misotro toaka ny sipako, leo be ah nefa tiko izy ts foiko

1. xxx ( 04/05/2010 06:56)
za de vevav 24ans miarak am bandy 25ans ao an-tananay ! t@ voalohan niarahanay de ts nisotro alou izy fa zao izy lasa mpimamo.Leo be ah nefa tiko izy ts foiko: tsy ampy 1mois akory zay sy izy no niaraka nefa de efa leo ny toetrany sahady ah tam ty toaka ty : manana blem hono izy !! inn tokony hataoko fa tiko izy ary te hampiala azy amin'io fahazarana ratsy io aho fa tsy hiala fotsiny am zao !!
répondu par MitovyB le 02/06/2011 19:37
2. touds ( 04/05/2010 12:51)
ra za ianao anontaniana az alo le blèm mba aafaanao manampy az, fa ra ts miten anao n olan izy d met mbl ts manana confiance @nao izy izany, sad eo ko no aafantaranao ra ten tiany ianao na ts , de ra ts met iala @ toaka mits izy d elao e, atao inona ko olona mamo lava izany, courage
3. Djhamhal ( 05/05/2010 08:09)
raha tinao izy , dia anontanio azy ny antony maha tonga azy ho mamo fôna ! ny toaka ve no tsy tinao ho sotroiny sa lé toetrany refa mamo no tsy zakanao sa ny mijery azy mamo no tsy tinao?? mahereza é!
4. 3188 ( 05/05/2010 14:27)
salut!sao dia nisy zavatra natonao tsy tiany ohatra.zah mino fa blem @ fitavana no mahatonga izany.na izy manao sipa hafa ohatra de te hiala @nao,na @nareo roa mints le blem.anotanio kou izy alou e!hoe inona ny le fa sao zavatra hafa iany.de courage fona fa fiainana daholo zany :) :) :)
5. 3188 ( 05/05/2010 14:32)
teneno @ kou fa ny toaka tsy manafaka olana ,vao maika aza mampiditra
6. soanja ( 06/05/2010 16:35)
xxx:

lasa mpimamo.


Ny fianteherana amin'ny toaka loatra dia mariky ny fahalemena.

Diniho tsara izay ho vady na sipa. Maro ny olana amin'ny fiainana ka tsy olona mora mirona mamono eritreritra no tianao hiarahana fa tsy hitondra mankaiza tokoa izany.

Ny fanampiana azy dia ny fisokafany aminao. Raha tsy misokatra aminao izy dia efa "saina mena"/ fampitandremana miseho milaza ny momba azy sy ianao koa izay.

Tsara ny mitia amin'ny sarotra sy ny mora saingy raha be loatra ny saina mena dia mila ampiasaina koa ny fahendrena izay atao hoe haizana mampionon-tena satria sarotra ny manova ny hafa.


7. diamondra27 ( 06/05/2010 17:43)
ra xxx : voalohany aloha dia le olana tsy olanao fa azy, donc raha mila fanampiana izy hiala am toaka de mila fanapahan-kevitra avy aminy izany fa tsy avy aminao sy manaiky marina izy fa alkolika ka hitsabo izany.

Ny azonao atao dia mandray andraikitra na hiraka aminy na tsia ary tsy afaka ny hanampy azy ianao satria tsy psy-ny na dr-ny ka na inon lazainao eo de mihaino fotsiny izy fa ny toakany ihany no sotroiny avy eo.
Zany hoe tokony fantanao ny place-nao hoe sipany fa tsy hoe professionnel akory.

Marina fa tianao izy dia miankina aminao io hoe jusqu'a quel prix?
Fantaro anefa fa rehefa ny olona no efa mirona am ireny toaka na zava-mahadomelina ireny dia mila fanampiana izy, fanampiana akaiky fa tsy hoe fanampiana morale avy aminao.


Manaraka izany dia matoa izy manao izany dia misy antony ao , ary mampalahelo tokoa ny olona mivary lavo am toaka izany. Tsy fidiny ho azy io saingy izay no antenainy de zay no ataony. Voageja izy, tratry ny fandrika.

Maro no antony mahatonga ny olona ho lasa tia toaka: am voalohany manandrakandrana apero kely fotsiny miaraka am namana
de rehefa sendra ny onja-piainana de zay no vita , lasa 3 verres , 5 etccc
ao ny olana ara-pahasalamana, ny olana moraly, ny ara-piaraha-monina, ny any ampiasana, sns ny olana ara-pitiavana ary ao koa ny safidy.

KOa de eritrereto tsara fa ianao no tompo-teny farany e.

8. diamondra27 ( 06/05/2010 17:50)
any france zao efa misy hoe tsy voatery mandeha any am centre fa na ao an-trano aza dia afaka manao cure de desintox

manatona ireny centre alcoolique ireny dia manontania infos am zay fiantraikan'ny fiarahana am olona alkolika

aza miantehitra am olona alikolika zany fa tsy maintsy miafara am dettes sy zavatra hafa foana io, daroka , douleurs psycho sns

ohatra: tantinao ve ny hamela ny sipanao irery ao an-trano raha tsy tompon'ny tenany intsony izy? Inona no danger mety hahazo azy sy izay olona miray trano aminy? Raha any am-piasana ianao hilamina ve ny sainao hoe tsy misotro le sipako fa dodo tsara sa hoe inona ndray aza zao no ataon le bandy iny na hoe inon ndray no hovantaniko avy miasa ao.Na hoe hovoadaroka ndray ve za zao etc etc...arakaraka le olona io na daroka na tsia fa samy mila herintsaina daholo


Fanontaniana : zakanao ve zany rehetra rehetra zany? Vonona am zany ve ianao satria tia azy.

9. xxx ( 07/05/2010 00:13)
Ary izy ve tia androky sa tsia ! raha izay manko dia azo atao koa ny mandrahona fisarahana ! zary tenany na tena atao tena izy e !
mampatsiahy tantara-na kofy, afaka toaka, fa zany môly zany sisa no mba fohany....Tsy maniry loza aho tsy akory fa hoe afaka amina kôfy mpisotro toaka dia mitsorôpaka amina, mpanamôly, niala tamin'ny mpanamôly, dia tafiditra amin'ny mpiloka, niala tamin'ny mpiloka dia tafiditra tamin'ny mpanenjim-....feno ny isa
10. jhonsa ( 07/05/2010 09:10)
aoka lesy ry xxx....
11. diamondra27 ( 07/05/2010 09:58)
ra xxx efa natakalony toaka le sipa ra ny fahitako azy.
Mbola miezaka mi esperer le sipa hoe ho avotra le bandy fa eeee enga anie
12. 3188 ( 07/05/2010 12:54)
hoy diamondra : Mbola miezaka mi esperer le sipa hoe ho avotra le bandy fa eeee enga anie . mety ho afaka iany izy fa afaka 10 na 20 ans any ho any.de mbola iandry eo fona le sipa fa mety iova izy. :lol: :lol: :lol:
13. diamondra27 ( 07/05/2010 21:27)
ka ra tsy maka professionnel izy wa na mankany am association ireny tsy hiala am ze toakany mihintsy e.
de misy olona velon'ny toaka apres 10-20 ans zany ve?

14. 3188 ( 08/05/2010 14:42)
hoy diamondra:de misy olona velon'ny toaka apres 10-20 ans zany ve tena misy an!vita jobily @ toka mintsy =))
15. nilex ( 10/05/2010 11:18)
Ny tiako hambara dia izao,aza manaiky hasiana zioga tsy mendrika anao.
Io no mahavoa ny ankizy maro amin'izao fotoana izao ao anatin'ny fanambadiana.ny fo no mandeha aloha fa tsy ny saina.Ny zavatra ratsy rehefa fantatra mialoha ka tsy hita izay vahaolana dia aleo miala mba tsy hanenenana any aoriana .Ny olona iray rehefa tsy voateninao dia tsy ao amin'ny izany ny fitiavana anao.Tsy hoe tiako izy dia hiafy eo fa manampoizina ny hoavinao ianao izany.Ny vady dia fanomezana avy amin'Atra ka homeny olona hendry ianao fa raha hisafidy olona mamo kosa ianao dia anao manokana izay.
Aza adino fa raha ny vady no ratsy safidy dia ny fiainanao iray manontolo mihintsy no simba manomboka eo ,ka aleo mandinika tsara fa tsy hoe ka tiako izy ko,Ilaina tokoa ny fitiavana lalimpaka fa arahina fisainana lalina.Ny tena izy aza dia dinihina tsara aloha ilay olona vao tena tiavina fa manjary manimba fo sy fanantenana fotsiny.
16. ni81 ( 10/05/2010 11:29)
ka ra tsy maka professionnel izy wa na mankany am association ireny tsy hiala am ze toakany mihintsy e.
de misy olona velon'ny toaka apres 10-20 ans zany ve?
misy ry diams tsy miala mihitsy fa mifikitra amin'ny toaka a!
Ny tsy fantany mantsy matetika dia rehefa tsy hiala izy dia ny toaka no hiala aminy :D
17. xxx ( 10/05/2010 14:34)
io bandy io no ni deverge ana !! zay no tena zava misy !! very hevitra za : tsy manenina ah satria olona tiko no nomeko azy ! fa ts te hiala ah fa afaka miova ny ol retr : ohatra talou izy tsy nisotro de zao lasa misotro; niova izy ! donc mbola afak hiova izy ! mbola manantena ah !! nefa kivy ratsy !
18. soanja ( 10/05/2010 16:34)
xxx:

io bandy io no ni deverge ana !! zay no tena zava misy !! very hevitra za : tsy manenina ah satria olona tiko no nomeko azy ! fa ts te hiala ah fa afaka miova ny ol retr : ohatra talou izy tsy nisotro de zao lasa misotro; niova izy ! donc mbola afak hiova izy ! mbola manantena ah !! nefa kivy ratsy !



Dia mirary fahatoniana ho andry izany.

Ny hoe iza no ni-devierge aloha dia saina mila amboarina aky izany an. Ny ahy ny ni-devierge ahy dia zahako mihitsy no nanary azy satria tsy mety tamiko ny hitako taminy na dia teo aza ny fitiavanay. Ny fitiavana tsinona tsy mandeha irery fa mila mitsinjo koa ny ho avy. Io no tena fototra lehibe satria io no hitondra ny fiainan'ny zanaka amam-paranao. Raha izay no tianao ho hita amin'ny fiainanao.

Tsara ny manantena saingy raha tsy misokatra aminao izy dia mbola tsy tafiditra ao anaty ny tena fiainany ianao. Maharary no maheno izany saingy izay ilay fiainana. Ny manohy ny dia toy ny dian-tanalahy ihany no tena mety, sady todihana ny lasa no atrehana ny ho avy ary izay tazomin'ny tanana amin'izao atao izay ifikirana tsara tsy ampianjera.

Raiso ho lesona ny hitanao fa efa mihamitombo ny hatsarana ao anatinao. Ary ianao dia tsara lalandava na efa nanao firaisana aza. Misy miandry anao any ho any tsara lavitra sady tia anao no hisokatra aminao. Io no fanantenana atolotro ny namako rehefa ao anaty harerahantsaina izy ireo satria izay iray akory tsy hahatoraka izay zato any ambadika. Ny fitiavana mantsy toy ny ketsa ihany ary ny mamindra kely tanimbary iray hafa dia efa mety hahatsara ilay ketsa eny an-tananao hanome sakafo ny iray tanana.


19. Djhamhal ( 11/05/2010 09:05)
io bandy io no ni deverge ana !! zay no tena zava misy !! very hevitra za : tsy manenina ah satria olona tiko no nomeko azy ! fa ts te hiala ah fa afaka miova ny ol retr : ohatra talou izy tsy nisotro de zao lasa misotro; niova izy ! donc mbola afak hiova izy ! mbola manantena ah !! nefa kivy ratsy

ôtran'ny mana mora resaka be ngamba za raha hiteny oe raha ni diverge anao izy dia maninona ?? nefa aleo ho entiko @ io mba hahatsotra ny toro hevitro zany oe nisy dia nisy tokoa ny fifankatiavanareo matoa tonga t@ io rs1 io nareo ,ary io fitiavanareo io no nihena na tsy ampy ny fifanakalozan-kevitra eo aminareo no nahatonga azy hiova toetra sy fitondra-tena ;ary raha izany dia fantatrao tsara ny nahatonga azy hiova ! tsy midika kosa anefa ny oe :izy no ni divierge anao dia hieretanao na dia efa tsy zakan'ny sainao sy hanapotika ny ho avinao aza ny zava-mihatra aminao ! ary fantaro koa fa sao io tranga io koa no hahatonga azy hiova ka hanao zay tiany ho atao ?? satria fantany oe ny ataony ihany no ataony fa enao dia hizaka izany eo fôna satria izy no ni divierge anao ! lanjalanjao tsara anefa ny fana-pahakevitra fa soso-kevitra ihany ny ahy ! mahereza é!
20. xxx ( 16/05/2010 01:23)
ny ahy ndray ry reto misy sipa manidina zay tsy tiko iarahana maharitra satri izy tsy manana personalité mitsy. efa anaovako mamo lava fa mbola mitagataga amiko fona d tsitako mitsy ze fomba anapitihana azy. sa tonga de teneniko?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3925