herisetra atao @ mpivavaka??

1. dadasy ( 04/04/2010 20:00)
Nisy ity vaovao ity de ampitaina eto mba hisarihana ny sain'ny maro. Relijiozy telo mirahalahy no nodarohan'ny FIS ny Zoma Masina lasa teo rehefa tsy nijanona fa mbola niampita ny arabe ihany, nefa ry zareo FIS mandalo. Najanony ny fiara, nivoaka ilay (ireo) miaramila, tezitra mafy, nanompa ary nidaroka. Naratra (mafy) teo @ lohany ilay relijiozy iray ary voatery naiditra eny @ hopitaly eny Clinique Ankadifotsy. Mbola eny @ izao anoratako izao. Ireo namany roalahy no mba saika hamonjy fa de nahazo ny anjarany avy hatrany koa. (Angamba tsy de mafy loatra noho ilay voalohany??) Ny vahoaka sendra teo mba te hanampy fa nandrangaranga basy ireo mpitandro ny filaminana, ka de naleony nipetraka fa atody tsy miady @ boule de petanque. Izao tokoa ve ny hoe tena miaina ny Evanjely @ Zoma Masina? voadaroky ny miaramila @ andro Zoma Masina toa an'i Jesoa?
répondu par vonynive le 05/10/2010 12:10
2. soanja ( 05/04/2010 13:23)
Dadasy, inona ilay hoe FIS azafady fa tsy arako? Misaotra mialoha.

Ny tokony ho izy ve (raha ara-dalana)dia hoe rehefa mandalo io FIS io dia mila mijanona daholo ny olona manome lalana azy ireo?

Tsy vahaolona ny herisetra n'aiza n'aiza na amin'iza na amin'iza. Matoa ny firenentsika mandalo zavatra toy izao dia misy ny fanjakan'ny baroa. Ka rehefa izay no mitranga dia tsy ny mpivavaka irery no iharan'ny fangejana sy fangirifiriana fa ny firenena iray manontolo mihitsy fa endriny vitsivtsy fotsiny izay niseho izay.

Mila fiovam-penitra mahery vaika ny firenentsika. Mivavaha ho azy. Misaotra nizara.
3. rijadolly ( 05/04/2010 14:03)
Misaotra Soanja a! :-*
4. soanja ( 05/04/2010 22:31)
rijadolly:

Misaotra Soanja a! :-*

Aoka ny Tompo hitahy antsika tsy hiharan'ny herisetra sy ny tsy rariny amin'ity fiainana ity.

:-* :-* :-*
5. dadasy ( 06/04/2010 01:10)
Soanja> ny FIS dia Force d'Intervention Special, karazana vondrona mpitandro ny filaminana, manana fahefana somary mihoatra kely noho ny mpitandro ny filaminana hafa @ maha special azy. Manana fiarakodia manokana misy ireny jiro manjelanjelatra ireny manambara fa mandalo ry zalahy, tokony hijanona ianao satria izy voiture prioritaire. Izay raha adika @ fomba fijery malalaka.
Fa raha fomba fijery mandinika sy mahalala ny zon'olombelona de mahita fa ny FIS de lasa herim-pamoretana, nomena fahefana ary manampatra izany @ izay tiany hanamparana azy, tsimatimanota hoy ny fomba fiteny malagasy izay. Raha voiture prioritaire ve ianao de tsy tokony hiampita arabe ny olona raha mahita fa mbola alavitra ianao? ary na dia misy aza ny fahadisoana, ara-dalana sy ara-drariny ve ny fandarohana olona sy fanompana ary miteraka ratra maro @ ilay olona, ara-batana sy ara-tsaina? aiza ny fanajana ny zon'olombelona ao Madagasikara ao ?
De aleo tokoa mamerina ilay vavaka nataon'i Jesoa hoe: "Ray o, mamela ny helona fa tsy fantany izay ataony!" Fa moa ve tsy fantany tokoa sa odiany fanina?
6. xxx ( 06/04/2010 08:24)
INONA NO AZONTSIKA ATAO MBA TSY HISIAN'NY GUERRE DE RELIGION EO AMIN'NY SILAMO SY KRISTIANINA ETO MADAGASIKARA FA TOA MANANONTANINA SY MITADY HISY ETO AMINTSIKA IZY IO ?
7. rijadolly ( 06/04/2010 14:29)
MITADY HISY ETO AMINTSIKA IZY IO ?
Tsy misy io
8. soanja ( 06/04/2010 15:27)
dadasy:

Soanja> ny FIS dia Force d'Intervention Special, karazana vondrona mpitandro ny filaminana, manana fahefana somary mihoatra kely noho ny mpitandro ny filaminana hafa @ maha special azy. Manana fiarakodia manokana misy ireny jiro manjelanjelatra ireny manambara fa mandalo ry zalahy, tokony hijanona ianao satria izy voiture prioritaire. Izay raha adika @ fomba fijery malalaka.
Fa raha fomba fijery mandinika sy mahalala ny zon'olombelona de mahita fa ny FIS de lasa herim-pamoretana, nomena fahefana ary manampatra izany @ izay tiany hanamparana azy, tsimatimanota hoy ny fomba fiteny malagasy izay. Raha voiture prioritaire ve ianao de tsy tokony hiampita arabe ny olona raha mahita fa mbola alavitra ianao? ary na dia misy aza ny fahadisoana, ara-dalana sy ara-drariny ve ny fandarohana olona sy fanompana ary miteraka ratra maro @ ilay olona, ara-batana sy ara-tsaina? aiza ny fanajana ny zon'olombelona ao Madagasikara ao ?
De aleo tokoa mamerina ilay vavaka nataon'i Jesoa hoe: "Ray o, mamela ny helona fa tsy fantany izay ataony!" Fa moa ve tsy fantany tokoa sa odiany fanina?

Misaotra indrindra Dadasy o. Mampalahelo ny zavamisy. Aoka isika tsy hijanona hivavaka lalandava ho an'ny firenentsika ary hiezaka koa hanova izany amin'ny alalan'ny asa atolotsika ho azy.

9. ikaretsaka ( 06/04/2010 23:24)
ny fijeriko an'io dia ilay lalanan'ny hoe ny manambasy ihany rehefa realite rehefa tranga ohatran zao dia any ary ny "opressed" fona no ataon'ny olona "ndrooooo oooooo mahonena andraaaaay" sns

Ohatra tsotra fotsiny izao: ireo Maramila romanina namantsika an'i Jesoa: tsy misy mahalala ny momba azy ireo anie , fa ry pilaty sy ny jiosy no wawawazana dia i Jesoa no hoe.. nijaaaaaly anie sns (na ny tsy Kristianina aza mahalala hoe nijaly izany nombohina izany) ...
fa tsy nihantona teo anie razezo raha tsy ireo maramila "nanatanteraka ny baiko" ireo e
10. Ratoa ( 07/04/2010 00:26)
Domelin'ny fahefana vaovao tsy fahitany izy ireo é! Tahaka irony mpifoka rongony sy mpisotro taoka mivembena eran'ny tanàna irony.
Taratry ny fitondrana izay nanendry azy izy ireo.
Tsy fanatany intsony izany atao hoe olombelona, raha mba nahalala sombiny momba izany izy ireo taloan'ny nandraisany ny fahefana!.

Mivavaha ho azy fa tsy fantany intsony izay ataony fa domelin'ny fahefana izy. Zava maha domelina toa ny rongony anie fahefana ho an'izay tsy mahatanty ny onjan'ilay fahefana é!
11. niryna ( 07/04/2010 05:28)
dadasy:

Fa raha fomba fijery mandinika sy mahalala ny zon'olombelona de mahita fa ny FIS de lasa herim-pamoretana, nomena fahefana ary manampatra izany @ izay tiany hanamparana azy, tsimatimanota hoy ny fomba fiteny malagasy izay. Raha voiture prioritaire ve ianao de tsy tokony hiampita arabe ny olona raha mahita fa mbola alavitra ianao? ary na dia misy aza ny fahadisoana, ara-dalana sy ara-drariny ve ny fandarohana olona sy fanompana ary miteraka ratra maro @ ilay olona, ara-batana sy ara-tsaina? aiza ny fanajana ny zon'olombelona ao Madagasikara ao ?
Atra dia tsy nanome antsika hery anohitra ny hafa,manome fitiavana antsika izy.Ny fampisehoana hery eo amin'ny hafa dia efa maneho ny fizahozahoana,isika dia manompo an'Atra ary izy irery ihany ka na iza na iza no mihevitra ny tenany fa mila tompoina sy mampiasa ny heriny dia tsy hevitra avy amin'Atra no ao anatiny
[quote]
De aleo tokoa mamerina ilay vavaka nataon'i Jesoa hoe: "Ray o, mamela ny helona fa tsy fantany izay ataony!" Fa moa ve tsy fantany tokoa sa odiany fanina?
[/quote ] dia io voalazanao io tokoa no tokony ataontsika,eny fa na dia ireo mpitondra ny fanjakana naka an-keriny ireo aza dia tokony hivavaka azy avokoa ny vahoaka satria tsy izy ireo no miasa fa ny fanahy izay ao ambadika ,raha tsy avy amin'Atra dia avy aiza? ny rehetra no aoka hitsara fa Atra tsy manome hery anohitra ny fitiavana nomeny antsika

12. bor2lais ( 07/04/2010 10:09)
ikaretsaka:

ny fijeriko an'io dia ilay lalanan'ny hoe ny manambasy ihany rehefa realite rehefa tranga ohatran zao dia any ary ny "opressed" fona no ataon'ny olona "ndrooooo oooooo mahonena andraaaaay" sns

Ohatra tsotra fotsiny izao: ireo Maramila romanina namantsika an'i Jesoa: tsy misy mahalala ny momba azy ireo anie , fa ry pilaty sy ny jiosy no wawawazana dia i Jesoa no hoe.. nijaaaaaly anie sns (na ny tsy Kristianina aza mahalala hoe nijaly izany nombohina izany) ...
fa tsy nihantona teo anie razezo raha tsy ireo maramila "nanatanteraka ny baiko" ireo e

---------
-> Ka inona no tian'i Ika lazaina eto amin'ity tranga tantarain'i dadasy eto ity ? :D
13. ikaretsaka ( 07/04/2010 12:23)
Ny tiako hahatongavana de hoe
1-samy tompon'antoka aby na ilay nidaroka na ny commanditaire. Na ilay nidaroka...

2- isika au lieu de misetsetra manao andraaaay sy ny sisa ilay relijiozy... dia mijery izay azo anampiana azy.. raha nisy vavolombelona na nisy naka ny numeron'ilay fiara ohatra dia. Jerena hoe iza no nampiasa an'iny ny alin'ny zoma masina.. na fara faharatsiny eo @ resaka ara pinoana tokony hahatsapa hoe important ny zoma masina
14. bor2lais ( 09/04/2010 08:54)

-> Io mitazam-potsiny io tokoa aloha mba isan'ny mahavoa antsika e ! :D
15. vonynive ( 05/10/2010 12:10)

Ratoa:

Domelin'ny fahefana vaovao tsy fahitany izy ireo é! Tahaka irony mpifoka rongony sy mpisotro taoka mivembena eran'ny tanàna irony.
Taratry ny fitondrana izay nanendry azy izy ireo.
Tsy fanatany intsony izany atao hoe olombelona, raha mba nahalala sombiny momba izany izy ireo taloan'ny nandraisany ny fahefana!.

Mivavaha ho azy fa tsy fantany intsony izay ataony fa domelin'ny fahefana izy. Zava maha domelina toa ny rongony anie fahefana ho an'izay tsy mahatanty ny onjan'ilay fahefana é!

fa izaho te hiteny oe tsy manampahefana izy fa voafatotra ka tsy fantany izay ataony; iza no mamatotra azy? tsy i Satana ve, aoka isika tsy hankahala olona fa hankahala an'i Satana, "tiava na dia ny fahavalonareo aza" sarotra izany nefa fantaro fa tsy lalana mora ny lalandanitra.
..jeso niteny oe Matio28 Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1078