vady: anjara sa safidy?

1. Ahton ( 27/08/2009 23:20)
Ity misy fanontaniana tsy mety voavaliko hatramin'izao: anjara ve sa safidy ny vady? (l) (l) (l) (l)
répondu par Papoose le 11/09/2009 16:55
2. soanja ( 27/08/2009 23:32)
Ny safidy ihany no lasa anjara amiko. Isika no tompon'ny tenantsika raha tsy andevozin'ny olona na hevitra na tahak'izay. Isika no mamily ny tenantsika amin'izay lalana tiantsika aleha. Anjara kosa ireo izay aleha sy izay atao amin'izany.
3. cutie ( 27/08/2009 23:42)
Mpandefa : Ahton [ Valio ] 28-08-2009 01:20:01
Lohateny : vady: anjara sa safidy?
Ity misy fanontaniana tsy mety voavaliko hatramin'izao: anjara ve sa safidy ny vady?

safidy le izy aloha, de refa hitanao fa metimety aminao de lasa mivadika ho anjara :-D :-D :-D :-D
4. Ratoa ( 28/08/2009 00:38)
Dia misy olona tolorana vady (zava-misy ozany hatrizao na eto Madagasikara). Dia inona indray izy amin'izay? Anjara manjary safidy ve?
5. cutie ( 28/08/2009 02:38)
Mpandefa : Ratoa [ Valio ] 28-08-2009 02:38:10
Lohateny : Re : vady: anjara sa safidy?
Dia misy olona tolorana vady (zava-misy ozany hatrizao na eto Madagasikara). Dia inona indray izy amin'izay? Anjara manjary safidy ve?

matoa manaiky tolorana vady de efa safidy zay. :) safidinao ny nanaiky an'le vady atolotra :D
6. nathie86 ( 28/08/2009 05:55)
tena misy marina v ny anjara?????
@ko d ny olona ihany no maitre an'ny fiainany, zany oe manana choix fôna izy @ zavatra rehetra. zany oe safidy zany ny vady :)
7. JOSIAH ( 28/08/2009 06:20)
Misy kosa nefa olona tsy manan-tsafidy fa nh ny antony maro de tsy maintsy manaiky na tsy safidy aza :wink:
8. mion ( 28/08/2009 06:51)
Ny vady dia safidy avy @ anjara. Hazavaiko.
1-/Nomen'A/tra safidy isika olombelona
2-/I adama irery no tsy nanan-tsafidy t@ tantaran'ny zanak'olmbel


Misy vehivavy surement maromaro nanintona anao t@ mbola mpitovo ianao, nisy t@ ireo no mazoto niaraka taminao, ireny le efa anjaranao, misy le tonga de tsy te hiherika akory anao, ireny le anjaran'ny hafa. Am ireo mba taratara taminao de nisafidy ianao, afaka nijery oe ity no tena afaka hiaraka amiko mandrakizay,
Manomboka eo dia tsy mahazo miteny intsony ianao oe zao ny anjarako raha sanatria maninnmaninn ny fiarahana fa lasa responsabilité izy manomboka eo


9. xxx ( 28/08/2009 07:17)
Sady tsy anjara no tsy safidy fa hasard tanteraka dia voatery ekena fotsiny aty aoriana. Dia avy eo moa izy koa no efa eo dia hitady aiza intsony, fa izany akory tsy midika hoe tsy tianao izay vadinao, tianao sy tiavinao par habitude izy sisa. Dia indraindray izany ny sasany mba lasa mijangajanga kely.

Mampalahelo ihany lé zavatra resahiko a! sa ahoana????
:)
10. ni81 ( 28/08/2009 07:49)
ty misy fanontaniana tsy mety voavaliko hatramin'izao: anjara ve sa safidy ny vady?
anjara!
11. Ahton ( 28/08/2009 07:55)
Raha ny mba fahazoako azy dia sady safidy no anjara ny vady satria zaho no nifidy izay ho anjarako na vady natolotra io na fanambadiana noterena. Ity anefa misy petrak'olana vaovao: raha nosafidiko tokoa ary lay ho anjarako nefa lasan'Andriamanitra mialoha ny raharaha na 1 volana aorian'ny mariazy sanatria dia mbola za ihany ve no safidy an'izay? Anjara kosa angamba amin'izay (l) (l) (l)
12. ANJARA7 ( 28/08/2009 09:10)
anjara sa safidy ny vady,amiko anjara SYsafidy ,satria na safidinao aza izy nefa tsy anjaranao dia tsy tanteraka toa anao misafidy kiraro eny an tsena rehefa tsisy pointure nao dia tsy anjaranao zay na tianao aza,ka misafidy olona iray aloha ianao rehefa anjaranao dia tanteraka ka na sanatria misy olana aza any aoriana ka tafasaraka dia raha anjaranareo ny mbola hiverina dia tsy maintsy tafaverina ihany.Amiko ny safidy sy anjara mifampiankina.
13. sapele ( 28/08/2009 09:53)
marina io hevitr'i ANJARA7 io,indraindray mantsy misy zavatra tsy tin'ilay iray mihintsy ataon'ilay vady de lasa iny mande any mitady hafa any,,,avy eo anefa miverina ndray fa fantany angamba fa io iany no mahazaka azy,ka na be aza ny safidy azo atao dia enao tsy afa-miala @ ANJARA izany e!. :roll:
14. Crionlas ( 28/08/2009 10:18)
Ny fanontaniana tokony hapetrakao ngamba de hoe safidy ve sa adidy ny fanambadina," ny anambadik'iadanana, hiteraana": raha ny marina de andresen'dahatra fotsiny le oe iadanana surtout ny vehivavy;safidinao marina ve le iteraka:ny anao nge efa vita nfiainana e! fa le zaza@ty fiainana tsy manjary, sa ra maty aho matesa rahavak no filamatra @zay. Mafy nge zan oe tsy manantsafidy ny hoety an'tany e! ze vita de latsak fa tsy eritreretina tson n'ambiny!
Zao ngamba ny hevitro,fanambadina zan de safidy,eo ny sendra ny ratsy de eo ko n'tsara. Tsy te hitaraina & menatra na manenina ra olombelona de oe anjara. Anjara anjara inona fa te hanao aminy eo k"Atra n'omen'tsiny!
Zao fa an'tsaina mamaky am'po mieritra. :wink:
15. ari.malala ( 28/08/2009 11:39)
ANJARA7:
anjara sa safidy ny vady,amiko anjara SYsafidy ,satria na safidinao aza izy nefa tsy anjaranao dia tsy tanteraka toa anao misafidy kiraro eny an tsena rehefa tsisy pointure nao dia tsy anjaranao zay na tianao aza,ka misafidy olona iray aloha ianao rehefa anjaranao dia tanteraka ka na sanatria misy olana aza any aoriana ka tafasaraka dia raha anjaranareo ny mbola hiverina dia tsy maintsy tafaverina ihany.Amiko ny safidy sy anjara mifampiankina.
+1

Crionlas:
Ny fanontaniana tokony hapetrakao ngamba de hoe safidy ve sa adidy ny fanambadina," ny anambadik'iadanana, hiteraana": raha ny marina de andresen'dahatra fotsiny le oe iadanana surtout ny vehivavy;safidinao marina ve le iteraka:ny anao nge efa vita nfiainana e! fa le zaza@ty fiainana tsy manjary, sa ra maty aho matesa rahavak no filamatra @zay. Mafy nge zan oe tsy manantsafidy ny hoety an'tany e! ze vita de latsak fa tsy eritreretina tson n'ambiny!
somary tsy azoko ilay fanazavan-kevitra... resaka vady no tenenina ko in no idiran'ny fiterahana? sanatria otran'ny manenina t@ fahatongavana teto an-tany ny mpanoratra. AZafady raha tsy izay, fa izay no fandraisako sy fahazoako ilay tianao ambara. Matoa aloha ny zaza ateraka d tiana izy zany. Efa misy anie amizao ny fomba fanabeazana aizana bedabe e! azo atao iany koa no mitandrina refa mbola ts te hiteraka. Franchement ts azoko lay valnteny.. very ah!
16. simplex ( 28/08/2009 12:37)

anjara dia avy eo safidy...

anjara satria bobaka be ny sipa eran'ny tanana fa izy no nandalo teo anoloanao...

safidy satria ra tsy niady @ piesinao dia efa ela no nipitsika enao.

;-)
17. Papoose ( 28/08/2009 13:02)
ie sady anjara no safidy fa amiko ny safidy no mandeha aloha satria noho izay hoe andalo ny akanga sy ny dokotra sy ny gisa fa ny gana no nosafidiana satria iny no tiana! dia noho io safidinao io no nahalasa ho anjaranao azy! :D
18. Ratoa ( 28/08/2009 13:30)
safidinao ny nanaiky an'le vady atolotra
.
Tsia, tsy afa-mandà daholo hy olona rehetra. Idéaliste be sady intellectualisé be izany valiteninao izany.
19. soanja ( 28/08/2009 13:43)
Ratoa:

Dia misy olona tolorana vady . Dia inona indray izy amin'izay? Anjara manjary safidy ve?


Amiko raha tsy manan-tsafidy ianao dia misy zavatra manandevo anao: na ny havanao/ ny olon-tianao amin'ny fiainana na ny sainao na ny kolontsaina iainana eo. Raha ny hafa no manolotra vady anao ka manaiky ianao dia safidinao izany. Raha tsy manan-tsafidy momba izany ianao dia andevozin'ilay fomba fiaina ianao izay.

Ny andevo ihany no tsy manan-tsafidy ankoatr'izay dia olon'afaka avokoa. Mbola misy be dia be ny karazana fanandevozana eto an-tany.....


20. Ratoa ( 28/08/2009 13:52)
Ny fitenin'ny renibeko sy ny olona nitovitovy taona taminy (rah velona izy androany dia ho 120 taona) dia hoe:"rehefa tonga ny anjara dia izay ny lahatra"; momba ny fanambadiana io lazainy io. Tsy nisy resaka mihitsy ao eo safidy. Misy ny olona terena sy voatery hanambady olona tsy tiany, betsaka tsy azo eritreritra ny tahaka izany, dia safidy ve izany.
Miakina amin'ny fianakaviana, ny kolontsain'io fianakaviana io, ay amin'ny fiarahamonina ny fanambadiana ka dia voafetran'ireo ny safidin'ny tsirairay zanaky io fianakaviana io.
Ny zatovo manatsafidy ohatr dia ireo zaza noma safidy hatry ny fahazazany. Misy zaza tsy omena safidy mihitsy f tolorana ry taizaina tsy andà. Misy zaza na ny aton'asa hataonao na ny fianarana hataony aza dia atolotra azy: ohatra ho dokotera ianao, ianao ho mpampianatra ianao kosa no mpiandry ny sahantsika. Indrindra efa ampianarina izy ireo ho avy ao amin'ny taraky Ranona noho vadina, ny anao indray i Ranona2 no mety aminao ary ianao indray dia Ranona3 noho izao antony izao.Tsy afa-mandà ireo noho ny antony maro samy hafa izay nitezaina azy tao amin'ny fianakaviana. Zava-misy izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.461