Ny fahafolon-karena
1. mmmhh
(
17/05/2010 12:03)
Malakia 3:10 Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohàko ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo
tsy haiko aloha ahoana ny fandraisanareo izany fahafolon-karena izany fa hitako hoe be ny mandray an-tendrony ity fahafolon-karena ity, ny mpivavaka ve no diso fandray sa ny mpitondra fivavahana no diso fampita, ... sa zah mintsy no tsy mahay.
Ny ankamaroan'ny kristianina izay manome ny ampahafolon-karena manko toa hitako hoe ny ampahafolon'ny vola raisiny, (karama, sy izay vola miditra aminy eny antsefatsefany eny) no antsoiny hoe ampahafolon-karena, ... zah manokana aloha tsy miombon-kevitra @ zay,
Tsy haiko hoah na izaho no tsy mahay mandray fa ... Iza moa milaza fa ny karamako na izay vola miditra amiko no harenako? satria mbola betsaka ny zavatra alehan'ny volanao,
Amiko manokana ny hatao hoe harena dia izay zavatra hanananao mipetraka aminao, ohatra : trano, fiara, radio, tele, fandriana, .... tokony hanome ny ampahafolon'izay hananako izany aho, izany hoe mety hioatra na ho latsaka ny fahitanao andavanandro,
ohatra nividy radio / tany / trano / zah androany, dia tokony mba hahafoy ny ampahafolon'ny vidin'izany ho an'Atra,
Sa ahoana ny hevitrareo?
répondu par ouioui le 23/08/2010 19:51
2. ikaretsaka
(
17/05/2010 13:19)
le hoe 'harena " mihitsy no tsy mazava
Amiko tsy ho voatery ho "vola" na" fananana ara materialy" io,
harena ammiko ny herim-po, ny fahafoizan-tena, ny talenta (na nomen-janahary io na nianarana vao hay)
amiko ny fahaizanao mampiasa sy mizara an'ireny hanasoavanao ny manodidina anao dia efa ampaha.... (tsy haiko intsony ) fa ngooodabe

3. ravatorano
(
17/05/2010 13:31)
nareo ve aloha efa tena nahalala olona nahavita an'izany fahafolokarena izany
za manokana aloha mbola tsy nanao an izany mihitsy fa kosa manana adidy aho amin'ny fandraisana anjara amin'ny fampandehanana ny fiangonana ary dia mba "mametraka kely" arak'izay tratran'ny heriko.
za manokana aloha mbola tsy nanao an izany mihitsy fa kosa manana adidy aho amin'ny fandraisana anjara amin'ny fampandehanana ny fiangonana ary dia mba "mametraka kely" arak'izay tratran'ny heriko.
4. soanja
(
17/05/2010 14:20)
ikaretsaka:
Amiko tsy ho voatery ho "vola" na" fananana ara materialy" io,
harena ammiko ny herim-po, ny fahafoizan-tena, ny talenta (na nomen-janahary io na nianarana vao hay)
amiko ny fahaizanao mampiasa sy mizara an'ireny hanasoavanao ny manodidina anao dia efa ampaha.... (tsy haiko intsony ) fa ngooodabe
Ny Malagasy izao mihevitra fa hatramin'izay fa harena ny zanaka. Ny ampahafolony amin'io ahoana ny hanomezana azy?
Araka io voalazan'ny Ika eo ambony io dia tena marina tokoa. Izay hainao zaraina sy foinao ka hanatsara ny hafa sy ny momba anao dia efa ampy atolotra an'Andriamanitra.
Omeko ny ohatra iray mampalahelo amin'ity fahafolon-karena ity. Nisy tovovavy iray niasa tao aminay ary nahazo vola be tokoa. Nony nandeha nanatitra ny faha-10-harena izy dia nony vita izany dia takoritsika ny iray fiangoanana hoe fa ahoana no volabe tahak'izany, ambanivohitra ilay toerana, tao no namaky ny tranony afaka herinandro n'iny ary tao no nankahala azy sy nialona azy. Vao azon'ilay pasitera anefa koa ilay vola dia nividy tany izy ary adibe ny momba ilay tany novidiany. Saika potika mbamin'ilay fiangonana nisy tsy lavitra ilay tany satria tezitra ireo tsy mpivavaka ao ary pasitera niseho nanambola tokoa. Nikorontana ny iray fiangonana noho izany rehetra izany. Nampalahelo ny raharaha. Ilay tovovavy rahateo tsy dia azoazon'olona hatramin'izay ka ilay vola faha-10 nomena dia toy ny fisehosehoana teo anatrehan'ny hafa araka ny volazan'ny mpiangona. Ny tenako moa tany tamin'izay dia niteny tsotra hoe iza no nampafantatra ny hafa fa izao ny vola faha-10 karena nomen-dranona? efa fombanay io hoy ry zareo milaza izany ampahabemaso.
Hoy aho hoe hanatsarana ny hafa ny vola, tsy manahy fa raha toa kosa fantatrao fa hanimba ny fiodin'ny filaminana manodidina dia aoka ho harena hafa no hozarainao. Ary tsy voatery ao amin'ny fiangonana fa na any amin'ny rehetra any aza satria amiko ny "tranon'Andriamanitra" dia ny tontolo iodinantsika ampitiavana eo.
Mahaiza mizara sy manasoa ny hafa!
5. ikaretsaka
(
17/05/2010 17:24)
Tahakan'io an'i soanja io koa no hitako tany atsimo tany: tsy nanana vola ilay olona mpiangona 1 tao @ ity fiangonana fa tany midadasika amoron-dranomasina ny azy no mba harenany dia nozarainy 10 dia iny ampaha 10 no nomeny. dia avy eo i pasitera no namaritra hoe ito no "tiany" ...
taty afara dia namidin'i pasitera t@ vazaha io tany io... ilay fiangonana dia nijanona nitsipozipozy ohatran'ny taloha ihany... ilay pasitera hono lasa mpanao dabokandro any Ihorombe any! ilay olona izao mampalahelo fa bokan-trosa ....

6. niryna
(
17/05/2010 19:30)
ravatorano:
nareo ve aloha efa tena nahalala olona nahavita an'izany fahafolokarena izany
za manokana aloha mbola tsy nanao an izany mihitsy fa kosa manana adidy aho amin'ny fandraisana anjara amin'ny fampandehanana ny fiangonana ary dia mba "mametraka kely" arak'izay tratran'ny heriko.
marobe ry ravatorana a,afaka manao izany daholo izay mahatsampa tena ny fahasoavana lehibe nomeny antsika ka
tsy noho ny fiangonana akory fa noho ny fahalalana ny tenin'Atra.Izany koa anefa tsy midika hoe vokiso ny fiangonana dia aza jerena ireo havana mahantra,izay vitanao dia ataovy ary rehefa mahafantatra sy mahatsampa ary azonao raisintanana ny fahasoavana lehibe nomen'Atra anao dia tena mahavita mihoatra noho izany hianao,tsy mora fa mivavaha ary mangataha amin'Atra mba anoema anao ny fo mizara tsy misy latsa na fiahiana,mizara amin'ny fo tsy misy hindro kely na mitady valiny fa manome amin'ny fo madio(generiosity)
Raha vao mieritreritra isika hoe ataon'ireo fiangonana ireo aiza aza ilay vola dia efa misy doute izay ao anatintsika,omeo fotsiny tsy misy fiahiana fa ho faly ny fonao .
Iza avy ny efa nanao izany?
JC Penny Jesus Christ and Penny (mpivaro lehibe_
Lord and Taylor (Atra sy Taylor-ilay tompon'ny tranombarotra an'ny mpanankarena
Colgate(ilay nomorina ny dentifrice colgate)
Maro be,misy aza tsindrimandry no nomen'Atra azy avy eo(ilay orin'asa lehibe namorina ny tontomboanjo)
Rangahy nivoaka ny figadrana(niova fo ka rehefa nivoaka tany izy dia nataony Lord sy ilay anarany ny garage izay nosokafany )
Fehiny : izay misy ny harenao no misy ny fonao
Araky ny tenenin'ika tsy ny vola ihany no harenanao fa na ny fahasalamana,ny fahaizana amam-pahalalana rehetra aza atao very fotsiny ireny fa ampiasao anasoavana ny fanjakan'Atra.Toa ireo mpizara ny tenin'Atra eto
7. ikaretsaka
(
17/05/2010 19:57)
niryna aza mamorona fa jereo akaiky aloha
JC Penney=James Cash Penney ny anaran'ny mamorona azy fa tsy misy resaka Jesoa mihitsy
Freemason koa izy raha tianao ho fantatra: 32 eme degres ao anatin'ny Rite ecossais an'ny freemasons
Penney was a life-long Freemason, being Initiated into Wasatch Lodge No. 1 Free and Accepted Masons of Utah, on April 18, 1911.
Lord and Tayor= Samuel Lord sy George W Tailor no namorona azy

8. ikaretsaka
(
17/05/2010 19:59)
raha misy latino koa mikarama manao Handyman ao aminareo ka "Jesus" ny anarany de lazaivo koa fa namboarin'i Jesoa ny tranonareo... :-D
9. niryna
(
18/05/2010 04:28)
ikaretsaka:tsy mamorona aho fa mety ho diso ny fanazavako azy
niryna aza mamorona fa jereo akaiky aloha
James Cash Penney ( 1875-1971 ) no tena anarany ary American businessman izy
Satria ny tantarany no mety nahatonga ny mpilaza,ny olona nanome ny anarany hoe Jesus Christ and Penney ..
Izao ary ny tantarany raha mahaliana anao:
1902 izy no nanome ny anaran'ny tranombarony ho JC Penney
1912 izy dia nanana tranombarotra 34
1924 dia efa nandray $1.5 millions
* eto ary no nanomboka ny tantarany: tonga ny great depression ary foana avokoa ny fananany rehetra ,toy ny olon-drehetra izy ary dia narary mihitsy aza(tazo-karena no ilazako azy an) ,notsaboina tao amin'ny toerana iray atao hoe "Battle Creek Sanitarium "-karazana toerena fanaovana exercices na maro samihafa toy ny spa ankehitriny ireny ary tao izy no naheno hira masina "God will take care with you" na koa azokoa atao hoe "Atra no hiaro anao,izy no hiambina anao " ary dia nanomboka teo izy no niova fo tamin'izay izy ary dia nanao fanampiana ireny toerana mahantra marobe(charity) ireny
1929 dia lasa niverina ny tranombarony ary lasa nitombo ka niisa 1400
Ny fahasoavan'Atra no nahatonga azy toa izao,na dia very avokoa aza ny fananany rehetra dia lasa nahavita nanampy olona marobe izy hatramin'ny taona 1930-1940 ary mbola nitohy izany
10. niryna
(
18/05/2010 05:03)
Ny iray indray dia Samuel Lord ary Gerges Washington Taylor Company (1926) no namorona azy .Averiko indray fa afaka mandray izay tandrifiny ny olona ka nahatonga azy ireo nanome anarana hoe Lord+ Atra sy Taylor anaran'ilay olona iray. Ireo ambony ireo no namorana an'ilay Lord and Taylor
Izy ireo no tranombarotra voalohany tao amin'ny fifth avenue ,NY
Ary ry zareo ihany koa no tranombarontra nanao decoration voalohany indrindra ny varavarakelim-pitaratra tamin'ny fetin'ny krismasy
Ny Colgate indray ?
Ilay namorina ny savony colgate sy ny dentifrice colgate dia William Colgate
University iray lehibe malaza amin'ny liberal Arts College (privee izy io)
ary ny anarany dia Madison University(1890)-Madison county,NY ka nataon'ny zanany -James Colgate ho University Colgate izy taty aoriana(mitondra ny anaran'ny rainy William Colgate)
1817 Baptist Education Society of NY no niforina
Tamin'ny 1819 dia Baptist Theology Seminary no tao ary novaina ho non-denominational(tsy miankina)
1823 izay niaraka ny Baptist Education Society dia novaina anarana hoe Hamilton Literary & Theological Institution
Amin'izao fotoana izao dia anisan'ny iray amin'ny Campus tsara izy io - The Princeton Review - 2010
Ny tiako tenenina izany dia na manankarembe ary ireo olona teneniko ireo dia olon'Atra avokoa ary nahalala an'Atra ny sasany aza dia nanao Chapel mihitsy toy ny colgate ka ao ny toerana hamakiana boky sy anaovana fandaharana fivavahana
11. xxx
(
18/05/2010 06:41)
I ravalomanana koa tahaka io lazain'i nirina io. Mivavaka ny mpiasa isamaraina de @ hariva mangorona ny harem-bahoaka.
13. ikaretsaka
(
18/05/2010 13:24)
any mihitsy le izy ry mmhh no mipetraka
de le fomba fisainana koa hoe nanome dia tabatabaina ao am-piangonana hoe izao no nomen'iny...
de le fomba fisainana koa hoe nanome dia tabatabaina ao am-piangonana hoe izao no nomen'iny...
14. soanja
(
18/05/2010 13:25)
mmmhh:
Ilay teny hoe Harena mintsy zany kay no be tsy mahazo kou.
1-Be ny tsy mahazo satria tsy mazava ilay izy => tsy lafatra ny baiboly matoa misambodika ny olona.
2- Tsy mivoatra manaraka ny fiainan'ny olona sy ny kolontsainy ny soratra ao anaty baiboly noho izany tsy manampy izay te hiaina ny tian'Andriamanitra hiainantsika.
3- Ny isa amin'Andriamanitra dia inoako fa tsy isa azontsika vinaniana.
4- Ny olombelona dia tsy mitovy noho izany samy hanana ny fahitany ny atao hoe Harena.
Ka izay hitanao dia hevero fa ny fahitanao azy fa tsy ho voatery ho fahitan'ny rehetra azy ary tsy ho voatery ho izay no takian'Andriamanitra koa.
Amiko ny ao amponao lalina no fantatr'Andriamanitra.
16. ravonjison
(
18/05/2010 15:56)
Ny hevitry ny teny ao anaty baiboly dia matetika mila fanazavana en " connetxte ". Io foana no efa lazaina, @ fivavahana kristianna dia ilaina ny toriteny sy ny fanazavana ny hevitry ny teny ao anaty baiboly.
Satria matetika ny olona tsy nandalina no miseho manazava ny ao , araka izay tiany hanaovana azy.
Ka ny hevitry ny teny hoe : harena na fahafolon-karena dia mazava ny tian' ny baiboly ho lazaina. Mety tsy mifaraka @ hevitro na @ ny hevitry ny sasany , fa kosa mazava ny tiany ho lazaina eo.

17. xxx
(
18/05/2010 19:58)
Ny tena hitako aloha dia izao, ireo tsy vonona ny hanome ny 1/10ème n'ny revenu -ny ho an'ny asan'ny Tompo no tena mahita fanazavàna be dia be :lol: :lol:
18. Hinagasy
(
19/05/2010 01:18)
Miala tsiny raha mety hanafitohina ny zavatra lazaiko.
Amiko indray tsy ny hoe ny olona tsy vonona ny hanome ny fahafolon-karenany no mahita fanazavàna be fa ny finoana isan-karazany izay naorina hitsetsefana sy hananganana harena ho an'ny mpitondra azy fotsiny, dia mody io hoe manome fahafolon-karena io no hanapepona ny olona., dia adika ara-bakiteny. Angaha moa tsy fanaovana ny asan'Andriamanitra koa ny famelomana ny ankohonanao, ny famonjena ny miara-belona sy ny fianakavianao? ireo koa harena nomen'Andriamanitra anao!!
Ahoana moa ny hanomezan'ny olona ny fahafolon-karena amin'izao fotoana sarotra izao ho an'ny fiangonana? ny eo ampelantanana aza efa tsy ampy! rehefa manome izay foiny na tsy manana aza izy, fa madio fo, izay ataony amin'ny manodidina azy tsy voatery ho an'ny fiangonana ihany, fa ny manodidina, ny fianakaviana etc.. amin'ny fo madio dia efa ampy! tsy mitaky zavatra tsy zaka amiko Andriamanitra,.
Ary tsy ny fiangonana izao no tena mila ampiana fa ny olona sahirana amin'ny manodidina anao!

19. xxx
(
19/05/2010 01:33)
Dia mbola hidiran' ny franc maçon hatrany @ tsinaimaintiny daholo izany izay endri-javatra tsy mazava eto @ ity fiainan' olombelona ity !Soa fa nisy izy ireo !! :idea:
20. ikaretsaka
(
19/05/2010 02:16)
mba afaka velabelarina misimisy kokoa ve ny hifandraisan'ny franc massons taterin'i xxx eto sy ity lohahevitra ity?