vady: anjara sa safidy?

21. soanja ( 28/08/2009 13:57)
Crionlas:

Ny fanontaniana tokony hapetrakao ngamba de hoe safidy ve sa adidy ny fanambadina," ny anambadik'iadanana, hiteraana": raha ny marina de andresen'dahatra fotsiny le oe iadanana surtout ny vehivavy;safidinao marina ve le iteraka:ny anao nge efa vita nfiainana e! fa le zaza@ty fiainana tsy manjary, sa ra maty aho matesa rahavak no filamatra @zay. Mafy nge zan oe tsy manantsafidy ny hoety an'tany e! ze vita de latsak fa tsy eritreretina tson n'ambiny!
Zao ngamba ny hevitro,fanambadina zan de safidy,eo ny sendra ny ratsy de eo ko n'tsara. Tsy te hitaraina & menatra na manenina ra olombelona de oe anjara. Anjara anjara inona fa te hanao aminy eo k"Atra n'omen'tsiny!
Zao fa an'tsaina mamaky am'po mieritra. :wink:


Safidy ny hoe hanambady na tsia ka. Safidy koa ny hoe hiteraka sa tsia. Izay no mahatsara ny miaraka amin'ny olona tiana sy tia; ny zava-drehetra momba anareo dia tokony ho safidy avokoa. Raha misy mihevitra fa tsy maintsy manambady ny olombelona iray na ny zavavy iray dia andevozin'ny fisainany izy. Tsy terana ny fanambadiana ary tsy natao amboletra fa raha izay no mitranga dia tadidio fa andevo izay ianao na dia tsy misy milaza izany mivantana aza.

Tsy fidiny ho an'olombelona kosa ny tonga eto an-tany. Izay no maha adidy ny fitaizana raha toa ka nanapa-kevitra ka hiteraka ianao satria namoaka aina eto an-tany ianao dia manantena anao ilay zaza/ olona hitantana azy mandrapa-vory ny sainy. Raha olona manam-pahendrena dia hanana ny fisainana hoe ny safidiko dia mitondra sy mitarika ahy lalandava amin'ny adidy na responsabilite tsy maintsy atrehako. Raha bevohoaka tsy sazoka kosa ianao dia adidinao ny mijery ny ho avy: manan-javatra/ fitiavana/ fahafenoana amin'ny lafiny ara-piarahamonina hamelomana sy hikoloana ilay aina ianao? Manana dia ateraho ny zaza . Raha tsia dia hoy aho hoe aleo afoy izy satria hijaly fotsiny eto an-tany. Tsy mendrika ny fitiavan-jaza feno any aminy ny disadisa eto an-tany raha sanatria ka tsy eo ianao renina sy rainy ary ny havany hanome izany fitiavana sy fahafenoana izany.

Tiavo ny zanaka fa io no menaky ny aina izay novolavolaina ho olona. Enga anie mba ho olom-banona izy!


22. simplex ( 28/08/2009 14:01)

Ratoa,

Marina zany fa saingy hoe techniquement safidy ihany le lazainao hoe tsy safidy :)

Ra safidinao ny tsy hanambady olona iray dia tokony hivonona ny ho faty ny @ izay safidinao izay ianao. Zany hoe raha naleonao nanambady an'le bandy toy izay ohatra hoe tsy ampidirin'ny olona an-trano na hoe tondroin'ny olona molotra na hoe ho voadaroka na tsy haiko ze habibiana na harantsian-toetra mety ho zakainao eo, dia efa safidy ihany izay.

Eny, tsy safidinao ilay bandy, fa safidinao kosa ny "package" niaraka taminy. Dia izay no atao hoe fanambadiana. Izy roa miaraka, ilay bandy sy ny zavatra minfandraika @ le bandy.

;-)
23. soanja ( 28/08/2009 14:06)
Ny ankamaroan'ny kolontsaintsika Malagasy dia nanalavitra ny safidy. Anisany nanandevo antsika ny resaka vintana sy ny lahatra sns..... Tsy omena tsiny anefa ny Ntaolo fa tsy nisy nanome azy fahalalana izany hoe afaka manan-tsafidy ny olombelona.

Raha nandeha nitoraka niantsampy teny Ambondrombe ny mponina/ lehilahy Betsileo be dia be ka nilomano tao anaty rahona araka ny voalaza tamin'izany andro izany dia satria fantany hoe aleony izy misafidy ny fahafatesana toy izay handevozin'ny foko hafa.
24. Koditra ( 28/08/2009 16:07)
Otran'ny mitady itovy hevitra @ Simplex a. Ny fahitako azy dia safidy 100% io, anjaranao no mizaka ny vokany rehetra.
Ny fanambadiana dia vokatry ny safidy 2 tafahaona, enao nisafidy azy, izy nisafidy anao. Za zao nisafidy an'Poopy ohatra nefa tsy tao anatin'ny safidiny d tsy maintsy nisafidy hafa. :-D :-D
Raha vady natolotry ny ray amandreny, anjaranao ny misafidy na hanaiky na hiala ny trano na hiaritra izay mety ho vava rehetra.
Raha bevohoka ohatra ny vavy, anjarany ny misafidy na hanaiky na tsia dia miaritra izay mety ho vokany eo na ho tsara na ho ratsy.
Raha tsorina dia anjaran'ny tsirairay ny mandinika (na misy fanerena mivantana na ankolaka io na tsy misy) dia mandray fanapahankevitra @safidiny.
25. ikaretsaka ( 28/08/2009 16:33)
ary ahoana le vady atolotra sy vady amboarina ireny?
26. Koditra ( 28/08/2009 18:35)
Ika : kefa oe safidy io, sahy ve sa tsy ho sahy? Na hanaiky d vonona hizaka ny vokany, na tsy hanaiky d mbola vonona hizaka ny vokany iany ko.
27. ikaretsaka ( 28/08/2009 18:55)
de inona no maha safidy an zany.... manaiky gli ...tsary manaiky gli... :-D
28. Papoose ( 28/08/2009 18:55)
koditsa, eka ouzzz
29. Koditra ( 28/08/2009 19:35)
Ika : raha tolorana vady ve elah d hanaiky sa tsia? Tsy maintsy andeha daolo ny kajikajin'lah retra : tsara tarehy ve? tsara toetra ve? miady @ piesin'lah ve sns ...? Aza asiana resaka oe satri io no anjara d tsy maintsy ekena fefa safidy iany ko zay fanekena ho anjara izay.

Papoose : dimy kely ary alo. :-*
30. ikaretsaka ( 28/08/2009 20:00)
koditra> ka raha tena tsy miady @ le kajikajy nefa hozizy le nanolotra hoe tena tsy maintsy io ohatra nefa le jo zily be, fa ohatra hoe resaka afera n"izy samy lehibe any ohatra
de mbola hihambo ve ialahy hoe safidin ela io
31. fahamarinana ( 28/08/2009 21:10)
:arrow:koditra : marina kosa raha mba misy kajikajy zany ! Lasa etam-barotra kosa kouh !! Jerena tarehy,toetra,sns sns !! Dia aia avao ny Fitiavana amin'izany ? Sy ilay hoe izay tiana mitombo tarehy ! (l)
32. ritsa ( 28/08/2009 21:45)
Dia ahoana zany le hiran'i Bodo hoe :tsy lahatra ny akaikinao fa safidy tsotra izao?nefa raha ny hevitro an lahatra sy anjara de lasa safidy,satri ra safidinao ary iny ka tsy anjaranao de tsy tanteraka;toa sarotra be kan
33. Ahton ( 28/08/2009 23:08)
Raha mivady izahay roa dia vokatry ny anjara nosafidianay, izany hoe za nisafidy azy ( lay vadiko) ho anajrako ary izy nisafidy ahy ho anajrako. Mba ho lasa anajra ny safidy dia tsy maintsy mankato sy manatanteraka ny fepetra rehetra takin'izany na za na iz. Ohatra: raha fanatatro fa tsy tiany ny lehilahy mifoka sigara dia tsy maintsy miezaka miala amin'izany aho; dia tokny tahaka izany koa izy. Sa aoana hoy nareo? (l) (l) (l)
34. Ahton ( 28/08/2009 23:10)
azafady fa iz no nisafidy ahy ho anjarany
35. xxx ( 29/08/2009 06:58)
Ny fanambadiana ve " mariazy tralala" ao ny rendrarendra fotsiny fa ankehitrio de fanantonantena ny fanambadiana, raharaha io, midira ahita, ny hialanao aho koa sarotra be TANDREMO, bye bye ilay fahiny
36. mion ( 29/08/2009 07:36)
HOY NY NTAOLO : TSY NY TIANA NO VADIANA
37. Koditra ( 29/08/2009 08:32)
Ikaretsaka:
koditra> ka raha tena tsy miady @ le kajikajy nefa hozizy le nanolotra hoe tena tsy maintsy io ohatra nefa le jo zily be, fa ohatra hoe resaka afera n"izy samy lehibe any ohatra
de mbola hihambo ve ialahy hoe safidin ela io
Raha t@ andron'ny dadabe dia ekeko ny voalazan'lah satri niaraha-nafantatra ny fatahorana sy ny fankatoavana ny ray amandreny t@ zany fotoana izany, tsy maintsy manambady ilay anjara natolotra.
Fa @zao vaninandro mazava be zao kosa efa tsy zay tsony ny zava-misy.

Fahama : Tsy oe resaka vola amankarena no tiko lazaina @lé oe kajikajy fa ireo efa notanisaiko tery ambony ireo: bika aman'endrika, toetra, madio ve ny hohony sns..., mba mitady ny 10/20 eo farafahakeliny e! Raha ohatra zao ka bokony be lé sipa nefa zà skill kely, mety tsy ho sahy iditra a klé, refa raikitra mantsy ny gidraka any aoriana any d tsy hisy toraka sotrobe miainga zany eo fa tsy maintsy ho lavo ambany fòna ny tenako! Tsy mety amiko klé! :-D :-D :-D
38. ni81 ( 29/08/2009 11:48)
nefa raha ny hevitro an lahatra sy anjara de lasa safidy,satri ra safidinao ary iny ka tsy anjaranao de tsy tanteraka;toa sarotra be kan
aà koa mitovy hevitra amin'i ritsa eto !
39. ravonjison ( 29/08/2009 12:18)
Itý fanontaniana itý dia miverina tanteraka @ sujet na famelabelarana t@ taranja filozofia na malagasy t@ classe de terminal : fataliste ve ny malagasy ?
Ny mba azoko lazaina dia itý : ilay anjara dia safidinao, na natolotra anao ( atolotry ny fiaraha-monina, ny firenena, namana, sns...), fa kosa miovaova araka ny fepetra sy ny manodidina ny pourcentage n\' ilay safidy.

Ohatra 1( araka ny voalazan\' i Ikaretsaka etsy ambony) : vady atolotry ny Ray aman-dReny. Any inde dia misy ny fombafomba, ny Ray aman-dReny no mifidy ny vady ary mbola kely ireo ankizy dia efa ampivadiany.

Misy tranga roa mety hiseho :1 - nanolotra vady maromaro ny ray amn-dReny, ka afaka nifidy t@ ireo ianao: anjara natolotra anao 75% ( natolotry ny ray aman-dReny) , anajara nofidianao 25% ( afaka nifidy t@ ireo nomanina, fa tsy afaka nifidy hafa)
2- tonga dia vady iray no nasesiny anao : anjara natolotra anao 100%, anjara nofidianao 0%.

Ohatra faharoa 2 : Ny olona sasany dia izy ihany no tiany hifidy ny vadiny:

Tranga mety hiseho: 1- eo @ tanána dia nifidy izay tianao ianao. Ianao anefa tsy maintsy mionona @ izay atolotry ny fiaraha-monina ( izay misy eo @ tanána). @ telé anefa mba misy sipa tena tianao, ianao anefa tsy manana vola handehanana any ivelany hitady izay tianao. Noho izany : anajara natolotra anao 75% ( natolotry ny fiaraha-monina), anjara nifidianao 25 % .
2- manamanana ihany ianao ka afaka mandehandeha any andafy mitady izay tianao. Afaka mifidy ianao, nefa kosa misy ihany ny olona sasany nandá anao na ny olona sasany tsy tia vahiny. Noho izany anajara natolotra anao 25%, anjara nofidianao 75 %.
3- Manankatao tokoa ianao ka afaka mitady n\'aiza n\'aiza eto antany ilay olontianao. Izay nokotinao dia nanaiky daholo, nifidy fotsiny sisa no nataonao. Anjara natolotra anao 10% ( mety misy olona tianao any @ planete mars, ianao anefa tsy afaka mandeha any, io aloha izany no latolotry ny planete terre anao), anjara nofidianao 90%.
sns.....
Ilay pourcentage dia symbolique ihany , fa hita amin\' io kosa fa miankina @ zavatra betsaka no ahazoanao misafidy na tsy misafidy ny anjaranao ( vady )
Ny vady izany dia anjara nofidianao, saingy miovaova araka ny manodidina no ahazoanao mifidy azy tanteraka na tsia .

40. ANJARA7 ( 29/08/2009 12:58)
sapele:

marina io hevitr'i ANJARA7 io,indraindray mantsy misy zavatra tsy tin'ilay iray mihintsy ataon'ilay vady de lasa iny mande any mitady hafa any,,,avy eo anefa miverina ndray fa fantany angamba fa io iany no mahazaka azy,ka na be aza ny safidy azo atao dia enao tsy afa-miala @ ANJARA izany e!. :roll:


misaotra sapele a!tena azonao ny tiko ambara!tsy afa miala @ANJARA o!f'io no anjara mankasitraka!
Tsy voatery ho tonga lafatra ,na hasambarana mifatratara ,ka tsy henatra ny manambara ,we zay no anjara!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8919