonga ny kapoky ny haizina dia miraparapa tsy mahita izay aleha isika satria efa nihidy daholo ilay varavarana rehetra. Rehefa mandini-tena isika dia mijery tsara ny ao anatintsika ao dia mahita hoe ity misy mazava ary tamin'ny fotoana nivohan'ny varavarana rehetra dia nazava be ilay izy fa noho ny fanakatonana ny varavarana dia lasa jiro kely mitsilopy sisa ilay izy. Dia tonga saina isika hoe aleo vohaina ny varavarana hidiran'ny Mazava (fibebahana io). Ary avy eo dia mandrehitra tsara ny jirontsika isika dia afaka manazava ny hafa ihany koa.
Io ilay tenin'i Jesosy hoe efa eo am-baravarana aho ary mandondona, izay mihaino ny Feoko ka mamoha ny varavarany dia hiditra ao aminy Aho ary hiara-hisakafo aminy.
Ilay fidiran'i Jesosy sy ny fiaraha-misakafo eto dia ilay Kristy velona ao anaty ary ny sakafontsika iarahana Aminy dia ny Fanahy Masina izay mitombo miaraka Aminy sy ny Ray ary isika mazava hoa azy.
8. bor2lais
(
05/08/2010 12:05)
Miharena > dia ahoana ny hevitrao ny amin'ireto tsimpona vitsivitsy ireto :
Jaona 14:16 Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay
Jaona 14:26 fa ny mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.
Jaona 15:26 Fa raha tonga ny mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin'ny Ray, dia ny Fanahin'ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin'ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy.
Jaona 16:7 Fa izaho milaza ny marina aminareo: mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aty aminareo ny mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho aty aminareo Izy.
Raha ny fijeriko azy mantsy dia izao :
1. Ireo dia manambara fa tsy ôtômatika (vao teraka hoy ianao) araka ny filazanao akory ny fisian'ny Fanahy Masina ao amin'ny olona iray : izany hoe tsy lovaina !
2. Olombelona no ampanantenain'ny Tompo Azy io raha ny fijeriko azy fa tsy vato na biby akory.
3. Mila raisina amin'ny finoana izany Teny izany !

9. Miharena
(
05/08/2010 13:04)
1. Ireo dia manambara fa tsy ôtômatika (vao teraka hoy ianao) araka ny filazanao akory ny fisian'ny Fanahy Masina ao amin'ny olona iray : izany hoe tsy lovaina !
Raha izany no hevitrao hoe tsy lova ny fanahy dia inona izany no nampiteny an'i Davida, Mosesy sy ny mpaminany talohan'i Jesosy? Andriamanitra vatana ve? sa inona marina?
2. Olombelona no ampanantenain'ny Tompo Azy io raha ny fijeriko azy fa tsy vato na biby akory.
Ny olombelona tokoa no voary farany nasiana fofonaina ary ny zavatra ary rehetra anefa dia noho ny Teny no nahatontosa azy. (Misia ny Mazava dia nisy izany sns...) Ny fahefan'Andriamanitra no ahafahany mibaiko na ny vato na biby amiko.
3. Mila raisina amin'ny finoana izany Teny izany !
Ny Teny tokoa no enti-mamorona ny zava-drehetra ary rehefa raisina amin'ny finoana dia mahatonga antsika hahafindra tendrombohitra aza.
Fanavaozana indray ny fifandraisana amin'Andriamanitra sy ny fifandraisan'Andriamanitra amin'ny olona no antony isian'ireo resaka Mpananatra ireo amiko fa tsy milaza izany hoe nisy zava-baovao niditra tao anatin'ny olona. Famohazana no filazako azy moa hatramin'izay ary koa hoe fahatsiarovan-tena.
Manana feo henoina tokoa ny olona rehefa tonga eto an-tany ka ny feon'ny Mpananatra na Fanahy Masina dia takona rehefa tsy miezaka ny olona hitady AZY. Tsy avy any ivelany anefa no tokony hitadiavany AZY fa ao anatiny. Matetika dia lovan-tsofina no ahafahan'ny olona iray maka lesona nefa ny lovan-tsofina dia tsy ampy hampifoha ny Fanahy Masina raha tsy mifototra amin'ny fandalinana an'Andriamanitra Fanahy izany.
Manjavozavo hatrany ny fandraisana ny Fanahy Masina rehefa mierikerika ny olona ary rehefa tsy manaiky loatra ny maha-voary misy fofonain'Andriamanitra azy amiko.
Eo amin'ilay resaka hoe hirahin'ny Ray amin'ny Anaran'i Jesosy dia mazava fa rehefa tafatoetra ny fifandraisana dia mandeha amin'izay ny teny rehetra avy amin'Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina ao amin'ny tsirairay avy.
Tsy resaka ivelany no ahazoana ny Teny fa ao anaty.
10. bor2lais
(
05/08/2010 14:12)
Miharena:
Fanavaozana indray ny fifandraisana amin'Andriamanitra sy ny fifandraisan'Andriamanitra amin'ny olona no antony isian'ireo resaka Mpananatra ireo amiko fa tsy milaza izany hoe nisy zava-baovao niditra tao anatin'ny olona. Famohazana no filazako azy moa hatramin'izay ary koa hoe fahatsiarovan-tena.
Misaotra anao nanome ny fomba fijerinao !
12. Miharena
(
06/08/2010 05:34)
fifohazana mankaia di fahatsiarovan-taigna mankaia
Ny fifohazana = fahatsiarovan-tena dia mankany amin'ny Fahazavana Fototra ara-piandohan'ny Fanahy ary mandeha araka ny rafitra tian'ny Mpamorona handehanany dia Fiainana mandrakizay.
13. Miharena
(
06/08/2010 06:53)
Bor2lais:
Misaotra anao nanome ny fomba fijerinao !
Tsy misy fisaorana Bor2lais a!
Tsy fomba fijery izy io fa Fahalalàna.
Fa mba misy zavatra anontaniako anao koa satria mety manampy ny fahalalantsika ny famalianao ny fanontaniana voalaza eo ambony ireo raha tsy dia manahirana anao.
14. fijo
(
06/08/2010 19:38)
manaova ny mety dia homasina ianao.aza mikaroka zavatra sarotra fa io ezahina atao,dia vita
15. Miharena
(
09/08/2010 07:16)
Misaotra Fijo,
Rehefa mifampizara hasina ny rehetra dia Masina ary ao aminy ny Fanahy Masina.

16. ndenn
(
09/08/2010 21:20)
Fijo :"manaova ny mety dia homasina ianao.aza mikaroka zavatra sarotra fa io ezahina atao,dia vita"
Na dia mieritreritra ny hoe nanao izay nety aza indraindray ny olombelona dia tsy maintsy nisy foana ny tsininy hatr@ izao aloha , ary tsy mahafantatra akory ny lesoka nisy tsy takany vokatry ny asa nataony matetika .
Miharena :"Rehefa mifampizara hasina ny rehetra dia Masina ary ao aminy ny Fanahy Masina."
ahoana no hilazanao sy hamaritanao Miharena fa manankasina ny zavatra iray nifampizaràn' ny rehetra ?

17. Miharena
(
10/08/2010 10:33)
ndenn:
Miharena :"Rehefa mifampizara hasina ny rehetra dia Masina ary ao aminy ny Fanahy Masina."
ahoana no hilazanao sy hamaritanao Miharena fa manankasina ny zavatra iray nifampizaràn' ny rehetra ?
Ny fankatoavan'ny rehetra fa misy haja apetraka amin'ny Loharano nipoirana matetika no hanomezana hasina ny olona iray satria mitovy amin'ny tena ilay olona dia hajaina ary ny Loharano iraisana nipoirana no itarafana ny tsirairay fa tsy ny tenabeny sy ny saibeny fotsiny ihany.
Mazava fa raha sombinain'Andriamanitra no Fototra iorenan'ny fanekena ny finoana dia mazava fa hifampizara hasina ny rehetra ary hanaiky fa IZY MPAMORONA no FOTOTRA omena hasina isaky ny manaja ny mpiara-belona isika. Io ilay hoe aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra antampon'ny loha.
18. ndenn
(
12/08/2010 09:32)
[/quote]

Conditionné be i Miharena miresaka ilay fahamasinana !
Tsy miray hevitra aminao aho eto ! Tsy avy @ fahatsapan' ny rehetra no mahamasina ny olona iray amiko !fa efa fetra mipetraka tsy azo avilan' ny fandinihan-janak'olombelona ; izay tokony hanaraka ny lamin' ny tontolo hiainana .Raha ny hevitrao no arahina dia efa masina daholo izay rehetra nanao zavatra niavaka t@ mpiara-belona aminy , na dia asa kely tsy misy vidiny aza no nampiseho ny maha-izy azy teo anatrehan' ny olona nitaratra izany.
Ny loharano nipôiran' ny asany vé ? avy ao @ tontolo ihany , ary tsy tokony hananany hasina akory izany , mety ho andraikitra sy adidy tsy maintsy nefainy izany noho ny antony tsy maintsy ho fantarina ! Ny antom-pisian' ny hetsika ataon' ny olombelona dia tsy voafetra ho asa masina daholo !
19. Miharena
(
14/08/2010 09:22)
Conditionné be i Miharena miresaka ilay fahamasinana !
Tsy misy condition ny fahamasinana araka ny firesako azy satria lova efa ao anatin'ny tsirairay izany ka izany no ifanomezana haja. Ny condition tsy mampamiratra na tsy mampivoitra ny fahamasinana angamba no azo lazaina hoe condition fa ny fahamasinana efa ao anaty raha vao teraka ny olona dia azo lazaina fa tsy condition izany fa efa ao hatrany.
Ny zavatra tokony tsy hadinointsika olombelona dia teraka tsy manan-tsiny aloha isika avy eo dia mandalo ireo sedra izay narindran'ny fiaraha-monina (araka ny traikefa isam-paritra na isam-pianakaviana misy) ary rehefa mikatsaka fahendrena dia tonga amin'ny tsoa-kevitra hoe nisy Loharano Masina nipoirana ary hody amin'izany Loharano izany indray handrafitra fiainam-baovao (eto no miteny ny resaka hoe raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy hiditra ny fanjakan'Andriamanitra).