26 JOINTSM-POZA

1. terrywiui ( 15/06/2010 13:39)

TENA LEOBE NY FOZA MPAMONO MPAMPIJALY NY MALAGASY
répondu par 3188 le 17/06/2010 20:53
2. falimanana ( 15/06/2010 13:42)
mahay mandihy mitsy reto PELAKA ny FRANTAY reto kay an
3. terrywiui ( 15/06/2010 13:56)
Ny hari-karenam-pirenena anatiny (PIB) Malagasy ny taona 2009 dia -4,5%, raha 7,8% izany talohan’ny fanoganam-panjakana. Ny fisondrotan’ny hari-karena anefa dia miankina indrindra amin’ny loharanom-bola avy any ivelany izay mikatonana tanteraka amin’izao fotoana izao. Marihina eto fa tsy nomen’ny ny vondrona europeana ilay vola 650.000.00 euros saika entina hanampiana an’i Madagasikara, efa nikatona koa ny tsena makany Etazonia dia ny AGOA izay nampitombo 160000 tsy an’asa. Raha tsy ireo fotsiny no resahina.

Nihetsika teo aloha teo ny mpianatra fa tsy voaloha ny vatsim-pianarany sy sy ampy ny fiatovana ary ny trano hianarana avy hatrany moa dia notifirina tamin’ny basy ireo mpianatra ka nisy ny naratra sy maty. Nirongatra koa ny mpitsabo mpanampy ka tsipaka ambava-fo no nasetrin’ny FAT izay. Hoy indrindra mantsy i andry rajoelina hoe : « amin’ny izao toe-javatra ankehitriny izay dia tsy afaka manome ny FAT satria tsy misy ny vola ». Nefa notapahina ny nanaovana an’ny lapan’ny tanana sy Anjontsobe izay handaniana vola tsy toko tsy forahana.

Tsy misy vola intsony handoavana ny karaman’ny mpiasam-mpanjakana, fa amin’ity volana jona ity no farany, aorianan’izay dia tsy hisy intsony. Ka asakasak’ireo mpiasam-mpanjakana tsy mbola sahy mijoro fa mijery ny tombontsoany manokana sy miandry ny vokatry ny tolon’ny hafa fotsiny.

Na dia misy aza izany anefa dia mbola mamoaka volam-panjankana be dia be ny FAT:

Eo amin’ny 3000 000.000 fmg eoeo no hatokan’ny F.A.T hanaovana ilay fihaonambem-pirenena (Conference nationale) miaraka amin’ny ireo fiaraha-monim-pirennena miara-mitsikombakomba aminy sy ireo hataony hoe Raiamandreny mijoro.

Ny vola entina hakalazana ny faha 50 taonan’ny fahaleovantena dia 1.100.000.000.000 Fmg no ho laniana. Ny mahazendana fa ventisina tokoa ny rehareha amin’ny maha Malagasy sy nyfitivan-tanidrazana nefa dia ny frantsay no manosika ireo FAT nanao ny fanoganam-panjakana sy ny mitazona azy eo, ary koa mbola mpanakanto vahiny no handoavam-bolo be hanaovana izany fankalazana izany. Ary ny fanombohana izany fankalazana izany dia nisongadina tamin’ny tsy fahaiza-miasa fa tsy nandeha ny herim-baratra ka tsy nijanona ela ny olona sady ilay hira natokana hoan’izany dia tsy ilay nandresy tamin’ny fifaninana dia Raherinsoanjato Noëlson Marcellin, izay fantatra amin’ny anarana hoe: Ramah hira tamin’ilay hira hoe: ‘Malagasy ô ! mijoroa’. Kanefa dia lasa ny hiran’I max exception indray no noraisina.

Be tokoa ny fa asa raha mbola tadidintsika ilay fanodikodinana fiaramanidin’ny Air Madagascar tokony ho any Paris dia lasa tany Dakar, ary fankalazana tany Paris ny andro nahaterahany dia nandandy 10.000 euros isan’olona.

Ny vahoaka Malagasy anefa izao dia be no zara raha mihinana, mitombo ny ny fahantrana ary mihena ny fahefa-mividy. Ny zanaka Malagasy efa tsy afaka mandoaha vatsim-pianarana intsony,ary ny ray aman-dreny. Etsy andanin’izany anefa dia mihopapana ny karamn’ireo mpikambana ao amin’ny FAT sy ny governemamtany ary ireo mpiara-mitsikombakomba aminy ka tsy maheno akory ny fahalafosan’ny fiainana sy ny fijalian’ny vahoaka. 80.000.000 fmg ny karamany. Ry alain ramaroson moa dia nividy Hummer na irony fiara tsy matahoddalana irony, any amin’ny 40.000 euros any no vidin’ireny.

Nandaniam-bolam-mpanjankana ataon’ny F.A.T ary mianga avy amin’ny halatra sy ny tsy fanarahan-dalàna avokoa izany toy ny halatra ny vary sy menaky TIKO ny fananan’nt FJKM toy ny fanitso ciment béton…. Tsy lazaina intsony moa ireo haltra ataon’ny mpitandro ny filaminana, asa raha tadidintsika tamin’ny fitsarana ilay mpanao gazety teny Anosy tamin’ny avril 2009, fa saika nifampitifitra ny BAC (Brigade Anti Criminalité) sy ny FIS (Force d’Intervention Spéciale) satria ity farany dia nanery olona iray mpana-bola hanome 16.000.000 ariary ho azy ireo, Tany marovoay sy teny ambohibaomoa dia tratra koa ireo dia nagalatra indray ry zareo ka tratra, ny teny amin’ny Fort Duschesne tamin’ny 20 mai moa dia mazava fa ny vola, izay mety avy tamin’ny halatra, an’ni jeneraly Viennot zafera antapitrinsany maro, dia nalain’ny FIS ankeriny. Tao amin’ny biraon’ny FIGN. Ny Halatra bois de rose moa tsy mijanona mihitsy ka ilay sambo frantsay an’ny orinasa Bolloré no mitatitra izany, ary ilay praiministra mpisandoka fahefahana camille vital dia efa nanome alalana. Ny 10 jona lasa teo dia mbola containers 19 no nahondrana.

Fanjakan’ny mpangalatra no eto ary ny marina indray no ahiditra am-ponja. Koa mijoroa ry malagasy handrodana io fanjakan’ny mpangalatra, izay mitazona fahefana nagalarina sy tazomina amin’ny basy.

26 JONA TSY MANANGATSAINA SY TSY MANDRAY ANJARA @ IZAY ZAVA-DREHETRA KARAKARAIN’NY F.A.T
4. wxxx ( 15/06/2010 14:50)
Nosokafan'Andriamanitra ny mason'i wiwi hihihi
5. terrywui ( 15/06/2010 15:07)
NA HANAO WIWI SANDOKA IMPOLO EO AZA NY MPANOHITRA DE HITA IHANY HOE RY TSISY SAINA SY LOHA ITOERAN NY SATROKA INDRAY IO !!!........
6. terrywiui ( 15/06/2010 15:14)
Zà kosa ve dia TGV mandrapahafatiko eto klé , tsssss azafady foza azafady
7. terrywui ( 15/06/2010 15:16)
AJANOY AMZAY LETSY RAPIKA IO TERRYWIUI FOPLA IO FA INNN ARY TY LE ....
8. wxxx ( 15/06/2010 15:38)
Vitamatavy ry foza hihihi
9. diloo ( 16/06/2010 00:28)
[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/mdr-mort-de-rire-284923.gif[/IMG]Tena miakatra be ny fety 26 joints, nivoaka oazy ny talentan'ny [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Animaux/3d-crabe-pinces.gif[/IMG]
[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/00102.gif[/IMG]
I rawix mahay mandiha zouk bleus vonany vokatry ny 26 joints ko, jereo kely:
[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Animaux/yeti-002.gif[/IMG]
10. 3188 ( 17/06/2010 20:52)
11. 3188 ( 17/06/2010 20:53)
http://www.youtube.com/watch?v=38byMFKcowM&featured=related
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0594