boky mena

1. sitlo ( 01/09/2009 19:03)
Raha misy manana ilay boky mena nosoratan'i Didier Ratsiraka dia mba scaneo dia alefaso aty raha mety. :wink:
répondu par milamm le 19/09/2009 00:06
2. simplex ( 01/09/2009 19:49)

tsy manana ah fa ity aloha asiana maso ra mila mamaky toi

http://www.hitler.org/writings/Mein_Kampf/

;-)
3. sitlo ( 01/09/2009 21:52)
:-D
Vao avy nijery an'io tamin'ny tele mihitsy aho no antony nandefasako an'ity dinika ity. Hoy aho hoe tena misy itovizany ange Ratsiraka sy Hitler eh.
Na ny fomba fijeriny, ny fomba fihetsiny, ... Obama koa somary manao ilay fomba fihetsika. Izaho mieritreritra hoe ianaran-dry zareo mihitsy ireny.

Ankohatra an-dRavalo, dia tsy mahalala TIM mahay mandresy lahatra mihitsy aho. Karazana zesita, za favy ianareo vendrana daholo no tena teknikany dia lasa manohatra daholo ny olona.
4. ikaretsaka ( 01/09/2009 23:15)
ny MAP adinon la ra sitl
5. sitlo ( 04/09/2009 01:47)
Ny MAP indray lesy ohatra ny tsy tafa raha tsy miankina amin'ny mpamatsy vola a. Tsy tena mein kampf fa somary zavatra tsy satry.

Fa misaotra an'i jolie petite poupee de sucre aloha. :wink:
6. milamm ( 15/09/2009 13:22)
ny kely mba haiko no hany zaraiko de tano zay mahasoa e
-le Map aloha de volavolan\'asa ny lobby amerikana @ development agro-alimentaire izay ny (IMF,WB no mpamatsy vola mivantana azy),izay nitsahatra t@ farany 2008 rehefa resy t@ fifidianana lehibe ny tanana Antananarivo ny TIM.

Ny boky mena(nolaniana sy nofidiany solombavambahoaka 1975) dia tsy dorizaka fa efa t@ androny Ralaimongo no niposaka ny firehana sosialista taorinany ady lehibe 1 ,tao @ congres de Tours sy tany @ Assemble nationale frantsay
- Dika sy hala-tahaka t@ revolisiona Tanzaniana izay niseho voalohany 29/01/1967(Chartre et declaration d\'Arusha)ny boky mena,4 ireo mpanolotsainy ratsy iraka nanoratra azy io

. >dia tsy misy hafa @ > centralisme democratique
. > cooperativisation forcee,anohanana mivantana ny rehetra famatsiambola ny sata revolisionera
\" conscientisation de masses poplulaire \" ilay izy satria omni-present na any @ biraompokotany na antenimiera na fitsarana avo,tafika sy ny foloalindahy .
eo no misy itovizany @ Hitler sy ny jadona nentina nananterahana azy(unipartisme)ny tanjona nefa dia tsy mitovy velively sy ny fanantanterahana
7. milamm ( 16/09/2009 11:37)
amaranako azy ,ireo sata 2 ireo moa dia kobaka am-bava dolidoly satria t@ rafimpitondrana mpanjaka ihany no nisy ny fahaleovantenany Madagasikara nifidy ireo vahiny iaraha-miasa,1986 ny vahiny nanjanaka no nibaiko ny fitantanana ekonomika sy politika ary nitavana ny tombotsoa ambongadiny asa-tanana,fifanakalozana ara-barotra ,1960 dia nisafidy ny hizaka sy hahaleo tena tsy mbola ampy ireo mpitarika ara-toekarena(indostria,fambolena,fiompina,fizahan-tany,fanitarana asa-tanana)...sy mpandraharaha malagasy ekonomika any ivelany,fa teknisiana daholo ankabeazany,ireo mpanjanaka teo aloha ihany izany no nifandraharaha tamintsika ary mampiasa ny filohany antoko ny fitondrana ho fitaovana androbana ny fahaleovantena ara- toekarena,sosialy,koltoraly ary ny harentsaina malagasy.Porofo tsaroantsika tsara daholo ngambany fa Andrianampoinimerina(Imboasalama self-made prince) no namoaka ilay slogan malaza ara-politika mbola tafita @ taranaka taty @ taonjato 21 oe \" fahavaloko ny mosary\"/fanitarana ny fambolem-bary ,ankoatry ilay \"ranomasina no valamparihiko\"/Ramanetaka zanany az moa dia lasa nanjaka tao Moheli-Comores \"Sultan Abderahmane of Moheli\" tsoaka avy @ ilay sata Malagasy voalohany indrindra \"Ombalahibemaso\"(1745)ireo mpanolotsainy,mpikabary nanampy azy nanoratra izany moa dia i Hagamainty,Rafiara-Rafiraisana.Tsy nisy IMF,WB na SADC na UA sns t@ zany nefa nahavita tena ireo faritra nitambatra teo @ fanjakany,natao ny lalana ,nitombo ny angady niasa ary niaina tsara ny firenena,niforona ny foloalindahy voalohany malagasy niisa 100.000,hetra ,vola
sns...
8. rhina ( 18/09/2009 08:12)
tena msotra anareo rehetra lo fa nisy zavatra azoko noraisina teto e!!
za tena tsy kopy t@ zany rehetra zany mintsy talohan'izao
9. milamm ( 19/09/2009 00:06)
i sitlo no isaorana nitondra le heitra ahafana miresaka toy izao malalaka @ samy malagasy afaka miresaka sy i Hery zaikobe eto @ serasera,misaotra les ry zokilahy isany fa milay ny reviny serasera ;-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6187