tena kristiana ve ny malagasy II ???

21. itaramasoandro ( 12/01/2010 16:21)
Nefa ry zalahy lohandohan'ny mpisorona no mitango sy mifaliavanja @ volan'ny mpino.
etsy ambony

voalohany @ ireo ny vatikana, firenena iray anat'n'ny firenena iray hafa. ary manaraka azy koa ireo fiangonana samihafa voaràvaka toa izay tsy izy anefa maro ny mponina tantsaha sy antanàn-dehibe no tsy manankohanina na hitafiana arak'izay maha mendrika azy anaty ny fiaraha monina.

mieteza mijery horonan-tsary na mitsidika firenena mahantra toa ny madagasikara ka nozanahana sy nampielezana ny finoana kristianina teo ampanitsahana ny finoany nolovainy t@ razany.

inona ny mitranga? misy foana ireo tsy miala @ finoan-drazany satria io no miteny kokoa aminy, io finoana io no namolavola ny fisainany ary nandrindra ny fiainany.

tsy hay hitsahana fotsiny izao ny finoana teo alohan'ny nahatongavan'ny mpanjanaka izay tsy nahay nanaja izany finoana izany. miseo foana io ary soa izany satria io no maha izy azy, io no nolovainy, io no hitoviany sy zarainy @ mpiray firenena @.

tsy izay hatao hoe ody gasy akory dia hoe ratsy. ny fampiasana azy hanampoizinana hahafaty ny hafa no ratsy fa tsy ny fampiasana azy ho fanafody fitsaboana.

misy ny olona maneran-tany ny mampiasa ody hamonoina na hanampoizinana olon-kafa ary niseo izany tsy ela akory izay tany rosia satria ny piraiministra t@ izany fotoana no voatily t@ izany. tao frantsa koa, t@ olona ambony @ banky, tany etazonia @ famelàna olona malàza hitelina mihaotra no izy fanafody natao hitsabo, sns.

tsy ny gasy no ratsy, fa misy @ malagsy no ratsy, toa ny maneran-tany. aza aratsiana ny ankapoben'ny gasy fa tsy misy na mponina @ firenena iray aza no manana ny toe-tsaina lafatra.

misy foana anaty fiaraha monina no mandringa. an'ny tsirairay no miezaka manitsy miainga avy @ toerany manokana izay tsy tiany hataon'ny hafa aminy.

8)
22. itaramasoandro ( 12/01/2010 19:21)
tiako ampiana @ hevitro eto aloha dia ireto ny olona samihafa tato anaty fotoana hiainantsika ankehitriny ireo nopoizinin'ny mpanohatra azy:

dia ny palestiniana Yasser Arafat izay nikatsaka hatrany ny fandriampahalemana sy ny fahafahan'ny palestina tsy ho eo @ vahohony sionista; ilay rosianina Alexandre Litvinenko sy ilay okrainiaina Viktor Iouchtenko ( izay soa fa maty).

anisan'ireo voapoizina koa ny mpigadra pôlitika nampididoza teo @ mpiara monina sy mpiara-belona @ dia i Slobodan Milosevic izany. sy maro hafa hatr@ fahagolan-tany tsy voatanisa eto.

araho ity
Franck Collard, Pouvoir et poison. Histoire d’un crime politique de l’Antiquité à nos jours, Paris, Seuil, 2007, 356p.
ISBN 978-2-02-081836-

dia ho hitanao fa ny ody mahery dia mbola ampiasan'ny hatao olona mandroso ankehitriny.


ny tiako ho lazaina dia tsy soa tsy ho kristianina daholo ny malagasy fa na misy aza ny milaza ho mpino an'andriamanitra iray tokana dia mbola manoy mamono olona, manampoizina sy mampiasa izay ody mahery andringanana ny mpanohitra azy. toe-tsaina lomorina.

ny ody gasy dia natao hitsaboana ny marary ary izany fahaizana mampiasa azy izany no nianaran'ireo mpitsabo malagasy t@ fahaizany mandinika ny zava-boary.

8)
23. Ratoa ( 14/01/2010 23:19)
ny maha kristiana dia fiainana an-davan'andro fa tsy fanambarana , tsy filazana ampahi be maso. Tsy "étiquette" misoratra na entina fa ny "tena maha izy azy". Ka betsaka ny milaza azy ho kristiana, anefa tsy mihaina izany.
Betsaka koa ny malagasy tsy kristiana fa manana finoana hafa.
Fehiny: tsy kristiana ny malagasy rehetra fa ny malagasy sasantsasany no kristiana.
24. itaramasoandro ( 15/01/2010 05:01)
nitondra inona ho an\'ny malagasy ny finoana kristianina raha jerena akaiky ny akony nandritra izay 175 taona nahatongavan\'ireo misionera voalohany teto amintsika izay?

fiangonana protestanta sy fiangonana katolika niorina isan-tanàna, miampy fiangonana isan-karazany avy @ finoana hafa. ary lafik\'ireo, mbola mandaitra hatr@izao. dia ny tsy fietezan\'ny malagasy hanary fotsiny izao ny finoana, soatoaviny nolovainy t@ razany.

midìka izany fa tsy tany mora lefahana ny tany malagasy fa manana ny reharehany. tsy hay hoforetina na havilivily atsy sy aroa anaiky be fahatany ny fisian\'ny hataondrizareo krsitianina hoe afobe sy paradisa ny malagasy, fa manana ny finoany izay arovany toy ny anak\'andriamaso: ny razana sy ny zava-boary.

8)
25. niryna ( 15/01/2010 05:17)
Hoy Bobone
ekeko mihitsy ny hoe mahantra ara-bola ny Malagasy fa manankarena aram-panahy! moa ho tahaka izao ity Firenena ity raha tsy mivavaka ny olona ! mbola mihinana ihany !
rakapy:


Toa miangatra raha ny fijeriko ity vali-teninao ity.
"Mbola mihinana ihany"? Andrasana tsy hihinana intsony ve vao ho taitra? efa tara loatra angamba @ izay fotoana izay.
Mety ny fianakavinao, izay mba manana ny ho hanina an-davan'andro angamba no hitanao nefa tsarovy fa maro be tokoa ireo izay tsy mihinana afatsy zaoridira sy sakafo tsy zarizary eto M/car amin'izao vanin'andro izao.
fa angaha ny firenentsika irery no misy toa izao ? maro tokoa no mahantra ara-bola fa manan-karem-pahasoavana,mety tsy manana izy fa izay mahatoky an'Atra tsy ataony ho very anjara. Toy ny fahendrena na manam-bola tahaka ny inona aza isika rehefa tsy manana fahendrena tsy mahavidy izany koa satria tsy voavidy no tsy azo vidiana io fahendrena io(wisdom no tiako tenenina a) ary tsy ho voatery ho hanambola na manam-pahaizana fa na tsy nandia fianarana aza dia afaka omen'Atra izany fahendrena izany,dia izay rehetra matahotra azy no omeny an'izany ary io no voaloham-pahendrena ihany koa

Ny hoe" manan-karena ara-panahy" dia tsy fantatra io na marina na tsia.
mety mitombona izany satria raha tsy manana ilay arem-panahy tsy ahafantatra tokoa

Nefa matoa tonga amin'izao olana izao dia hita fa maro ny ratsy fanahy raha ny fijeriko azy. Hany ka tsy sahy mitraotra intsony ny Gasy satria mamy ny aina ary ny arapaka tsy misy ka dia ny mangina no any atao.
maro tokoa ny ratsy fanahy ary vao maika aza hihamaro ny olona andositra an'Atra satria mihainohaino toa ny liona tanora ny asan'i satana ka izay rehetra mitady an'Atra dia ataony avokoa ny anapotehana azy,ary ao ihany koa ny fahotana no mahatonga antsika ho miharatsy andro aman'alina satria manalavitra an'Atra ny olona ary manohitra ny fitiavana maro izay nasehony .Raha mbola manalavitra azy foana isika dia vao maika ho mafy noho izao no ahazo antsika satria ny molotra manaiky fa ny fo manalavitra ary efa nasehony an-taona maro izany izay voasoratra ao anatin'ny baiboly avokoa izany.

Ekeko fa tsy mbola mijaly nohon'ny any an-toerakafa isika nefa tsy tokony andrasana ho toy ireny vao ho tonga saina.
dia ny teny ao amin'ny baiboly no manambara fa raha ity olo-mahantra ity no hifona ka anatona ahy dia hohainoko ny vavany ary ho sitraniko ny taniny,satria isika sady mino an'Atra no mbola maro koa no mampiasa ny ody gasy sy ny dada rabe sy ny kristaly ,ny famakian- tanana ,ny fanom-poantsampy sy ny mivavaka amin'ny razana sy ny sarivongana maro sns dia mbola ho lavitra tokoa izany. Aza manana Andriamanitra hafa afa tsy Izaho irery ihany kanefa ny ao amintsika dia afangaro avokoa ka na isika miditra na isika mivoaka fa tsy afaka anao sabaka na ho mangatsiaka na ho mafana fa tsy afaka ny ho matimaty oops!Na mino an'ilay Atra Israely na Baala fa tsy afaka ny anom-po roa

Saingy raha miaraka avokoa ny kristiana rehetra ao amintsika ka mifona sy mangataka amin'Atra mba ho sitranina ny tanintsika dia ho sitrana ny tanintsika ary ho ringana ireo mpanohitra an'Atra mandratra ny vahoaka ireo satria tsy ny vahoaka no hiady fa Atra Ahy ny famaliana hoy Jehovah fa tsy anao (vengeance is mine not yours )

19 Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: "Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah" (Deo. 32. 35).

26. niryna ( 17/01/2010 03:43)
ravonjison:


Ilay hoe : " mahantra ara-bola ny gasy , fa kosa manankarena ara-panahy ".

Io dia fampiononana @ fomba kristianina no fahitako azy . Misy maharatsy azy anefa satria azo ampiasaina ho fandemetsaina koa. Mody dradradradraina io, @ izay ireo mahantra mionona @ anjarany, ary tsy mitady hevitra intsony hialana @ fahantrany.
Mazava hoazy fa rehefa mionona @ anjarany ireo mahantra , manohy kosa @ ilay fitadiavana tombotsoa ny sasany. Ireo mahantra anefa dia mihamahantra ihany.
tsy iazay no tiako ho tenenina ka,marina fa samy manana ny anjarany avy ny olona tsirairay na mpiray tampo izao aza dia tsy mitovy ny fiainany,fa ny tiako tenenina dia ny olona mino an'Atra na dia mafy aza ny fiainana dia manankina ny fiainany amin'Atra foana izy,mety tsy manambola izy fa mbola hafa ihany ny fiainana miankina amin'Atra
Tsara ny mipetraka ao anatin'ny tranobongo misy ronono toy izay trano feno harena kanefa mikorontandava.
Na tsy manana harena aza ny olona rehefa manankina ny fiainany amin'Atra izy dia misy fifaliana foana ao anatiny. MATIO 5
2 Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe:

3 Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.

4 Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina;

5 Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova no tany (Sal.37.11).

6 Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana.

7 Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana




27. niryna ( 17/01/2010 04:09)
xxx:

ny fantatro dia izao: mpivavaka? supposé manaja ny fahamarinana, supposé tia ny namany mihoatra ny tenany, supposé tia fandeferana sy fandriampahalemana... Tsy hoe mahantra i Mcar dia tsy ampy finoana na tsy ampy fivavahana amiko, fa plutôt hoe miseho milaza ho mpivavaka daholo nefa ny ao am-po devoly: mpangalatra, fetsifetsy, corrompu na kely na lehibe, tia adiady sy fosafosa etc etc... Raha misy ny zavatra faran'izay hain'i gasy: dia ni mi blablater momba ny finoana sy ny fivavahana. fa ny toetra tsy arak'io.
mety ho marina angamba izany fa izao no tara ho fantatra dia ny tenin'Atra milaza hoe any am-parany any dia ho tia tena ny olona,hihemotra ny ny fitiavan'ny mpianakavy,hifandrafy,hifankahala,hihemotra amin'ny finoana ka na iza na iza no mamadika ny tenin'Atra kanefa milaza izy fa hoe mpivavaka dia Atra irery no hitsara azy amin'ny farany.Anjarantsika fotsiny no mivavaka mba ho olon'Atra no hitondra eo amin'ny firenena ary ireo izay efa eo dia anjarantsika no mivavaka azy ihany koa.Sarotra no mivavaka ireo fahavalo kanefa anjarantsika izany fa Atra no mitsara azy,ary ny vavaka no manova zavatra ka mba olona matahotra an'Atra ,mahalala mitia ny vahoakany toy ny teny nampianarin'ny Tompo hoe tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Marina fa maro ny olona manalavitra an'Atra ,maro ny ambodia mitafy odin-janakondry kanefa tsy ny rehetra fa ny marina dia kely sy fisaka ka saro-patarina saingy amin'ny farany dia hipoitra eny ihany ny vary sy ny akotry ,ny voa tsara sy ny voa ratsy ,mety hoe ela vao hiseho izany kanefa na rahoviana na rahoviana dia tsy maintsy hipoitra izany


28. fijo ( 24/01/2010 00:24)
ka le olona nanoratra le boky anie ry niryna olona tena nahay e,io dia tena ekeko fa tena olona nahay naminavina ny fiovan amety hitranga no nanoratra azy.ahy ka voavinavinany fa rah amitohy ny herin'ny vola,di ahiafara amin'ny fitomboan'ny fitiavan tena izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 5.9019