Ka raha tsy inona koa #2....
21. soanja
(
09/04/2010 16:41)
rakapy:
Hoy i SoanjaAsa anefa fa mety efa nivadika ny camp amin'izao ka dia ataovy mafy tsara indray ny goal n-tsika ry zavavy ary dribleo tsara zay vao vonoy amzay! Tacleo reo bady mitady hijijy elabe ireo!!!!
E! E!E! Raha izay indray no hitondranao azy dia lasa mpifaninana ianao sy ny ragahinao fa tsy mpifanampy intsony.
HS ianao Ranadahy raha izay satria tsy resaka ao anaty fanambadiana no resahintsika fa resaka fikotina fotsiny sy fisipana.
Raha ny ao am fanambadiana indray dia efa milam ny amin'iny tsy misy anampiana sy analana fa efa vita lamina ny ekipa, efa mazava ny lalaon'ny tsirairay.
22. ikaretsaka
(
10/04/2010 00:02)
Tsy mazava intsony..ny bandy mijijy asaina mamono bol...ny bandy droit au but asaina mijijy
ah baba
ah baba
23. soanja
(
10/04/2010 00:23)
ikaretsaka:
Tsy mazava intsony..ny bandy mijijy asaina mamono bol...ny bandy droit au but asaina mijijy
ah baba
Ary sao dia resaka samihafa ireo tianao lazaina ireo???
:D :D :D
Misy an'izay hoe" Inareo lehilahy indray dia tsy hahalala hamakyBold text anay vehivavy!"
24. rakapy
(
10/04/2010 05:44)
Hoy i Soanja
Fa angaha moa raha niteny aho hoe " Ny rangahinao" dia midika izany fa vady ?
Ataoko angamba fa tsy fifaninana na koa resaka hi drible no tanjona raha manao sipa fa ny hoe miara-mianatra sy mifanohana sns...
Ny sipa dia vady mbola tsy masaka.
HS ianao Ranadahy raha izay satria tsy resaka ao anaty fanambadiana no resahintsika fa resaka fikotina fotsiny sy fisipana.
Raha ny ao am fanambadiana indray dia efa milam ny amin'iny tsy misy anampiana sy analana fa efa vita lamina ny ekipa, efa mazava ny lalaon'ny tsirairay.
Fa angaha moa raha niteny aho hoe " Ny rangahinao" dia midika izany fa vady ?
Ataoko angamba fa tsy fifaninana na koa resaka hi drible no tanjona raha manao sipa fa ny hoe miara-mianatra sy mifanohana sns...
Ny sipa dia vady mbola tsy masaka.
25. soanja
(
10/04/2010 13:56)
rakapy:
Fa angaha moa raha niteny aho hoe " Ny rangahinao"Bold textBold textBold text dia midika izany fa vady ?
Asa re Rakapy fa za dia tsy hiteny ny sipako hoe "Ny rangahiko" mihitsy aloha fa dia mila mangata-bady ahy izy ary efa mazava fa mpivady izahay vao afaka hanome azy izay titre izay aho. Iza anefa no mahalala fa efa maro ny zavatra hita eto amin'ny fiainana. Mety mpisipa vao omaly dia hiteny hoe "rangahiko" iny noho ny hasarontampiaro sns sns... ny ahy raha tsy vady tsy heveriko ho ahy!
quote=rakapy]
Ataoko angamba fa tsy fifaninana na koa resaka hi drible no tanjona raha manao sipa fa ny hoe miara-mianatra sy mifanohana sns...
Ny sipa dia vady mbola tsy masaka.
[/quote]
Ka tsy nisy niteny hoe mifaninana izany aloha Rakapy a.
Ny tiako ambara ery ambony raha tianao hazavaiko tsara dia mety amin'izao fotoana izao angamba ny sipa no afaka mikoty lehilahy (izay ilay mivadika camp ka mamono baolina) , ilay mi-drible dia hoe rehefa hanao izany ianao dia ataovy tsara- process no tiako ambara (ny fikotiana izany fa tsy ataotao foana) , mba hasiana filantoana, zavakanto, filirony ary ventiny mitoetra. Ny hoe tackleo dia ireo mpijijy ela be dia midika hoe mahaiza mamaha olana (Problem solving skills) satria raha hijijy lava eo ilay bandy ohatra nefa ianao miaritra dia tsy izy izay fa lasa mijaly ianao. Tonga dia ny raiso ny angady sy ny harona fa fotoana famahana izay olanao izany fa aza avela hijijy- hisalasala ela izy. Ampalalao azy fa tia ianao fa tsy lalaovina izany ary inona no heviny??? zany hoe raha mitady "firaisana" izy dia inona no programany.
Fa raha tian'i Rakapy indray ny hiresahantsika ny fanambadiana dia vonona koa aho hamorona sabojekitra noho izany. Tsy fifaninana ny fanambadiana ary ianareo roa ekipa iray miatrika sy miady amin'ny fiainana. Ny fitiavana tsy hanontaniana intsony fa samy efa mahatoky fa mifankatia.
Ny fisipana kosa dia lalana mankany amin'ny fanambadiana. Mbola eo no misy fifampitsapana na ho izy ilay olona na tsia. Tsy hisy hoe fananana na hoe ahy tanteraka fa malalaka ny rehetra hampiasa izay mahamety aminy aloha satria iny no mahaizy azy ary hisafidianany anao ho vadina na tsia. Raha tsy mifanaraka izany fomba fiaina sy fihetsika izany dia misaraka. Tsy mifaninana nefa koa tsy hanaraka ambokony izay lazain'ny fiarahamonina fa tokony ho izy. Ny fisipana dia toy ny manao examens ihany tsy fantatra na ho afaka na tsia. Ary ny fanambadiana no tanjona sy diploma.
26. soanja
(
10/04/2010 13:59)
Misy koa anefa ny olona te hisipa fe misipa tsy manana eritreritra hanambady mihitsy. Dia eo no mila mazava ny lalao amin'izy mitsam mba tsy hisian'ny fandisoam-panantenana.
27. ikaretsaka
(
11/04/2010 12:05)
Misy "lost in translation" ndray nareo dahy izany....
Ary aoka izay sao mimenomenona "rafotsy"
Ary aoka izay sao mimenomenona "rafotsy"
28. rakapy
(
11/04/2010 14:12)
Hoy Ika
Angamba tsy hoe misy lost in translation izahay mianadahy fa samy manana ny fomba fijeriny sy fitondrany ny resaka sipa.
Malalaka be ilay resaka ka na dia ho lany andro eto aza iska dia samy manana ny fomba fijeriny ny tsy1/1.
Misy "lost in translation" ndray nareo dahy izany....
Ary aoka izay sao mimenomenona "rafotsy

29. soanja
(
11/04/2010 14:58)
ikaretsaka:
Misy "lost in translation" ndray nareo dahy izany....
Ary aoka izay sao mimenomenona "rafotsy"
Tsy misy lost mihitsy aloha ka!
Iza io "rafotsy" io????
8O Masako i Ika raha za no lasa rafotsy eto. Mbola mainty daholo ny aty amiko an! :-* :-* :-* (l)
30. soanja
(
11/04/2010 15:01)
rakapy:
Hoy IkaMisy "lost in translation" ndray nareo dahy izany....
Ary aoka izay sao mimenomenona "rafotsy
Angamba tsy hoe misy lost in translation izahay mianadahy fa samy manana ny fomba fijeriny sy fitondrany ny resaka sipa.
Malalaka be ilay resaka ka na dia ho lany andro eto aza iska dia samy manana ny fomba fijeriny ny tsy1/1.
Malalaka toy ny tampotanetin'Ihorombe ilay resaka ka! izay tsy alehan'dRakapy alehako!
:D :D :D Ny diavola-ko-lava, ny kilalao mbola ho ela. Alefaso, letsy ranadahy, fa mbola alahady maraina be izao aty aminay. :-* :-* :-* (l)
32. soanja
(
11/04/2010 18:38)
ikaretsaka:
Asehoy izany mainty izany kle :-o :-D
Efa hitanao ao an-tsainao io ko inona indray???
8O :-D :-D :-D :-D
33. ravonjison
(
12/04/2010 10:05)
Mampatsiahy ahy zazalahy kely izay itý resaka sipa itý. Misy zazalahy kely 5 taona izay atý. Manana namana ramatoa ( ataontsika hoe Rasoa ) izay ny mamany, ka rehefa misy ny possibilité ny weekend dia mifamangy ireo mpinamana roavavy ireo. Isaky ny mifankahita ireo dia mahazo bombon na mofomamy avy @ ilay namana foana ilay tovolahy kely, tsy adino koa ny bakely @ izany.
Dia indray andro izay hoy ilay zazalahy kely : sipako ange Rasoa e ! Dia hoy aho hoe : fa ahoana leisy izany ? Dia hoy izy : ka izy mitondra zavatra hoahy foana koa, ary izaho koa mahazo bakely.
Ny hoe sipa, dia efa ao antsain\' ny tsirairay iny, na dia mbola kely aza, fa ny fandraisana sy ny firevena azy no samy hafa, arakaraka indrindra ny taona ( indrindra ny fahamatorana ara-tsaina, ara-panahy, ara-batana ), ny fitaizana, ny kolotsaina....ary indrindra ny ohatra azo eo @ manodidina.
Ka raha mifampisipa izany ny olona roa dia tokony mba hiresaka tsara mikasika izany , @ izay mazava ny hoe : ahoana ny fandraisan\' ilay tovolahy, na tovovavy ilay sipa hataonjareo.
Tiako ho marihina anefa fa eo @ zavaboary rehetra dia hita fa : ny lehilahy dia mpihaza ( mikoty : mamboraka fitiavana voalohany ) , ny vehivavy kosa mnaiky na tsia ( = selection ). Raha vao mifamadika io peroces io dia matetika misy probleme eo @ lehilahy any aoriana ( arakaraka ny pourcentage ny vehivavy lasa mpitoky eo @ ilay societé concret )
Ka raha hiverenako ilay trangan\' i Soanja dia:
-ilay namana mpiara-manao basket izany dia possible mbola somary hafa ( tara angamba) no nandraisany ilay resaka sipa. Mety nieritreritra izy fa tsy ilaina ny filazana izany direct ( bamborahana fitiavana), na mety efa fantany ihany ilay izy saingy mbola niandry izy noho ny antony maro samihafa ( tsy fahaizana mampiditra resaka, tahotra noho fandavana avy eo...), na mety hoe izay mihitsy no fandraisany ilay atao hoe sipa ( miara-manao basket, miara-mody, miresaka fianarana).
Ilay bandy faharoa izany somary efa lasa lavitra kely. Saingy possible koa ny hoe : mety nisy bandy fahatelo tonga indray , ary niresaka fitiavana direct T@ Soanja koa, ary nampiany hoe hiara-hipetraka sns...( zavatra en plus). Ka arakaraka ny fahamatoran\' i Soanja, mety ilay bandy fahatelo no nekeny , fa nolaviny ilay faharoa.
Ka raha fintiniko izany dia : mbola tsy nitovy ny fandraisana ilay hoe sipa teo @ Soanja sy ilay bandy voalohany ( mpiara-manao basket ), ka izay no tsy nahatanteraka azy. Tsindriko fa tsy voatery nilaina ilay famborahana direct, satria misy koa ny tovovavy sasany , na dia tsy nisy aza ilay famborahana direct dia efa mba misekoseko any @ namany izy hoe: miaraka @ bandy iray izy.
Juste hoe tsy nifanojo fotsiny ka tsy misy azo nifanomezan-tsiny

34. xxx
(
12/04/2010 11:12)
Cas mpitranga io fa tsy cas particulier , ary mitranga matetika ao @ adolescence. Izay koa angamba no atao ho fitiavan'ankizy ary io hitako fa anisan'ny fitiavana madio sy marina .
Nisy fitiavana azy koa i Soanja matoa efa aty @ 35 taona ato aoriana mbola mamoaka ilay tantara indray
Nisy fitiavana azy koa i Soanja matoa efa aty @ 35 taona ato aoriana mbola mamoaka ilay tantara indray
35. soanja
(
12/04/2010 13:48)
ravonjison:
Ka raha fintiniko izany dia : mbola tsy nitovy ny fandraisana ilay hoe sipa teo @ Soanja sy ilay bandy voalohany ( mpiara-manao basket ), ka izay no tsy nahatanteraka azy.
Izay mihitsy no avoitrako eto avy amin'ilay lohateny #1. Hoe tsy mitovy ny handraisan'ny olona ny fisipana. Raha ny aty US izao dia io nataonay sy ilay bandy mpanatitra io no antsoina hoe : dating amin'ny samy tanora kely. Ary ny an'ilay bandy faharoa kosa dia tena hoe boy friend/girl friend mihitsy satria efa nanomboka niresaka ilay fitiavana amin'izay.
Tamin'izany fotoana izany dia ny zavatra fantatro momba ahy dia hoe efa zatra aho misy namana foana miara-mody. Vao niova kartier ipetrahana mantsy izahay tamin'io fa talohan'izay dia toeran-kafa ka izahay mpinamana rehetra nipetraka tam ilay kartier taloha dia mifampiandry foana rehefa mody avy mianatra. Dia amiko tsy misy hafa n'zay ny nandraisako an'ilay bandikely #1. Satria lalana itovizana no nalehanay, ny namako hafa manao atsimo sy avaratra ny tanananay dia azoko antsaina hoe tsy afaka miara mody amiko zany.
Tamin'izany dia efa fantatro ny fisian'i taratasy azo ifanaovana ho an'izay mifankatia. Ka ny etapy ny fisipana izany amiko tamin'io fotoana io ao an-tsaiko dia hoe mifanoratra eo , ilay bandy no mandefa ilay pistily amiko avy eo za mamaly raha tiako izy. Famborahana fitiavana ny ao. Tsy voatery hiara-dalana mody akory na hihaona fa dia ny fitiavana kosa mitoetra eny. Satria ilay fitiavana dia sarobidy ary tsy tsara simbaina amin'izay fiarakarahana eny an-dalana eny. Io ny an'i bandy #2 ka tonga dia nazava tamiko ny hoe mpisipa zany izahay satria nanaiky hitia azy aho.
Ireo namako mpanao baskety izany hitako ilay izy nony lehibebe aho hoe tsy tiany fotsiny hoe ilay sipa niara nilalao elabe taminy teo, izay heverina fa andrasany mandrapaha lehibebe vao hazava hoe iza no hikoty ahy ohatra, kanjo tsy izay fa efa nisy "papango" nipaoka izay araky ny volazan'i Rakapy. Tany amin'io kartier io ihany no nahalalako fa saropiaro koa ny zazalahy tao hoe ny sipa ao am kartier-ny tsy tokony hisy hanadala. Zany hoe efa fisainan'ny zazalahy tamin'izany izany ilay "protective" na maha-saropiaro azy ny azy na dia tsy sipany aza na anabaviny. Ka zary ilan-dry zareo ady izay bandy manafika sipa any. Izay cas- ny #2. Ilay bandy #1 tena tsy tody tanteraka teo ambody tranonay mantsy fa rehefa tonga ny kihon-dalana iraisana dia mifanao veloma.
Bref, amin'izao dia mety efa hafa aby ny fomba fisainana fa dia izay ilay izy. Miresaka kolotsaina aho eto sady miresaka koa ny fitomboan'ny sain'olombelona indrindra eo amin'ny sexualite eo amin'ny samy tanora lahy/vavy.
Tena tsy misy ifanomezan-tsiny mihitsy ka.
36. soanja
(
12/04/2010 13:57)
xxx:
Nisy fitiavana azy koa i Soanja matoa efa aty @ 35 taona ato aoriana mbola mamoaka ilay tantara indray
Raha fitiava-namana dia nanako tokoa taminy, nitovy tsy nisy valaka ny nitiavako azy telolahy tsy nisy tombo sy hala ary izay angamba no antony mahatonga an'ireto roalahy farany nanontany foana satria milaza ilay bandy panatitra fa nanatombo ny azy. Nefa dia averimberiko am izy roa lahy fa tsy misy n'inona n'inona izay midika fa hoe namako toa anareo ihany izy.
Ilay hoe tadidy sy tantaraina dia tia mitantara zavatra aho ka. Ary mahatadidy zavatra koa amin'ny antsipirihany. Ny fiainako za 2 taona dia mibaribary amiko na efa mihoatra ny 40 taona aza aho izao. Tsy resaka sipa fa tena izay niainana rehetra ka nametraka tady -tsipika fitazomana tao anaty atidohakeliko.
38. Ratoa
(
17/04/2010 18:35)
Ka maninona anefa raha tia soanja é? Tsy misy fahadisoana mihitsy izany.
Fitiava namana hoy ianao. Mety koa izany. Tadidio koa fa ny sain'olombelona dia izay mahafinaritra azy aloha no tanany, tazominy, tahiriziny ela be. Mazava ho azy fa ho tanan'i soanja sy ho tadidiny ela dia ela ilay namany. Misy misia ny ohatra anao ry soanja. Na tsy nitovy aza ny tadin-gitara dia tadidio foana ny fahafinaretana sy fiarahana samy mpianamana.

39. soanja
(
17/04/2010 19:07)
Ratoa:

Faratampony amin'ny fiainantsika ETO AN-TANY ny Fitiavana. Aoka tokoa hahatsiaro lalandava izay nampihiratra izany zavatsoa/ zavamasina izany teo amin'ny fiainantsika; na ireo ray aman-dreny izany, namana, havana, mpampianatra sns sns maro tsy voatanisa. Isan'izany ianareo namako tsy foiko rehetra eto amin'ny serasera. Ato ampoko lalandava ianareo na dia tsy hitako aza! Misaotra Ratoa!
:-* :-* :-*
40. walte
(
24/04/2010 11:41)
Aza omen-tsiny izy ry reto fa mbola kely, nihevitra mantsy izy fa mba tia azy koa enao, nefa indrisy. Tany antsiny tany mantsy mato enao nanaiky hateriny fona dia nihevitra izy hoe tia azy enao, maninona koa moa raha mba nitiavina tany izy amin'izao ary efa mitovy zo ny lahy sy ny vavy ko.Mba nomena :* amin'izay koa mba faly ery lery hoe nahazaka sipa izy eh :D :D :D