minoa fotsiny ihany
1. ndotofetsy
(
26/12/2009 09:13)
efa ho avy i jesosy hanampy ny malagasy fa sao heverinareo fa i St marc
hon hon hon
ary St radj mbola manao magie noire aloha
tratrin ny krizimasina daholo eeeee ny monima kamiviombio sy ny gtt sy ny tim sy ny hat
hon hon hon
=)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
hon hon hon
ary St radj mbola manao magie noire aloha
tratrin ny krizimasina daholo eeeee ny monima kamiviombio sy ny gtt sy ny tim sy ny hat
hon hon hon
=)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
répondu par pikatti le 28/12/2009 23:15
2. terrywui
(
26/12/2009 10:13)
MINOA FOTSINY IHANY .... HIN HIN HIN HIN
Tsy mitsaha-mitombo ny vidin'ny vary
Ny miaina rehetra no tena marary
Ny vidin'ny menaka miakatra hatrany
Saingy minoa, hono, fotsiny ihany.
Ny vidin'ny hena dia mampivanaka
Antsasa-pahefany sisa no zaka
Laroina anana hameno vilany
Saingy minoa, hono, fotsiny ihany
Ny saran-dalana aloa isan'andro
Vola mivoakae ! toa fofo-nahandro
Odiana tsy hita, fa zavatra lany
Saingy minoa, hono, fotsiny ihany
Ny hofan-trano tsy maintsy aloa,
Ny vidin'ny Gaz na arina koa
Manampy trotraka antsika eny ihany
Saingy minoa, hono, fotsiny ihany
Ny kojakoja rehetra ilaina,
Mahavalalanina, mahavery saina
Fahefa-mividy ambany dia ambany
Saingy minoa, hono, fotsiny ihany
Ary ny vidin'ny jiro sy rano ?
Loza manambana, tena angano
Toa tsy mampino, fa io re nolany :
Saingy minoa, hono, fotsiny ihany
Ny fanafody raha sendra marary !
Ny maso no sisa akarikary
Lafo sy tena loza amin-tany :
Saingy minoa, hono, fotsiny ihany.
Ny ankizy ho avin'ity firenena...
Ny saram-pianarana, tsy maintsy jerena
Tsy takatr'intsony mahalasa vinany
Saingy minoa, hono, fotsiny ihany
Dia minoa eo fotsiny ihany
Fa ny tenanao no hivarina an-tany,
Ho fongana hatramin'ny tahirinao
'Zay vao hanao ny tsy fanao...
Ny sasany anefa mivarotra tany,
Ho an'ny vahiny ka mampitomany
Mividy fiaramanidina raitra
F'isika izao no hitondra takaitra.
Ny ambasadaoro nalefa any am-pita,
Saribakoly fa tsy mahavita
Fa ny Filoham-pirenena ihany
No sahy milaza fa : « mahavita izany !!! »
Tsy mitsaha-mitombo ny vidin'ny vary
Ny miaina rehetra no tena marary
Ny vidin'ny menaka miakatra hatrany
Saingy minoa, hono, fotsiny ihany.
Ny vidin'ny hena dia mampivanaka
Antsasa-pahefany sisa no zaka
Laroina anana hameno vilany
Saingy minoa, hono, fotsiny ihany
Ny saran-dalana aloa isan'andro
Vola mivoakae ! toa fofo-nahandro
Odiana tsy hita, fa zavatra lany
Saingy minoa, hono, fotsiny ihany
Ny hofan-trano tsy maintsy aloa,
Ny vidin'ny Gaz na arina koa
Manampy trotraka antsika eny ihany
Saingy minoa, hono, fotsiny ihany
Ny kojakoja rehetra ilaina,
Mahavalalanina, mahavery saina
Fahefa-mividy ambany dia ambany
Saingy minoa, hono, fotsiny ihany
Ary ny vidin'ny jiro sy rano ?
Loza manambana, tena angano
Toa tsy mampino, fa io re nolany :
Saingy minoa, hono, fotsiny ihany
Ny fanafody raha sendra marary !
Ny maso no sisa akarikary
Lafo sy tena loza amin-tany :
Saingy minoa, hono, fotsiny ihany.
Ny ankizy ho avin'ity firenena...
Ny saram-pianarana, tsy maintsy jerena
Tsy takatr'intsony mahalasa vinany
Saingy minoa, hono, fotsiny ihany
Dia minoa eo fotsiny ihany
Fa ny tenanao no hivarina an-tany,
Ho fongana hatramin'ny tahirinao
'Zay vao hanao ny tsy fanao...
Ny sasany anefa mivarotra tany,
Ho an'ny vahiny ka mampitomany
Mividy fiaramanidina raitra
F'isika izao no hitondra takaitra.
Ny ambasadaoro nalefa any am-pita,
Saribakoly fa tsy mahavita
Fa ny Filoham-pirenena ihany
No sahy milaza fa : « mahavita izany !!! »
4. pikatti
(
28/12/2009 23:15)
=)) =)) tsianjery maimbo ahoana ndray lé, mba efa niezaka ary takaka io =)) =)) =))
