tena kristiana ve ny malagasy II ???

1. Djhamhal ( 21/11/2009 08:56)
ny malagasy dia kristianina ny ankamaroany ! nahoana nefa i madagasikara no mbola tsy tafarina fôna ?? eny fa na dia ny mpitondra ny firenena aza dia manankina tanteraka amin\'Andriamanitra ity tanindrazantsika ity ,nefa tsy tafarina ihany ! sa ilay hafatra masina manao hoe: tsy izay manao hoe tompoko ! tompoko ! no hahazo ny fanjakan\'ny lanitra , fa izay manao ny sitrapoko ! no mbola tsy ampy amintsika ? firy amin\'ny malagasy manankatao sy manana ny ampy tokoa moa no mba maka tahaka kely monja ny nataon\'i jesosy , dia ny fiantrana ny ory ! ny fanampiana ny tsy manana ! ary ny fanetre-tena !
répondu par fijo le 24/01/2010 00:24
2. rakaroka ( 21/11/2009 18:43)
Ka rirotin'ny mpitory maaaaro ho @ "tsy fisiana" ny mpanaran-kefa be dia be dia zary miraniravy tanana. Ohatra toriana sesilany hoe "aza mihary harena ety an-tany!" dia on croise les bras fa suffit hoe "mino ftsn fa efa vitan'i Jesoa ny rehetra!=>Aza ho naman'izao tontolo izao. Tsy ny asa-soa no mahavonjy (donc zary mihena ny fiheverana izany! ). Heu...eo koa ny hoe "aza mitoky @ fahalalanao, dia lasa tsy mampiasa saina loatra intsony fa
"Ankinina @ Atra doholo. Dia na ny tokony ho "andraikitry ny olona aza lasa mihahaka iandrasana an'Atra ! Anefa Atra koa @ io miandry hoe mba inn aza ny afitsok'ireto gasy, efa nomena azy doholo :roll: :wink: :?
3. niryna ( 22/11/2009 20:02)
Tena kristiana ve ny malagasy ? dia afaka manontany tena kely aloha isika,inona no antsoina hoe kristiana? rehefa maninona izy no lazaina hoe tsy kristiana ,rehefa amin'ny fomba ahoana indray no atao hoe izany ka kristiana?
Moa ve ny olona no itsara azy hoe kristiana sa Atra no mahita ny ao anatin'ny fony fa mivavaka aminy izy,mianatra manaraka ny dia izay nomeny,mampiseho izany amin'ireo olona manodidina azy fa misy jiro ao anatiny dia ilay kristy tsy tian'ny hafa, enjehin'ny hafa ?
safidy io ary ho an'ny tsirairay,nomena ny teny dia anjaran'ny tsirairay no maka izay tandrifiny avy azy
Djhamhal:

ny malagasy dia kristianina ny ankamaroany !
dia efa nilaza izany hianao fa kristiana ny ankamaroany ka ireo kristiana ireo no hirarina hivavaka ireo izay mbola tsy manana an'i kristy
nahoana nefa i madagasikara no mbola tsy tafarina fôna ?? eny fa na dia ny mpitondra ny firenena aza dia manankina tanteraka amin'Andriamanitra ity tanindrazantsika ity ,nefa tsy tafarina ihany !
tafarina amin'inona aloha no tianao ho tenenina?

Inona no mahatonga antsika tsy ho faly,tsy hanana fandriampahalemana,tsy manana fiadanana ? noho ny fatotra mangeja izay tsy mifanaraka ny sitrapon'Atra.Raha mbola misy koa izany ary tsy ny tanindrazana ihany fa na ny tokantrano iray fotsiny ihany aza dia tsy ho tafarina.Raha mbola manana Atra hafa fa tsy ilay Atra tia,Atra be fitiavana,Atra be fiantrana,Atra be famindrampo,Atra tsy miangatra .Atra izay mampianatra antsika tsy ho tia tena,ho tia ny fahavalo,ho tia ireo madinika .Raha mbola mihevitra koa isika fa fa ny herin'ny tenantsika fa tsy manankina ny fiainana amin'Atra dia tsy ho tafarina velively.Mety hoe vola no ambony noho ilay Atra , ny harena,ny fisahosahoana,ny fahaizana,ny fahalalana,ny voninahitra dia azo hiantsoana fa atra ihany koa amin'ny hafa satria ambony noho ilay Atra an-tampon'ny loha izy aminy.

sa ilay hafatra masina manao hoe: tsy izay manao hoe tompoko ! tompoko ! no hahazo ny fanjakan'ny lanitra , fa izay manao ny sitrapoko ! no mbola tsy ampy amintsika ?

dia asa indray izay fa samy mbola mikaroka ilay fahamarinana sy ilay tena Atra avokoa isika rehetra

firy amin'ny malagasy manankatao sy manana ny ampy tokoa moa no mba maka tahaka kely monja ny nataon'i jesosy , dia ny fiantrana ny ory ! ny fanampiana ny tsy manana ! ary ny fanetre-tena !
maro tokoa fa ny zavatra ataon'ny tananao havia tsy tokony ho fantatry ny tananao havanana

4. niryna ( 22/11/2009 20:57)
rakaroka:

Ka rirotin'ny mpitory maaaaro ho @ "tsy fisiana" ny mpanaran-kefa be dia be dia zary miraniravy tanana.
izany ve,hafa kely indray izy izany
Ohatra toriana sesilany hoe "aza mihary harena ety an-tany!" dia on croise les bras fa suffit
io anie hoe no resahiko an'i toi foana fa miverina ny tenin'Atra ao am-pon'i toi e,raha hoe ny tenin'Atra izay nolazain'i kristy indray dia azoko zaraina aminao fotsiny fa rehefa manao zavatra ho an'ireny mahantra ireny hianao,na olona tsy afaka hamaly soa aminao dia efa manangona harena any an-danitra izay hianao.
hoe "mino ftsn fa efa vitan'i Jesoa ny rehetra!=>Aza ho naman'izao tontolo izao.
izany ve no hafatra nolazainy ? hi,hi
minoa fotsiny ihany dia ho vonjena hianao sy ny ankohonanao,finoana io,tsy ita maso kanefa misy hery lehibe mifono ao anatin'izany ho an'ireo rehetra izay manana ilay finoana,izaho anisany ary izao mijoro amintsika milaza ny hatsaran'ilay Tompo mahery ,izay ninoako,inoako ary mbola hinoako foana hatramin'izao anoratako izao
Tsy ny asa-soa no mahavonjy (donc zary mihena ny fiheverana izany! ).
io anie hoy aho no nolazaiko an'i rakorako foana e,nomen'Atra hery hianao hitadidy izay teny nampianarina anao koa tohizo hatrany ny mijerijery ny hafatra fa tsy lavitra anao akory ilay Atra ,mety hianao no mitady hanalavitra azy,hors sujet kely an kanefa misy fahamarinany izany rakorako an
Mitombona tokoa izany fa tsy ny asa soa no mahavonjy,mety misy mampianatra izany fa raha tsy manao toa izao sy izao hianao dia tsy ho voavonjy,saingy kosa raha eo amin'ny mahaolona dia ny cadre(laza,voninahitra,fanamboniana,fijerevana tavan'olona,tsy mety ho afa-po fa mitady,mitady lava ... sns) izay no tadiavin'ny olona amin'ny mahaolombelona azy fa eo amin'ny mahakristiana kosa dia ny fanomezan'Atra ny satroboninahitra noho ny fahasoavana maro izay nomeny antsika, ny fanampiana,ny fizarana ny tenin'Atra ,ny fitsinjovana ireny mahantra sy mananontena ,ny antitra ,ny marary ,ny tsy mba manana fifaliana fa tsy mbola mahalala an'Atra dia afaka mizara izany asa izany ho azy ireo isika satria fitiavana izay nomen'ilay mahery ho antsika maimaimpoana izany dia zaraina maimaimpoana ihany koa tsy misy tambiny.

Ny fisahosahoana kosa anefa satria nahavita izao aho dia ho dedahako ny rehetra atao fantatry ny ambanin'ny lanitra dia fanaovana asa soa tokoa kanefa feno fambonian-tena sy fiderantena ilay izy dia tsy avelan'Atra anao izany isika,satria nampianariny isika hanetry tena fa tsy hanandra-tena na hisehoseho hoe nahavita izao sy izao

Tsy ny asa tokoa no mahavonjy fa ny finoana azy irery,mitombona tanteraka izany ary deraiko anao nanome io anay By the grace we are saved,it is gift from God,through Jesus Christ ,our Lord.It is not from our work so no one can boast it dia io mivandravandra io ny tenin'Atra manambara antsika fa Fahasoavana no namonjena antsika,avy amin'Atra izany,izay avy amin'ilay kristy Tompontsika. tsy avy amin'ny asa anefa izany ,fa ndrao hisy hirehareha

Heu...eo koa ny hoe "aza mitoky @ fahalalanao, dia lasa tsy mampiasa saina loatra intsony fa
"Ankinina @ Atra doholo. Dia na ny tokony ho "andraikitry ny olona aza lasa mihahaka iandrasana an'Atra !
dia mbola omeko tehaka mirefotra indray hianao eto
Hoy ilay hira tamin'ny teny anglisy iray izay izay nalefako tany aloha tany e
Trust in the Lord ..
Trust in the lord with all your heart,do not lean on our understanding,in all the ways acknowledge him and he shall direct,he shall direct your path

Na koa amin'ny teny malagasy dia hoe Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra,aza miankina @ (fahalalanao,ny feo ny fisainanao,ny fieritreretanao ),fa amin'izay rehetra ataonao dia ankino aminy avokoa izany fa ataony ho tanteraka sy ho lavorary ny dianao rehetra

Tsotra ny fijoroako vavolombelona,hatramin 'izay nahakely ahy aho dia efa niaraka amiko Atra,mbola kely aho dia efa nahafantatra nivavaka,tsy fantatro izay ho avenir-ko saingy nahafantatra kosa aho fa nivavaka isaky ny nanao fanadinana na dia tsy dia misy dikany aza ilay izy.Nampiariko tamin'ny fiainako iray manontolo io tenin'Atra io,tsy miankina ny fahaizako na ny fahalalako ny zavatra ataoko fa ankiniko amin'ilay sitrapon'Atra ary nangataka taminy aho mba tsy ho ny sitrapoko no ho tanteraka fa ny Azy,satria izy mahalala ny ho aviko rehetra .Dia izao tonga mijoro vavolombelona eto amin'ny sera eto aho ary efa nanavotra fianan'olona maro dia maro tamin'ny fiainako aho,tsy ho lazaiko izany satria ho ahy sy ireo namako marobe tsy ho voaiisa izany, ary mbola vonona anavotra izany hatramin'ny farany ,fa ilay fahasoavana nomeny ahy rehetra dia zaraiko ny manodidina ahy
Eny tokoa tsy avy amin'ny heriko izany fa ilay Atra ato anatiko no nampianatra ahy izara izany ,ilay ATra be fitiavana ka nanome ahy fitiavana ary nizara izany fitiavana izany ny manodidina ahy sy eto amin'ny sera .

Anefa Atra koa @ io miandry hoe mba inn aza ny afitsok'ireto gasy, efa nomena azy doholo :roll: :wink: :?
dia io indray dia tsy fantatro satria eritreritrao io no maka ny toeran'Atra.
hafatra: raha te hanana fahasambarana isika dia tadiavo Izy,tadiavo Atra satria tsy harena no mahasambatra fa ny fananana Azy miaraka amintsika isan'andro
Ny fahasoavan'ilay kristy Mahery sy tsara indrindra anie ho ao amintsika tsirairay avy. Amena
Ataovy ny fanandramana raha mbola tsy manana Azy hianao,isika
5. AndriambyII ( 22/11/2009 22:03)
niryna:

Mazava mangatsakatsaka !

6. rakaroka ( 23/11/2009 06:43)
Taiky! 8O 8O :roll: :roll: :-P :wink:
Tsssss tena ilay toriteny fandre tany am-piangonana nahatonga ny tsy nandehanana ny tsy nandehanana tany 'tsony indray ity no miverina eto klé!
Tsy hanaraka toriteny klou no ahatongavako eto fa dia veloma madinidinika aby!...Troooop loatra ilay izy!!!!! :? :x :x :evil: Mazotoa 'nareo ô !
7. ikaretsaka ( 23/11/2009 14:04)
efa lazaina foana hoe ary ny pilipitra fa tsy aty..
raha te hitory teny de manangana sekta na midira ho pasitera
8. Veloo ( 23/11/2009 15:17)
ny malagasy dia kristianina ny ankamaroany ! nahoana nefa i madagasikara no mbola tsy tafarina fôna ??

Tsy itako izay relation ami'ireo. Betsaka ny tana otran'ny Dago mitovy gabary antsika ko ...
9. niryna ( 27/11/2009 18:04)
rakaroka:

Taiky! 8O 8O :roll: :roll: :-P :wink:
Tsssss tena ilay toriteny fandre tany am-piangonana nahatonga ny tsy nandehanana ny tsy nandehanana tany 'tsony indray ity no miverina eto klé!
Tsy hanaraka toriteny klou no ahatongavako eto fa dia veloma madinidinika aby!...Troooop loatra ilay izy!!!!! :? :x :x :evil: Mazotoa 'nareo ô !

Izay marina aminao dia tazomy tokoa fa izay mandray ihany no ahazo tombotsoa tokoa.Izay manantsofina no aheno ary izay manamaso ka mila izany dia ho sokafan'Atra tokoa ny masony sy ataony handre ny sofiny oops

10. niryna ( 27/11/2009 18:06)
ikaretsaka:

efa lazaina foana hoe ary ny pilipitra fa tsy aty..
raha te hitory teny de manangana sekta na midira ho pasitera

natao ho an'izay mangetaheta io ry ika a

11. niryna ( 27/11/2009 18:09)

ny malagasy dia kristianina ny ankamaroany ! nahoana nefa i madagasikara no mbola tsy tafarina fôna ??
Veloo:

Tsy itako izay relation ami'ireo. Betsaka ny tana otran'ny Dago mitovy gabary antsika ko ...
marina izany fa ilay hoe nahoana,pourquoi,why,porque dia teny ilazana fa hoe mihevaheva ny finoana ka mitady miracle vao afaka mino,mety mahantra ara-bola ny malagasy sainga manankarem-panahy
Ny fihevitro tsy mba fihevitrareo hoy ny teny ao amin'ny soratra masina ary ny lalako tsy mba lalanareo,ny zavatra mitranga amin'ny fiainanan'ny tsirairay dia misy antony avokoa noho izany misy antony koa no mahatonga ny zavatra mitranga amin'ny firenena iray

12. bobone ( 02/12/2009 13:35)
Rakaroka:
Tsy hoe manome tsiny an\'ise akory fa misy dikany avoko any zavatra rehetra eto an-tany! tsy misy ny kisendrasendra fa matoa mandeha eto @ dinika izany dia misy tian\'Atra ovana ao!!! samy manana ny halalin\'ny finoana an\'Atra isika kanefa tokony hihaino ny hafa ihany koa ; betsaka ny fitaovana entin\'Atra hanovana olona ohatra amin\'izany izao! ary ahatsiarovako ny tenin\'ilay olona iray izay hoe raha olona no tsy voadona @ toriteny hataon\'ny mpasitera dia tsy izy izay! fa matoa ianao nahatsiaro voatsindrona dia tsapanao fa maharary any anatinao an! sanganehana ary mety sosotra aza ka miteny hoe zaho foana no tenenin\'io Pasitera io! kanefa efa fanahy masina miasa any anatinao izay mba hanovanao ilay lalana na ilay toetra efa nahazatra ho @ tsaratsara kokoa !!! fa izao koa ! tano mafy izay hanananao mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao !!!

Niryna:
marina izany fa ilay hoe nahoana,pourquoi,why,porque dia teny ilazana fa hoe mihevaheva ny finoana ka mitady miracle vao afaka mino,mety mahantra ara-bola ny Malagasy sainga manankarem-panahy

tena marina tokoa fa maro no mitady famantarana @ izao andro izao ary na misy aza efa mahita fahasoavana azo tsapain-tanana izao fa tsy mino ihany. asa mbola tsy misokatra angamba ny masom-panahiny !???
ekeko mihitsy ny hoe mahantra ara-bola ny Malagasy fa manankarena aram-panahy! moa ho tahaka izao ity Firenena ity raha tsy mivavaka ny olona ! mbola mihinana ihany ! na dia sahiran aza , tsy diso anjara isan\'andro ary tena hita mihitsy ilay SM manao hoe \"hataoko hafa ny manompo ahy noho ny tsy manompo\" sy ilay hoe \"raha misy ady dia tsy ahakasika anareo izany fa ianareo hitazana fotsiny \"! fahasoavana ange zany e! fahasambarana anie zany hoe ny sasany miady ianao mitazana sady tsy azon-tsabatra .
na dia eo aza ny fitiavantenan\'ny mpanao politika sy ny fitiavana vola , voninahitra dia izao tsy diso anjara izay tena matoky sy mino ary manao ny sitrapoan\'Atra . Misaotra akia an!
13. rakapy ( 02/12/2009 14:50)
Hoy Bobone
ekeko mihitsy ny hoe mahantra ara-bola ny Malagasy fa manankarena aram-panahy! moa ho tahaka izao ity Firenena ity raha tsy mivavaka ny olona ! mbola mihinana ihany !

Toa miangatra raha ny fijeriko ity vali-teninao ity.
"Mbola mihinana ihany"? Andrasana tsy hihinana intsony ve vao ho taitra? efa tara loatra angamba @ izay fotoana izay.
Mety ny fianakavinao, izay mba manana ny ho hanina an-davan'andro angamba no hitanao nefa tsarovy fa maro be tokoa ireo izay tsy mihinana afatsy zaoridira sy sakafo tsy zarizary eto M/car amin'izao vanin'andro izao.

Ny hoe" manan-karena ara-panahy" dia tsy fantatra io na marina na tsia. Nefa matoa tonga amin'izao olana izao dia hita fa maro ny ratsy fanahy raha ny fijeriko azy. Hany ka tsy sahy mitraotra intsony ny Gasy satria mamy ny aina ary ny arapaka tsy misy ka dia ny mangina no any atao.
Ekeko fa tsy mbola mijaly nohon'ny any an-toerakafa isika nefa tsy tokony andrasana ho toy ireny vao ho tonga saina.
14. ravonjison ( 03/12/2009 08:38)
Veloo:

ny malagasy dia kristianina ny ankamaroany ! nahoana nefa i madagasikara no mbola tsy tafarina fôna ??

Tsy itako izay relation ami'ireo. Betsaka ny tana otran'ny Dago mitovy gabary antsika ko ...

@ voalohany dia ohatry ny tsy misy ilay fifandraisana. Rehefa arahina anefa ilay ady hevitra, dia misy tokoa ilay fifandraisana.

Ao inde dia misy ireo tena mahantra mitrongy vao homana ( classe ambany).
Ny fomba fihevitra hinduisme anefa toa manampy izany satria hono efa anajarn'izy ireo izany ka tsy misy ny azo atao.

Ilay hoe : " mahantra ara-bola ny gasy , fa kosa manankarena ara-panahy ".

Io dia fampiononana @ fomba kristianina no fahitako azy . Misy maharatsy azy anefa satria azo ampiasaina ho fandemetsaina koa. Mody dradradradraina io, @ izay ireo mahantra mionona @ anjarany, ary tsy mitady hevitra intsony hialana @ fahantrany.
Mazava hoazy fa rehefa mionona @ anjarany ireo mahantra , manohy kosa @ ilay fitadiavana tombotsoa ny sasany. Ireo mahantra anefa dia mihamahantra ihany.

Ny mifanohitra @ izany anefa no tokony hatao : tokony hampahafantarina azy ireo fa azony atao ny miala @ io fahantrana io ( ara-bola hoy ny sasany), ary mianina aminy ihany, saingy kosa mila ampiarahina @ fanampiana, fanabeazana, famatsiana ara-bola sna....

15. Djhamhal ( 03/12/2009 09:00)

io teninao io dia tena marina tokoa ! ary mateika dia io faiblesse -tsika malagasy io no anararaotan'ny olona ary indrindra ny mpanao pôlitika eto amintsika ! iza moa no tsy mampiasa ny teny ao antin'ny baiboly refa handresy lahatra ny olona izy ?? toy ny hoe: minoa fotsiny ihany ?? ohatra ?? ary indraindray dia toa sorasoratana fotsiny sy ampiasaina fahatany @ fampitahorana na fandemena ny saina fotsiny ilay izy ! oh: iza isika no tsy mahita ao antin'reny taxi be reny fa dia miravaka soratra masina ao anatiny ! nefa ny fanevatevana sy ny tsy firarahiana ny mpandeha ataon'ny receveur ary ny teny ratsy manginy fotsiny ?
16. rakapy ( 03/12/2009 12:39)
Dia raha dinihina sy heverina izany ireo voalazan'i Ravonjison sy Djhamhal ireo dia mahantra ara-bola sy voapempo ara-panahy ny Malagasy.
Hoy ravonjison
Ilay hoe : " mahantra ara-bola ny gasy , fa kosa manankarena ara-panahy ".

Io dia fampiononana @ fomba kristianina no fahitako azy . Misy maharatsy azy anefa satria azo ampiasaina ho fandemetsaina koa. Mody dradradradraina io, @ izay ireo mahantra mionona @ anjarany, ary tsy mitady hevitra intsony hialana @ fahantrany.
Mazava hoazy fa rehefa mionona @ anjarany ireo mahantra , manohy kosa @ ilay fitadiavana tombotsoa ny sasany. Ireo mahantra anefa dia mihamahantra ihany

Io hevitrao io dia iombonako hevitra tanteraka aminao. Misy aza ny fiangonana sasany dia milaza mihintsy fa tokony hanome izay hareny ho azy hono ireo mpino ,amin'izay hanan-karena sy ho sambatra hono any am-paradisa. Nefa ry zalahy lohandohan'ny mpisorona no mitango sy mifaliavanja @ volan'ny mpino.
17. fijo ( 10/12/2009 22:33)
aza hadino,fa ny finoana kristianina dia finoana nampidirina hanjanahana ny saintsika.noho izany dia finoana noraisin'ny gasy io,fa tsy tena finoana hiainany.
ny porofo dia tsotra,iza no ahatahoran'ny gasy kokoa,ny ody gasy sa ny fiangonana???,
asio ody gasy sy fiangonana eo,fa sahin'nygasy ny manao "pipi"eo ambody fiangonanna fa tsy sahiny ,na dia ny handingana ilay ody gasy aza
18. wrath ( 21/12/2009 19:51)
Zao ry reto a.
t@ nahatongavan'i Kristy teto dia nanantena ny Jiosy fa anafaka azy @ fijalina eto an'tany Izy, anafaka azy @ fanandevozan'ny Romana. Nefa zao e hoy Kristy hoe : « Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo. » (Jaona 14:27)

Ary koa hoe : « Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Aty amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao. » (Jaona 16:33)

Ary izao koa e : « Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery* ho tonga zanak'Andriamanitra (fa tsy nomeny vola), dia izay mino ny anarany, [*Na: anarana, na fahefana] » (Jaona 1:12)

Mahereza e!
19. fijo ( 25/12/2009 20:24)
dia tena niadana ve le mpino azy????nohenjehina fahiny,izao indray asaina minomino foana izay angano jiosy rehetra izao
20. xxx ( 11/01/2010 23:26)
ny fantatro dia izao: mpivavaka? supposé manaja ny fahamarinana, supposé tia ny namany mihoatra ny tenany, supposé tia fandeferana sy fandriampahalemana... Tsy hoe mahantra i Mcar dia tsy ampy finoana na tsy ampy fivavahana amiko, fa plutôt hoe miseho milaza ho mpivavaka daholo nefa ny ao am-po devoly: mpangalatra, fetsifetsy, corrompu na kely na lehibe, tia adiady sy fosafosa etc etc... Raha misy ny zavatra faran'izay hain'i gasy: dia ni mi blablater momba ny finoana sy ny fivavahana. fa ny toetra tsy arak'io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0531