miongotra be ny voloko, ho sola zà atsy ho atsy ...

1. ANARIM ( 25/01/2010 11:39)
inona no tokony ataoko??? efa manify volo de nature izahay telo vavy zanak'i dada sy neny!!! tamin'ny nampinono ny zanako mianadahy aho toa tsy mba niongotra volo izany, nefa izany no henoko hoe mampiongobolo ny mampinono!! d efa faly ery fa hoe mba tsy miongotra izy zany!!! tato ho ato an, asa na fifandrifianjavatra na tsy misy ifandraisany mihitsy, fa taorian'ireny choc be dia be nahazo ahy tam 2009 ireny dia tena efa ny antsasaky ny voloko sisa izao no eo!!!
dia hoe asiana toton'anandrano, osorana oignon, nampiasa shampooing hoe mampaniry volo (novidiana lafo ery) fa tena tsy mety fa d efa tena ho sola zà!!!
henoko indray izao hoe ny anémie facteur mampiongobolo koa, zà manko anémiée b, dia mety andeha hijery dokotera mihitsy ny farany, fa ny vola koa nefa ty tsy misy!!!!

misokatra ny sosokevitra (io no tena interessant) sy ny adihevitra ho an'ireo juste te hampiady ny azy!!! misaotra melou :-*
répondu par Ratoa le 10/02/2010 00:32
2. Raliet ( 25/01/2010 18:47)
bsr!maro ny anton-javatra mety hampiongo-bolo, ary ny adin-tsaina dia isany mahatonga izany.Ary tsy tokony ho gaga ianao raha tsy misy mandaitra ireo zavatra voalaza fa mampaniry vola zay efa nataonao. Ny mety dia ny manatona mpitsabo, ary fadio ny manohy mampiasampiasa zavatra intsony aloh, satria mety hanasaro-javatra indray.Dia mirary soa anao.
3. sitlo ( 26/01/2010 01:56)
Arahiko tsara iny dinika ity fa ny ahy koa mantsy miongotra be.
4. belakely ( 27/01/2010 08:08)
menaka protector hono, hono hoy aho fa izaho mbola tsy nampiasa an! fa namana akaiky no niresaka momba io volo sola io. Izy izany no nanao expérience tamin'io, ka raha marisika dia andramo ihany.....
5. ANARIM ( 27/01/2010 08:16)
tena efa nahalany 3 boites de protector fa e e e, sady le izy vao sokafana d lasa otry ny mandry b d sarotra ery manosotra azy!!!!
6. badanne ( 27/01/2010 16:09)
ny fika azoko atoro kely angamna dia ny hoe
mila aloha ianao tsy dia mampiasa saina firy
miereza koa mihinana zavatra be fer sokafo io ah! izany hoe mahareza mihinana toy ny foi etc dia ny legume fraiche atao lasary eh
raha tsy mety amin'izay izy dia manandrama ilay fanafody atao hoe actimplacenta ahosotra @volo io any amin'ny pharmacie tsy mla ordonnence fa vakiana tsara ny notice dia vita ny ady

efa tratra hoatran'io aho fa io no nampaniry azy dia mirary soa eh

7. niryna ( 28/01/2010 05:42)
Araka ny tenin'ny namana dia misy antony maro no mahatonga ny olona ho sola,ny lahy no betsaka fa ny vavy tsy dia fahita firy,samy mihongombolo avokoa anefa isika rehetra saingy mety tsy ita firy.Andramo aza bangoina ny volo,na bangoy fotsiny fa ataovy amin'ny tanana indrindra raha toa ka tsy lava volo.Ny savony fanasana volo koa dia mampiongotra volo,ny tsy fahampiana Vit E koa dia mahatonga ilay volo hiongotra.Raha toa ka tena miongotra be dia andramo tapahina kely koa fa manampy tokoa.Ny ronono soza dia manampy na mahandro s oza toy ny mahandro tsaramaso. io aloha no azoko atoro
8. ANARIM ( 02/02/2010 06:29)
misaotra daholo am torohevitra!!! misy efa nanao izany tsoka tsy mandry izany ve fa io zao no mba tsy lafo vidy klé!!!!
9. diamondra27 ( 02/02/2010 16:39)
courage akia ry sely a. Ny ahy aza akia iny lavabe iny voatery tsy maintsy notapahina ko.

10. ni81 ( 02/02/2010 17:21)
Andramo indray ny manao bain volo @ huile de ricin fa mba anisan'ny nampijanona ny fihintsanan'ny voloko io. Fanampin'izany dia mihinàna koa sakafo be fer, satria nilaza ilay Dr-nay fa tsy ampy fer koa aho. Ny lentilles no tena nasainy nohaniko, dia ny anandrano.
11. diamondra27 ( 03/02/2010 12:22)
ni81 tandrmo sao minana ireny boaty na conserve ireny ndry na boite canette fa ireny no fer hiiii
12. ikaretsaka ( 03/02/2010 15:31)
borio kely mihitsy aloha de avelao haniry indray
13. ni81 ( 03/02/2010 19:48)
ni81 tandrmo sao minana ireny boaty na conserve ireny ndry na boite canette fa ireny no fer hiiii
diams =))
14. ANARIM ( 04/02/2010 06:13)
ô reto a! efa naoato coupe garçon né izy ato e! tena tsy azoko ny aiko!!! hanao an'io tsoka tsy mandry io alou am week end! d efa miletra izay sakafo mety ho be fer koa izao!!!
merci doly hatreto e!
15. xxx ( 07/02/2010 14:13)
Ny tsoka tokoa tena manampy fa asa na mety aminao, fa ny fofofny no tsy zaka!!!!!!!!!!!!!
16. ikaretsaka ( 08/02/2010 03:15)
tena borina tena bory kely ange fa tsy coupe garcon e,, le misy a peine 1 cm miala @ hoditra ireny mihitsy... izay vao asiana le produits isankarazany ireny
mora kokoa ny hidirany @ hodi-doha manko amin'izay moa mba hitan'andro ilay hodi doha .. mahatsara azy iny
17. xxx ( 08/02/2010 18:33)
ikaretsaka:

tena borina tena bory kely ange fa tsy coupe garcon e,, le misy a peine 1 cm miala @ hoditra ireny mihitsy... izay vao asiana le produits isankarazany ireny
mora kokoa ny hidirany @ hodi-doha manko amin'izay moa mba hitan'andro ilay hodi doha .. mahatsara azy iny



maninona ary ra tonga dia tsorina oe! mila atao kôkôrazé ny lohanao!hi!hi!
18. Ratoa ( 10/02/2010 00:32)
vontosy beurre de karite na diloilo coco ny volo ary avelao hilona 12 heures alohan'ny anasana azy Beurre de karité nature no tena tsara, atao isak'erinandro
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1918