fakam-panahy

1. bobone ( 22/07/2010 06:54)
"Tsy azonao sakanana ny vorona raha hanidina eo @ lohanao
fa azonao sakanana kosa izy raha hanorina akany na tranony eo ambony lohanao"
tahaka izany ny devoly ! mahita ny fanirianao izy ! ilay faniriana tsara ao anatinao dia iny no havadiny lasa fankam-panahy iny fanirianao iny !
ohatra : tsy manambola ianao dia mihevitra ny hitady vola , nisy olona latsaka ny poketrany ary hitanao ny nahalatsahan'ilay poketra ! entinao mody ve sa omenao ny tompony ilay poketra!!!
izany hoe eo ilay fakam-panahy no misavoritaka mitarika anao haka ilay poketra satria enao tsy manana ! sa omeo ihany nefa tsy manana ! kitapo latsaka ity hihhihi
dia eo ilay fakam-panahy no misisika mafy
mila mitandrina tsara @ ity fakam-panahy ity
fa miy tena tsy voatohitra ny fakam-panahy raha tsy tena ao Jeso kristy miara-monina manolon-tsaina ary miaro
répondu par bobone le 09/08/2010 06:58
2. ikaretsaka ( 22/07/2010 15:33)
"aza mitondra anay @ fakam-manahy fa atoroy anay ny lalana mankany"
3. rijadolly ( 22/07/2010 18:22)
Bobone:

"Tsy azonao sakanana ny vorona raha hanidina eo @ lohanao
fa azonao sakanana kosa izy raha hanorina akany na tranony eo ambony lohanao"

ika:

"aza mitondra anay @ fakam-manahy fa atoroy anay ny lalana mankany"
Mnadinika ireo aho dia miverina ny saiko. Nisy ady hevitra teto izay tsy tadidiko, izay tena efa elabe( 2006 na 2007) tany angamba izy izay, ohatra ny fakapam- panahy ny iray izay natao fampitahana, dia ilay iray no tsy tadidiko, sao dia misy mahatadidy...
4. soanja ( 23/07/2010 14:48)

bobone:

"Tsy azonao sakanana ny vorona raha hanidina eo @ lohanao
fa azonao sakanana kosa izy raha hanorina akany na tranony eo ambony lohanao"
tahaka izany ny devoly ! mahita ny fanirianao izy ! ilay faniriana tsara ao anatinao dia iny no havadiny lasa fankam-panahy iny fanirianao iny !
ohatra : tsy manambola ianao dia mihevitra ny hitady vola , nisy olona latsaka ny poketrany ary hitanao ny nahalatsahan'ilay poketra ! entinao mody ve sa omenao ny tompony ilay poketra!!!
izany hoe eo ilay fakam-panahy no misavoritaka mitarika anao haka ilay poketra satria enao tsy manana ! sa omeo ihany nefa tsy manana ! kitapo latsaka ity hihhihi
dia eo ilay fakam-panahy no misisika mafy
mila mitandrina tsara @ ity fakam-panahy ity
fa miy tena tsy voatohitra ny fakam-panahy raha tsy tena ao Jeso kristy miara-monina manolon-tsaina ary miaro

Ny fakam-panahy dia nomen'Andriamanitra antsika ho mba hampisehoantsika ny maha-olom-panahy antsika. Izany hoe eto amin'ny tontolo iainantsika dia misy lalandava ireo tanila roa izay hahatonga antsika hanao safidy malalaka ny handroso amin'ny fivoatry ny maha-olona fanahy antsika ka hampiasana ny saina sy ny fo ary ny fanahy.

Tsy ratsy ny fakam-panahy fa ny fahitantsika azy dia milaza ny voninahitr'Andriamanitra fa olon'afaka isika satria manantsafidy. Mila lalandava fampiasana saina izany fahafahana izany fa tsy natao anjambany satria izay safidy raisinao eo no hanoritra ny izoranao amin'ny izao, hoavy ary mandrakizay koa aza.
5. Miharena ( 23/07/2010 15:16)
Miray hevitra amin'i Soanja amin'ny maha-olon'ny fanahy. Izay no fahatsiarovan-tena voalohany tokony ho fantatry ny olona.
6. ikaretsaka ( 23/07/2010 18:51)
rijadolly:

ika:

"aza mitondra anay @ fakam-manahy fa atoroy anay ny lalana mankany"
Mnadinika ireo aho dia miverina ny saiko. Nisy ady hevitra teto izay tsy tadidiko, izay tena efa elabe( 2006 na 2007) tany angamba izy izay, ohatra ny fakapam- panahy ny iray izay natao fampitahana, dia ilay iray no tsy tadidiko, sao dia misy mahatadidy...

tadidiko iny fa fanahy iniako tsy alefa eto ka :-)
fa izao no tiako hambara amin'io hoe raha natoro tokoa angamba hoe "fakam-panahy io"
mety moramora kokoa o? sa?
7. rijadolly ( 24/07/2010 14:06)
Ika koa rangahy tssssssss, tsara be anie izay loha hevitra izay e!

fa izao no tiako hambara amin'io hoe raha natoro tokoa angamba hoe "fakam-panahy io"
mety moramora kokoa o? sa?
Ny tian' ika lazaina ve izany hoe: "aty re olona ny lalana mankany amin' fakam- panahy a!" ihihihi! ohatra ny milaza araka ilay sangisangy izay hoe : "tsy azo anariana télé eto" ve?
8. ikaretsaka ( 25/07/2010 16:09)

tsia loatra faa eritrereto an-tsaina ange hoe misy sampanana dia misy soratra manondro hoe fakam-panahy ..
mpra kokoa o?
9. cutie ( 25/07/2010 20:22)

soanja:

bobone:

"Tsy azonao sakanana ny vorona raha hanidina eo @ lohanao
fa azonao sakanana kosa izy raha hanorina akany na tranony eo ambony lohanao"
tahaka izany ny devoly ! mahita ny fanirianao izy ! ilay faniriana tsara ao anatinao dia iny no havadiny lasa fankam-panahy iny fanirianao iny !
ohatra : tsy manambola ianao dia mihevitra ny hitady vola , nisy olona latsaka ny poketrany ary hitanao ny nahalatsahan'ilay poketra ! entinao mody ve sa omenao ny tompony ilay poketra!!!
izany hoe eo ilay fakam-panahy no misavoritaka mitarika anao haka ilay poketra satria enao tsy manana ! sa omeo ihany nefa tsy manana ! kitapo latsaka ity hihhihi
dia eo ilay fakam-panahy no misisika mafy
mila mitandrina tsara @ ity fakam-panahy ity
fa miy tena tsy voatohitra ny fakam-panahy raha tsy tena ao Jeso kristy miara-monina manolon-tsaina ary miaro

Ny fakam-panahy dia nomen'Andriamanitra antsika ho mba hampisehoantsika ny maha-olom-panahy antsika. Izany hoe eto amin'ny tontolo iainantsika dia misy lalandava ireo tanila roa izay hahatonga antsika hanao safidy malalaka ny handroso amin'ny fivoatry ny maha-olona fanahy antsika ka hampiasana ny saina sy ny fo ary ny fanahy.

Tsy ratsy ny fakam-panahy fa ny fahitantsika azy dia milaza ny voninahitr'Andriamanitra fa olon'afaka isika satria manantsafidy. Mila lalandava fampiasana saina izany fahafahana izany fa tsy natao anjambany satria izay safidy raisinao eo no hanoritra ny izoranao amin'ny izao, hoavy ary mandrakizay koa aza.

slt njy soanja :)
miombon-kevitra :)
10. ikaretsaka ( 26/07/2010 14:40)
Namaste nareo mirahavavy ;)
11. soanja ( 26/07/2010 15:59)
Cutie> Faly be tsy misy ohatr'izany! Tongasoa eto indray. Bisous mamibe indriako.

Namaste koa isika rehetra! Aoka ny fiadanan'Andriamanitra hanone tsio-drivotra malefaka ny fiainantsika!
12. niryna ( 26/07/2010 18:43)

bobone:

"Tsy azonao sakanana ny vorona raha hanidina eo @ lohanao
fa azonao sakanana kosa izy raha hanorina akany na tranony eo ambony lohanao"
tahaka izany ny devoly ! mahita ny fanirianao izy ! ilay faniriana tsara ao anatinao dia iny no havadiny lasa fankam-panahy iny fanirianao iny !
ahoana tsara izany ry bobone?

ny fakampanahy dia mety ahazo antsika ary ny fametrahana ny fiainantsika amin'Atra no ahatonga antsika ahatohitra azy.Ny teny anefa miteny fa tsy misy fakampanahy izay mahazo ny olona ka tsy zakany,raha misy aza izany dia Izy no hibitsika mangina ao anatintsika ao ary anoro antsika andeha amin'ny lalan'ny fahamarinana.
Mila mino ny teny izay nomeny isika ary mino koa fa tsy mahavita tena isika fa tsy maintsy miankina amin'ilay Ray nanao antsika
13. ikaretsaka ( 26/07/2010 19:14)
Ny fahalalana hoe aiza ny fakam-panahy. No tsotra indrindra ka, io no angataho @ Atra ho fantatraoazonao, fa raha hisalaka tanana fotsiny dia tsy mety loatra, tadidio fa ny vavaka=tolona fa tsy sento, ary ny ho mpiara misalahy @ Atra no anisan'ny maha kristianina antsika, fa tsy ny fanaovana 'poupette" ny ka hoe vao misy anona kely de ouoooooiiin Atra o!
14. Miharena ( 02/08/2010 06:43)

"Tsy azonao sakanana ny vorona raha hanidina eo @ lohanao
fa azonao sakanana kosa izy raha hanorina akany na tranony eo ambony lohanao"
tahaka izany ny devoly ! mahita ny fanirianao izy ! ilay faniriana tsara ao anatinao dia iny no havadiny lasa fankam-panahy iny fanirianao iny !

Ny devoly tokoa ve no mahita ny fanirianao sa ao anatinao mihitsy ilay faniriana?

Ilay faniriana mitsipa-doha ny Mpamorona no ametrahantsika ny asan'ny devoly, ka raha izany izany dia devoly daholo ny ao anatintsika ao fa mila jerena tsara. Dia iza amin'ny fanirianao no an'Andriamantra?

Sarotra raisina nefa mora ihany ny mamaha ny olana momba ny fakam-panahy. Fibebahana ny fahatsiarovan-tena fa devoly isika satria niombona taminy. Ilay devoly anefa hevitra mitsipaka ny Mpamorona azy na mihevitra ny ho ambonin'ny Mpamorona azy. Dia rehefa hitanao tsara izany ao anatinao ao dia haharihario eo ny asany fa tsy misy fotony fa hevi-dravina fotsiny ihany dia mandehana amin'ny lalamahitsy omen'ny Fanahy Masina anao izay hahatanteraka marina ny fanirianao tsara rehetra fa aza mitaredretra eo.
15. fijo ( 06/08/2010 19:52)
aza terena hoe mila jesoa sy andriamanitra foana vao mahatohitra sy afaka miady amin'ny ratsy .ny fandinihana ,dia efa ahafahanao manao izany.

ohatra ,ny olona mana mpahalala dia hafaka mandinika kokoa hoe "mety ve ity ataoko ity sa tsia."

rah amisy olona roa manoloana sedra iray.ny iray dokotera,ny iray 4mi.nisy olona torana teo anoloan'izy roa ireo ary nilatsaka ny poketra feno vola.
ilay dokotera,mety hanavotra ilay olona aloha no ataony,izay vao misaina hafa.
ilay 4mi kosa,mino 99% aho,fa ny haka ilay poketra feno vola sy hitsoaka no hoataony voalohany.
mety mpino koa nefa io 4mi io.fa tsy ampy fahalalana sy fandinihina
16. ikaretsaka ( 07/08/2010 18:44)
izay: arofanina Atra fa tsy genie sy biby fatahorana
17. bobone ( 09/08/2010 06:58)
Misaotra anareo rehetra namaly ! ny zava-dehibe dia hoe Atra no arofanina !tena manaiky an'io aho ! rehefa raisinao ekenao fa Atra no mibaiko ny tenanao dia arovany @ fankam-panahy enao !!! tsarovy koa aniefa fa tsy maintsy testena ny tena mpanara dia na'i Tompo raha tena hoe mahatohitra tokoa ny fakam-panahy ! ka na inona zavatra mandalo na fakam-panahy dia zao mahatohitra izy rehefa Atra no ao anatiny!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0384