Mba mijanona kely hanao Noely fandinihan-tena....

1. 100tinl ( 11/12/2009 13:48)
Rehefa akaiky ny faran'ny taona toy izao dia manao bilan ny entreprise rehetra ajanona mihitsy aloha ny asa dia manao inventaire é !.
Ny olombelona koa rehefa tonga ny noely toy izao dia mba mila mijanona kely manao fandinihan-tena :
- ho an'ny MPINO kristiana : tena kristiana marina ve , nandalo fibebahana sy fanekena an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy , miambina amin'ny fihavian'ny Tompo eny @ rahon'ny Lanitra, ho any @ Fanjakan'ny Lanitra ,
- ho an'ny tsy mety mino an' Andriamanitra : diniho ny tena ary ekeo ny Fitiavan'Andriamanitra anao , fa misy farany ny zava-drehetra, tsy fanakianana be fahatany no ataoko eto fa antso malalaka ,raha mety ianao...

Fotoana fandinihan-tena izao ho an'ny rehetra é, be izay teny mandratra nifampihantsiana teto izay , aoka hifamela heloka fa tsy hifandrangitra eto foana, sa....... :?:
répondu par niryna le 17/12/2009 05:39
2. bor2lais ( 11/12/2009 15:36)
Misaotra anao mampahatsiahy fa fotoanan'ny advento tokoa izao !
3. fahamarinana ( 11/12/2009 17:24)
:arrow: Eo indrindra isika izao amin'ilay fandinihan-tena sy ny manodidina azy !Misaotra nampahatsiahy e ! :) (l)
4. ratavao ( 12/12/2009 07:27)
Misaotra anao fa tena zany mihitsy, mila mandinin_tena ny vahoka ts11 avy, fa avy amin'ny fiovan'ny vahoaka amin'ny toe-panahy, saina no hanavotra an'ity firenena ity.
5. ni81 ( 12/12/2009 15:25)
Misaotra fa ho atao dian-tana ny fiainana e!
6. tywa68 ( 12/12/2009 20:45)
100tinl > tena handini-tena miaraka mihitsy isika eto :D mamelà ahy fa antenaiko tsy ny noely manakaiky ihany no hisian'zay aingam-panahy zay :wink:
7. fijo ( 16/12/2009 21:49)
za koa izao mandinika ny hoavi'n'ny tanindrazako fa tena latsaka ankady mafy ka mampalahelo.
8. niryna ( 17/12/2009 05:39)
fijo:

za koa izao mandinika ny hoavi'n'ny tanindrazako fa tena latsaka ankady mafy ka mampalahelo.
Zanahary o tahio ny tanindrazanay !


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0425