Fa maninona no Israely no ataon'Atra fanoharana ho antsika?

1. niryna ( 26/07/2010 19:07)
Raha mamaky ny baiboly isika dia ny tantaran'Israely no betsaka atao fanoharana ao foana
Inona tokoa no antony anomeaNy izany amintsika? Moa ve ilaintsika amin'ny fiainana tokoa ny fahalalana ny tantaran''Israely? inona no azo ampiharintsika izany amin'ny fiainana?

Ataovy aza ny fanoharana izany amin'ny fiainantsika
Israely nijaly,nandevozina tao Egypta ...... ahoana izany amin'ny fiainantsika
Israely niala tao Egypta.................misy azo raisina amin'ny fiainantsika ara-panahy ve ?
Israely nasiana niampita ny ranomasina mena ? .......ahoana indray io
Ny didy folo nomena an'i Mosesy.... didy folo lehibe indrindra AZA MANANA ATRA HAFA....
Ny didy folo 1-4 dia mikasika ilay Atra daholo- fa maninona ? moa ve fantany mialoha fa hanana Atra hafa ny oloNy-hivavaka amin'ny sampy ? na tsy Atra?
Vao niakatra ny tendrombohitra Mosesy dia tsy naharitra ny Israely ka nanao atra hafa.. inona no azontsika resahina izany amin'ny fiainana---faharetana(patience)
Israely nanana tempoly izay noheveriny fa ao irery no misy an'Atra kanefa dia nitsitra ilay lamba(rideau nanasaraka ny tempoly masina sy ny alitara) ....inona no azo tsoahintsika izany amin'ny fiainana ?

miandry ny namana rehetra ary hifampitafatafa kely indray e
Niryna
répondu par fijo le 03/08/2010 20:32
2. ikaretsaka ( 26/07/2010 19:18)
Amiko tsotra fotsiny ny antony, satria jiosy no no calquer-tsika...
Fa ataovy hoe gasy ange no no calquer-na fa mnety gasy niampita ny kalandranon'i mozambika io de anaty rova no jerosalema ;-)
3. AndriambyII ( 26/07/2010 22:02)
Tsotra kely iny @ izay .Jiosy i Jesovah !
4. bor2lais ( 27/07/2010 10:00)
Ika:

Amiko tsotra fotsiny ny antony, satria jiosy no no calquer-tsika...
Fa ataovy hoe gasy ange no no calquer-na fa mnety gasy niampita ny kalandranon'i mozambika io de anaty rova no jerosalema

HS
Mody daholo izany ny avy aty ivelany dia roahina sy/na aringana izay rehetra ao an-tanàna (sady aseho azy ireo ny "kadasitra" avy amin'Andriamanitra : terre promise e !) ?
HS-tapitra

Vazivazy iny fa amiko tsy izay no tokony andraisana ny tantaran'Isiraely voasoratra ao amin'ny Baiboly !

Raha ny fijeriko azy dia sarin'ny fiainan'ny zanak'olombelona no aseho amin'ny alàlan'io tantara io :

- nofidina sy notiavina
- nandà sy nandao Ilay tia azy
- Ilay tia mitady izay amerenana azy
- izy kosa tsy mitsahatra ny miodina sy mandositra Azy ...

Fehiny : "ady" ataon'Andriamanitra amin'ny olombelona ho an'ny olombelona !

Fomba fijeriko ihany anefa izay a !
5. ikaretsaka ( 27/07/2010 17:46)

bor2lais:

Efa fantatra anie fa sarim-piainan'ny zanak'olombelona le izy rabord e, fa ny fanontaniana de hoe ×fa maninona no Israely×...
Dia io amiko no anisan'ny antony 1 mahatonga ny hoe tsy azo sarahina sy odiana fanina koa ny tantara.
Satria teo @ ireo faritra ireo (mesipotamie, egypte, grika , roma) no niroborobo be ny civilizationa voataikitra an-tsoratra t@ izany.
6. Miharena ( 28/07/2010 06:13)
Tantara miverina aza ilay Israely sy ny Romana rehefa atao ny fandinihina satria teto Madagasikara koa anie ka nisy maritiora toa an-dry Apostoly isany e!

Fa ity lazain'i Bor2lais ity no hasiako fanamarihina kely
Fehiny : "ady" ataon'Andriamanitra amin'ny olombelona ho an'ny olombelona !

Tsy hoe "ady" angamba no tokony handraisana azy fa Fitiavana tsy manam-petra aseho mandrakariva hahatsiarovan'ny olombelona tena fa avy amin'Andriamanitra izy.
7. Miharena ( 28/07/2010 07:57)
Eo amin'ilay lesona tian'i niryna hotsoahina aloha no tsara jerena tokoa.

Fitiavana ny voariny no asehon'Andriamanitra fa ny olona tsy mahatsiaro izany no manohitra Azy hatrany. Mihevitra ny tenany ho mahaleotena manko ny olona dia manao Azy Andriamanitra tsy misy. Dia mamorona tontolo toa an'i babela izy samy olona izay ho rava satria tsy misy Fotony Mazava. Io ilay tsy fahatsiarovan-tena mandrava zavatra maro ary mamono tena mihitsy aza.

Koa rehefa voaseho izany rehetra izany ao amin'ny tantara dia rehefa hita ny FIAINANA aseho dia tokony izay no entina miaina fa tsy miverina amin'ny teo aloha intsony ka miezaka mamelona izany amin'ny ho avy koa.
8. bor2lais ( 28/07/2010 08:59)
Ika:

Efa fantatra anie fa sarim-piainan'ny zanak'olombelona le izy rabord e, fa ny fanontaniana de hoe ×fa maninona no Israely×...
Dia io amiko no anisan'ny antony 1 mahatonga ny hoe tsy azo sarahina sy odiana fanina koa ny tantara.
Satria teo @ ireo faritra ireo (mesipotamie, egypte, grika , roma) no niroborobo be ny civilizationa voataikitra an-tsoratra t@ izany.

Hay ve izay no fandraisanao ny tian'i Niryna lazaina e ! Samy manana ny fijeriny tokoa isika izany !
9. ikaretsaka ( 28/07/2010 11:54)

Efa mba nakaaritsary an tsaina ve rabord ho tany ity ka voavory aby ireo conditions rehetra nisy tany Israely t@ zany andro izany e: misy civilizations sy empires nandroso be manodidina anazy ary possible nymi deporter ny mponina rehetra sy ny manandevo azy. Dia voasoratra ara tantara aby. Dia transposeo ho ny Gasy ... inoako marina kokoa fa lasa gasikara io. Efa noeritreretin-drabord ve izay?
10. andrywui ( 28/07/2010 14:46)
Ika a .... ! ny Israely no taranaka voavidy === tadidio fa ny Israely dia voavonjy daholo (paradisa) ary fadio ny manozona na manisy ratsy azy (ara-bakitenyio) fa tena zava-doza !!! fa hoasoaviko ozy A/tra izay manisy soa anao ary hozoniko zay manisy ratsy anao (otrotrizay le teny ) zay no mahatonga ny olona rehefa mivavaka dia manisy tonombavaka hoe "tahio israely olonao ..."

-- taranaka voafidy izy fa isika jentilisa kosa raha mibebaka de io le nataon'A/tra hoe misy olona hafa ankoatra ity vala ity izay ho vonjena koa ( raha mandray ny filazantsara)

tena lasa pasitera ah le .... hon hon hon
11. andrywui ( 28/07/2010 14:47)
Ika a .... ! ny Israely no taranaka voaFidy ------ azafady fa VOFIDY fa tsy VOvIDY le izy
12. xxwx ( 28/07/2010 15:02)
Taloha leisy izany a, izao israelita ara-panahy na jiosy voafora fo fa tsy reska ara-bakiteny fanoharana taloha foana no ventesin'ialahy eo
13. AndriambyII ( 28/07/2010 23:41)
Raha hanaovana transposition kely ny tantara dia tokony mandefa porofo ho fanamarinana izany .
Ireo varavaram-bato boribory nakodia hita t@ ankamaroan' ny tanàna tao Mada sy tany @ firenena hafa dia fomba iray nolovana avy t@ sivilizasiona jiosy .
14. Prime ( 29/07/2010 09:31)
Raha ny fahafantarako azy dia Israely no resahana satria ny Andriamanitr'Israely ihany no tena Andriamanitra, ilay nahary izao tontolo izao, Jehovah no anarany... ary ny mahaIzy Azy an'io Andriamanitra io dia ny fifandraisany manokana amin'io firenena io sy ny finoan'io firenena io Azy ary ny fitiavany manokana io firenena io... ahafahana mitaratra hoe iza marina Izy dia ahoana ny fifandraisana Aminy sy ny finoana Azy sy ny momba Azy amin'ny mahaIzy Azy...

Io no tena firenena voafidy manokana hatramin'ny voalohany ka mandrapahatapitr'izao tontolo izao, fa tombony ho an'ny jentilisa (ny Grika sy ny Romana sy ny hafa firenena rehetra nifanerasera tamin'ny Israely sy Joda), ny Malagasy anisany ny nahatongavan'i Jesosy nanambara ny Vaovao Mahafaly fa afaka ho tonga zanak'Andriamanitra ihany koa ny jentilisa raha mino an'i Jesosy Kristy, ilay tena Zanak'Andriamanitra marina sy tokana... ary rehefa tonga zanak'Andriamanitra ny jentilisa dia mila mianatra amin'ny tantaran'Israely, araka izay nifandraisan'ito farany tamin'io Andriamanitra tokana io... Andriamanitra hendry sy tsara ary lalin-kevitra io Andriamanitra io ka mila fitandremana ny fifandraisana Aminy satria na Israely izay noheverina ho tena mahalala Azy aza nandà ny Zanany... izany no antony mila ianarana tsara ny fifandraisana Aminy ka anarahana akaiky ny momba io firenena io sy Andriamanitra...
15. bor2lais ( 29/07/2010 11:36)
Prime > arahabaina tafaverina soa aman-tsara eto amin'ity sehatra ity indray ! Misaotra mandrakariva amin'ny fanazavana !
16. Miharena ( 29/07/2010 13:17)
Eo amin'izaly hafatra ho an'ny jentilisa no asiako fanamarihana kely. Rehefa triatra ny efitra lamba dia midika izany fa malalaka ny fifandraisana amin'Andriamanitra ary ny olon-drehetra dia afaka mahazo Azy avokoa. Dia eo no manomboka ny tsy fanakobonana samirery ny fahasoavana fa mifampizara amin'izay ny olon-drehetra.

Ny fanontaniana fotsiny dia ny Israely ankehitriny ve manaiky fa Jesosy no Mesia?

Eo amin'ny fomban-tany indray izay hitarafana fa mety Jiosy koa ny Gasy dia mety marina izany ary izany indrindra no naha-lonaka haingana ny Malagasy amin'ny finoana raha ny tantaran'ny Maritiora sy ny Fifohazana no jerena.
17. ikaretsaka ( 29/07/2010 14:40)
prime:

Raha ny fahafantarako azy dia Israely no resahana satria ny Andriamanitr'Israely ihany no tena Andriamanitra, ilay nahary izao tontolo izao, Jehovah no anarany... ary ny mahaIzy Azy an'io Andriamanitra io dia ny fifandraisany manokana amin'io firenena io sy ny finoan'io firenena io Azy ary ny fitiavany manokana io firenena io...

ka ataontsika hoe tsy Israely ilay izy fa supposeo hoe fafaina daholo ny tantara dia i Jamaika io ohatra , dia au lieu de Israely dia Jamaika no eo satria izay no voasoratra ao anaty baiboly ohatra..de ahoana

amiko de hoe satria ry zareo Israelites fotsiny no naha etabli ireo conditions rehetra voalazako ao ambony na ara tantara na ara jeografia,
fa raha nisy tribu monothesita , nety ho andevozina sy natao sesitany etsy sy eroa, nisy empires be sy civilizations matanjaka tsy monotheiste manodidina azy... ary voasoratra tsara ny tantarany...
dia applicable n'aiza n'aiza io
satria tsy Israely irery no noharian'Atra fa izao tontolo izao
18. andrywui ( 29/07/2010 18:49)
Tena misy miteny ao ambony ao hoe : Jiosy i Jehovah !.... aza miteniteny foana fa Fanahy sy Hery lehibe tsy hita pesipesenina ary mahenika ny galaxie rehetra Jehovah !! - tsy Jiosy zany fa noho i Mria Virijiny fotsiny no nampitondrainy vohoka an'i jesosy !

-- Maria zany koa aza mbola fitaovana fotsiny koa fa tsy Andriamanitra mihitsy !

-- Ny talohan'ny Jesosy anie ilay andro mialohan'ny Adama dia nisy karazany toy izao tao andanitra tao :

--Andriamanitra Jehovah
--Zanaka
--Anjely Mikaela sy ny ekipany
--Anjely Losifera sy ny ekipany ( fa i Losifera Mpitarika Fiderana lehibe tao andanitra de nitady hitovy amin'Andriamanitra hono izy dia Niady tamin'ny ekipan'i Mikaela ny ekipandry Losifera tao andanitra tao de resy de nazera tety antany amin'izay )
19. andrywui ( 29/07/2010 18:52)
Fa i Maria noho izy virijiny dia izy no voafidin'Andriamanitra hampitondraina vohoka an'i jesosy ! fa tsy hoe Jiosy mihitsy akory Andriamanitra a!!

-- diso be le bendy niteny anizay ao ambony ao io !!

20. AndriambyII ( 29/07/2010 19:33)

ikaretsaka:

prime:

Raha ny fahafantarako azy dia Israely no resahana satria ny Andriamanitr'Israely ihany no tena Andriamanitra, ilay nahary izao tontolo izao, Jehovah no anarany... ary ny mahaIzy Azy an'io Andriamanitra io dia ny fifandraisany manokana amin'io firenena io sy ny finoan'io firenena io Azy ary ny fitiavany manokana io firenena io...

ka ataontsika hoe tsy Israely ilay izy fa supposeo hoe fafaina daholo ny tantara dia i Jamaika io ohatra , dia au lieu de Israely dia Jamaika no eo satria izay no voasoratra ao anaty baiboly ohatra..de ahoana

amiko de hoe satria ry zareo Israelites fotsiny no naha etabli ireo conditions rehetra voalazako ao ambony na ara tantara na ara jeografia,
fa raha nisy tribu monothesita , nety ho andevozina sy natao sesitany etsy sy eroa, nisy empires be sy civilizations matanjaka tsy monotheiste manodidina azy... ary voasoratra tsara ny tantarany...
dia applicable n'aiza n'aiza io
satria tsy Israely irery no noharian'Atra fa izao tontolo izao

Nefa monotheiste ny razamben' ny malagasy hatramin' ny Fahagolantany !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1428