Izay anatonan'ilay saka dia maty avokoa avy eo.

1. niryna ( 01/04/2010 04:00)
Misy toerana nametrahana be antitra iray izay.Namboarindry zareo tsara be ilay izy mba ho tamana ireo antitra.Taty aoriana dia nasiany alika sy saka koa fa ireny moa dia manampy ny olona izay mahatsampa ho irery ihany koa.
Tamin'ny voalohany aloha dia mbola tsy tamana ilay saka ka dia tsy fantatra tsara fa rehefa tamana izy dia mandehandeha eny amin'ny zaridaina eny miaraka ireo be antitra.Nahitana vokatsoa tokoa ny fisian'ireo biby teo amin'ilay toerana mitaiza be antitra ireo.Nampifalifaly azy ireo,nanome hery ihany koa .
Ny nahagaga anefa taty aoriana dia izay olona anatonan'ilay saka na ipetrahany ela dia maty avy eo na roa andro na telo andro na herinandro aty aoriana.
Ny zavatra nositomin'ireo mpitsabo sy ny mpikarakara be antitra dia hoe : ny saka hono dia maheno fofona ary ny hoditr'ilay olona izay efa hakaiky ho faty dia fantany ary dia tonga manatona an'iny olona iny ilay saka ary mipetraka eo mihitsy aza manome hery an'ilay olona.Manaraka an'iny olona iny foana izy ary tonga miaraka mipetraka ao an-tranon'ilay olona mihitsy aza.
Tsy hoe manana hery hafa ilay saka fa mahalala fofona izy rehefa anomboka ho simba ilay vatan'ilay olona.kanefa tsy misy mahita maso ilay izy fa ilay fofona ihany no henony.
Rehefa hadiva ho faty amin'izay ilay olona dia miala moramora aminy ilay saka.
Mahavariana e

vaovao kely mba zaraiko anareo ity.
Ny fanontaniako dia hoe:
1 -Efa nahita toa izany koa ve nareo?

2- Maninona tokoa ny alika no mitomany valala? rehefa misy ho faty eo an-tanana izy izay ary mitovy ny fofona henon'ny saka ihany koa ve no mahatonga izany sa ?
répondu par niryna le 07/04/2010 02:55
2. nannie ( 01/04/2010 08:41)
... mahaliana... mahalasa saina... misaotra e !
3. rakapy ( 01/04/2010 09:21)
Tena resaka marina io. Misy karazan'alika koa aza manao toy izany satria mahare fofona avy @ olona voan'ny cancer.
Maro koa ny biby no mahafantatra fa ho avy ny loza voa-janahary ka mandositra na koa miova fihetsika.
4. Tenio ( 01/04/2010 12:39)
raha marina ve zany tsy efa maty efa ela za, raha ny saka sy alika efa nanantona anà zany klé
5. xxx ( 01/04/2010 13:17)
Minomino foana izany amiko

Mandeha mankeny à izay ho faty ilay saka sa rehefa atonin'ilay saka dia maty !!!
Aza hadino fa eny @ beantitra ny toerana resahina , any @ lalan'ny efa mody

Ny alika mitomany valala dia rehefa misy olona efa miala aina
6. sakaizakely ( 01/04/2010 13:56)
Nahita an'io fandaharana io koa aho sy ny fanazavana nomen'ny mpanao siansa. Mistery mbola betsaka tsy takatry ny saina tsy vonona ny handefa eritretra lavitra fa mionona fotsiny amin'izay takatry ny orony ny fiainana..
Ny fiainantsika olombelona @ izao vanimpotoana mandroso be izao dia mampihataka antsika @ natiora.

Nisy mpizaha tany tany Indonezia tany taorian'ny tsunamis nahatraboina olona amanetsiny iny, nahita andian'olona monina anaty ala kitroka tamin'iny faritra iny. Tsy mifanerasera @ eny antanana fa tena mahaleo tena, miaina tanteraka @ zavaboahary, na sakafo, na trano onenana, na fitafiana. Manaja tanteraka ny tontolo iainany, mandinika ny manodidina. Miaina en totale autarcie izany. Nilaza ny rangahy lehibe fa ora vitsivitsy talohan'ny tsunami iny dia nirifatra nankany anivontany ny biby rehetra tao anala. Tsinjon'izy ireo avy lavitra ny nisintonan'ny ranomasina. Mora tamin'izy ireo ny nahalala ny dikan'ilay fambara, satria tsapany avy hatrany fa tsy normal ilay fisitonan'ny ranomasina tampoka teo. Tsy niandriandry ireo olona fa nanaraka ny fizoran'ny biby ho any anivon'ny tany kokoa. Avotra daholo izy rehetra tsy nisy naratra tsy nisy aina nafoy. Ny natiora hoy izy no nanambara taminay fa tandindondoza izahay, na tsy fantatray aza izay loza, dia nanao izay anavotana ny ainay izahay, nanaraka ny insctinct-n'ireo biby tao anala.
Tsy adala izany ireto biby, ka aiza ho aiza amin'izy ireo isika olombelona lazaina fa mandroso sy be fahalalana ? Tsy ananantsika intsony ilay atao hoe insctinct primitif sa inona no azo ilazana azy re...
Miaiky ny fahendren'ireo olona ireo aho, olona tsy mahay abidia, tsy mahalala Vola, tsy mahafantatra izay atao hoe fahefana, madio eritreritra, manana fiainana tsotra miray @ natiora, manaja sy mihaino izany dia izay no nanavotra azy ireo.
Aiza ho aiza amin'izy ireo isika ?
7. niryna ( 01/04/2010 16:14)
nannie:

... mahaliana... mahalasa saina... misaotra e !

tsy misy fisaorana e

8. niryna ( 01/04/2010 16:15)
rakapy:

Tena resaka marina io. Misy karazan'alika koa aza manao toy izany satria mahare fofona avy @ olona voan'ny cancer.
Maro koa ny biby no mahafantatra fa ho avy ny loza voa-janahary ka mandositra na koa miova fihetsika.

hay ve e,misaotra rakapy a

:-*
ilay alika mivovo mitomany valala no mba tiako ho fantatra fa hoe toa misy maty avy eo,sa tsy izay ilay izy
9. niryna ( 01/04/2010 16:19)
Tenio:

raha marina ve zany tsy efa maty efa ela za, raha ny saka sy alika efa nanantona anà zany klé

tsia ,tsy maty hianao fa mbola tsy tonga ny fotoana ka
resaka fitoerana misy ny be antitra no resahiko ary miompy saka sy alika ilay toby ka rehefa hadiva ho faty ny olona,tsy hoe akory isan'andro ilay izy no mitranga kosa e. Mandehandeha maka anjara masoandro eo ireo be antitra dia eo koa ny saka sy ny alika.Fa ny zavatra tsampan'ireo mpitsabo hoy aho dia misy saka manaraka hatrany an-trano mihitsy toa manka hery an'ilay olona,io olona io tsy mahalala fa dia manaraka azy fotsiny ilay saka ary dia mipetraka ao an-trano miaraka aminy eo,manorokoroka azy eo,miakatra eo ny rambony ary dia faly ery ilay antitra saingy rehefa hadiva ho faty ilay olona dia miverina any ivelany indray izy,izay ilay nolazaiko fa aleo azava tsara e ok ! :D

10. niryna ( 01/04/2010 16:26)
xxx:

Minomino foana izany amiko
ka na lazainao fa minomino foana aza ny olona ,nitranga ilay izy ka

Mandeha mankeny à izay ho faty ilay saka sa rehefa atonin'ilay saka dia maty !!!
eny e,aleo hoy aho hazavaiko kely fa mety tsy ho mazava aminao.Milalao eo an-jaridaina eo ny saka sy ny alika,ny be antitra maka anjara masoandro.Tsy ny be antitra rehetra no hiaraka ho faty eo noho eo.Tsia ,fa ny fofona misy amin'ilay olona izay tsy misy maheno fa ny saka ihany no maheno ilay chemical mivoaka ao aminy ,iny no anatonany ary iny no hijanonany.Raha ny fomba fiteny izany dia ilay mystery ataon'ilay saka ,manome hery,mankahery ilay olona hadiva ho faty,mijanona miaraka aminy eo,tsy mahafantatra ilay saka fa mangirifiry ,mijaly ilay olona saingy ilay fofona mivoaka,ny vatana manomboka mihasimba no fofona henony dia mahatonga an'ilay saka hanatona azy.Azonao amin'izay.

Aza hadino fa eny @ beantitra ny toerana resahina , any @ lalan'ny efa mody
tsia ,raha mbola tsy tonga ny anjarany dia mbola tavela eo izy.Tsy hiady varotra aho fa zavatra nitranga io ka nahatonga azy ireo nandinika ilay fomba ataon'ilay saka.

Ny alika mitomany valala dia rehefa misy olona efa miala aina
ok ,misaotra anao,io koa izao hianao milaza fa efa miala aina ilay olona,ahoana no ahalalan'ny alika an'ilay izy ,tsy ny fofona koa izany na misy feo mikiakiaka tsy misy maheno hafa tsy ilay alika ihany na misy fanambarana ka ilay alika ihany no mahalala azy.mystery izany rahavako :D


11. niryna ( 01/04/2010 16:34)
sakaizakely:

Nahita an'io fandaharana io koa aho sy ny fanazavana nomen'ny mpanao siansa. Mistery mbola betsaka tsy takatry ny saina tsy vonona ny handefa eritretra lavitra fa mionona fotsiny amin'izay takatry ny orony ny fiainana..
Ny fiainantsika olombelona @ izao vanimpotoana mandroso be izao dia mampihataka antsika @ natiora.
io ry xxx misy iray nahita ilay fandaharana mitovy ny lazaiko ihany koa


Nisy mpizaha tany tany Indonezia tany taorian'ny tsunamis nahatraboina olona amanetsiny iny, nahita andian'olona monina anaty ala kitroka tamin'iny faritra iny. Tsy mifanerasera @ eny antanana fa tena mahaleo tena, miaina tanteraka @ zavaboahary, na sakafo, na trano onenana, na fitafiana. Manaja tanteraka ny tontolo iainany, mandinika ny manodidina. Miaina en totale autarcie izany. Nilaza ny rangahy lehibe fa ora vitsivitsy talohan'ny tsunami iny dia nirifatra nankany anivontany ny biby rehetra tao anala. Tsinjon'izy ireo avy lavitra ny nisintonan'ny ranomasina. Mora tamin'izy ireo ny nahalala ny dikan'ilay fambara, satria tsapany avy hatrany fa tsy normal ilay fisitonan'ny ranomasina tampoka teo. Tsy niandriandry ireo olona fa nanaraka ny fizoran'ny biby ho any anivon'ny tany kokoa. Avotra daholo izy rehetra tsy nisy naratra tsy nisy aina nafoy. Ny natiora hoy izy no nanambara taminay fa tandindondoza izahay, na tsy fantatray aza izay loza, dia nanao izay anavotana ny ainay izahay, nanaraka ny insctinct-n'ireo biby tao anala.
misaotra anao nizara

Tsy adala izany ireto biby, ka aiza ho aiza amin'izy ireo isika olombelona lazaina fa mandroso sy be fahalalana ? Tsy ananantsika intsony ilay atao hoe insctinct primitif sa inona no azo ilazana azy re...
Miaiky ny fahendren'ireo olona ireo aho, olona tsy mahay abidia, tsy mahalala Vola, tsy mahafantatra izay atao hoe fahefana, madio eritreritra, manana fiainana tsotra miray @ natiora, manaja sy mihaino izany dia izay no nanavotra azy ireo.
Aiza ho aiza amin'izy ireo isika ?

:D
taloha kosa rehefa maka rivotra ireny izahay dia vao lavitra dia hita maizina be ny andro ary hita misy rivotra mitsoka moramora dia hoy ny olondehibe hoe andao hody fa ho avy ny orana.Tazana eny amorondranomasina eny ilay izy ,na zaza aza aho dia nahafantatra tokoa fa ho avy ny orana,indraindray misy ihany ny instinct ka.
Misy olona izao matanjaka be ny orony ka na lavitra aza dia maheno fofona izy,toa izany koa ny sofina ka na voalavo kely mandeha moramora ao an-trano azy henony.


12. ikaretsaka ( 03/04/2010 14:20)
misy capacite na sens hananan'ny biby tsy hananan'ny olona

toy ny hoe raha ho rendrika ny sambo dia ny voalavo no mitsoraka voalohany sy miala ny sambo

toy izany koa raha mipetraka akaikina renirano na rano ka manao andiany miakatra toerana avo ny sahona dia ho avy ny orana ary ho tondraka ilay rano filalaovany

Ny voay koa raha tsy miverina any anaty rano izy rehefa avy mitanin'andro eo imorony eo dia midika izay fa ho avy ny orana ary hiakatra ny rano
13. Ratoa ( 03/04/2010 23:47)
dia misy appareil kely mandeha pile, mandefa ultrason dia mandositra ny moka.
Dia misy koa raquette mandeha pile, mandefa ultrason hafa karazana indray dia miraikitra aminy ny moka paha -fatiny.
14. niryna ( 07/04/2010 02:51)
ikaretsaka:

misy capacite na sens hananan'ny biby tsy hananan'ny olona

toy ny hoe raha ho rendrika ny sambo dia ny voalavo no mitsoraka voalohany sy miala ny sambo
:D ahatsiarovako anay fahiny izany miampita baka,mila mitandrina tsara hoy ny olona fa mahita voalavo mandihy eny ambony rano hianareo.Ha,ha

toy izany koa raha mipetraka akaikina renirano na rano ka manao andiany miakatra toerana avo ny sahona dia ho avy ny orana ary ho tondraka ilay rano filalaovany
hay va re e,misaotra ika a
ho avy ny orana raha mivoaka ilay lolokely manidina any anaty lavaka

Ny voay koa raha tsy miverina any anaty rano izy rehefa avy mitanin'andro eo imorony eo dia midika izay fa ho avy ny orana ary hiakatra ny rano

misaotra betsaka

:-*
15. niryna ( 07/04/2010 02:55)
Ratoa:

dia misy appareil kely mandeha pile, mandefa ultrason dia mandositra ny moka.
Dia misy koa raquette mandeha pile, mandefa ultrason hafa karazana indray dia miraikitra aminy ny moka paha -fatiny.

misaotra Ratoa a
ny efa itako dia eny ambanivohitra dia asian'ny olona appareil kely izy miraikitra amin'ny rindrina dia mandositra tsy tonga eo ny voalavo.Tsy misy maheno feo ny olona fa ilay voalavo kosa dia maheno feo.
Fa ity koa tsotra kely rehefa tsy tiana hohanin'ny moka ny vahiny dia asiana ravim-boatabia ao an-trano.Hotazana ilay izy dia apetraka eraky ny trano fa tsy manaikitra ny moka

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4665