concours ENMG 2009

1. fiaronandra ( 25/01/2010 21:45)
Mampalaelo ny toe javatra mitranga eto amintsika

Nivaly ny sabotsy lasa teo ny fanadinana hidirana ho mpiantra ho mpitsara.
Izany dia taorian'ny nahavitan'ny adina am_bava.

1- Nisy aloha ny fihemoran'ny fanadinana noho ny antony izay mbola tsy fantatra mazava hatramin'izao.

2- Nony nivaly ny adina an tsoratra tapa bolana lasa izay dia ny ankabeazan'ireo voafantina hiadina ny fanadinanna am bava dia havan'ireo olona ambony eo amin"ny fitondrana. Maro no nitaraina ny olona ary nangataka ny hisin'ny mangarahara nefa toa tsy nisy akony izany na dia nalefa tamin'ireo aina amanjery samihafa aza izany. Tsotra anefa ny fangatahan'ny maro dia ny amoahana ny note mpiadina rehetra "afficher" ahitana izay tena marina. Ny ahiahy tokoa mantsy tsy ihavanana.

3- Tsy nisy anefa ny famaliana izany antso izany koa dia natao ary ny adina am-bava. Ny adina am bava moa dia "public" koa afaka natrehin'ny rehetra ary dia teo koa ny Bianco. Maro tamin'ny ireo mpiadina 38 no zanaka olona malaza na havana manampahefana am zao.*
Rehefa nivoaka anefa ny lisitra farany dia 30 no afaka, ary re fa ireo olona izay nanao "hors sujet" tamin'ny adina am-bava dia tafiditra ao anatin'ireo afaka. Na dia nampitolagaga sy hitan'ny rehetra ary ny tsy fahaizany, tsy tako nafenina intsony satria ny oral moa publis tsy otran'ny écrit ka azo amboarimboarina,

Eo anatrehan'izany dia angatahana ny mangarahara, ny famoahana ny noty ho itan'ny rehetra, ny fanadihadina ataon'ny BIANCO

Satria mampalaelo tokoa ra izany no mitranga, ho aiza ity firenentsika ity, ny fitsarana no natao hamoaka ny rariny, nefa ny fidirana ho mpianatra ho mpitsara aza efa mampametrampanontaniana.
répondu par ANARIM le 26/01/2010 08:37
2. ANARIM ( 26/01/2010 08:37)
ka ny bianco aza izany efa nanatrika tao mety efa matevitevina ny paosiny ka dia aza manody e!!!! soa iany, hany fiononako : misy farany ny zava-drehetra!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5222