Allergique!voan'ny sery fona

1. peta83 ( 02/04/2010 13:47)
Za d olona voan'ny sery fona,tsy atoandro, tsy alina, tsy maraina, tsy mangatsiaka, tsy mafana.... fa de voan'ny sery fona.ary refa tena mietsika le izy dia, mangididy be ny orona, mievina fona,miraraka otran'ny rano mangatsiaka io lelo io.efa nanao traitement iany toy ny corticoide, antibiotique fa nety alo tam 1 d avy eo ts naavita atram farany d miverina ndray.le traitement ko fanafody be lotra d otran'lasa mande pil za sa tena lafo ny vidiny. d refa mietsika le sery zao d serum atao amn'orona no ataoko sy prednisolone fa tsy mitazona ela io fa avy eo miverina njay!ka mba mila vonjy ho an'ireo zay dokotera na efa nisy cas mitovy fa tena mijaly be mits za.Merci sahady ho an'izay mamaly ny antso.
répondu par mandrindra le 20/04/2010 07:56
2. Ratoa ( 02/04/2010 19:22)
Dia manantona allergologue fa mety mivadika ho asthme io. Ny vadiko fony tanora nanao ohatra anao izao. Niteny foana aho mijere dokotera fa tsy nety mihitsy izy. Nony nitombo ny taona dia indro nivadika ho asthme ilay izy. Tsy mihevina intsony izy ary tsy mivaoka rano intsony ny orona fa asthme indray izao.
Ny azy aloha allergie à la poussière no niatombohany ary tsy misy vovoka mihitsy ny tranonay fa fafana isaky ny adiny iray sy carreaux sasana rano.
3. ikaretsaka ( 05/04/2010 00:26)
aza mangataka andro fa ndeso malaky any @ allergologue aloha hahalalana hoe inona no tsy zakanao mampihetsika azy
dia izy no manoro anao ny fitsaboana sy ny tokony hatao arak'izay zaka
misy @ io resaka toerana fotsiny no tsy mety (tsy mahazaka altitude, sns...
4. soanja ( 05/04/2010 22:40)
Raha toa ka alerjian'ny vovom-boninkazo sy ny zavatra entin'ny rivotra avy amin'ny zavamaniry vao mitsomoka na mamelana noho ny fiovan'ny tonon-taona ny mahazo dia matetika alohan'ny ahatongan'ilay tonon-taona (winter) ohatra no hanaovana ny traitement dia rehefa tonga ohatra ny Spring dia tsy maninona intsony satria efa mandaitra ny fanafody.

5. niryna ( 07/04/2010 04:29)
Raha mbola tsy fantatra ilay izy dia tsara ny manao test tokoa fa misy tsindrona efa ho 30 ataon-dry zareo
Raha resaka voninkazo indray dia manandrama mihinana tantely eraky ny sotrobe isa-maraina raja vao mifoha.
Jereo koa ny trano misy anao sao teritery tsy ampy masoandro na kizokizo fa voa maika mampitombo ny olana ara-pahasamalana mantsy ny trano tsy ampy masoandro.
6. peta83 ( 07/04/2010 10:39)
tena tsy mahazaka vovoka mitsy za,rehefa mapiritrano d mievina2 beuh tsis otry zany,ts mahazaka maimbo boina (fofona akanjo anaty armoire ren),na ref mangatsiaka tapoka,ts d mis olana lotra ny vovombonikazo sady ts d manakaiky an'reny za.efa ni-consulter dokotera fa zay coritcoide zay no nomeny d antibiotique fa tena allergique mitsy ony,d mila mitnadrina le zavatra tsy zaka.aiza no allergologue tena mahay? tao am institut za no ni-consulter le tam1, specialiste momba ny sofina, orona,...ny loha eh!sa ve za no diso adiresy?misotra ho an'izay efa namaly!
7. niryna ( 07/04/2010 14:42)
toerana hafa mihitsy ka,ny sofina sy ny orona ary ny tenda dia fitsaboana iray fa ilay toerana mijery ny mah allergie anao dia toerana iray ihany koa.omeny tsindroma marobe ny tananao iray dia mivoaka eo daholo ilay tsy zakanao ,hatramin'ny karazana biby io na sakafo ihany koa,misy zavatra tsy ampoizinao izany hoe akafo hohanina kanefa dia vao maika mampidi-doza sy mampitombo ilay mihevina.
Ny vovoka izany no tena maro tsy zakanao,manao saron'orona rehefa mampirina trano ary ataovy miahy ny akanjo alohan'ny anaovana ,raha mety dia akisaka lavitra ary avoaka indray andro mialoha,sady manala ilay tebiteby sy mirmorimo mitady zavatra vao andeha no manala ny fofona tsy zaka.
Tsy aiko moa any amintsika fa misy ranon-javatra izay aty aminay"breeze " no anarany dia hafafy kely amin'iny ny lamba na ny fandriana vao mampirina azy ny tena amin'izay tsy misidina ny vovoka.
Raha efa misy ireny masinina famafana trano ireny any amintsika(vacuum)dia mila manadio ny trano foana ny olona ao aminareo ,na fafana foana ny trano.Raha t sy misy manampy dia manaova saro-taava na masque foana.izaho aza mahita olona tsy miala masque mihitsy fa tsy mahazaka rivotra
8. mandrindra ( 20/04/2010 07:56)
tsindrona kenacort atao. rehefa tsy mahatana io dia ny alergology ihany no vahaolana. anaovany test isankarazany ianao hoe inona no tsy zaka. avy eo izany manao kômandy spesialy an'izay fanafody ialainao. ao amin'ny manodidina an'i paris ao misy laboratoire mamomkatra manokana ny fanafody mifanaraka amin'izany. stallergènes no anarany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.156