Ny hevitra ara-panahy amin'ny fanoharana voalaza ao amin'ny Baiboly
1. Miharena
(
14/07/2010 06:41)
Antony nanokafana ity loha-hevitra ity dia ny mba hijerena ireo karazana tantara, fanoharana izay mifono hevi-dalina ao amin'ny Tenin'Andriamanitra voalaza ao anatin'ny Baiboly.
Ny tanjona dia ny ahazoana mahafantatra marina izay tian'ny Tompo ambara ny olombelona nohariany.
Eto am-panombohana dia tsara raha ny manome tari-dresaka kely ny hoe:
- Tokony horaisina ara-bakiteny ve ny Teny sa mila fandalinana?
- Inona no mari-drefy ahafahana manambara fa hevi-panahy no lazaina amin'ny fanoharana iray?
- Inona no Fototra ilaina ahafahana mamakafaka hevi-panahin'ny fanoharana na tantara iray?
- Ny jiro ao anatintsika ve ampy ahafahana manakatra ny hevitry ny Tenin'Andriamanitra?
Ireo fanontaniana ireo no mipetraka noho ny fisian'ny hevitra maro mifangaro izay iarahantsika mahalala eo amin'ny fiainana Kristiana indrindra indrindra.
Koa mazotoa ary misaotra sahady amin'ny valin-teny. Raha misy Tenin'Andriamanitra manitikitika dia azontsika voaboasana eto izany.
Ny tanjona dia ny ahafahana mampakatra ny tsirairay ao anaty fahazavana tanteraka fa tsy hisafotofoto ao anatin"ny hevitra mampihazohazo.

répondu par fijo le 06/08/2010 19:57
2. ikaretsaka
(
14/07/2010 12:59)
Ny tanjona dia ny ahazoana mahafantatra marina izay tian'ny Tompo ambara ny olombelona nohariany
.hoy i Md Thomas d'Aquin izay hoe "aza dia mahatoky loatra ny olon'ny Boky "
3. rijadolly
(
14/07/2010 18:00)
Afaka horaisina ara- bakiteny sy azo raisina ara- panahy ny tenin' Andriamanitra rehetra. Raha mbola tsy tanteraka ny faminaniana dia mitongilana any amin' Ara- panahy no handraisatsika azy. Izaho anefa mino fa ho avy ny andro hisehoan' ireny teny rehetra ireny ho ara- bakiteny.
- Tokony horaisina ara-bakiteny ve ny Teny sa mila fandalinana?
- Inona no mari-drefy ahafahana manambara fa hevi-panahy no lazaina amin'ny fanoharana iray?
- Inona no Fototra ilaina ahafahana mamakafaka hevi-panahin'ny fanoharana na tantara iray?
- Ny jiro ao anatintsika ve ampy ahafahana manakatra ny hevitry ny Tenin'Andriamanitra?
Raha mandeha amin' fahalalan' tenatsika isika dia tonga ny dika vilana. Angatao ny Fanahy fa omena ianao. izy no hampafantatra antsika ny dikany.
5. Miharena
(
15/07/2010 06:22)
Aza mahatoky loatra ny olon'ny boky hoy Md Thomas d'Aquin arak'i Ika etsy ambony.
Raha fandikan-kevitry ny hafa fotsiny ihany fa tsy fahatsapana tokoa no entina mamakafaka sy mandalina dia manjary lasa arak'io teny io. Ka ilay fahatsapana izany no zava-dehibe fa tsy ny famerenan-teny fotsiny ihany.
Eo amin'ilay hoe mangataha ny Fanahy fa omena ianao dia tokony ho efa fantatsika hatrizay fa ny Fanahy dia maharitra mandrakizay ny Fahamarinany ka ny fahaizanao mahatsapa Azy izay Lovanao amin'ny maha-voary anao no hahatonga anao ho velona ao Aminy sy miaraka Aminy. (Io voatsipika io ilay fiteny any am-piangonana lalandava raha vao milaza ny momba ny Fanahy Masina ny mpirtarika fa sao dia tsy fantatra ny dikany fa mandeha anjambany fotsiny ihany izay mpiara-miombom-bavaka eo).
Raha mbola tsy tanteraka ny faminaniana dia mitongilana any amin' Ara- panahy no handraisatsika azy
Raha io no jerena dia amiko diso fahatsapana ihany ny olona ny amin'ny fandraisan-javatra ara-panahy satria amiko ny fiainan'ny olombelona dia ara-panahy avokoa , na ny akehitrininy na ny ho aviny na ny lasany. Ny zavatra mitranga ao anaty amin'io Fanahy Tokana nomena io izay mbetika voasembana, mbetika mitsilopy, mbetika miharina no mahatonga ny savorovoro miseho ety ivelany rehetra.

6. rijadolly
(
16/07/2010 03:39)
hevitrao izay sa tena izay tokoa?
Anisany zavatra tena tsy azo lavina ry Ika dia izay mihitsy matoa izay ny hevitrao. Fanokafana ady hevitra fotsiny ny antony hitenenana hoe : "Araka ny hevitro"
Amin' i Ika ary, aiza amin' io hevitro io no diso? hamarino ny valiteninao...
Miharena>>>>>
- Tokony horaisina ara-bakiteny ve ny Teny sa mila fandalinana?
- Inona no mari-drefy ahafahana manambara fa hevi-panahy no lazaina amin'ny fanoharana iray?
Ahoana ary arkak' izany ny hevitry Miharena eto?
7. ikaretsaka
(
16/07/2010 14:01)
rd> ka ilay izy hevitrao kay.. nefa attribuer-nao fa hevitr"Atra?
diso io amiko satria tsy voatery ho izay
1-ny tenin'Atra (voalaza ao anaty baiboly) dia tsy voatery ho faminaniana foana
2)
Ne croyez pas les individus, fiez-vous aux enseignements ; ne croyez pas les mots, fiez-vous au sens ultime, ne croyez pas l'intellect, Ne te fie pas aveuglément aux paroles d'autrui, méme celles de la bible. Observe ce qui t'apporte personnellement le contentement, la paix et la lucidité, envers toi et les sutres : là est ton chemin

8. Miharena
(
16/07/2010 14:32)
Miharena>>>>>
- Tokony horaisina ara-bakiteny ve ny Teny sa mila fandalinana?
- Inona no mari-drefy ahafahana manambara fa hevi-panahy no lazaina amin'ny fanoharana iray?
Ahoana ary arkak' izany ny hevitry Miharena eto?
Ny Teny dia natao horaisintsika olombelona sy izay Voary manana ny atao hoe saina afaka mandinika sy mandalina. Koa ny Teny ao anaty Baiboly dia misy zava-ponosiny raha toa ka fanoharana izany ary azo raisina ara-bakiteny raha toa ka mivantana izany.
Raha miteny ny Tompo hoe "Isaia 57:16 Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay; Fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, dia ny aina* izay nataoko. [Heb. fofonaina]" dia azo raisina ara-bakiteny izany. Raisina tsotra izany io Teny io izay mifandray amin'ny fiandohana rehetra.
Raha eo amin'ny mari-drefy amin'ny hevi-panahy momba ny fanoharana dia miainga hatrany amin'ny Fiandohana no andraisana azy ary mitozo amin'ny zava-nitranga tamin'ny olona voaforona nahatonga ireo karazana korontana nisy izay nivezivezen'ny olona nitady an'Andriamanitra (Fiainana ao anaty haizina na dia eo am-pototry ny Mazava aza) ary mifarana hatrany amin'ny fodiana sy fahatsiarovan-tena fa ao amin'Ilay Mpahary ihany no misy ny harena rehetra. Io ilay fanoharana momba ny zanaka adala.
Rehefa mahatsiaro isika fa sombin'ain'ny Ray dia misokatra ny masom-panahy ary afaka ny hanazava ny fanoharana rehetra.
Izay no mahatonga ny fandalinana ny hoe "Iza ny Mpahary ary inona no nataony tao anatintsika voariny?" Rehefa voavaly io fanontaniana io dia mazava avokoa ny zava-drehetra.

9. ikaretsaka
(
16/07/2010 14:58)
de rehefa aiza ho aiza le fetra hoe hmmm ara panahy eto de eto ara bakiteny..
sa rehefa ekeken'ny saina fotsiny?
ohatra hoe misy sipa manja mandalo de atao ara bakiteny ny hoe "mankanesa aty amiko ianareo mavesatra entana fa izaho hanamaivana anareo"?

11. ikaretsaka
(
16/07/2010 19:28)
hazavao koa... mandainga raha tsy misy manao an- izany indray le fanatika be ireny
12. Miharena
(
17/07/2010 05:55)
Marina fa ny resaka fanatisma dia mitarika fisarihana araka ny hevitra heverin"ny tena fa marina tsy azo hozongozonina. Misy ireo izay tsy mahazo aina raha tsy ny azy ihany no raisina na raha tsy mahazo olona maro ao amin'ny vondrona misy azy izy. Tsy afaka hivelona mahaleotena mihitsy izy satria tsy ampy ny fahalalàny fa heveriny fa ny fironan-kevitry ny maro no mahamarina izay lazainy.
Amin'ilay hoe hatraiza no fetra amin'ny ara-bakiteny sy ara-panahy dia aoka angamba aloha horaisina ara-panahy avokoa ny zava-drehetra fa ny fandalinana sy ny fahazoana ny Teny no zava-dehibe.
Raha kitsimpontsimpona ka itangozonana ilay kitsimpontsimpona fa tsy apetraka tsara ao anatin'ny contexte manontolo dia very eo daholo ny rehetra. Io ilay hoe fantaro ny zava-drehetra dia hazony mafy izay tsara (izay tsara eto dia izay marina sy voafototra tsara fa tsy izay nolazain-dRabe nefa tsy azon-dRakoto).
Ny contexte no mametra ny ara-bakiteny sy ara-pandalinana satria fandalinana ny fanahy avokoa ny voalaza rehetra.
Aoka koa hiavaka tsara ny hoe mari-drefy sy ny hoe fetra. Ny voalohany dia erana lehibe iray ahafahana manakilasy zavatra iray fa ny faharoa kosa dia ilay fijery tsy azo ihoarana. Koa rehefa tonga eo amin'ilay tsy azo ihoarana ianao dia voatery tsy maintsy mandray ara-bakiteny fa rehefa mbola afaka mandalina dia afaka milaza mari-drefy.

13. ikaretsaka
(
17/07/2010 15:22)
Amin'ilay hoe hatraiza no fetra amin'ny ara-bakiteny sy ara-panahy dia aoka angamba aloha horaisina ara-panahy avokoa ny zava-drehetra fa ny fandalinana sy ny fahazoana ny Teny no zava-dehibe.
ka le "ara-panahy" ve eto tsy karazana fomba filazana ankoraka ilay hoe "izay tiatiana ihany"... raha tsorina?
fa tsy te hiteny ilay hoe izay tiatiana ihany dia mody hoe "ara panahy" no atao anarany?
14. Miharena
(
19/07/2010 07:05)
ka le "ara-panahy" ve eto tsy karazana fomba filazana ankoraka ilay hoe "izay tiatiana ihany"... raha tsorina?
fa tsy te hiteny ilay hoe izay tiatiana ihany dia mody hoe "ara panahy" no atao anarany?
Eo aminilay hoe zay tiatiana no tiako hamaliana an'i Ika eto. Amin'ny maha-verin-droa ny fomba filazanao azy dia mazava fa tsy matotra ny hevitra mivoaka avy ao.
Ny fari-pahalalàna hoy aho no mety tsy mitovy saingy io tsy fitoviana io dia miankina amin'ny fitondran-tsain'ny tsirairay izay manana tanteraka fahafahana mamorontsaina sy mamakafaka ihany koa.
Ny famakafakana ny toe-javatra iray dia ara-panahy avokoa na diso fandray ny olona na mahitsy fandray. Satria io Fanahy nomena anao io no entinao mandehandeha hanaovanao izay tianao hatao, saingy rehefa tafavory ny rehetra ka miara-mandinika dia mahatsapa fa misy Iray Mahitsy sy mitombina tsara azo hanakinana ny herin'ny rehetra handroso ao amin'ny maha-izy azy tanteraka.

15. ikaretsaka
(
19/07/2010 17:14)
Ny famakafakana ny toe-javatra iray dia ara-panahy avokoa na diso fandray ny olona na mahitsy fandray.
Tsia dia tsyia ....tsy voatery ho ara-panahy mihitsy ny famakafakana zavatra (na enquete )
ny curiosite dia tsy voatery ho sprirituel ary tsy voatery hisy hidirany mihitsy manko
raha te hahalala aho ohatra hoe fa maninona no misy izao toe javatra izao ka mandeha mikaroka akaiky ny momban'iny... tsy voatery mihitsy noe noterem-panahy aho no nahatonga ahy nikaroka akaiky sy namakafaka ny momban'iny fa fitia te hahalala fotsiny
izay no ilazana lalandava aminao hoe aza terena ilay izy!
16. Miharena
(
20/07/2010 09:19)

Tsy manery ilay izy aho fa manao fanamarihana fotsiny ihany ny fandinihako ny zava-drehetra. Dia tonga amin'io tsoa-kevitra hoe ny zava-drehetra dia ara-panahy avokoa aho any amin'ny farany.
Raha lazaina fa curiosité no manetsika fa tsy ny fanahy araka ny filazanao, dia hafahafa ihany satria tsy misaraka ianao sy ny vata-benao sy ny fanahinao niaraka nanao fanadihadiana teo.
Sa ny an'i Ika ny fanahy any ananona any rehefa miasa ohatra fa rehefa mivavaka ihany vao eo ny fanahinao? Raha eny ny valinteninao amin'io fanontaniana io dia manaiky aho fa azonao disoana ny filazako teo ambony io.
Fa ny ahy aloha dia tsy afaka misaraka ireo na aiza na aiza na inona na inona no ataoko e!
Izay no nahatonga ny Teny hoe fantaro ny zava-drehetra dia hazony mafy izay tsara. Manao transcription ao anaty fanahinao ny zavatra rehetra ianao dia manao tri avy eo hoe iry diso dia izatsy marina azo tazonina tsara. Ny fanahinao daholo no miasa amin'ny fanavahana izany rehetra izany.
Raha ny tokony ho izy dia ny Fanahin'ny olona no mamoaka ny eritreriny fa tsy ny sainy. Ny sainy no manatanteraka ny famoahana ny teny sy ny baiko rehetra avy eo hanaovany ny asa mivaingana rehetra (tsy ny hoe sary vongana fotsiny ohatra fa ao koa ireo hevitra diso sy manafintohina, sy mahafinaritra sy mitombina sns...). Ny Malagasy no milaza mazava ny hoe ny "fanahy no olona".

17. mpanazava
(
20/07/2010 13:48)
Raha nanao fikaroahana kely ny kolo-tsaina malagasy aho dia nahita fa tsy haiko aloha na marina ilay hitako na tsia ilay 'fanahy' amin'ny hoe 'fanahy no olona' dia fitaovana entina manahy toy ny hoe fitaratra = fitaovana entina mitaratra. Eto ny fanahy dia miara miasa amin'ny eritreritra sy ny saina, ilay hoe manahy aho sao dia mba...(ity na tsy ity ohatra) ilay mifanaraka amin'ny fahendrena Malagasy izany hoe mampisy fisalasalana ao anaty mba hitadiavana ny marina. Io fitaovana io no maha olona ny olona hoy ila boky hitako.
Io karazana fanahy io ve no tian'ny Miharena ambara sa hafa mihitsy? Miala tsiny fa misy heviny maro manko ny voambolantsika malagasy ary tsy haiko na diso aho fa samy hafa tanteraka ny hevitrin'ny teny 'fanahy' ampiasainao sy ika eto.

18. Miharena
(
20/07/2010 15:12)
Ilay Fanahy noforonin'Andriamanitra ao amin'ny voariny no tiana lazaina eto Mpanazava a!
19. Miharena
(
21/07/2010 12:12)
Raha dinihina daholo ny fandaharan-kevitra amin'ity loha-hevitra ity dia mbola eo amin'ny fampidirana ihany isika ankehitriny. Izany hoe eo amin'ny valam-pamaritana ny loha-hevitra.
Marina fa mapikorontana ny olona tokoa ny fanadihadiana tsy matotra amin'ny Tenin'Andriamanitra saingy tokony ho tafavoaka amin'ny fahitsiana marina ny olona rehefa ny Fanahy Masina no miasa.
Koa dia misokatra amin'izay àry ny fandrosoana amin'izany Tenin'Andriamanitra sy ny heviny izany manomboka eto.
Dia manasa ny mpandalina ahafahana miara-mijery ny Ilay tena Mazava marina tian'ny Mpahary lazaina.
Hanampiako azy kely fotsiny, tsy voatery ny ao anaty Baiboly ihany fa na dia ireo hevitra azon'ny olona avy amin'ny fifandraisany tamin'Andriamanitra na Jesoa dia azo hadihadiana eto avokoa.
Ataoko fa hahazoana mitombo ny vokatra azo avy amin'ny dinika izay hatao.

20. niryna
(
21/07/2010 19:21)
Miharena>>>>>
- Tokony horaisina ara-bakiteny ve ny Teny sa mila fandalinana?
natao ampiharin-tsika amin'ny fiainana ny Tenin'Atra ,mila halalinina ihany
Ny Teny dia natao horaisintsika olombelona sy izay Voary manana ny atao hoe saina afaka mandinika sy mandalina. Koa ny Teny ao anaty Baiboly dia misy zava-ponosiny raha toa ka fanoharana izany ary azo raisina ara-bakiteny raha toa ka mivantana izany.
Raha miteny ny Tompo hoe "Isaia 57:16 Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay; Fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, dia ny aina* izay nataoko. [Heb. fofonaina]" dia azo raisina ara-bakiteny izany. Raisina tsotra izany io Teny io izay mifandray amin'ny fiandohana rehetra.
koa ny Tenin'Atra mba ahafahantsika mahalala ny tian'Atra ataontsika