Ny fahafolon-karena

41. soanja ( 21/05/2010 19:28)
bor2lais:

xxx38:

Voalaza teo :
1-Be ny tsy mahazo satria tsy mazava ilay izy => tsy lafatra ny baiboly matoa misambodika ny olona.
2- Tsy mivoatra manaraka ny fiainan'ny olona sy ny kolontsainy ny soratra ao anaty baiboly noho izany tsy manampy izay te hiaina ny tian'Andriamanitra hiainantsika.

izany tokoa va re?


-> Ny fahitako azy dia fomba fijerin'ny olona mieritreritra ny baiboly ho toy ny boky tsotra rehetra (tantara, roman, sns) io ka tsy tokony atao mahagaga ! :D


Izay indray aloha dia marina. Tena toy ny boky rehetra ny baiboly amiko. Azo hakana ref sy vakiana sy azo ianarana fa tsy ho tompoina velively. Tena voalazanao tsara mihitsy!


42. ikaretsaka ( 22/05/2010 02:14)
Miombonkevitra! Amiko dia tsy tompoina mihitsy ny baiboly.. boky angalanao inspiraka fotsiny izy fa tsy hoe inona akory!
Amiko ny tantaran'ny nataon'Atra t@ Moizy ohatra dia mitovy @ ny nataony t@ st Augustin ihany... sy Jeanne d' Arc ihany fa ny 1 ao anaty baiboly de ny 1 tsy ao fotsiny...
43. ravonjison ( 22/05/2010 08:35)
soanja:

bor2lais:

xxx38:

Voalaza teo :
1-Be ny tsy mahazo satria tsy mazava ilay izy => tsy lafatra ny baiboly matoa misambodika ny olona.
2- Tsy mivoatra manaraka ny fiainan'ny olona sy ny kolontsainy ny soratra ao anaty baiboly noho izany tsy manampy izay te hiaina ny tian'Andriamanitra hiainantsika.

izany tokoa va re?


-> Ny fahitako azy dia fomba fijerin'ny olona mieritreritra ny baiboly ho toy ny boky tsotra rehetra (tantara, roman, sns) io ka tsy tokony atao mahagaga ! :D


Izay indray aloha dia marina. Tena toy ny boky rehetra ny baiboly amiko. Azo hakana ref sy vakiana sy azo ianarana fa tsy ho tompoina velively. Tena voalazanao tsara mihitsy!








Iny koa aloha dia hiomboako hevitra : tsy tonga lafatra ny baiboly, ary misy ny tsy mifanaraka @ zavamisy @ izao fotoana izao intsony, ka tokony hasiana " reflection"

Ankoatry izay anefa dia tiako marihina koa, fa boky " complexe sy mifangaro be " ny baiboly , ka mila fanazavana tsara ny tiany ho lazaina. Ny antony moa dia itý :
- mizara ho karazana boky be dia be ny baiboly : ao ny tantara, ao ny didy, ao ny lalána, ao ny fihetsem-po, ao ny torohevitra, ao ny torinteny ( fampitana hevitra), ao ny fanoharana avy hatrany ( matetika i Jesosy no manao izany) , ao koa ny tantara mifangaro fanoharana sy sarinteny..

Ny fampifangaroana ireo dia matetika mitarika fandikana diso:
ohatra : ny tantara dia tokony ho raisina ho tantara fotsiny fa tsy azo atao torohevitra na exemple @ fiainana. Ny fanoharana dia tokony ny hevitra lalina avy aminy no alalina fa tsy ilay dikany ara-bakiteny...sns...

Ka io no olana hitako matetika miseho @ olona miezaka mitsara ny baiboly.

Ny fanazavana ny baiboly dia ny olona nandalina lalina ( tsy voatery ho kristianina) izany no tokony hanome ilay hevitra ( izay moa no tanjona @ fampitana ny tiana ho lazaina).

Fa tsy toy ny nataon' ny sasany : i Salomon hoy izy nanana vady maromaro, ka maninona ny kristianina no sakanana hanana vady maro.
44. bor2lais ( 22/05/2010 10:00)
Fomba fijeriko ity :

- amiko ny Baiboly dia fototra. Amin'ny maha-fototra azy dia tonga lafatra (tsara sady mafy orina)

- Amin'ny maha-fototra azy (baiboly no resahiko eto) dia tsy mety ny hanovana azy raha ny fijeriko, saingy azo atao tsara kosa ny mamboatra na mandoko ny rindrina eo amboniny hifanaraka amin'ny vanim-potoana iainantsika ... Izany hoe ny fanamboarana rehetra dia tokony hifanaraka amin'ny fototra hatrany ... fa tsy ny fototra akory no ovana mba hifanaraka amin'ny fanamboarana tiana atao ! :D
45. ikaretsaka ( 22/05/2010 11:02)
Tsy ny baiboly rabord no fototra fa Atra sy ny finoanao azy a... amiko ny baiboly dia piece 1 fotsiny(toy ny hoe biriky, ciment madrier sns)ka na ampiasainao na tsy ampiasainao. @ taotranonao dia anao izay.. misy trano tsy mampiasa biriky mihitsy ohatra fa trano ny anarany
46. bor2lais ( 22/05/2010 13:16)
Ika > fomba fijerinao izay ... ary izay no tsy itovian'ny finoantsika ka ! :D Rehefa tsy mitovy amin'ny fijerinao dia aza lazaina fa tsy izy ... :D
47. xxx ( 22/05/2010 15:39)
IITimoty 3:16 Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana
48. xxx ( 22/05/2010 15:43)
Tsy ny baiboly rabord no fototra fa Atra sy ny finoanao azy a... amiko ny baiboly dia piece 1 fotsiny(toy ny hoe biriky, ciment madrier sns)ka na ampiasainao na tsy ampiasainao. @ taotranonao dia anao izay.. misy trano tsy mampiasa biriky mihitsy ohatra fa trano ny anarany
hay va re? Hafakely mihitsy izy izany an?

Sao dia mba manao mpitari-bato vilam-bava aza ianareo ireo ka minia mikimpy sy tsy mijery ny voalaza !

IITimoty 3:16 Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana
49. ikaretsaka ( 22/05/2010 23:54)
Ny teny REHETRA hozy...fa tsy hoeny teny voasoratra. Ao anaty baboly ihany...mazava be anie izany e...
Mety notsindrian tsindrimandrin'ATRA.any Manomboka hatrany @ paoly ka hatr@ nanoratra ny apocryphes ka hatram. Pere Pedro na Mere theresa na za sy ianao. Ary samy mahavoaka citations mety hampieritreritra sy hanaitra...
50. ouioui ( 23/08/2010 19:51)
Resabe izany fa aza miteniteny foana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1435