Tetezana tapaka afovoan-drano, an-tanan'ny tafika ny bouée
1. tsiafoi1
(
17/09/2009 08:19)
Io sarisary io no maneho ny toe-draharaha politika eto @'ny firenena ankehitriny. Handroso ny FAT ho rendrika, hihemotra ho faty raibe.
Tena mitombina marindrano ny fanambarana nataon'i Jeneraly Rasolomahandry hoe : "Hadisoana miompampana ho an'ny tafika ny tsy nanekeny handray ny familiana". Azo eritreretina anefa fa efa nahatsapa izany ireo tafika ireo, ary efa manombaka mandray an-tanana ny familiana ankehitriny...
Tokony hiomana @'ny secousse ateraky ny revirement tampotampoka ny malagasy. Anjaran'ny mpitarika politika isan-tokony ny manomana azy ireo @'izany.
Eny an-tanan'ny tafika ny bouée de sauvetage ny firenena. Tsy maintsy mandray ny andraikiny izy ireo raha tsy te ho maimbo @'ny tantara sy eo imason'izao tontolo izao... Aorian'izay Iza no omen'izy ireo ny familian-tsambo? Ny safidin'izy ireo no tsy haharendrika ny firenena...

répondu par tsiafoi1 le 18/09/2009 05:12
2. xxx
(
17/09/2009 08:27)
Izay no efa nilazàko fa ny tafika malagasy dia vongany !!! Désolé pour l'expression . Ny lehibe tsy nandray ny andraikiny, ny madinika tsy tan-dalàna , vokany : la pays est dans le k.a.k.a
3. tsiafoi1
(
17/09/2009 08:39)
Ka tsisy te ho Ratsimandrava 2... Matim-bola etsy andaniny... Fa ankehitriny tsy maintsy mandray andraikitra ny tafika na tiany na tsy tiany. Iza no sahy??
4. TWING
(
17/09/2009 10:01)
aza dia manao eritreritra mitsingevana oa fa izay eo aloha dia ampio izy dia tohizo ny lalana
5. pikatti
(
17/09/2009 10:04)
Tokony hiomana @'ny secousse ateraky ny revirement tampotampoka ny malagasy. Anjaran'ny mpitarika politika isan-tokony ny manomana azy ireo @'izany.
=D> =D> =D>
7. pikatti
(
17/09/2009 10:29)
tsisy mihantehitra @ tgv mamantana any an-kady io aloha eto bainn a :-D :-D
8. milamm
(
17/09/2009 11:06)
" Plan marshall malagasy" toy ny t@ 2002(taorinany Dakar 2) notarihiny Gal Marcel Ranjeva minisitry ny fiarovana taloha v no tiany tsiafo lazaina ?
ny tena olona dia manaradrenirano ny tafika sy ny foloalindahy any @ ze misy ny vola no toerany fa tsy manana fahaleovan-tena noho izany tsy azo antoka.
i sarla kely sy ny ekipany,ravalomanana ny zandarmaria @ fiadidiana an'Antananarivo izao oh. mivaingana izay tsy voatohatry ny tafitra fa ilaina mpanelanelana any ivelany.i Itpkl Ratsimandrava dia manamboninahitra ambony,maherifo ny tanindrazana ary politisiana mahiratra nofafan'ilay amiraly ny anarany teo @ politika malagasy ,miha kely finoana aho oe mbola hisy ny toa azy otrany toa lany tamingana izany tia tanindrazana malagasy zany...

9. tsiafoi1
(
17/09/2009 13:17)
Tena hazo boboka tokoa raha ny tafika, saingy ireo ny aloa no misy ankehitriny, ka miandry izay ho afitsony isika izao... Ny fanongotana ifotony an\'ireo dia mety hampidaraboka ny firenena iray manontolo.
Zay mpitondra te haharitra @\'ny fitondrana, dia tsy maintsy manana fanamby lehibe @\'ny fanatsarana ifotony ny tafika, eny na ny mety ho fanoloana tsikelikely sy miandalana mihitsy aza... Raha tsy izany de tsy haharitra eo @\'ny fitondrana izany mpitondra izany... Fantatry ny tafika tsara fa any @\'izay misy ny vola no afaka hitondra izany fiovana mahery vaika izany, koa tsy ho adala izy ireo hametraka ny safidiny @\'izay azony antoka fa hahomby @\'ny familian-tsambo.
Any @\'ny tafika ny bouée zao, zay tiany omena azy no hotafita... Mino aho fa nitondra ny anjara birikiny ny Jeneraly Rasolomahandry... Mba mandrangaranga ny tamby @\'ny resaka fanampiana miaramila lybiana koa ny HAT... Ny arabo & terroristes sa ny Tompon\'ny vola eran-tany!!! An\'ny tafika ny safidy, samy mangina ny mpividy???

10. milamm
(
17/09/2009 16:03)
aza omena tsiny ry tsiafo raha tohizako kely,le resaka Itpkl Kln R .Ratsimandrava izay nivoaka ny St Cyr toa an-dRamanatsoa sy ratsy iraka dia misy matoambaovao eto(iangaviana sy isaorana meloha izay afaka manalehibe azy ahafahany rehetra vakina)momba ny nahafaty azy http://www.madagascar-library.com/images/700x700/journal-croix-assassinat-article.jpg
11. bazylou
(
17/09/2009 17:33)
fa ianareo ve tsy manan analyse hafa tsy ry ramanantsoa, deba , ary ratsimandrava efa maty nitsitra ary e, beuurrk , ny velona lazaina fa aza btolo e, beuur :-P :-P :-P :-P vive tgv
12. milamm
(
17/09/2009 18:03)
fa ela v tsy manana ol resahina afatsy i andry mitovy @ maloto any anaty lavapiringa e,iny no mahadedaka an'la eto otrany lalimanga ka eny ambony tay vao miedinedina ? ireo ol resahina ireo de tsy vitany nandia fianarana no politisiana,administrateur civil malagasy voalohany sy manamboninahitra malagasy ny St Cyr ary le andry sy ny fari-pahaizany aiza ? tompoy izy ra mety amla fa tsy olana,fa zahay les tsy manaiky ho entiny kofa tsy mamely otrireny a
13. tsiafoi1
(
18/09/2009 05:03)
Somary lava fa mahareta mamaky :
Ho an’ny Manampanahy sy afaka mandinika ary mamaky
Ry Vahoaka Malagasy mpiray tanindrazana , tonga ity ny fotoana hilazana sy hanambarana ny zavamisy marina nitranga teto amin’ny firenena, ny niandohany sy hiafaran’ny tantaran’i Madagasikara.
1- Efa tamin’ny taona 2007 no efa nikotrehina ny tetikady androdanana ny fitondran’ny Filoha RAVALOMANANA izay tsy iza fa ny olona maromaro manodidina azy izay hotononina amin’ny faran’izao taratasy izao.
2- Tamin’ny taona 2008 tapakin’ny volana jolay 22/2008 no efa nisy fivoriana izay natao tao Malaza Andoharonofotsy notarihan’andian’olona sivily sy miaramila hanomanana ny tetika anasoketana ny Filoha RAVALOMANANA.
3- Atoa Rajoelina no nolazain’izy ireo fa apetraka hatao jono ho entina hanakorontanana ny firenena noho ny fananany TV VIVA, ary mpanao gazety iray no nalefa tany amin’Ingahy RATSIRAKA nanao iny Tournage tany Frantsa iny, sy nanome ny toromarika amotehana ny fitondrana RAVALOMANANA, tafiditra tao anaty vela-pandrika ny Filoha ary ireo olona manodidina azy ihany no namporisika ny filoha sy ny minisitra hanakatona ny TV VIVA, tanteraka ny vela-pandrik’i RAJOELINA sy ny atidoha niaraka taminy, tsy noeritreretin’ny Filoha ny zavatra hiandry azy sy ny Firenena fa toa izay teneninireo manodidina azy dia notanterahiny. Ny tsy fantany anefa dia efa nisy ireo Jeneraly ambony amperinasa sy ireo efa nisotro ronono no efa voavidy vola mba hangina ary mahafantatra tsara ny zavatra hitranga eto amin’ny firenena.
4- Raha mandinika tsara isika vahoaka nanomboka tamin’ny nanaovan-dRAJOELINA Fanambarana fa hitokana ny Kianjan’ny Demokrasia Ambohijatovo ny tenany dia efa nisy andiantafika marobe nitambasy nanao fanamiana sivily nanaraka azy, nidina teo amin’’ny kianjan’ny 13 Mai izy ireo dia nitombo ireo miaramila ireo, ary maro no nametra-panontaniana, fa toa variana sy toa mbola tsy niraika ihany ny Filoha satria toa hevi-diso hatrany no natolotr’ireo manodidina azy, nefa dia hita maso ny fisian’ny manamboninahitra Frantsay izay mibaiko CAPSAT nanao fanamiana teo akaikin’i Rajoelina nanomboka teo amin’ny 13 Mai, Le Hintsy, ary EPISCOPA midika izany fa tsy misy intsony ny azo antoka sy hianteherana, nefa ny Filoha dia mbola nanana fahatokisana. Ekena tokoa mantsy fa misy ireo Garde Présidentiel izay tsy nivadibelirano taminy, na dia nianina aza fa vonona handrava ireo andiatafika mikomy ireo dia nanaraka ny baikon’ny Filoha izy ireo.
5- Miha mafana ny toe-draharaha teto amin’ny firenena nanomboka ny volana janoary sy febroary fantatsika tsara ireny Fandorana sy fandrobana marobe ireny, nefa eto dia sahinay ny milaza:
1° Atoa Rajoelina no nanome ny Paikady ny fandorana ny RNM sy TVM mba tsy hahitan’ny Malagasy ny zava-misy marina., Mpiasa ambony teo aloha tao amin’ny TIKO sy MAGRO, mba hahazoana vola rehetra tao izay mitentina amina miliara izay lasa am-pelatanan’i Rajoelina sy ny forongony tamin’ireny fotoana ireny no nanampy.
2° Tsara ihany koa no manamarika fa mpiasa sasantsasany ambony tao amin’ny orinasa TIKO no nivarotra ny Filoha tamin-dRajoelina ka nanoro ny toerana misy ny fananany rehetra
3° Ny momba ny 7 febroary teny Ambohitsorohitra dia tetika efa maty paika daholo, satria :
a) ireo Garde Présidentiel niambina ny lapa dia isany andiany voavidy vola, ary teo ambany fiadidian’ny Commandant Charles izy ireo ary ny fifanarahana nataony dia mody nanao fifampiresahana taminy ireo délégation notarihiny Roindefo , nefa nasaina nanao tifidanitra izy ireo , fa avy aty anatin’ny vahoaka no tena nanao habibiana , ary nitifitra ireo olona nentina teny tamin’io fotoana io, izay ilay tetika voalohany nanasoketana ny filoha mba hanesorana azy.
b) Rehefa tsy nahomby ny tetika 1 sy faha 2, izany hoe fanimbana sy fandrobana, ary famonoana olona tamin’ny 7 febroary dia nalefa Atoa Jacques Sylla hamandrika ny filoha teny amin’ny Le Hintsy hilaza tamin’ny Floha fa « tsisy tokony handehanana eny intsony fa misy vahoaka marobe ety ka tsy azo antoka ny sécurité-nao sady tsy tonga Rajoelina », dia lazaina fa ny Filoha no tsy tonga.
c) Rehefa hitan’izy ireo indray fa tsy nahomby ny tetikady faha 3 dia naniraka ny Andrarezina izy ireo izay tsy fantatrareo vahoaka ny fisian’ny tena marina tao Iavoloha, ka nahatonga ny Filoha niala ampanetrehantena sy fiarovany ny ainy, ary nahatonga azy nanao fanambarana sy nosoniaviny rehefa noteren’i Praiministra Jeneraly Rabemananjara Charles, ary nambanany basy sy nitenenan’ny hoe «Soniavon’ialahy io raha tsy izany maty ialahy dia mandehana» , izay ry vahoaka Malagasy ny zavanitranga tamin’iny fotoana iny ary ny tena zava-nisy marina fa tsy noforonina na hoentina hanasoketana anaran’olona.
Koa ankehitriny lazaina aminao ny zava-marina sy misy eto amin’ny firenena. Alohalika mantsy ny ranombary ary tsy maintsy andraisana fepetra ny hoavin’ny taranako, taranakao, taranantsika. Ny hoavin’ny firenena iray manontolo mihintsy.
Eto dia tiako no milaza aminao vahoaka mpiray tanindrazana fa na hiantsoantso toy inona aza isika hoan’ny mpiasam-panjakana dia tsy maintsy lazaina ihany koa ny marina, fa misy amin’izy ireo no tambazana vola 2.000.000 Fmg ary ny sasantsasany ihany fa tsy izy rehetra nefa mahagaga fa mbola misy manao be marenina ihany koa ireo tsy voavidy vola. Koa asakasakareo mbola tsy tonga saina ireo fa dia anareo ny anareo.
Eto ihany koa dia sahiko ny mijoro vavolombelona ny amin’ny Antso ataonareo Vahoaka momba ireo tafika legaliste, efa misy amin’izy ireo no efa any anaty vahoaka any, ary maro no efa nanipy sy nanala ny fitaovana teo ampelatanany noho ny baiko izay tsy nanaraka hatramin’ny voalohany ny hoe «Hoan’ny Tanindrazana». Voaviravira vola mantsy ny ankabeazany tafika ary namadika, ka noho izany ianareo vahoaka no tompon’ny teny farany ary ianareo no masomandidy, ary efa maro ny tafika eny anivonareo toy ny Z.P.P.M ary vonona ny hifanampy na dia tanampolo aza. Koa noho izany mijoroa ry malagasy ,manana firaisankina, atambaro ny hery, ampy izay ny fanaovana tsindry hazo lena sy ny fitapitaka. Ny hoavin’ny taranaka Malagasy no tsinjovy ary aoka tsy hihemotra intsony.
Koa mirary Soa ho antsika Vahoaka maro an’isa. Ny tenako dia tsy ho ela ho fantatrareo ny fisiako sy momba ahy fa ny tiako ambara fotsiny dia Jeneraly amperinasa sy misotro ronono izahay no miaraka miasa.
Mirary soa ry Vahoaka Malagasy
« Masina ny Tanindrazana »

14. tsiafoi1
(
18/09/2009 05:12)
Hita tany anaty site hafa tany io article lava dia lava io. Vakio milamina ampitoniana tsara.
Iray ny atidoha dia FRANTSA izay mampiasa ny saribakoliny tsy maty voalavo an-kibo mandrak'androany.
Aoka ho mailo ny mouvance Ravalomanana... Miara-milomano @'ny fahavalo, ka tandremo hikopahan'ny elany, ka ho rendrika an-drano tsifidiny...