ny fiaina-tokatranon'ny mpivady

1. xxx ( 08/09/2009 10:34)
manaona dol alo e! ty mba misy resaka kely fa somary manitikitika ny saina iany: ny vady ve tsy natao ho namana, ho olon-tiana, ilan'ny tena izany oe iray ref mpivady e, mahasolo ny RAD koa, mahasolo namana?
manontany ten ry reto ny tena fa ra resaka reo zavtr reo alo de ten tsmexiste mints ato antokatranonay a!manan-janaka roa zao zay de ny ray 3 ton de ny ray 6mois; ny tena mahalasa saina de ity ra lehilahy hafa ve tsy zarany aza ny vadiny aminy no milaza ny zavtr reetr toy izay @ namany na olon-kafa nenay de tsy mba miaino ana zany izy fa zao fon no avaliny oe tsy mampiova ny fiainako izany; de na zatr mba itanao tany andalan de mba tianao ho resahina aminy de zay fon ny valin-teny azoko; zahay roa tsy mba miresaka zvt hafa ivelanay efa-mianaka mints fa de fermé mints ny saina e! de ny mahagaga ko ne za tsy avelany manana namana e! fa oe tsy ilaina izany! izy aloha oe sar-piaro fa na de izany ve de ertreretinareo normale zany? nena lo ny eritrertro oe tstiny za e! satri tsis zvtr afa azoko atao mints zany e! za nef ato atrano tsoe kzitina na oe ts mkarakar anaz fa de ef ela iany fa tsis fiovana mints iz. de mba valio ry reto a! mila toro-hevitra e!
répondu par mandrindra le 16/09/2009 08:28
2. xxx ( 08/09/2009 10:44)
3 ton ahoana ny zanakareo ? ngezabe ve izany ?
3. nathie86 ( 08/09/2009 11:39)
ka tsy tiany enao b tantara zvt sendra mba lasa koa iz mitantara d voatantara hatr@ ny tsy tokony tantaraina mdr
4. Mirananirina ( 08/09/2009 12:53)
de mba valio ry reto a! mila toro-hevitra e!

Tsy hitako aloha izay torohevitra hoe mety atao amin'izany.Rehefa tsy mety hitantarainao izay manjo anao sy ny zavamisy izy,tantarao anay eto fa izahay vonona ny hiaino anao foana.Ary aza manaiky izany hoe tsy manana namana izany fa io no nahavoa ahy hatrizay..na 1 aza tsy nanako,izaho aho manana betsaka afaka manoro hevitra amin'ny rehetra na namana eto ihany aza.
5. soanja ( 08/09/2009 13:22)
xxx:

manaona dol alo e! ty mba misy resaka kely fa somary manitikitika ny saina iany: ny vady ve tsy natao ho namana, ho olon-tiana, ilan'ny tena izany oe iray ref mpivady e, mahasolo ny RAD koa, mahasolo namana?
manontany ten ry reto ny tena fa ra resaka reo zavtr reo alo de ten tsmexiste mints ato antokatranonay a!manan-janaka roa zao zay de ny ray 3 ton de ny ray 6mois; ny tena mahalasa saina de ity ra lehilahy hafa ve tsy zarany aza ny vadiny aminy no milaza ny zavtr reetr toy izay @ namany na olon-kafa nenay de tsy mba miaino ana zany izy fa zao fon no avaliny oe tsy mampiova ny fiainako izany; de na zatr mba itanao tany andalan de mba tianao ho resahina aminy de zay fon ny valin-teny azoko; zahay roa tsy mba miresaka zvt hafa ivelanay efa-mianaka mints fa de fermé mints ny saina e! de ny mahagaga ko ne za tsy avelany manana namana e! fa oe tsy ilaina izany! izy aloha oe sar-piaro fa na de izany ve de ertreretinareo normale zany? nena lo ny eritrertro oe tstiny za e! satri tsis zvtr afa azoko atao mints zany e! za nef ato atrano tsoe kzitina na oe ts mkarakar anaz fa de ef ela iany fa tsis fiovana mints iz. de mba valio ry reto a! mila toro-hevitra e!



Mampalahelo be izany momba ny tokatranonareo izany.

Ny vady tokoa no tokony ho namana voalohany. Ilazana ny ao am-po tsy miloaka amin'ny hafa. N'inona n'inona io. Tsy ankanavaka ny zavatra resahana aminy SAINGY ilaina tsara kosa ny mijery hoe ahoana ny fomba amoahana aminy ny tianao tenenina mba tsy hisian'ny fifandirana sy ny adilava satria ny olana mantsy amin'ny olombelona dia ny fomba iresahana na ny fotoana io na ny fihetsika na ny teny mivoaka dia mety tokoa hanova tiana ambara ka manjary mandray vilana ny olona sasany dia lasa ady indray ilay tokony ho fifanantonana akaiky. Na ny teny resahina mety teny masiaka ka tsy zakan'ny mpandray.

Izay koa anefa dia miankina lalandava amin'ny hatsaram-panahy na fo na ny fahaizan'ilay vady. Milalao ao koa mantsy ny intelligence, raha toa ohatra ka lehilahy tsy dia nahita fianarana loatra izy dia sarotra ihany ny hitantarana resaka avo lenta aminy nefa izy mety ny tsotsotra no mba tiany resahina aminy.

Koa ilaina lalandava ny fahalalana mialoha hoe iza io hovadiana. Hatraiza ny fomba fandraisany resaka. Afaka mba manarak'onja ve izy sa nobeazina toa naty fefim-piainana tsy misy fangorahana ny hafa sa mpidirikina lava eo amin'ny fiainana dia tia manebateba na mampangina ny tiana horesahina. Mila jerena mialoha ireo. Raha toa ka niova ny vadinao tao anatin'ny fotoanany tokatrano dia misy zavatra nanova azy tao, tsy voatery ianao akory fa mety ny fiainana mihitsy. Io no mila atrehana hoe inona? Matetika dia ny mpanolo-tsaina na ireny mpikarakara ny mpivady ireny no afaka manelanelana na ny RAD izay heverinareo fa azonareo amborahana izay na ny namana akaiky sns sns...

Tena ilaina ny fifampiresahin'ny mpivady ary ilaina lalandava ny fitadiavana marimaritra iraisana. Mahereza lalandava.



6. xxx ( 08/09/2009 13:31)
tohizako kely ny lazain'i soanja, izay no mahatonga ny hoe mba jerijereo izay ho vadiana, izay mba mifandrify @ tena, tsy ara-bola ihany fa @ lafiny fianarana ihany koa ... mba ho olona hahafahana "mifanakalo" sy "miresaka"
7. booboo ( 08/09/2009 14:17)
xxx 2 > hihihihihihihi
8. ikaretsaka ( 08/09/2009 15:10)
xxx:

tohizako kely ny lazain'i soanja, izay no mahatonga ny hoe mba jerijereo izay ho vadiana, izay mba mifandrify @ tena, tsy ara-bola ihany fa @ lafiny fianarana ihany koa ... mba ho olona hahafahana "mifanakalo" sy "miresaka"

Marina tanteraka

9. ari.malala ( 09/09/2009 06:48)
xxx:

3 ton ahoana ny zanakareo ? ngezabe ve izany ?



:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
10. peta83 ( 09/09/2009 12:02)
3 ton ahoana ny zanakareo ? ngezabe ve izany ?
:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
amiko zany amin'ny fiainana retraretra dia ilaina fona io firesahana io, ny communication tena zava-dehibe io, bien sur olona mitovi2 onde no afaka mifandray tsara, maika mo ka any am tokan-trano dia tena ilaina io, ilaina ifampiresahana daolo ny zavatra reetra, ary refa voavadika im-pito lela vo miteny fa tsy de oe ze zavatra n'importe koi io de lazaina avokoa!teneno izy fa ilaina ny mifanakalo hevitra indrindra ho an'ny mpivady.
Fa ono woa??? no comment zany ny film nareo ao an-trano???? :D :D
11. ni81 ( 09/09/2009 12:51)
3 ton ahoana ny zanakareo ? ngezabe ve izany ?
:lol: :lol: 3 taona kosa io e! :)
12. xxx ( 09/09/2009 13:06)
3 ton ahoana ny zanakareo ? ngezabe ve izany ?

ni81:
:lol: :lol: 3 taona kosa io e! :)


Mbola hisy hahita raharaha @ itony sms itony ihany ho aho e :lol:
13. simplex ( 09/09/2009 15:53)

misy karazana olona ferme be otran'zany mintsy ka. Raha ohatra ka nozarin'ny RADny t@ zany izy na hoe nisy zavatra nitranga teo @ fiainany ohatra...
Tokony zarinao tsikelikely izy... le zavatra mba mi-interesse anazy ireny tantaraina. Ohatra hoe ra tia bolina izy dia zavatra misy hifandraisany @ izay ohatra...

korazy ee!
14. ni81 ( 09/09/2009 15:59)
Voalaza teo :
3 ton ahoana ny zanakareo ? ngezabe ve izany ?


Hoy i ni81:
3 taona kosa io e!


Mbola hisy hahita raharaha @ itony sms itony ihany ho aho e
manahirana mihitsy io sms io ka! na dia toerana malalaka aza dia mbola mitsitsy foana. :lol: :lol:
15. Zina ( 09/09/2009 19:06)
mampalahelo ilay tantara, ny hafaranan'io raha tsy mahay ilay rangahy dia votsitra i ramatoa.
Ka izay retsy no azo ataon-ndry a, eto any @ psychologue izy satria indry tsy afaka hanao na inn na inn aminy izy zany sady tetu no borne beu!
ary mivava mandrakariva fa mahay zavatra Andriamanitra, mahay manova an'io vadinao io izy raha manana finoana ianao fa hanampy anao tokoa i Jesosy.
Zaro miaraka amin'ny ankizy hafa ny zanakao fa manjary lasa otran'ny rainy eo daholo koa na dia mbola kely azy.
Zay fa mahereza mivavaka ho anao aho
16. reve ( 12/09/2009 15:05)
Tena manana torohevitra atolotra anao aho fa izao Tonga dia ny vahaolana hitako fa tsara indrindra no omeko anao dia ny Fifandraisana amin'I Jesoa Kristy tsy tapaka IZY irery no namana azo atokisana IZY irery no mba tena mihaino ary aza adino fa mamaly ihany koa IZY
sanatria tsy mananihany aho fa tena izany no fiainako zao ao anatin'ny fanambadiana (18ans de marriage) hoento amim-bavaka ny vadinao dia angataho amin'ny Tompo mba ahay hiaino anao izy mangataha amin'i Jesoa ihany koa namana azo mba hiresahana mahatoky fa ilaina foana koa anefa izany an! JESOA KRISTY asaina mitondra ny fiainanao manomboka izao dia ho hitanao fa hisy zava maha gaga hiseho eo aminareo mianakavy kely
mahereza e! dia mivavaka ho anao ! GOD BLESS YOU :-* :D
17. mandrindra ( 16/09/2009 08:28)
tsy gadra akory aiano ka hoe tsy mahazo manana namana. rehfa zavatra tsy eken'ny sainy anefa dia mila ampidirina moramora. manana namana, ento ao an-trano ho hitany; ilay namana koa aloha fidio hoe tsy namana amorika fa hanndratra.

eo amin'ny resaka hifanakalozana, andramo ny tsy mitantara n'inn n'inn mandritry ny iray volana, dia hadiahadio ny fihetsiny.

izany no ahafahanao mhafantatra hoe aiza no alalna aleha rahampitso.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7832