Ka raha tsy inona koa #2....

1. soanja ( 05/04/2010 14:22)
Tantaraiko indray ny nanjo ahy ianareo...

Tamin'za mbola tany amin'ny Lycee dia nanana namana telo lahy mpiara manao baskety amiko(15 taona izahay tamin'izay). Mpinamana be tokoa satria sady mpiara mianatra koa. Ny iray tamin'izy ireo anefa dia miangavy amiko foana hoe " Ndao hateriko mody i Soanja!" dia faly ery aho rehefa mirava ny baskety fa mba misy mpiara-dalana sy mikorana eny. Eny an-dalana anefa tsy nisy resaka hafa afa tsy fianarana sy zavamisy any ampianarana ary ny lalao baskety. Raha efa nanao an'io fanaterana isaky ny mody io efa ho 100 kely angamba ity zazalahy ity dia manontany foana ireo namako roalahy raha sipako ilay bandy dia miteny aho fa mbola tsy mahalala izany atao hoe fisipana ary tsy sipako izy. Ny ilay bandy anefa any ambadika miteny fa sipako izy araka ny fosa avy amin'izy roalahy. Indray mandeha nanontaniako izy hoe nahoana aho no tianao aterina foana. Dia namaly izy hoe mahafinaritra ahy ny manatitra an'i Soanja mody. Hay hoy aho.... miandry ihany sao mba hikoty izy na hiresaka fitiavana... tsy nisy izany.
Indray mandeha izay anefa dia nisy nikoty aho bandy tsy mpiaramianatra aminay mihitsy sady tsy misy idiran'izay baskety ka raha mihaona aminy aho dia amin'ny resaka hafa mihitsy. Mazava be ny azy fa fitiavana no arosony eo na dia nazava taminy koa aza fa tsy hisy izany atao hoe firaisana raha tsy efa any amin'ny Oniversite ny tenako. Niteny tamin'ilay namako amin'izay aho hoe tsy afaka ateriny intsony fa efa manana sipa.... tezitra be ny anao lahy mpanatitra isanandro sady niteny hoe fa nahoana izaho no ataonao taxi mpanatitra anao fotsiny hatramin'izay. Dia namaly aho hoe ka tsy ianao ihany ve no niteny hoe mahafinaritra anao ny manatitra ahy mody. Dia nanomboka teo dia tsy nifampiteny intsony izahay na dia mbola te hinamana aminy aza aho. Ary izy telolahy mihitsy no tonga dia tsy te hinamana amiko intsony.

Teo koa nahalalako hoe tena complex be ilay fomba fisainan'olombelona monba ny atao hoe fisipana.... eo amin'ny lahy sy ny vavy ary mila mianatra lalindalina ny atao hoe fisainan-dehilahy ny tenako zavavy....

Hoy aho any an-tsaiko hoe ka raha tsy inona koa....
répondu par soanja le 24/04/2010 19:03
2. Mirananirina ( 06/04/2010 09:23)
Hoy aho any an-tsaiko hoe ka raha tsy inona koa
hihihi,raha tsy in marina aky koa
3. soanja ( 06/04/2010 15:34)
Misy raha latera Mirana a! :D
4. mandrindra ( 06/04/2010 19:38)
tsy mazava ilay kôfa nefa mba te hitifitra 3 points :wink: , ary tsy nanasa lovia akory ny baolina
5. nadry75 ( 07/04/2010 10:24)
ka lery mintsy ane zano no bndy raintetaka e ianao ary zay efa mba niandrya azy ihany koa
:evil:
6. ikaretsaka ( 07/04/2010 22:46)
le fomba fisainanaankizy 15 ans any @ tanana@ resaka sipa mihitsy no tsara fantarina mazava aloha
hoe t@ zany ve le hoe rehefa manatitra ve = mpisipa?
7. soanja ( 08/04/2010 11:36)
ikaretsaka:

le fomba fisainanaankizy 15 ans any @ tanana@ resaka sipa mihitsy no tsara fantarina mazava aloha
hoe t@ zany ve le hoe rehefa manatitra ve = mpisipa?

Izay anie no fototr'ilay lohateny e. Ahoana ny fomba fisainana momban'ny fisipana. Dia tamin'io fotoana io dia mety toy izay ny fisainan'ny bandikely 15 taona izany nefa ny sipakely 15 taona mety tsy misaina toy izany. Ahoana anefa no ahafantaran'i sipakely fa izay no antsain'ny bandikely..... dia eo ilay conflict.

Ny olana zany dia tsy hoe hisy hanoro anao ilay izy na misoratra amin'ny boky ilay izy fa dia matetika you have to learn it the hard way zany hoe ny miaina azy vao kopy ianao... ka indraindray efa mijabaka lalina be aza izy ireo vao samy kopy.

Io le hoe ilaina ny fanabeazana ny tanora momban'ny sexualite fa tsy avela ho resa-pady fotsiny le izy dia hoe mahamenatra nefa refa avy eo be ny bevohoka sy ny mamono tena ary ny simba saina rehefa lehibe.

8. rakapy ( 08/04/2010 14:40)
Ilay tantaran'i Soanja anie ka normal be e! tsy hitako izay tena mahagaga @ ilay tantara.
Ianareo dia vao 15 taona monja. Midika izany fa mbola samy tsy manana traik'efa na fahalalana firy ny momba izany atao hoe sipa izany. Na izy na ianao. Ny zavatra fantatrareo t@ izany dia ny hoe rehefa miaraka na mifampitatana na miaraka milalao ny tovolahy sy ny tovovavy roa dia mpisipa izay. Dia avy eo dia mety hoe mifanoroka dia miray(sex). Izay ilay stereotype fantatry ny tanora eo @ io taona io.
Ary matetika ny ankizy vavy no lasa aloha sy mitady lhl ho sipaina. Ny lhl moa dia mbola mianatra ny tokony atao rehetra raha eo @ io taona io.
9. Mirananirina ( 08/04/2010 15:35)
hoe t@ zany ve le hoe rehefa manatitra ve = mpisipa?
io aloha tena mitombina aminy entre 10 à 16 ans eo eh!miarakaraka,na milalao na manao zavatra hafa dia efa hoe sipasipa izay hihihi.
10. soanja ( 08/04/2010 16:23)
rakapy:

Ilay tantaran'i Soanja anie ka normal be e! tsy hitako izay tena mahagaga @ ilay tantara.
Ianareo dia vao 15 taona monja. Midika izany fa mbola samy tsy manana traik'efa na fahalalana firy ny momba izany atao hoe sipa izany. Na izy na ianao. Ny zavatra fantatrareo t@ izany dia ny hoe rehefa miaraka na mifampitatana na miaraka milalao ny tovolahy sy ny tovovavy roa dia mpisipa izay. Dia avy eo dia mety hoe mifanoroka dia miray(sex). Izay ilay stereotype fantatry ny tanora eo @ io taona io.
Ary matetika ny ankizy vavy no lasa aloha sy mitady lhl ho sipaina. Ny lhl moa dia mbola mianatra ny tokony atao rehetra raha eo @ io taona io.

Tsy dia fahagagana loatra no ilaiko itondrana ny tantara fa mba ijerevan'ny rehetra hoe ahoana ny fomba itarafan'ny tsirairay ny atao hoe Fitiavana. Izay tohin'ilay lohateny tery ambany #1

Dia izay indrindra koa no nitondrako ny taona 15. Satria ny na samy 15 taona aza dia sambihafa ny fisainana fa tsy voatery hitovy. Ny norma aminao mety tsy ho norma amiko. Aza atao anaty lasitra iray ny fisainantsika e!

Aminao ve izany dia izy telolahy samy nihevitra ahy ho sipany daholo satria nony nanao sipa aho dia samy tsy misy mety hiresaka amiko intsony ry zareo? Inona no norma amin'izany na tamin'io taonako io aza. Aiza koa no ahalalako amin'io taonako io fa mbola samby mianatra ilay raharaha izahay rehetra? Tsy ho azoko antsaina izany aloha raha tamin'izay taona izay.

Izay no anentitreterako hoe ilaina fanabeazana ny sexualite amin'ny tanora vao miana-mamindra fa aza avela izy hiana=desona lava avy amin'ny zavatra iainany satria izy mety tsy hahatakatra izay zavatra iainany akory ary mety efa diso nijabaka vao ahita lesona, nefa tara loatra izy amin'izay. Mety efa misy papozy roa mandehandeha tsy manantsiny vao hitany ny mahiratra nefa na izany aza dia efa tapaka koa ny tongony satria efa manda azy ny tontolo misy azy noho ny fahantrana ara-tsaina mianjady! Aza avela hitarazoka ny fampianarana! Raiso an-tanana dieny mbola zazabodo izy!

11. rakapy ( 08/04/2010 16:54)
Hoy i Soanja
Dia izay indrindra koa no nitondrako ny taona 15. Satria ny na samy 15 taona aza dia sambihafa ny fisainana fa tsy voatery hitovy. Ny norma aminao mety tsy ho norma amiko. Aza atao anaty lasitra iray ny fisainantsika e!

Angamba mety diso ilay fihevitrao fa manao lasitra iray ny fianantsika olombelona ny tenako. Mi -kilasy ny zava mpiseho @ akapobeny eo @ ireo taona fialana sakana ny tenako fa tsy manao lasitra iray ny rehetra akory. Ny exeptionel tsy maintsy misy, ary soa ihany fa nisy izany.
Hoy soanja
Aminao ve izany dia izy telolahy samy nihevitra ahy ho sipany daholo satria nony nanao sipa aho dia samy tsy misy mety hiresaka amiko intsony ry zareo? Inona no norma amin'izany na tamin'io taonako io aza. Aiza koa no ahalalako amin'io taonako io fa mbola samby mianatra ilay raharaha izahay rehetra? Tsy ho azoko antsaina izany aloha raha tamin'izay taona izay.

Tsy fantatro aloha izay hevetr'izy telo lahy e, tsy ampy ny hilazako izany satria tsy nanatry maso aho. Ny hany mety azoko ambara aminao dia hoe tsy niresaka t@nao intsony angamba izy ireo satria mety nihevitra ilay raika lahy fa mpisipa ianareo kanjo tsy izay no izy, ka dia nisintaka niaraka @ namany koa izy roalahy hafa.
Ataoko fa fantatrao fa mbola mianatra ilay raharaha ianao t@izany fotoana izany saingy tsy noheritreretinao . Fantatrao fa misy zavatra mbola tsy hainao ny momba ny atao hoe sipa t@zany.
Hoy i Soanja
Indray mandeha izay anefa dia nisy nikoty aho bandy tsy mpiaramianatra aminay mihitsy sady tsy misy idiran'izay baskety ka raha mihaona aminy aho dia amin'ny resaka hafa mihitsy. Mazava be ny azy fa fitiavana no arosony eo na dia nazava taminy koa aza fa tsy hisy izany atao hoe firaisana raha tsy efa any amin'ny Oniversite ny tenako. Niteny tamin'ilay namako amin'izay aho hoe tsy afaka ateriny intsony fa efa manana sipa....

Nefa eto indray ianao dia nilaza fa manana sipa? Midika izany fa misy zavatra fantrao tao fa mety .... :-P
12. bazylou ( 08/04/2010 20:02)
DIiiIiiinnnnn ty reto e, any izany le aza
13. ikaretsaka ( 08/04/2010 23:24)
Soanja>mbola milamina kosa ny an le bandikely 15 and na menamenatra aza lery raha hoe a 15 ans lery mbola miheritreritra fa rehefa manatitra kalakely avy manao baolina. Tsy misy fifandamoroana sns, na tsy niteny taminao aza izy hoe mpisipa nareo de hoe mpisipa ianareo ny ao andohany..
Noho ilay hoe 13 ans efa nahavita ny rehetra tamin'ilay kala (grand slam) nefa manao hoe an an an tsy sipako izany ikalakely iny...
14. soanja ( 08/04/2010 23:46)
rakapy:

Tsy fantatro aloha izay hevetr'izy telo lahy e, tsy ampy ny hilazako izany satria tsy nanatry maso aho. Ny hany mety azoko ambara aminao dia hoe tsy niresaka t@nao intsony angamba izy ireo satria mety nihevitra ilay raika lahy fa mpisipa ianareo kanjo tsy izay no izy, ka dia nisintaka niaraka @ namany koa izy roalahy hafa.
Ataoko fa fantatrao fa mbola mianatra ilay raharaha ianao t@izany fotoana izany saingy tsy noheritreretinao . Fantatrao fa misy zavatra mbola tsy hainao ny momba ny atao hoe sipa t@zany.

Ka na nanitrimaso ianao na tsia dia izay tantarako no tsy maintsy handraisanao ny fanadihadihana eto aloha ka. Mino aho raha tonga teto ilay zalahy mpanatitra lava dia tsy maintsy manana ny teniny sy izay fijeriny ilay izy koa izy. Ary mety hanentitretitra mihitsy aza hoe sipany aho tamin'izany....

Tsy nahafantatra tokoa aho tamin'izay hoe ahoana ny fisipana satria tsy mbola nisy niresaka izany tamiko na nanazava hoe izao no atao sy atao fa mijery ny hitako ety ivelany aho tamin'izany dia azoko antsaina hay mety izao no zavamisy ao izany. Izay noheveriko fa tsy haiko satria mbola tsy nataoko.

rakapy:

Hoy i Soanja
Indray mandeha izay anefa dia nisy nikoty aho bandy tsy mpiaramianatra aminay mihitsy sady tsy misy idiran'izay baskety ka raha mihaona aminy aho dia amin'ny resaka hafa mihitsy. Mazava be ny azy fa fitiavana no arosony eo na dia nazava taminy koa aza fa tsy hisy izany atao hoe firaisana raha tsy efa any amin'ny Oniversite ny tenako. Niteny tamin'ilay namako amin'izay aho hoe tsy afaka ateriny intsony fa efa manana sipa....

Nefa eto indray ianao dia nilaza fa manana sipa? Midika izany fa misy zavatra fantrao tao fa mety .... :-P

Ie nony nisy nikoty tokoa aho dia izay vao nitempo fitiavana izany ny foko dia nahalala amin'izay aho hoe izao no atao hoe fisipana. Saingy fisipana amin'ny hitondrako azy koa fa tsy hoe satria nisipa ny olona roa dia hisy ny grand slam..

Zany hoe raha nanontany ahy izy roalahy dia tsy nahalala aho satria tsy haiko ny zavatra anontaniany. Fa nony nahalala aho fa misy mpitia ary nolazaina tamiko hoe mpifankatia isika/ mpisipa isika na sipako ianao ary niainako ny fahatsapana izany dia teo aho no nisokatra tamin'ny fisipana ny masoko....

Saingy mbola tsy nanana clue foana anefa hoe ahoana ireto bandy 16 taona mitovy amiko ireto no mihevitra fa tsy tokony hinamana intsony izahay, nahoana izy no mihevitra toy izany... inona ny olan-dry zareo???

15. soanja ( 08/04/2010 23:52)
ikaretsaka:

Soanja>mbola milamina kosa ny an le bandikely 15 and na menamenatra aza lery raha hoe a 15 ans lery mbola miheritreritra fa rehefa manatitra kalakely avy manao baolina. Tsy misy fifandamoroana sns, na tsy niteny taminao aza izy hoe mpisipa nareo de hoe mpisipa ianareo ny ao andohany..

An an tena mankasitraka an'ilay bandikely aho ka- raha amin'izao hoe mba nanaja ahy izy sady tsy nanao ambolaitra. Satria fantany fa raha nikoty ahy izy fantany koa ny valiny asetriko aminy dia mety teo ilay tsy nilazany azy angamba , saingy niandry aho ary nomeko fotoana izy hitantara izay ao ampony saingy tsy nisy izany.... Dia ilay any an-doha io mihitsy no olana izany satria samy manana izay any an-dohany.

ikaretsaka:

Noho ilay hoe 13 ans efa nahavita ny rehetra tamin'ilay kala (grand slam) nefa manao hoe an an an tsy sipako izany ikalakely iny...

Izany aloha dia tena faharatsiana saina mihitsy aloha n'inona n'inona.

Saingy araka izay voalaza iza no omena tsiny raha tsy nahalala izay atao fanajana tena sy fanajana ny hafa ny rehetra tamin'izany....

16. rakapy ( 09/04/2010 08:51)
Hoy i Soanja
Ie nony nisy nikoty tokoa aho dia izay vao nitempo fitiavana izany ny foko dia nahalala amin'izay aho hoe izao no atao hoe fisipana. Saingy fisipana amin'ny hitondrako azy koa fa tsy hoe satria nisipa ny olona roa dia hisy ny grand slam..

Zany hoe raha nanontany ahy izy roalahy dia tsy nahalala aho satria tsy haiko ny zavatra anontaniany. Fa nony nahalala aho fa misy mpitia ary nolazaina tamiko hoe mpifankatia isika/ mpisipa isika na sipako ianao ary niainako ny fahatsapana izany dia teo aho no nisokatra tamin'ny fisipana ny masoko....

Saingy mbola tsy nanana clue foana anefa hoe ahoana ireto bandy 16 taona mitovy amiko ireto no mihevitra fa tsy tokony hinamana intsony izahay, nahoana izy no mihevitra toy izany... inona ny olan-dry zareo???

Raha izany no tsapanao nohon'ny nilazan'ilay sipanao fa mpisipa ianareo dia mazava anie izany fa ilay "TENY" hoe tiako ianao na ilay hoe mpifankatia isika no nahatonga anao sy ilay namanao mpilalao basikety tsy nifankahazo e? Tsy ampy ilay fifanakalozana .
Mety nitempo fitiavana anao ilay taloha nefa tsy sahy niteny nohon'ny antony maro. Ianao nefa mety tsy nihevitra ny hisipa aminy na koa niandry ilay "TENY" kanjo tonga tampoka ny papango :-D

Matetika mantsy ny vhv dia tsy mba milaza na mitsotra hoe tia lhl iray fa dia miandry na misarizoro fotsiny. Indraindray anefa dia tsy tsapan''ilay lhl izany. Ny lhl koa raha mbola tanora loatra dia matetika tsy sahy milaza mivantana.
17. soanja ( 09/04/2010 12:07)
rakapy:

Raha izany no tsapanao nohon'ny nilazan'ilay sipanao fa mpisipa ianareo dia mazava anie izany fa ilay "TENY" hoe tiako ianao na ilay hoe mpifankatia isika no nahatonga anao sy ilay namanao mpilalao basikety tsy nifankahazo e? Tsy ampy ilay fifanakalozana .

Eoa, io fifampiresahana io no antony nanoratako ny lohahevitra. Mila mifampiresaka ny mpisipa, mila misy fifanakalozanao ao milaza fa mifampizara fitiavana ianareo na dia tsy misy aza ny resaka sex. Ny fon'olona roa no samy miara-mitempo mahatsapa ilay tiana ahatongavana.

Saingy tamin'izany moa araka ny mazava dia 15-16 taona dia mifanjevo ao koa ny ana-dray aman-dreny sy ny maro tsy voatanisa nampisambodika ny vatana sy ny saina satria miala sakana ka na dia te hilaza izay ao ampo aza dia vahotra . Ny tahotra.....

Mahagaga anefa nahoana ary ilay mpanatitra raha mba nanoratra pistily ho ahy dia mba arako hoe menatra izy fa ny soratra no hilaza azy.... za tsinona tamin'izany mba efa nahalala ny fisian'ny pistily ary tena nankafy izany tokoa saingy akory atao fa tsy nitohy izany satria samy nanana ny lalany ny olona.

rakapy:

Matetika mantsy ny vhv dia tsy mba milaza na mitsotra hoe tia lhl iray fa dia miandry na misarizoro fotsiny. Indraindray anefa dia tsy tsapan''ilay lhl izany. Ny lhl koa raha mbola tanora loatra dia matetika tsy sahy milaza mivantana.

He, za indray aloha na samy olona sahisahy aza tsy hilaza amin'ny bandy mbola tsy nikoty ahy zany hoe tiko izy ka ndao hiaraka. Tsy nisy izay aloha ary tsy hisy. Ny fihetsika angamba dia mety hitory fa raha hiloaka ny vava dia tsy vita. Raha ny fahitako azy mantsy tamin'izany na amin'izao dia tokony ny lehilahy no manomboka ilay resaka dia ianao vavy manohy sy manamora ny fahafahana mitory izany fitiavana izany.
Amiko ny hisarizoro koa aloha tsy fanao mihitsy. Ny hoe hiaraka hilalao baskety sy hiaraka handeha hijery cinema mifanao fotoana sns sns dia tena mety tokoa fa tsy hoe isaky ny mihetsika dia bombarde-nao sms ilay zazalahy.... izay fanaon'olona tokoa amin'izao.

Sarotra ny mamoaka io fitiavana io fa saingy rehefa tafita kosa ny baolina dia milamina be daholo amin'izay? nefa tsy voatery koa satria ny cinema no tena mahay mamarana ilay raharaha fa rehefa iainana ilay izy dia toa tsy misy fiafarana ......Mazotoa daholo.

18. rakapy ( 09/04/2010 12:35)
Hoy i Soanja
He, za indray aloha na samy olona sahisahy aza tsy hilaza amin'ny bandy mbola tsy nikoty ahy zany hoe tiko izy ka ndao hiaraka. Tsy nisy izay aloha ary tsy hisy. Ny fihetsika angamba dia mety hitory fa raha hiloaka ny vava dia tsy vita. Raha ny fahitako azy mantsy tamin'izany na amin'izao dia tokony ny lehilahy no manomboka ilay resaka dia ianao vavy manohy sy manamora ny fahafahana mitory izany fitiavana izany

Fa nahoana ary no ahilika any @ lhl avokoa ny zavatra mafy ??? nareo wa tssss.....
19. soanja ( 09/04/2010 15:06)

:-D :-D :-D Efa arako hoe io no tonga dia raisin-dRakapy!!! hihihi K'izay ilay izy e!!! Za aloha mino fa raha za no nikoty ny vadiko dia heveriko fa tsy ho tia ahy izy. Izay ilay fisainako heveriko fa tiany. Zany hoe miezaka maminany any an-dohan-dralehilahy ny tena hoe inona no tian'ilay lehilahy, dia toa tsapako ny lehilahy gasy hoe izy lahy no mitarika ny baolina. Dia mba manaraka ny onjany fotsiny izahay vavy. Asa anefa fa mety efa nivadika ny camp amin'izao ka dia ataovy mafy tsara indray ny goal n-tsika ry zavavy ary dribleo tsara zay vao vonoy amzay! Tacleo reo bady mitady hijijy elabe ireo!!!! :D :D :D :-* :-* :-*
20. rakapy ( 09/04/2010 15:37)
Hoy i Soanja
Asa anefa fa mety efa nivadika ny camp amin'izao ka dia ataovy mafy tsara indray ny goal n-tsika ry zavavy ary dribleo tsara zay vao vonoy amzay! Tacleo reo bady mitady hijijy elabe ireo!!!!

E! E!E! Raha izay indray no hitondranao azy dia lasa mpifaninana ianao sy ny ragahinao fa tsy mpifanampy intsony.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1186