Rajemison: Amin'ny anarany manokana

1. hery ( 11/09/2009 07:04)
Dia samy nandre ny filazan'i Rajemison Rakotomaharo isika fa t@ anarany manokana no nanendrena sy nanekeny ilay toerana ao amin'ny HAT.

Izany hoe tsy mitombona izany ny filazan'i Ndefo hoe nampidiriny koa ny avy any amin'ny TIM... satria tsy amin'ny maha-TIM azy no niantsoany an'i Rajem's. Ny TIM rahateo dia efa niteny hoe tsy nisy fifampierana tamin'ny naneken-dRajems an'io toerana io ary manala tena avy hatrany izy sy izay rehetra miditra ao amin'ny governemanta Ndefo.

Ary i Sylla? :-)

Dia lazaivo ihany hoe governemanta iraisana io tssss
répondu par papala le 14/09/2009 10:12
2. ifiona ( 11/09/2009 07:32)
salut hery,

tena zay mihitsy anie e tena heveriny fa dondrona sy jamba angamba ny olona toy ny tsy nahita ireny nankanesan'i Sylla tany @ 13 mai ireny ary efa nanohana mazava an'i Andry Rajoelina. Efa ela izy no tsy TIM intsony ka noho izany tsy mi-represente ankolafi-kery hafa izy fa mitovy hevitra @ HAT ihany satria manohana azy.

Raha momban'i Rajemison ndray dia mazava ny fanambarany, porofon'izany fotsiny anie, i Rajemison angaha mbola hita nankany @ MAGRO na nankany @ Maputo tao anaty delegasiona Ravalomanana? Non, satria efa tsy ao anatiny ntsony izy.

I Alain Andriamiseza moa efa nolazaina tatsy ambany tatsy fa efa ela no tsy nankany @ MAGRO ntsony, samy mahalala an'izany anie e!

Ny tena maharikoriko ahy dia ilay filazàny hoe tsy maintsy mijanona eo @ toerany maha filoha azy i Andry Rajoelina ary @ maha praiministra azy i Monja Roindefo satria zany no hetahetam-bahoaka maro an'isa liana fivoarana sy fiovana .

Fa vahoaka firy % moa zany no nametraka azy teo? nisy ve ny fifidianana nametrahana azy ireo teo? ka @ fomba ahoana no hilazàna tsotra izao hoe maro an'isa? Nga koa moa ireo olona teo @ 13 mai nisafidy hoe aleo ary i Monja Roindefo no ataontsika praiministra? Tsy TGV ihany ve no nanondro azy???
3. xxx ( 11/09/2009 08:33)
Hetahatan'ny vahoaka maro an'isa, liana fivoarana sy fiovana no hijanonan'ny Andry nirina sy Monja eo amin'ny fitondrana avo sy tampon'ny indrindra eto amin'ny firenena.:)




4. ifiona ( 11/09/2009 08:50)
dia ndana ary aloha mianatra ny atao hoe Repoblika sy demokrasia fa tsy any Afrika akory isika fa matoa atao hoe Repoblikan'i Madagasikara ny anarany dia mila manaja ny fitsipika rehetra ao anatin'izany, indrindra indrindra ny tsy maintsy handalovana fifidianana zay vao hahazoana mipetraka amin'ny toerana maha filoha, sy tena hilazàna fa vahoaka maro an'isa no nametraka azy teo.

Mety hiteny ianao eto hoe: fitsipika inona moa fa na i Ravalo aza tsy nanaja izay fitsipika sy lalam-panorenana nisy teto Madagasikara, dia hoy aho hoe: ka raha hita ve hoe nisy tsy nety nataony dia mbola ho averina atao ihany???


:idea:
5. pikatti ( 11/09/2009 09:24)
Ny tena maharikoriko ahy dia ilay filazàny hoe tsy maintsy mijanona eo @ toerany maha filoha azy i Andry Rajoelina ary @ maha praiministra azy i Monja Roindefo satria zany no hetahetam-bahoaka maro an'isa liana fivoarana sy fiovana .

bravo ,ary tena mazava be daholo le analyses-nao retra etsy ambony
6. pikatti ( 11/09/2009 09:37)
hoy Hery

Izany hoe tsy mitombona izany ny filazan'i Ndefo hoe nampidiriny koa ny avy any amin'ny TIM... satria tsy amin'ny maha-TIM azy no niantsoany an'i Rajem's.


Tena tsy mitombina tokoa Rahery satria tsy @ anarana manokana na hongotana ,na nividiana avy any @ mouvances hafa akory fa @ zay olona atolotr'ilay mouvances samihafa raha nisy ny fanekena MaputoI :lol:
7. xxx ( 11/09/2009 10:05)
ifiona:
dia ndana ary aloha mianatra ny atao hoe Repoblika sy demokrasia fa tsy any Afrika akory isika fa matoa atao hoe Repoblikan'i Madagasikara ny anarany dia mila manaja ny fitsipika rehetra ao anatin'izany, indrindra indrindra ny tsy maintsy handalovana fifidianana zay vao hahazoana mipetraka amin'ny toerana maha filoha, sy tena hilazàna fa vahoaka maro an'isa no nametraka azy teo.

Mety hiteny ianao eto hoe: fitsipika inona moa fa na i Ravalo aza tsy nanaja izay fitsipika sy lalam-panorenana nisy teto Madagasikara, dia hoy aho hoe: ka raha hita ve hoe nisy tsy nety nataony dia mbola ho averina atao ihany???




Eto Afrika isika ka! sa mbola tsy fantatrao izany. Eto Afrika isika. :)
Rah tena olona nianatra demokrasia marina dia mahalala fa tokony hanajana ny hevitrin'ny tsirairay, eny fa na dia tsy mitovy hevitra aminao aza izy. Indrindra moa fa raha i lé jamba mpamono olona sy ilay rangaha mpangalatra, mpanao monopole,sns... indray no miseho manome lesona sy ampianatra ny atao hoe demokrasia.

Ary amin'ny saina tsy miangatra ry reto a! ary tena raha fitiavan-tanindrazana marina, mampaninona an'i ra8 sy ratsiraka ny hitondran'ny Andry nirina sy monja an'io e?? Raha namaky ny maputo I ianareo dia nazava tsara tao fa ny mouvance ra8 no ho be isa indrindra ary ny mouvance 3 hafa dia ho ampitoviana ny isan-dry zareo ao anatin'izany GVT vaovao izany. Ny heloka nataon'ny ratsiraka dia efa natao ho toy ny tsy nisy, ny helok'i ra8 sasantsasany dia efa nofoanana, navoaka ry manandafy, sns... Dia inona koa no mbola tadiavinareo e. Marina fa tsy tonga lafatra ity HAT ity fa mba efa nilefitra be izy e!

Ary fitondrana tetezamita ange no ho entin'ny Andry fa tsy ho izy no ho filoha e! Raha navela ho filoha izy tahaka izay dia mba efa resaka fifidianana ny filoha ho lany démocratiquement no zavatra noresahintsika. Aiza isika izao. Fa eeee...
8. TWING ( 11/09/2009 10:19)
Mba mandinika oa aloha vô mikôzy

fa iza moa i Rajems ? ary i Sylla?

Raha ny fitadidiako dia enjana beu tao @ TIM e?

8O
Valalan amboho marina klé! :D

Seza fotsiny, ary miaro rambo tsy ho tapaka ny an i Deba, Ravalo, ary Zafy satria efa bobak be ny engagement t@ SADEC,

maninona raha miandry fifidianana afaka 14 mois e?
9. ifiona ( 11/09/2009 10:29)
xxx:

[quote=ifiona]dia ndana ary aloha mianatra ny atao hoe Repoblika sy demokrasia fa tsy any Afrika akory isika fa matoa atao hoe Repoblikan'i Madagasikara ny anarany dia mila manaja ny fitsipika rehetra ao anatin'izany, indrindra indrindra ny tsy maintsy handalovana fifidianana zay vao hahazoana mipetraka amin'ny toerana maha filoha, sy tena hilazàna fa vahoaka maro an'isa no nametraka azy teo.

[quote= xxx]
Eto Afrika isika ka! sa mbola tsy fantatrao izany. Eto Afrika isika. :)


Azonao angamba ny tiako lazaina sy ny hevitra tiako avoaka amin'io, manjary mitovy klassy @ Rwanda, malaza ratsy, anarany mba Repoblika nefa misy coup d'Etat sy tsy fanajàna demokrasia.

xxx:

Rah tena olona nianatra demokrasia marina dia mahalala fa tokony hanajana ny hevitrin'ny tsirairay, eny fa na dia tsy mitovy hevitra aminao aza izy. Indrindra moa fa raha i lé jamba mpamono olona sy ilay rangaha mpangalatra, mpanao monopole,sns... indray no miseho manome lesona sy ampianatra ny atao hoe demokrasia.


Ka efa hita zao fa tsy hain'i TGV zay atao hoe demokrasia. Ary tsy tokony averiny intsony ny erreur teo aloha. Zao anefa vao maika pire.

xxx:

Ary amin'ny saina tsy miangatra ry reto a! ary tena raha fitiavan-tanindrazana marina, mampaninona an'i ra8 sy ratsiraka ny hitondran'ny Andry nirina sy monja an'io e??


Mampaninona ve? tokony tsy mampaninona tokotrany o? saingy iza moa no nitondra ny firenena an-kady tao anatin'ny valo volana monja? Ravalo ndray ve? toa tsy teo ntsony angamba izy o. Na za manokana aza tsy manaiky ny hitondràn'io lehilahy io. Raha tena tia tanindrazana amiko dia tokony tsy manaiky an'io intsony satria mitondra ny firenena any an-kady izy, ka ho ahoana ny ho avin'ny taranaka? isika ty mbola afaka misakafo tsara, miakanjo, miasa, fa ny ho avy ve mba noeritreretina? vao maika anie io latsaka lalina dia vao maika sarotra ny fivoahana amin'izao krizy zao e! dia hoe avela eo ve lery dia hilamina ny tany? na ho ekena aza hoe hilamina, hatr@ rahoviana? vitany ve ny mamoka ny firenena ao anaty fahantràna, vitany ve ny mifehy ny firenena? sa avela hanao ny caprice-ny eo aloha lery fa ny hafa aleo mangina? ny hita aloha zao dia vao maika nitombo ny fangalarana, ny horohoro, ny indiscipline, ary miseho tsy misy henatra intsony ireo tena mpangalatra, zay tsy iza moa fa ao @ HAT ihany e! ry zareo ihany no mifaningana eo avy eo anie e!

xxx:

Raha namaky ny maputo I ianareo dia nazava tsara tao fa ny mouvance ra8 no ho be isa indrindra ary ny mouvance 3 hafa dia ho ampitoviana ny isan-dry zareo ao anatin'izany GVT vaovao izany.


Tena zay tokoa no nifanarahana t@ Maputo I raha ny momban'ny Congrès de la transition. Tonga anefa ny Maputo II dia nilaza ny mouvances Rajoelina fa mitaky 70% an'ireo seza ( zay nolazainy hoe zay no fanirin'ireo Herin'ny Fiovàna).


xxx:

Raha navela ho filoha izy tahaka izay dia mba efa resaka fifidianana ny filoha ho lany démocratiquement no zavatra noresahintsika. Aiza isika izao. Fa eeee...



Ka rehefa mbola tsy lany amin'ny fomba demokratika dia tokony tsy mitazona ny fahefana ho azy irery ( présidence + primature) fa manaiky mizara @ hafa ( zay marihiko fa olona représentatifs mouvances hafa fa tsy ry Sylla na Rajemison akory no atao hoe mouvances hafa) , satria na tetezamita aza io, dia vao maika manome vahana an'ireo HAT ireo manao zay tiny atao satria mitovy firehana ny filoha sy ny praiministra.
10. TWING ( 11/09/2009 10:42)
ifiona
mba mandalina oa la aza superficiel.
ra8 navita zavatra, tsy lavina
fa nahavita nanangova 200 fois plus izy. ary tena nandroso tokoa ve ny fiainan ny Malagasy?
Tsy hampahantra ny mahantra moa ilay kozin dadanareo iny?
Manana zany i ifiona zao?

TIKO-land no tanjona, mba jereo kely aloha Vodiala sy Andranomanelatra izay efa propriété privé.
11. ifiona ( 11/09/2009 10:45)
TWING, dia aza superficiel koa ary satria efa nilaza aho teo fa raha hita hoe tsy nety ny nataon'ny teo aloha, maninona no mbola averina, mbola atao ratsy kokoa aza? raha milaza enao hoe en 7 ans Ravalo nangalatra be mihitsy, dia vitan'ny HAT en 8 mois zany. ao ve.

asivo mentalité fampandrosoana sy fitsinjovana ny ho avy amin'izay izy io ry TWING fa zay lolom-po t@ andron'i Dada foana no asesika e! ok!
12. TWING ( 11/09/2009 10:52)
ifiona

LOL

ka inona no mampidongy an i zanaky dada sy ry oenjy fa aleo aloha miandry ny 14 mois oa dia milamina tsara ny jerinaka
13. ifiona ( 11/09/2009 10:59)
TWING efa nohazavaiko tetsy ambony tetsy o!

amiko tsy izahay no midongy fa i Andry Rajoelina.
14. tsiafoi1 ( 11/09/2009 11:01)
Ny vitsika raha hanadaraboka hazo iray dia miditra ifotony ary mamakivaky ny vatan-kazo iray manontolo. Ireny valin-tenin'ny Rajemison ireny dia efa karazany fantsy ho an'i TGV; Aza mikorapaka fa tsy ela dia hiverina @'ny tompony mandrakizay ny fahefana.
15. TWING ( 11/09/2009 11:26)
ho an ny Zafiste, Debiste sy zanaky dada


TSAPAO ALOHA NY HERINAREO


:lol:
16. ifiona ( 11/09/2009 11:34)
ho an'ny Tgvistes

tsapao aloha ny herinareo sans les CAPSAT dia zay vo mandeha ny baolina
17. ntss ( 11/09/2009 12:07)
matahotra mafy ny zanak'i dada ny amin'i Sylla sy Rajemison fa reo mantsy no mahafantatra ny secreny rehetra ary matoa reo nitsambikina niala tao am sambony efa idiran-drano, de be lotra le miditra am kilavadavaka e!

reny ko no tena olom-banona e! tsy resy ny jadona raha tsy sahy mitsangana reny!!!

18. xxx ( 11/09/2009 12:47)
ifiona:
Azonao angamba ny tiako lazaina sy ny hevitra tiako avoaka amin'io, manjary mitovy klassy @ Rwanda, malaza ratsy, anarany mba Repoblika nefa misy coup d'Etat sy tsy fanajàna demokrasia.

Aza dia exagérena loatra ilay toe-javatra eto an-tanana na dia tsy d'acc aza enao. Mikasika ny coup d'état, inona ary aminao no tokony atao, misy président manao izay tiany atao eo amin'ny fitondrana, tsy manaja na inona na inona dia satria zany lany démocratiquement (mbola mila porofo) izy dia avela eo ihany. Dia hiandry éléction efa fantatra fa ho angalariny. Tsy maintsy miainga ny coup d'état. Mankasitraka izany ny tenako eto.

Ka efa hita zao fa tsy hain'i TGV zay atao hoe demokrasia. Ary tsy tokony averiny intsony ny erreur teo aloha. Zao anefa vao maika pire

Tsy hainy ahoana aza. Hevitrao izany. Izahay zao mahita fa na dia tsy tonga lafatra aza ilay izy (loin de là) dia mba afaka hiaretana ihany. Ary avelao hiasa marina izy fa tsy sakanan'ireto goaik'antitra ireto na ireto néo-colonialisme CI ireto foana e!
Ka rehefa mbola tsy lany amin'ny fomba demokratika dia tokony tsy mitazona ny fahefana ho azy irery ( présidence + primature) fa manaiky mizara @ hafa ( zay marihiko fa olona représentatifs mouvances hafa fa tsy ry Sylla na Rajemison akory no atao hoe mouvances hafa) , satria na tetezamita aza io, dia vao maika manome vahana an'ireo HAT ireo manao zay tiny atao satria mitovy firehana ny filoha sy ny praiministra.


Vahana inona ary no ho azony eo. Ny mouvance anak'efatra be izao no mikambana ao. Ary efa miteny aminao aho fa efa nanetry tena izy, efa nanaiky hiresaka amin'ireto olona na Ra8 izany na i Ratsiraka izay olona tsy manaja na inona na inona aminay, efa nanao concession be izy, dia ry goak'antitra indray izao no mody miana-kendry eto nefa seza fotsiny no tena tadiaviny, dia mbola tadiavinao alaina eny amin'azy koa ve ny présidence. Raha tsy teo ange i Andry nirina tsy nisy izao rehetra izao fa TIKO land no niafarana e!

Averiko ihany fa raha tena zavatra notadiavin'ireto 3 mouvances ireto marina ny filaminana dia efa nilamina isika ohatr'izay. Izao dia lazaina fa adison'ny Andry indray, mitady ady ianareo ka! (ny miaramila no saika atao fitaovana) dia mahazo izay zavatra irinareo.
19. TWING ( 11/09/2009 14:05)
ifiona
LOL

mba mangalaha koa CAPSAT raha mahazaka e!
:D

Andry kely ary mahavita ka nareo ireo ve no tsy ahavita.

Tana sy Antsirabe no mba mahazo olona fa vô ankoatran ireo dia BYE BYE Dada
20. pikatti ( 11/09/2009 14:47)

mba mangalaha koa CAPSAT raha mahazaka e!

inona no ilavana ny capsat mpanongana fanjakana leity a, efa ampy tsara reo Malagasy mitolona reo , :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1692