Raikitra ve ny Kassav' ao?

1. hery ( 25/06/2010 11:52)
Raikitra ve ny kassav ao? Sambatra ihany aloha manam-bola hanafarana an'izany Kassav izany. Izany tokoa no tena fitiavana ny Malagasy.
Na i Sareraka, Mamy Gotso, sy ireo artista malagasy malaza sady mpanohana ny HAT aza tsy nandaniana vola be tahaka an'izany maka Kassav izany. Fa atao ahoana, efa tsy zana-tany intsony ny Gasy ka aleo amin'izay ny kassav no antsoina toa izay Ramilison Wilson.
répondu par terrywui le 26/06/2010 09:11
2. terrywui ( 25/06/2010 12:08)
tena tsy azon'i hery le resaka !!

tsy hoe hanafana ny fetimpirenena fotsiny anie i KASSAV e!! ...fa mbola alain'ny fanjakana hanao concerts any Majunga (banja Toalaza ) Tamatave , tana sns...izy !!!
--ka tsy misy hoe perte mihitsy ny Fanjakana fa vo recurp amin'ireo concerts rehetra atao ireo ny frais nanafarana azy fa aza mataoatra i hery sady aza mijery akaiky fa araho tsara ny vaovao momba an'ireo artistes nalaina ireo !!

volabe no azo amin'ireo amin'ny fampisehoana hampanaovina azy !!...
3. terrywui ( 25/06/2010 12:12)
zay no ataoko raha vao moitapi-maso otran soavaly fotsiny fa tsy mandinika tsara de boraingona sy diso lalana foana nareo !!
--volabe no azo amin'ireo fa tsisy perte na fahavoazana mihitsy !! ataoko fa efa mba naka artistes iany toi ka mahalala ny " S" be miodina azo ao raha tsy bombina le artiste nalaina !!

--vao mahafeno banja toalaza ndray pande fotsiny kassav defa manimanitra ny 2milliards !!! vita ny contrat nakana azy sy ny frais ny rehetra !!
4. hery ( 25/06/2010 12:12)
Dia avy aiza hono izany vola izany? :-)

Avy any ampaosin'ny mpanankarena ve sa ny gasy ihany no tsihifina ao? lolll

Izany no hoe ny kely ananana indray no alainy.

Alaina ny vola kely any ampaosin'ny gasy dia omena an'i kassav. Dia tsisy vola mivoaka amin'izany. :-) aza mba donto wah
5. terrywui ( 25/06/2010 12:14)
ay ay ay ay !!..... raha misy ny donto sy tsy de mandefa saina alavitra alou de nareo zay !!!!..

angah ny gasy mahantra mahatakatra sy mahavidy billets na 200.000fmg na 40.000ar zany rangahy ty fa ireo bekibo tamin'ny andron'i dada no tsihifina araky ny tenin'ingah azy mba hamerenana ireo vola nalainy ankolaka na mivantana (ny vady amanjanak'ireo no sur fa ahavidy an'izany) alaina amin'ny politika indirect e !!...zany ve de tsy ho azonareo hin hin hin
6. terrywui ( 25/06/2010 12:16)
aiza no hisy gasy ahavidy anizany fa le fampisehoana bojy atao eo mahamasina no ampirevena ny malagasy vahoka madinika fa ireo be zesta sy miseho ho mpanana tsihifina alaina amin'ny concert ny "S " ny
7. terrywui ( 25/06/2010 12:17)
tsisy perte ho an'ny fanjakana io hery fa tombombarotra be aza a !!... tena au contraire mitsy ny kozy lazainareo !! hon hon hon hon
8. bekafara ( 25/06/2010 12:20)
raha i ravalo izao no nanafatra an'ireo artiste ireo efa nikatra be ery ny feo hoe artiste ve azo ohanina ? tsy haiko aloha fa ny sipa @ kassav ireny mety azo ohanina ihany ,
9. terrywui ( 25/06/2010 12:23)
de mandoha sosy be elah ra izay no tianlah atao !....de vola miditra am fanjakana kou izay !!!
10. rijadolly ( 25/06/2010 12:39)
Ary le sosy be lasan' kassav mody any aminy fatiantok' iza?
Fatiantoky ny mpangataka ihihihi! Hoy Tselonina izay: " bokosy ihany ingahy Tselonina fa tsy ampy saosy."
11. pink ( 25/06/2010 14:20)
tombom-barotrabe tahaka ny traffic bois de rose izany an...Ny tany no tsetsafina...ny vahoaka tsetsafina.....lozanao ry terrywui
12. hery ( 25/06/2010 14:23)
Izay ny andry zalahy, faly hoe vola miditra amin'ny fanjakana izany na dia hita hoe halatra aza. Tena gorona marina izao fanjakana izao :-)
13. terrywui ( 25/06/2010 14:35)
rijadolly ===) ary le devise be nentiny sy nampidiriny ?

--recapitulation = ny vahoaka mijery fety kassav bojy sady afaka mandihy !
ny fanjakana hidirana benefice be amin'ireo fampisehoana atao any rehetra any !
ny kassav mitondra vola mivoaka (contrat)
ny fanjakana nampidirany devises bobaka amin'ireo fampisehoana vitany !


--hery === zay ndray le mikozikozy fahatany !! na de hita hoe halatra aona e?? iza no nangalatra ? manao resaky ny Mpanohitra lany mofo marina ka!...... tsisy hapoka intsony de ny mamorona sisa ! mbola ahita raharaha amin'io diffamation publique io ngah fa ataovy ihany hin hon hin hon hin hon
14. hery ( 25/06/2010 14:38)
recapitulation lolll. Hahazo tombony ve kassav sa tsia?

- Kassav niditra nitondra devise ohatrinona
- Kassav mivoaka hitondra devise ohatrinona

Ohatrinona izany sisa ny deise mijanona ao Madagasikara? Mihena sa mitombo?

resaka plus sy moins zany fa tsy dia sarotra loatra.
15. terrywui ( 25/06/2010 14:46)
raha ny fampisehoana ataon'ny kassav eto M/car raha ny isany de viviny kely io devise kely entiny io refa avadika Euro e!!.... 85.000euro ve ??...

--ny fampisehoana indray mande anefa raha feno tsara banja toalaza (majunga) de tsy latsaka ny 2milliards raha ny vidimpidirana hin hon hin hon ....ataovy ny conte tsotsotra e!!! zahay efa nahavita !.....

-12.000pers no zakan'i toalaza X 50.000ar izay !! nefa ry kassav entina amin'ny toerana dimy (izay no contrat nle 85.000euro tsy miantoka hotel sy trans izy aminio) he he he he !...kozy efa mlamm io hery fa nareo no maharary fo amin tsy anapany a
16. hery ( 25/06/2010 15:02)
Efa manomboka manompo olona nareo zany ra terrywui. Efa manao ohatra ny sasany nanompo an-dRavalo koa dia oui m'sé foana.

Efa hita be zao hoe misy faty antoka ho an'i Madagasikara dia mbola diovina ihany hoe mahazo tombony :-).

Raha tsy manompo olona mantsy dia na manohana an'io fitondrana io aza rehefa mba misy zavatra tsy mety ataony dia miteny hoe tsy mety. Fa tsy hoe mety daholo foana. Raha vao manao an'izay dia efa mivadika zavatra hafa izay. Atao ahoana fa fomban-javatra io.
17. terrywui ( 25/06/2010 15:08)
ka ny marina marina ihany hery a! .....nareo zao nanao fivorivoriana teny KRYPTON Ambohimalaza PK17,50 teny tamin'ny 18 mai !! tsy nisy naninona anareo ny Miaramila sy ny fitondrana satria tsy nitaona oul hikomy nareo tao na nieritreritra sy namoaka hevitra hanongampanjakana , fa nanao sakafo sy nanalanala teny fotsiny !!( na de nisy aza ireo hamarara niteny zavatra hafahafa )de nody ndray avy eo!.....
--ka refa hita hoe mety de mety zay !!! fa rehefa hoe tsy mety de ts mety zay !!.....
18. terrywui ( 25/06/2010 15:13)
za zao tena tsy nanaiky sy nanome tsiny ary niantso ny Fitondrana mihitsy tamin'ireny mpianatra nasaina nanao tanana ambony sy nampanalàna vato ireny !
-de teo kou ireny fitifirana vahoaka teny ambohijatovo irehny !!de tena nilaza tamin'i rajoelina mihitsy ah hoe ajanony fa tsy mety io zokilahy hoa !!
otrizay kou le fandoroana ny TIKO sy MAGRO ireny fa izy mou nilaza hoe tsisy naniraka ireny oul ireny fa nentin'ny alaelony sy mpananararaotra TIM ireo !



fa tsisy manara-kefa zany eo e!! raha mitapitapy eo kou ane zokilahy de azonay ahongana teo e!! tsy sarotra mitsy ny manala azy teo !! fa itanay hoe mbola tsy nanao zavatra izy tsisy vola tao amn fitondrana tao fa ireny nofaohan'ny dada ireny daholo de ozy zahay hoe aleo alou ho hita ze tena fandehany marina !!.0.
19. rijadolly ( 25/06/2010 15:32)
Ohatra ny tsy azoko ve sa i Terrywui no mody fanina dia manova ilay loha hevitra?

Ahoana ny contran' FAT sy ny Kassav? misy vola be ve nalohan' FAT? Dia ny Kassav indray ve no Nandoha devise ho an' FAT nefa ny FAT aza no nanafatra azy? Volan' gasy eto an- toerana ve ireo lazaina fa devise miditra lazain' Terrywui ireo, satria ny GASY no mando vidipidirana fa tsy ny Kassav raha tsy diso aho? Azafady indrindra ry Terrywui raha diso aho, fa raha marina dia hatraiza ny fahamrinan' ilay hevitro?
20. Noue ( 25/06/2010 18:08)


Ohatra ny tsy azoko ve sa i Terrywui no mody fanina dia manova ilay loha hevitra?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2658