apandesita

1. bobone ( 19/02/2010 06:30)
Misy toro-hevitra omeko anareo voan'ny apandesita !
maka haranan'akoho gasy ! dia esorina na endahana ilay haranany misy malotoloto iny ! sasana tsara ! ary ilay haranany avy nendahana iny no hamainina tsara dia kosehana hatao poudre malemy . hampangotrahana ny rano dia rehefa avy mangotraka dia maka 1/2 vera , avela ho matimaty !, harotsaka ao ilay poudre (haranany) iny dia sotroina!!! mandritra ny herinadro enao manao azy! izany hoe haranana akoho 1 isan'andro no ho sotroina!!!
raha herinadro zany dia haranana akoho 7!
mety tsy haraka moa ny hividy akoho 7 izany fa mandehana @ ireny mpivarotra akoho voahala volony ireny dia mangataha fa manome ry zareo ! aty aminay efmahafantatra ry zareo mpivarotra dia tonga dia manome!!!

NB: tsy ilay nofon'haranany no izy sao diso fandray fa ilay hodiny ao anatiny iny ilay misy malotoloto iny sasana tsaraizy rehefa avy endahana ary hamainina !!! andramo fa nahasoa ahy mantsy izy ity ka omeko anareo ! misy ny olona in-3 misotro dia efa tsy maninona ! arakarak'ilay aretina ao @ olona izy fa ny ahy aloha herinadro no nanaovako azy!
raha avy manao ianareo dia manaova analizy fa hitanareo ny fahatsarany!!!
mirary soa e!ho an'izay voa mba ho sitrana soamantsara e!
répondu par bobone le 25/03/2010 07:47
2. Djhamhal ( 19/02/2010 07:00)
ms'ôtra betsaka am lé torohevitra ; fa ny blème de aty tana tsy misy misy mivarotra lé haranany akoho gasy ! fa poulet de chair no betsaka ! misy milaza fa we akoho gasy nefa mamitaka ry zareo ! sa mety ihany na poulet de chair aza ??
3. bobone ( 22/02/2010 05:48)
Djhamhal: tsy misy fisaorana ô! fa izao ! misy namanay izay tsy nahita akoho gasy izy dia ireny poulet de chair ireny no nataony dia nety kah! tena raha dinihana izany rehefa haranany akoho dia mety avokoa!
afaka manafatra @ ireny mpivarotra ireny enao ! any an-tranony mantsy ry zareo no mamoly ireny akoho ireny dia tsy entiny eny an-tsena ilay haranana akoho , maloto iny fa ariany dia manafara fa omendry zareo indrindra moa hoe hatao fanafody izany! dia mirary soa hatrany e! :D :D
4. jarifa ( 22/02/2010 07:42)
Merci @ ilay torohevitra fa tsara ho fantatra, fa mba misy fanotaniana kely
Raha ny fahafatarako ny apandesita mantsy di " kambotsinay feno loto toy ny fasika sy ny karazany ka rehefa feno loatra izy dia iny ilay miatomboka marary ka mila alana tao"
fanontaniana dia rehefa misotro io zavatra io ve dia levona tsy misy intsony ilay izy sa dia mijanona tsy marary fotsiny ilay izy ka mbola mila didiana?
merci
5. xxx ( 23/02/2010 00:35)
Fa taiza no nahaizanareo an'zany?
Mety azavaina scientifiquement ve? Fa mahalasa saina ihany lay izy
Mety hoe misy composant @iny nofo iny mandevona ny malotoloto sa
6. bobone ( 23/02/2010 06:12)
jarifa:
Raha ny fahafatarako ny apandesita mantsy di " kambotsinay feno loto toy ny fasika sy ny karazany ka rehefa feno loatra izy dia iny ilay miatomboka marary ka mila alana tao"
fanontaniana dia rehefa misotro io zavatra io ve dia levona tsy misy intsony ilay izy sa dia mijanona tsy marary fotsiny ilay izy ka mbola mila didiana?

tena marina izany fa io vovona haranana akoho io efa nafangaro rano avy nampangotrahana tsara dia sotroina io an! tonga dia mandravina na mandevona avy hatrany ny apandesita !!! tsy mila fandidiana intsony ! somary mangidingidy izay ny tsirony !!!

xxx: efa ela no hain'ny olona izy io taty aminay fa izahay no tara vao nahalala izany hoe voa vao nikprapaka!!! nisy ankizy kely efa nanao krizy be t@ io apandesita io ary efa niakatra bloc ho didiana no natoron'ilay mpivarotra akoho hoe ity hatao haingana fa afaka io ! dia tsy nisalasala ilay raiamandreny nanao sy nanaraka izay torohevitra rehetra dia tena afaka tokoa ! ny porofo fa tena afaka dia nanao analizy indray ary tena tsy nisy intsony ilay apandesita ! vao naheno iny ny olona dia nanafatra haranana akoho maro be !

Marihiko aminao fa tsy ilay nofony iny akory no alaina fa ilay haranany ao anatiny izany hoe ilay hodiny ao anatin'ny haranany iny no alaina ilay misy loto be dia be iny no sasana tsara , endahana dia hamainina tsara ary kosehina hatao poudre tsara ! haranana akoho iray isan'andro mandritra ny herinandro no sotroina tsy tapaka fa hitanao ny fihovany . izaho mantsy efa voa dia nanao ary tena afaka tanteraka ! tsy mangotsoka intsony ny tongotro sy ny ilan-kibo sady nanao analizy fa tsy misy e! aleloia
7. jarifa ( 23/02/2010 08:50)
Misaotra @ toro-hevitrafa mazava tsara. aleo fa omena io toro - hevitra io izay namana voa. mahereza daholo
8. bobone ( 26/02/2010 06:44)
jarifa: tsy misy fisaorana akia an! fifanampiana no ilaina eto ary ny irina dia tsy ho voadidin'ny antsy intsony ny olona !!! dia mirary soa ho an'izay voa ! bizzz njy :D :D
9. jarifa ( 27/02/2010 07:53)
bobone:

jarifa: tsy misy fisaorana akia an! fifanampiana no ilaina eto ary ny irina dia tsy ho voadidin'ny antsy intsony ny olona !!! dia mirary soa ho an'izay voa ! bizzz njy :D :D



ok raha misy zavatra mahasoa dia alefaso ihany fa mahafinaritra, fa sao mba mahalala fanafody aty aloha njy fa io no tena ilaiko zao e? na vavony. merci
10. fali ( 03/03/2010 06:36)
salama njy ! ela ela aky zany ! tena mahasoa be aky ilay toro-hevitra fa de misaotra betsaka, de mahatratra firy andro eo iny izay vao tena maina tsara ?de mety lasa tena poudre mihintsiny izany iny avy eo ? mirary soa aky a
11. ikaretsaka ( 03/03/2010 13:01)
De ahoana ho an'ny efa voadidy?
12. bobone ( 05/03/2010 05:59)
jarifa: tsy misy fisaorana akia fa milaza eto ihany zaho rehefa misy zavatra mahasoa .fa ny vavony indray no fantatro dia ovy manta voasina dia sasana tsara ary tena hohanina @ izao !!! fihazana tsara ny ranony ary hatelina fa mahafaka koa io ! andramo aloha fa izaho efa voa koa dia hitako nahatsara ahy ilay izy !!!

Fafi: ela tokoa akia ! tsy misy fisaorana akia an! fa izao tsy ela io dia maina fa vetivety kely andro iray ihany aza raha ohatrany aty aminay mafana be !
sarotsarotra ihany ny mikosoka azy fa tahaka ireny fasika ireny !! fa miezaka izany manao ny fomba hahapotika azy tanteraka! dia izay .


ikaretsaka: rehefa voadidy moa dia efa izay zany no anjara e! fa mila mitandrina tsy manao zavatra mafy fotsiny satria saropady ny olona avy nodidiana @ asa mafy ! mila mitandrina tsara !!!fara-faharatsiny 3 mois tsy manao zavatra mafy arah 6 mois dia efa mba izy kosa e!
misaotra betsaka anareo rehetra e! mirary soa hatrany
13. Djhamhal ( 06/03/2010 06:22)
lay haranany avy nendahana iny no hamainina tsara dia kosehana hatao poudre malemy

tsy azoko kely ! azo totoina @ laona kely reny zany ? sa tsy maintsy tavoahangy no hikosehana azy !
misôtra batsaka é!
14. bobone ( 08/03/2010 04:50)
Djhamhal:
mety totoina @ laona fa sasana tsara dia maina tsara vao totoina an! raha kosehina @ tavoahangy koa mety kah fa somary manahirana ilay mikosoka azy fa mafimafy ilay izy tahaka ireny fasika ireny dia mirary soa e!
15. niryna ( 13/03/2010 04:35)
bobone:

Djhamhal: tsy misy fisaorana ô! fa izao ! misy namanay izay tsy nahita akoho gasy izy dia ireny poulet de chair ireny no nataony dia nety kah! tena raha dinihana izany rehefa haranany akoho dia mety avokoa!
afaka manafatra @ ireny mpivarotra ireny enao ! any an-tranony mantsy ry zareo no mamoly ireny akoho ireny dia tsy entiny eny an-tsena ilay haranana akoho , maloto iny fa ariany dia manafara fa omendry zareo indrindra moa hoe hatao fanafody izany! dia mirary soa hatrany e! :D :D


misaotra aky bobone nizara a,izaho koa vao saika anontany hoe raha tsy mahita akoho gasy ? andefaso aho e,ha,ha
vao avy nanao lasopy aho izaho ary natsiro mihitsy ilay izy rehefa nohalemena kelikely vao narotsaka ny karazana legumes anaovana lasopy niaraka io harananan'akoho io dia mbola nisy ihany koa nataoko ritra dia nasiako saosy navet na tongolo maintso be ireny sy tongolo miaraka ny curry fa tena natsiro.
Aty aminay mantsy misy mivarotra ireny mitambatra fa mba nanandrana nividy aho androany.

Tsara ho fantatra fotsiny ilay fanafody fa mbola tsy misy marary ny apandesita aloha izahay
misaotra aky a
:-* :-*
16. bobone ( 25/03/2010 07:47)
niryna: hmmmmm tsy misy fisaorana akia an! misaotra ny Tompo izany fa tsy mbola nisy voa ianareo ! fa raha mahita olona voa dia atoroy azy io fa tena efficace !!!
matsiro ange zany sakafo lazainjy zany e! hmmmmmmm mampilendalenda an!
mirary soa e! :D :D :D :D :D :-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2716