Nahazo volabe tamin'ny Sinoa ny Tetezamita.

1. tsimendrika ( 26/05/2010 15:01)
Ry namana hajaina,

Salama aby e !

Raha vakiantsika ny voalazan'ny Gazety Express androany dia misy vaovao mahaliana nambarany tao mikasika ilay fitrandrahana vy any Soalala.

Ny fahitako azy r'zalahy, raha amin'izao krizy mianjady amin'ny firenena izao no misy manome volabe tahaka izany dia tena mampisy fanantenana tokoa. Ambonin'izany afaka mampiditra mpiasa 100 000 any ho any, araka ny voalazan'ny gazety ihany io.

Raha tsy misy hevitra ambadika aloha izany, na hoe tsy misy fiantraikany eo amin'ny fankatoavan'ny fianakaviambe iraisam-pirenena dia milaza aminareo kosa aho fa efa tsara dia tsara izany, raha ny krizy ara-tsosialy amin'ny fitombon'ny tsy an'asa. Inona moa ny tadiavina fa tsy izany tolotrasa maro be izany ? ?

Ny fanontaniana mipetraka fotsiny dia izao, ahoana hoy ny fianakaviambe iraisam-pirenena manoloana izany ? ? ... Ny tadiavintsika mianakavy mantsy dia ny tsy ametrahan'io Fikambanana matanjaka eran-tany io olana intsony.

Etsy andaniny, manao ahoana ny tombontsoan'ny Firenena malagasy manoloana io lelavola nomeny io. Ary manao ahoana kosa ny tombontsoa mety ho azon'ny Sinoa raha tena azony tanteraka ny fitrandrahana io vy io eto amintsika. Dia tena tsy azontsika atao mihintsy ve izany fitrandrahana izany, fa tsy maintsy ny hafa ? ? Ahoana ilay ambom-pontsika Malagasy amin'ny fotoanan'ny Tetezamita izao hoe : tsy mila Firenena avy any ivelany fa vitantsika ny rehetra ? ?

Fa izao e, tena tsara ilay izy raha jerena tampoka amin'izao, saingy... saingy... mampieritreritra ihany, satria dia ho voaroba fanimpiriny indray ny harentsika Malagasy ? ? Sa tsy maninona hoy ianareo ? ?

Isika samy Malagasy mantsy toa miady sy mifanasa vangy, kanefa ny vahiny ity vao mainka manao izay ho afany amin'ny fitrandrahana ny harentsika.

Izaho moa tsy dia nandalina loatra momba izany, saingy aleo angamba hadihadiana tsara ihany sao anenenana any aoriana. Ahiahy ihany ny ahy iny.
Mba hazavao ny saiko raha misy afaka manazava azafady.

Mandra-pihaona indray.

ILAY TSY MENDRIKA
répondu par ziva6 le 26/05/2010 21:01
2. ziva6 ( 26/05/2010 21:01)
asa raha mba tena fantatry ny maro zany atao hoe tetezamita, tsy fanjakana io zany hoe tsy nofidim-bahoaka fa natao hikarakara ny fifidianana rehetra ho any @ fitondrana vaovao zay no tena ataony tetezamita, ny fitondrana tetezamita d tsy afaka mifanaraka na manome alalana orin'asa na fikambanana vahiny ahazo hitrandraka ny harem-pirenena, ny fanjakana mijoro ara-dalana lany t@ fifidianana rehetra no afaka manao izany! noho izany d hadisoana lehibe ho an'ity HAT ty io, iza no handoa ny trosa b ao anatiny io, enao io ve zao d handoa ny trosan'izay fitondrana tsy nandalo fifidianana, d tena mino ve enao fa io vola io d hisy ho any vahoaka sy hikarakarana fifidianana. Aoka ny vahoaka mba tena handinika sy hijery. Aok'izay ny fanaovana gaboraraka ny harem-pirenena!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1103