fitiavana 40 ans

1. xxx ( 12/03/2010 06:35)
efa mba fantatrareo ve zany oe refa tonga eo @ 40 ans eo ny olona (na lahy io na vavy ) dia manomboka miredareda be ndray hono ny afompitiavany ! ary tonga masiaka sy mirangorango ôtran\'lé fitiavana tany @ 18 ans hono !!marina ve zany ??
répondu par siga_soa le 13/06/2012 12:20
2. navigo ( 12/03/2010 09:37)
Zay le oe "crise de quarantaine", grave alou ny tratran' io e, fa ao anatin'ny fiainana dôl zany, refa afaka le crise d miverina norm @ zay fa misy mpivady misaraka mihintsy nefany an
3. Mirananirina ( 12/03/2010 10:28)
hay ve misy an'izany eh?ary za mieritreritra hoe foana2 fa tsy 40 ans fotsiny :)
4. Djhamhal ( 12/03/2010 11:32)
hay ve ka misy an'zany koa é!dia maharitra firy taona eo ho eo izy io ?? zany oe 40 jusqu'à firy ???
5. navigo ( 12/03/2010 12:30)
Le iz tsy votery oe à 40ans no manomboka fa mety + na - 5 eohoeo, tsy votery koa oe tsy maintsy mandalo @ zany an, fa za alou d' efa tratra , soa ihany fa za no tratra fa tsy rafotsy LOL, fa vetivety d afaka kah eo @ 3 na 5 taona ra afaka sinon tena lasa
6. Mirananirina ( 12/03/2010 12:42)
Le iz tsy votery oe à 40ans no manomboka fa mety + na - 5 eohoeo, tsy votery koa oe tsy maintsy mandalo @ zany an, fa za alou d' efa tratra , soa ihany fa za no tratra fa tsy rafotsy LOL, fa vetivety d afaka kah eo @ 3 na 5 taona ra afaka sinon tena lasa
zany hoe kely sisa dia hanomboka ny ahy :lol:
7. vale ( 12/03/2010 15:39)
miramirana: :-D :-D :-D
xxx: tena marina toko fa misy ono io crise de la quarentaine io a! lol
8. Djhamhal ( 13/03/2010 13:12)
tô efa tazako sy efa tsinjoko !hi hi hi !!!!ndé hiverina 25 ans ndray za klé! :-D :lol: :lol:
9. soanja ( 13/03/2010 17:01)
xxx:

efa mba fantatrareo ve zany oe refa tonga eo @ 40 ans eo ny olona (na lahy io na vavy ) dia manomboka miredareda be ndray hono ny afompitiavany ! ary tonga masiaka sy mirangorango ôtran\'lé fitiavana tany @ 18 ans hono !!marina ve zany ??


Isan-karazany ny fisehon'ny " midlife crisis" na " Onjam-piainana Mitambolona Taona Avo Sasaka" na OMTAS( azafady io no iantsoako azy amin'ny teny gasy, afaka mamorona ny anao koa ianao).

Tsy voatery tonga amin'ilay fitiavana miredareda akory fa ny fiantombohany matetika dia eo amin'ny faha-35 taona eo; miverina matetika ao aminao ny nofy misy ny fiainanao fahazaza na fahatanora: ireo ventsoventsom-piainana mitambolona noheverina hokosehina hatrizay. Manomboka manontany tena momban'ny fisianao eto an-tany ianao ary inona no tokony atao raha tsy afapo amin'izay misy amin'io fiainanao io amin'izao fotoana izao. Amin'io taona io no mifindrafindra finoana ary mitety fiangonana na miditra sekta ny iray indraindray. Nefa ao koa ireo izay te hioitra amin'ny seho ivelany ka miakatra ny tahotra ny ho antitra. Misesika ny fitiavana te ho hitan'ny olona indray sy hotiavina mavaivay. Ovana noho izany na ny fiseho ety ivelany ka ao ny manova "look" na volo na paozy ary ao ny mavitribitrika amin'ny zavatra isan-karazany, satria ny vatanao koa dia mitaky izany.

Tafiditra ao anatiny io koa ny te hanova zavatra misy eo amin'ny fiarahamonina ary miditra ny fitiavana hanao politika/ fikambanana sosialy amin'izay.

Raha tsy tanany ny fandehany na " out of control" ilay olona andalovan'io OMTS io satria tonga hatrany amin'ny faha-55 ilay izy indraindray dia vitany tokoa ny manary ny rehetra efa niorina eo aminy satria te hiova fenitra goavana izy. Olombaovao izy amin'iny fotoana iny.

Tsy misy omentsiny anefa izany fa izay no fombam-piainana misy amin'olombelona. Ao ny manorina vaovao ary ao ny miafy amin'izay efa misy. Indray mandeha ihany tsinona isika no mitondra iny vatana iny amin'iny anarany iny ka dia azo heverina fa mihelina ny fiainana.

Any amin'ny faha-60 taona any izy vao milamin-damina amin'izay. Raha mbola mitohy izany anefa dia manana olana emosionaly ilay olona iray ka nipaka any amin'ny atidohany ny takaitran'izany ka tsara raha manantona dokotera mpitsabo manaramaso izany.

Mba hanamorana ny fandalovana ny OMTS dia fifampiresahana lalandava amin'ilay nomenao ny safidinao iara-dalana aminao. Manorina tanjona iray atao ho fototra iorenan'ny ho avy ianareo roa. Manoratra diary mirakitra ny hetahetam-ponao mba hivoaka sy hivaingana. Ary indrindra manome fotoana ny tenanao mba hitia ny tenanao ao anaty fandinihina sy filaminan-tsaina voakajy.



10. rhanitra320 ( 13/03/2010 20:10)
Tena marina:mora tia olona be ohatry ny taminy 18 ans dia tena miaiana ilay fitiavana ohatry ny t@ ado mitsy:lasa gaigigaigy @ ilay olona , jejojejo ohatr'i reny ado vao amoureuse ireny mitsy é; envahissante hafahafa zany, toa manjary jalouse tampoka eo ,miverina tanora re e
nandalovako mitsy !!

za ry reto gaga hoe fa inona koa ty manjo??? Miverina ado ilay sentiment , mahafinaritra aloha é
11. Mirananirina ( 15/03/2010 10:15)
miramirana:
xxx: tena marina toko fa misy ono io crise de la quarentaine io a!
hihiefa miandy an'io aho Vale :)
za ry reto gaga hoe fa inona koa ty manjo??? Miverina ado ilay sentiment , mahafinaritra aloha é
:-D :-D :-D ny ahy indray ohatra ny mahafinaritra foana aloha hatramin'izay ka hatramin'izao :)
12. kala ( 24/03/2010 08:42)
xxx:

efa mba fantatrareo ve zany oe refa tonga eo @ 40 ans eo ny olona (na lahy io na vavy ) dia manomboka miredareda be ndray hono ny afompitiavany ! ary tonga masiaka sy mirangorango ôtran'lé fitiavana tany @ 18 ans hono !!marina ve zany ??


marina daholo zany é!

Tsy misy kianina. Jamais vecu an fa efa nahita olona niaina sy nitantara izany.

Tsy misy fanafody io fa dia mandalo fa tandremo sao tavela eo



13. lako ( 31/03/2010 07:17)
Tena misy io!! fa raha mahatsiaro tena enao fa tonga @ io de tokony ho hainao ny tsy hampasika be azy! tsy voatery hoe: fitiavana sipa fôna koa le izy fa ao koa ny lasa misotro tôka be na mifoka be na lasa mpiloka be na mpanao pôlitika be sy mpanoratra be........... fa ny sipa no tena manahirana hono satria matetika tsy mahatanty ny vady de misaraka!
Mahereza de mandinia tena tsara!!!
14. LAVASANGA ( 09/04/2010 09:43)
REHEFA TONGA @ IO TAONA IO DIA HO ITA EO IHANY ZANY E. IZA NO MAHITA RA TSY MAHATRATRA IZANY TAONA IZANY AKORY ?
15. Ratoa ( 12/04/2010 23:34)
mba mahita solon'anarana koa itony olona "lavasanga" hono rehefa kelikely angamba hisy "lavatongotra" hihihihi :lol: :lol: :lol: :lol: :lol:
16. fitia2006 ( 27/04/2010 14:31)
za in1 aloha de mieritreritra fa refa tonga @ io taona io de ny avenir n'ny ankizy no tena mameno ny saina , ny fanomanana ny retraite satria amiko dia on prépare la retraite au moins dix en avance , mba efa mahatsangana trano ohatra na tsy haiko e fa tsy hiverin-dalana ho lasa adala eo , ra 25 ans mantsy enao no manambady de efa adolescents ny zanakao eo ka manahirana be ny mitaiza azy ; eny e marina alou fa taraiky vao manambady zao ny olona nefa na izany aza tsy tokony hibahana be izany crise de quarantaine zany
17. siga_soa ( 13/06/2012 12:20)
Zava-misy izy io ary nandalo tamin'izany koa aho. Finaritra be aho niaina tanatin'ilay fotoana rehetra ary lasa nihevitra ho toy ny ankizy any @ Lycée izahay. Fa araka ny tenin'ny namana teo aloha dia mila mahay mandanjalanja tsara sao dia rava daholo ny nahorina nandritra ny fotoana ela.
Manadalo ilay izy kanefa ianao ihany no afaka mamefy sy mamarana azy.

fitia2006:

za in1 aloha de mieritreritra fa refa tonga @ io taona io de ny avenir n'ny ankizy no tena mameno ny saina , ny fanomanana ny retraite satria amiko dia on prépare la retraite au moins dix en avance , mba efa mahatsangana trano ohatra na tsy haiko e fa tsy hiverin-dalana ho lasa adala eo , ra 25 ans mantsy enao no manambady de efa adolescents ny zanakao eo ka manahirana be ny mitaiza azy ; eny e marina alou fa taraiky vao manambady zao ny olona nefa na izany aza tsy tokony hibahana be izany crise de quarantaine zany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2552