ahoana ny vehitrareo

1. bobone ( 02/02/2010 07:12)
ity mba misy korana kely !
Nisy lehilahy manambady ! tiany be ny vadiny ary tena miaraka foana izy roa , taty aoriana anefa dia nisy vehivavy nanantona ilay vadin'ilay rangahy nilaza hoe : ny vadinao manadala ahy ka teneno mafy !!! dia hono hoy aho raha ianareo no teo @ toerana ahoana no mety fihetseham-ponareo manoloana ilay vehivavy sy ny resany ! nefa tsapan'ilay vehivavy fa toetra tsy dia vitan'ny vadiny loatra izany mampirafy izany satria tena tia azy loatra izy !!!ahoana ny vehitrareo!!!!.
répondu par Makouto le 29/04/2010 21:58
2. bobone ( 02/02/2010 07:19)
:D :D :D :D fanintsiana kely Hevitrareo no tiako hambara fa tsy vehitrareo
hihihihi miala tsiny tompoko isany :( :) :) :)
3. diamondra27 ( 02/02/2010 07:28)
tsy misy afa tsy ny miresaka ihany akia a, dia henoy zay lazain'ilay vady dia henoina koa ny feo mandeha
4. soanja ( 02/02/2010 12:46)
bobone:

ity mba misy korana kely !
Nisy lehilahy manambady ! tiany be ny vadiny ary tena miaraka foana izy roa , taty aoriana anefa dia nisy vehivavy nanantona ilay vadin'ilay rangahy nilaza hoe : ny vadinao manadala ahy ka teneno mafy !!! dia hono hoy aho raha ianareo no teo @ toerana ahoana no mety fihetseham-ponareo manoloana ilay vehivavy sy ny resany ! nefa tsapan'ilay vehivavy fa toetra tsy dia vitan'ny vadiny loatra izany mampirafy izany satria tena tia azy loatra izy !!!ahoana ny vehitrareo!!!!.

Tsy misy toetra tsy vita izany rehefa teren'ny zavamisy. Ny Fitiavana dia ahavitana mamindra tendrombohitra iray hoy ny fiteny. Ny fitiavan'ny mpivady koa dia tsy misakana ny tsy fisian'ny faniriam-pitiavana any ankafa amin'ny olona sasany.

Araky ny voalazan'i Diams hoe ny mifampiresaka ihany no mety amin'ny samy mpivady ary ampifanatrehana rehefa tena mbola mi-insiste ilay vehivavy. Fa raha izaho na nisy izany na tsy nisy dia tsy ataoko mampifezaka ahy sy hanimbako ny tokatranoko izay faniriana mandalo any. Ny miorina dia aoka ho tsara ny fototra!

5. pikatti ( 02/02/2010 13:37)
nefa tsapan'ilay vehivavy fa toetra tsy dia vitan'ny vadiny loatra izany mampirafy izany satria tena tia azy loatra izy

Sarotra be ny mino an'izany ry bobone, misy kôfy anie ka hotran'izany e, hotran'ireny tsy mahasahy mijery sipa ireny ery rehefa eo ny vadina fa vao dila iny de zay fa midingin-drambo, malemy mantsina :roll:
Ary matoa io ramatoa nanatona anao io nilaza fa nanadala azy ny vadinao fa teneno mafy dia tao raha :idea: fa na izany na tsy izany aza ,,,iza moa no tsy solaka kely teo @ fiainana ,,, fa tohizo ny fiainam-pianakavinareo , reveo manja fotsiny dia ho hitanao eo ihany raha sendra solaka iny na efa fombany fanaony, io fifampiresahana sy fifampitokisana io hatrany no kofehy mamatotra ny fifankatiavanareo mivady
6. maeva74 ( 02/02/2010 19:03)
bobone:

ity mba misy korana kely !
Nisy lehilahy manambady ! tiany be ny vadiny ary tena miaraka foana izy roa , taty aoriana anefa dia nisy vehivavy nanantona ilay vadin'ilay rangahy nilaza hoe : ny vadinao manadala ahy ka teneno mafy !!! dia hono hoy aho raha ianareo no teo @ toerana ahoana no mety fihetseham-ponareo manoloana ilay vehivavy sy ny resany ! nefa tsapan'ilay vehivavy fa toetra tsy dia vitan'ny vadiny loatra izany mampirafy izany satria tena tia azy loatra izy !!!ahoana ny vehitrareo!!!!.

(l) (l) (l) (l) Fitiavana ,fitiavana! raha ny resak´olona no henoina de angamba efa in-jato niova vady daholo ny rehetra, mifampijery ary ny sasany, lazain´ny mpandalo fa misy tantara hiraisana hihihi. Maro be mihitsy ny olona no mahay manafy tay an-tsalaka toy ny resak´i Andriamatoa Pikatti hihihi. Maro ny raha hita vao antitra hoy ny Ntaolo e! Mandinika angeh ry zareo ny Ntaolo e!!
Rehafa vonona ny hiara-dalana hono dia izay mifampatoky, ny fahasarotam-piaro halavirina. Moa rehefa tsy tanty intsony dia ataovy toy ny " Tanala very sampy ka ny manova no mety e!!
Mirary soa ho an´ilay olona niharan´ilay tantara e!! courage hono e! fa fombany io
7. ni81 ( 02/02/2010 19:27)
Sarotra be ny mino an'izany ry bobone, misy kôfy anie ka hotran'izany e, hotran'ireny tsy mahasahy mijery sipa ireny ery rehefa eo ny vadina fa vao dila iny de zay fa midingin-drambo, malemy mantsina
tena betsaka marina ny olona manao toa io an!
8. soanja ( 03/02/2010 01:45)
pikatti:

Io fifampiresahana sy fifampitokisana io hatrany no kofehy mamatotra ny fifankatiavanareo mivady

:-* (l) Marina an'io!
9. xxx ( 03/02/2010 02:11)
bobone:

ity mba misy korana kely !
Nisy lehilahy manambady ! tiany be ny vadiny ary tena miaraka foana izy roa , taty aoriana anefa dia nisy vehivavy nanantona ilay vadin'ilay rangahy nilaza hoe : ny vadinao manadala ahy ka teneno mafy !!! dia hono hoy aho raha ianareo no teo @ toerana ahoana no mety fihetseham-ponareo manoloana ilay vehivavy sy ny resany ! nefa tsapan'ilay vehivavy fa toetra tsy dia vitan'ny vadiny loatra izany mampirafy izany satria tena tia azy loatra izy !!!ahoana ny vehitrareo!!!!.

http://www.dailymotion.com/video/x2jey7_lalatiana-avelao_music

aza lany andro miteny ahy
izaho tsy miova fa tia azy
fa sao lazainao vazivazy
tsy anio ihany fa ho doria
hoy ianao :" izy anie maditra
toa tsy misaina anao akory
ny alina izy tsy matory
fa dia milalao fitia"

ref:
avelao aho sy ny fitiavako
hiara ho faty
fa na marina aza izay lazainao
tsy maninona f’aleoko ihany miaritra
anaty fitiavana
lalina ka avelao

hoy ianao :"izy anie maditra
toa tsy misaina anao akory
ny alina izy tsy matory
fa dia milalao fitia"
aza tantarainao ahy intsony
ny toetrany tsy tantinao
tsy mampaninona ahy izany
tiako izy ampy izay
10. Mirananirina ( 03/02/2010 10:25)
Nisy lehilahy manambady ! tiany be ny vadiny ary tena miaraka foana izy roa , taty aoriana anefa dia nisy vehivavy nanantona ilay vadin'ilay rangahy nilaza hoe : ny vadinao manadala ahy ka teneno mafy !!! dia hono hoy aho raha ianareo no teo @ toerana ahoana no mety fihetseham-ponareo manoloana ilay vehivavy sy ny resany ! nefa tsapan'ilay vehivavy fa toetra tsy dia vitan'ny vadiny loatra izany mampirafy izany satria tena tia azy loatra izy !!!ahoana ny vehitrareo
dia asaina mihaona izy 3 ahalalana ny marina raha izaho ilay vhv.
11. vale ( 03/02/2010 11:18)
ity mba misy korana kely !
Nisy lehilahy manambady ! tiany be ny vadiny ary tena miaraka foana izy roa , taty aoriana anefa dia nisy vehivavy nanantona ilay vadin'ilay rangahy nilaza hoe : ny vadinao manadala ahy ka teneno mafy !!! dia hono hoy aho raha ianareo no teo @ toerana ahoana no mety fihetseham-ponareo manoloana ilay vehivavy sy ny resany ! nefa tsapan'ilay vehivavy fa toetra tsy dia vitan'ny vadiny loatra izany mampirafy izany satria tena tia azy loatra izy !!!ahoana ny vehitrareo!!!!.

lasa ohatra ny hoe mampiady an'ilay mpivady ilay vehivavy, fa maninona raha tsy ilay lhl no teneniny mafy hoe efa manam-bady ianao ka aza manadaladala ahy fa hajao ny vadinao, dia basta! fa manome fo an'ilay tompom-bady fotsiny!! :?
Izay ny fahitàko azy klo an!!!!!! :wink:
12. soanja ( 03/02/2010 23:41)
vale:

Ny mampalahelo amin'ny toetrantsika anie indrindra ny vehivavy no resahiko dia tsy mahatanty izy mahita fa mifankatia ny olona roa ary indrindra raha mpivady e. Zarany aza nisy zavatra entiny androdanana izany filaminam-piainana izany. Misy amintsika olombelona tokoa io toetra ary indrindra ny efa hitako dia ilay fitia te hiteny hoe babonay ny vadinareo amin'ny fomba ankolaka.

13. Ratoa ( 04/02/2010 00:10)
Ra-bobone a!
Olona mandrangitra fotsinyizanydia eo ilay tompom-bady dia hamorona ady fotsiny eo. Samy olon-dehibe ve dia mila mpanelanelana? Fa maninona raha teneniny ilay rangaha fa nahoana izy mankaty amin'ny tompom-bady, Tsotra ny valiny, mitsapa izy raha mora tezitra sy arirarira ilay vhv tompom-bady ka ahitany irika amikirana amin-drangahy;
Raha izaho izany dia valiako hoe:"henoy izany ra-hazondamosiko!" Dia arahako maso ilay ramatoa. Tena kalama fotsiny aho hijereko izay tena fietsiny.
14. Seeno ( 04/02/2010 06:30)
ten fitiavan t hampiand fotsin kouh zan, met iz no nanadal n vadinao ka ts zakn d an @nao dray iz no manok resk hampiadivan anareo, rah za enao ts vakina loh zan, nef araho mas akaik ihan n vadinao sao d manao izan tokoa, ts fantatr e! Az reshan @vadinao akory, atov hoatrin ts nis, f zay le oe arah mas akaik fots n d zay, fa las mapikorotn n fiainn ef mlamna tsar sad n fetin pifankatia ti ho avy ka mazto r'se ah!
15. vale ( 05/02/2010 12:15)
Ny mampalahelo amin'ny toetrantsika anie indrindra ny vehivavy no resahiko dia tsy mahatanty izy mahita fa mifankatia ny olona roa ary indrindra raha mpivady e. Zarany aza nisy zavatra entiny androdanana izany filaminam-piainana izany. Misy amintsika olombelona tokoa io toetra ary indrindra ny efa hitako dia ilay fitia te hiteny hoe babonay ny vadinareo amin'ny fomba ankolaka.

Soanja> tena marina mihintsy izany, ary betsaka tokoa ny vhv manao an'io toetra io an, tena mampalahelo.
16. bobone ( 05/02/2010 13:17)
Misaotra anareo rehetra namaly ! fa mba hambarako anareo ny nanaovako azy!
izaho moa vao niteny io resaka io ity vhv ty dia nikakakaka ny fihomehezana aho ; zaho mantsy olon'ny fihomehezana ! mistiky lava ,fa tsy taitra satria haiko loatra ny toetran'ny vadiko!! zaho koa hainy tsara ! ny hany namaliako azy dia izao!!! tianao angaha izy iny no milaza izany amiko enao !!! raha tianao izy dia eto aty amiko miresaka isika 3 hoe inona ny antony itiavanao azy ! inona no nataony taminao hifanatrehana tsika eto raha ity hoy ianareo nihodikodina ilay ramatoa!!! avy eo nantsoiko mangingina ny ramos dia nilazako azy ny resaka nataon'ilay vhv dia gaga be izy hoe inona tsara an! zaho io hoy izy tsy nilaza izany taminy akory ka inona ity lazainy, adala angaha ty ! dia hoy zaho hoe mitandrema ary sao tafatsobola @ mahamay ka ho kila forehitra eo , tandremo sao manary ny akoho taman-trano ka manome anjara tsara ny hafa sady nihomehy zaho no nitsiky !!!! rehefa eo ilay vhv dia fanahinian'i Rams mihintsy ny miantso ahy hoe cherie malala an! sns e hihihih dia lasa fihomehezana fotsiny sisa ! zaho koa moa mpananihany dia mamaly ilay resaka hoe ahoana letsy cherinakay an! hihihi menamenatra be ilay ramatoa dia lasa nitritra nandeha !!!!
ary tena marina ny teninareo hoe mahita ny fahatsaranao sy ny fifankatiavanao ny sasany dia mitady handrava fotsiny ! tsisy io!!!!
17. xxx ( 05/02/2010 20:16)
soa ihany ianao fa olona misaina ka tsy nampiseho fo narary teo anatrehan'izy 2. ary tsoriko aminao fa tena misy tokoa ny vhv tsivanona te handrava tokantranon'olona toa izany. ny mety nahatonga azy nanapa-kevitra niresaka taminao io zvtr io angamba ra ny fahafantarako azy dia mety nanome plaisir be an'i rms izy dia nanantena saosy be rehefa avy eo! kay nifirany! lol. mahereza.
18. Seeno ( 07/02/2010 11:41)
Tsara zany fa nilamina tsara ny anareo, tena mbola betsaka mintsy ny vhv malagasy no manambany tena manao toetraina tsy medrika toa izany, le olombelona anie de tsy mba mifaly @zay kely ananany fa de tsy maintsy mitsiriritra ny any olona foana de raha tsy izay de manakorotana ny fahasambarany hafa, nefa tsy mety izany fa tokony hoe miezaka manatsara ny any tena sady ifaliana izay kely ananana, eny, izay angamba le fiainana na efa voahozona mintsy isika gasy. Tena mahagaga mintsy.
19. soanja ( 07/02/2010 15:10)
vale:

Ny mampalahelo amin'ny toetrantsika anie indrindra ny vehivavy no resahiko dia tsy mahatanty izy mahita fa mifankatia ny olona roa ary indrindra raha mpivady e. Zarany aza nisy zavatra entiny androdanana izany filaminam-piainana izany. Misy amintsika olombelona tokoa io toetra ary indrindra ny efa hitako dia ilay fitia te hiteny hoe babonay ny vadinareo amin'ny fomba ankolaka.

Soanja> tena marina mihintsy izany, ary betsaka tokoa ny vhv manao an'io toetra io an, tena mampalahelo.

Tantaraiko zavatra ianareo.

Misy an'izay mpivady izay zany; ilay rangahy ratsy tarehy be izay fa ilay ramatoa kosa hakanton'olona izany! Dia soa hoy ny Betsileo izay! Ry zareo tsy hoe manakarena be manao akory fa fonksionera mahazatra ihany. Ilay rangahy somary tia vehivavy izay ihany saingy mahalasa adala azy koa ny vadiny araky ny tantarany. Fa hoy ianao, nifandrombahan'ny sipa mihitsy ity rangahy ity ary dia niezahin'ny sasany mihitsy izay hampisaraka azy ireo. Ilay ramatoa moa tsy nahatanty dia nisintaka ary niala lavitra ilay toerana. Nalahelo be ilay rangahy saingy tsy nety nampody mihitsy ilay ramatoa, ry zareo efa niteraka tamin'io dia notaizan'ilay ramatoa ny zaza. Ny tena mahagaga dia mbola tena tia an'ilay rangahy ilay ramatoa fa tsy nahazaka handihizan'ireto tovovavy be dia be eo an-tanana hoe zakanay ny vadinareo. Ny tena zavanisy izany dia satria tsara loatra ilay ramatoa hoy ilay rangahy mitantara taty afara dia te hi-defie ny hatsaran'ity ramatoa ity aby ny zavavy eo ampihetsehena mitory hoe na tsara aza ianao ny vadinao anefa tara amiko. Ilay rangahy moa nanenina foana saingy tsy afa-nanoatra intsony dia niaina tamin'ny hadalana isan-karazany teny toaka sns sns... Efa feno 10 taona taty afara vao nidododo nangataka fifonana sy nifindra monina niala tamin'ilay toerana mihitsy ilay rangahy vao nety niverina ilay ramatoa moa ny ankizy efa niha lehibe tsy nisy dada elabe tao. Tsara fiafarana ilay tantara saingy mampalahelo ilay toe-tsaina. Satria manja loatra ny vadiny dia iny hono no fitaovana nentina nazahoan'ilay rangahy ireto vehivavy ireto satria ireto te hampiakatra self esteem koa. Mahavariana izay ilay fiainana. Iza anefa no omentsiny???? Ilay rangahy mantsy nahatsapa fa izy hono ratsy loatra manoloana ny vadiny ka ny vehivavy hafa no tena hanaparany ny mahalehilahy tsara azy. :(

Samy nataon'Andriamanitra samihafa aby isika ary ahitra ery ampitan-drano no maitso lava foana mihoatra izay misy eo aminao raha ny osy no mihevitra.

20. xxx ( 07/02/2010 18:43)
http://www.dailymotion.com/video/x2j4yn_odiantsy-hita-ve_music
dia io hira io zany no teny famintinana ilay tantara e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2195