Tsy maintsy mamela heloka koa isika...
1. fidinirina
(
18/08/2009 07:54)
Ireo andinin-tsoratra masina manambara fa tsy maintsy mamela heloka
« Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra. Fa raha tsy mamela ny fahadisoan'ny olona hianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo. » Matio 6 :14-15
« Ary raha mitsangana mivavaka hianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan'ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo.
Fa raha hianareo tsy mamela heloka, ny Rainareo Izay any an-danitra kosa tsy hamela ny helokareo. » Marka 11 :25-26
Vavaka nampianarin’ny Tompo : « Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay » Matio 6 :12
« Tompoko, impiry moa no hanotan'ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin'ny impito va? Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito amby fito-polo. » Matio 18 :21-22
« Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo ([Kristy]) ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.
Ary aoka ho ambonin'izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin'ny fahatanterahana izany. » Kolosiana 3 :13-14
« Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy (Gr, blasfemia, izahao Mat 9.3) ary ny lolompo rehetra; ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy hianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy. » Efesiana 4 :31-32
« Aza manameloka, dia tsy hohelohina hianareo; mamelà, dia mba havela hianareo » Lioka 6 :37
Fantaro fa hisy ny olona tsy ho voavela heloka mihitsy :
« Lazaiko aminareo marina tokoa: Hahazo famelan-keloka ny zanak'olombelona amin'ny ota rehetra sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay ataony; fa izay miteny ratsy "Gr, blasfemia" ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay izy » Marka 3 :28-29

répondu par cutie le 11/09/2009 19:01
2. majesty
(
18/08/2009 08:38)
fantatry ny rehetra anie io e,fa firy amintsika mahalala azy no mampihatra izany ho lasa fiainana eo amin'ny fiaraha-monina misy antsika ?
3. ravakamalala
(
18/08/2009 09:54)
ao amin ny "rainay izay any an danitra" koa misy an io resaka famelan keloka io.
tsetsatsetsa tsy aritra :
ao amin ilay traduction vaovao ny rainay izay any andanitra :"pardonnez nous nos offenses comme nous pardonnons à ceux qui nous ont offensés"
ilay hoe "comme"no tsy dia metimety amiko loatra, raha toa ka ohatran ny famelatsika olombelona heloka no amelan Andriamnitra antsika, mety ho be ihany no ho tavela eo.

4. xxx
(
18/08/2009 13:13)
Ao @baiboly io! Nampianarina antsika koa!
Izaho tsy mahay mamela heloka, tsy anjely aho, tsy masina koa olontsotra, fa be ny mpanao ratsy ary ny ratsy no betsaka noho ny tsara.
Efa namela heloka maro aho nefa naverindrizareo matetika yzany ratsy izany na dia mba efa nolazaiko fa tsy tantiko az.
Noho izany dia mahereza mamela heloka fa ny ahy ireo nanao ratsy dia tsy havelako fa manantena ny hatsaram-poko eo foana angamba.
Tsy mamono olona, tsy mangalatra,; tsy mandainga sns..(didy folo) aho dia izay! :-P

5. bobone
(
18/08/2009 13:16)
mora ny olona no miteny hoe andeha hifamela heloka nefa sarotra tanterahana izy io mitaky fanetren-tena lalina be ! indrindra hoe ianao mabony , manana ny maha izy azy nefa niady t@ olna mafimafy ady ! ianao anefa no diso dia menatra ihany raha ilay olona ambony no hanetry tena eo anoloan'ilay mafimafy ady ! efa nahita io fitrangan-javatra io zaho! fa sanatria aminy ny hiaky ny elony fa aleo samy mitady eny hoy Izy!
kanefa ny tenin'Atra milaza marina fa Raha tsy mamela ny heloky ny rahalahinao ianao dia tsy hamela anao koa Atra.... maro ny fisehoan-javatra mitranga @ io famelan-keloka io mody manaiky eo am-bava nefa any anaty fo any mbola maizina be!! sitrany tsy manano

6. lohataona
(
18/08/2009 13:23)
xxx:
Ao @baiboly io! Nampianarina antsika koa!
Izaho tsy mahay mamela heloka, tsy anjely aho, tsy masina koa olontsotra, fa be ny mpanao ratsy ary ny ratsy no betsaka noho ny tsara.
Efa namela heloka maro aho nefa naverindrizareo matetika yzany ratsy izany na dia mba efa nolazaiko fa tsy tantiko az.
Noho izany dia mahereza mamela heloka fa ny ahy ireo nanao ratsy dia tsy havelako fa manantena ny hatsaram-poko eo foana angamba.
Tsy mamono olona, tsy mangalatra,; tsy mandainga sns..(didy folo) aho dia izay! :-P
Zah koa toa anao fatsy hamela aho fa dia avela izy hitsamboamboatra eny dia ampy!
:wink:
7. rzakarivola
(
18/08/2009 13:58)
ravakamalala:
ilay hoe "comme"no tsy dia metimety amiko loatra, raha toa ka ohatran ny famelatsika olombelona heloka no amelan Andriamnitra antsika, mety ho be ihany no ho tavela eo.
==> Ie, tsy de metimety @sika olona io. Matoa io no notenenin'i Jesosy ary lazaina fa vavaka tanteraka, dia io no marina.
8. rzakarivola
(
18/08/2009 14:15)
xxx:
Ao @baiboly io! Nampianarina antsika koa!
Izaho tsy mahay mamela heloka, tsy anjely aho, tsy masina koa olontsotra, fa be ny mpanao ratsy ary ny ratsy no betsaka noho ny tsara.
==> voasoratra ao @ Baiboly fa ireo zanak' Andriamanitra dia hitsara ny Anjely.
Voasoratra ao @ baiboly fa izay tsy masina tsy hiditra ao @ fiainana.
Voasoratra ao @ Baiboly ny karazan'olona roa: ratsy fanahy sy tsara fanahy. Inona ilay olona tsotra lazainao? Sa ilay lazaina ao @ Apo. hoe "matimaty" ?
Mino ny fanambaran'ny baiboly ve ianao?
xxx:
Efa namela heloka maro aho nefa naverindrizareo matetika yzany ratsy izany na dia mba efa nolazaiko fa tsy tantiko az.
Noho izany dia mahereza mamela heloka fa ny ahy ireo nanao ratsy dia tsy havelako fa manantena ny hatsaram-poko eo foana angamba.
==> Miantefa amin'ny Tompon'ny Soratra (auteur) sa amin'ny mpitan-tsoratra (sekretera) izao teninao izao?
xxx:
Tsy mamono olona, tsy mangalatra,; tsy mandainga sns..(didy folo) aho dia izay! :-P
==> Izaho aloha tsy mamono olona e, na dia akoho hatao laoka aza tena efa faran'izay tsisy fika vao mamono aho. Jesosy miteny hoe "izay rehetra tezitra @ rahalahiny dia meloka tahaka ny namono olona", fa izaho indray tezitra hila ho isanandro @ rahalahiko.
Izaho tsy mba mangalatra, mahasorena ahy ny ataon'ireo mpanao pirate, ary dia tsy mba izaho no olona handeha hividy an'ireny cd pirate sy ny tariny ireny, fa halatra ireny. Jesosy miteny hoe "izay anamelohanao ny hafa no hanamelohana anao". Mpikirakira informatique aho, ary tena ouz ah hoe impossible izany tsy mi-crack (piratage) izany @ informatik. Firy ny logiciel ananako no cracké fa ts novidiana, film, ... sns?
Izaho koa tsy mandainga, ary zavatra faran'izay halako izany, fa izany no nandroahan'ny mpampiasa ahy, tsy nety nandainga. Jesosy milaza hoe "hampamoahina ny olona ny amin'ny teny foana rehetra naloaky ny vavany". Efa betsaka ihany izay teny foana naloaky ny vavako izay.
...
Tsy hoteneniko eto izy folo, fa izao no conclusion-ko rehefa mandre ny tenin'i Jesosy aho : tsy misy na dia iray aza @ireo didy anakifolo no tanterako. Ny fomba fandikàko azy no hafa tsy toy ny an'ny hafa, fa izaho eo imason'ny rehetra dia olna tsara, fa ny sasany tonga d hita mibaribary ny faharatsiany. Mbola ny tenin'i Jesosy ihany no milaza fa "tsy misy miafina izay tsy ho hita", raha ny fandikàna Didy 10, izaho niafina no ho menatra kokoa noho ireo izay nanao izany ampahibemaso.
Koa ho ahy, dia teny tokana no tsy miteniteny foana, teny tokana no tsy lainga (fahamarinana), teny tokana no ahazoako famelana ny heloko rehetra : Kristy nampijaliana mba ho famelàna ny heloko, nalatsa-dra mba hanadiovana ny lotoko, maty ka nalevina, nitsangana tamin'ny maty ary velona miaraka amiko, mba ho vavolombelona (porofo) amiko fa marina ireo famelan-keloka sy fanadiovana ireo. Ary raha marina izany teny izany ho ahy, marina ho an'ny rehetra koa. Koa izany no ahafahako mamela ny heloky ny hafa, tsy noho ny hakelin'ny heloka nefaina na tsy fiverimberenany, na noho ny haben'ny fahatsaràko sy ny famindram-poko, fa noho ny famelan' Andriamanitra ny heloko rehetra. Araka ny nolazain'i Paoly hoe "Koa amin'izany, dia tsy misy fanamelohana intsony ao amin'i Kristy"
9. niryna
(
18/08/2009 16:14)
fidinirina:
Ireo andinin-tsoratra masina manambara fa tsy maintsy mamela heloka
« Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra. Fa raha tsy mamela ny fahadisoan'ny olona hianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo. » Matio 6 :14-15
« Ary raha mitsangana mivavaka hianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan'ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo.
Fa raha hianareo tsy mamela heloka, ny Rainareo Izay any an-danitra kosa tsy hamela ny helokareo. » Marka 11 :25-26
Vavaka nampianarin’ny Tompo : « Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay » Matio 6 :12
« Tompoko, impiry moa no hanotan'ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin'ny impito va? Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito amby fito-polo. » Matio 18 :21-22
« Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo ([Kristy]) ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.
Ary aoka ho ambonin'izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin'ny fahatanterahana izany. » Kolosiana 3 :13-14
« Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy (Gr, blasfemia, izahao Mat 9.3) ary ny lolompo rehetra; ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy hianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy. » Efesiana 4 :31-32
« Aza manameloka, dia tsy hohelohina hianareo; mamelà, dia mba havela hianareo » Lioka 6 :37
Fantaro fa hisy ny olona tsy ho voavela heloka mihitsy :
« Lazaiko aminareo marina tokoa: Hahazo famelan-keloka ny zanak'olombelona amin'ny ota rehetra sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay ataony; fa izay miteny ratsy "Gr, blasfemia" ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay izy » Marka 3 :28-29
=D> ^:^ ^:^
raha tsy mamela ny heloky ny hafa isika dia tsy amela ny helontsika Atra
10. bor2lais
(
18/08/2009 16:18)
Misaotra an'i fidinirina nanokatra ity lohateny ity.
Liana tokoa mamaky ny dinika ary velom-panontaniana hoe : tena tsy maintsy mamela heloka tokoa ve ?
Raha ny fahazoako azy dia mifandray @ ilay lohateny momba ny "fibebahana" izay efa nosokafan'i fidinirina ihany izy ity !
Heveriko fa mialoha ny famelan-keloka dia tsy maintsy misy ny "fibebahana" na fiaiken-keloka !
Mariky ny fifankatiavana rahateo izany amiko !
Ilaina ny fifampiresahana, fifananarana, fitenenana ny tsy mety (am-pitiavana) : rehefa vita ny ala nenina rehetra (nefa tsy nety, tsy nisy ny fiaiken-keloka) dia apetraka amin'Andriamanitra ny famelana (mivavaha ho azy) fa tsy kobonina ao anaty tsy akory !
Toy ny nataon'ny Tompo teo ambony hazofijaliana : "mamelà ny helony fa tsy fantany izay ataony !" Eto dia tsy Izy (olombelona) no mamela heloka mivantana ho an'ireo izay nanao ratsy Azy fa ny RaiNY no angatahaNY hanao izany !
Raha mamela olona tsy mahatsapa fa nanao ratsy ny tena mantsy dia toa mariky ny tsy fitiavana azy ihany satria toa "famporisihina" azy hanohy izany ratsy izany ihany !
Fa raha mahatsapa ny tsy nety nataony kosa izy dia adidinao (raha Kristiana ianao) ny mamela azy !
Fehiny : tsy maintsy mamela heloka isika raha toa ka misy ny fiaiken-keloka (azo atao tsara ny "manapotsitra" ny ratsy nataony raha ilaina). Fa raha miziriziry tsy manan-keloka kosa izy dia ny fametrahana izany amin'Andriamanitra (mivavaka ho azy) no heveriko fa mety !
Fomba fijeriko ihany anefa io, ka raha tsy mety dia avereno aty amiko ihany !

11. sapele
(
18/08/2009 17:37)
tena tsara ty dinika ty ry Fidinirina!Zavatra mafy indrindra amin-tsika tokoa zany mamela heloka izany,satri midika fandeferana,fanetre-tena,mizaka ny ratsy nataon'ny hafa. efa niainako fa tena marary an!Nefa hoy izy ;Aza manao hoe hamaly ny ratsy nataony aho fa andraso jehovah fa izy no hamonjy anao(ohabolana 20-22)tsy anjaran-tsika ny mamaly ny ratsy nataony.ary ny zavatra tsapako de raha-mbola tsy mamela-heloka azy ianao de sorena na mivonto fo isaky ny mahita io olona io,nefa reefa mahay mamela azy ianao de lasa mitombo ndray lay fitiavana nisy teo aloha,,,ary raha mitady hanararaotra ny fahalemem-panahinao foana io olona io de miezaha manalavitra azy fa izay no mety hapiova ny fombany.mahereza ry zareo mamela an!sarotra io fa miezaha mba hanananareo fiadanam-po.
12. niryna
(
19/08/2009 03:58)
sapele:

mitovy hevitra aminao koa aho.anampiko izany dia maivana tokoa rehefa namela heloka ny tena na nangataka famelan-keloka( fifonana)
:-*
13. bobone
(
20/08/2009 07:25)
Niryna:
)
tena marina mihitsy akia zany an! satria voadio ilay fonao mavesatry ny lolo teo hihihi :D :D :D

14. fidinirina
(
20/08/2009 08:13)
xxx:
Efa namela heloka maro aho nefa naverindrizareo matetika yzany ratsy izany na dia mba efa nolazaiko fa tsy tantiko az.
Noho izany dia mahereza mamela heloka fa ny ahy ireo nanao ratsy dia tsy havelako fa manantena ny hatsaram-poko eo foana angamba.
Tsy mamono olona, tsy mangalatra,; tsy mandainga sns..(didy folo) aho dia izay!
Matio 5.28 Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.
I Jaona 3.9 Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naterak'Andriamanitra.
3.10 Izany no mampiseho miharihary izay Zanak'Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin'Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny.
3.15 Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.
I Jaona 4.20 Raha misy manao hoe: Tia an'Andriamanitra aho nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an'Andriamanitra Izay tsy hitany?
Fa iza moa ny rahalahinao ? tsy ny olombelona rehetra eny fa na dia ny fahavalonao aza.
Dia tandremo satria marina ny voalazan’ny soratra sao dia lavintsika : mamela ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay.
Lioka 16.15 Ary hoy Jesosy taminy : Hianareo dia mpanamarin-tena eo anatrehan'ny olona, nefa Andriamanitra mahalala ny fonareo; fa izay zavatra heverin'ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan'Andriamanitra.
Tsy ny fihevintsika no marina eo anatrehan’Andriamanitra fa ny teniny tokana ihany. Izay foana anie ilay fitaka ataon’i satana hoe : Hanky, izany no nolazain’ny Andriamanitrareo... midika hoe mba mandainga izany Andriamanitra izany. Dia Andriamanitra ve handainga ???????
Ohablona 30.5 Ny tenin'Andriamanitra dia voadio avokoa; Ampinga ho an'izay mialoka aminy Izy.
30.6 Aza manampy ny teniny, fandrao hanariny hianao ka ho hita fa mpandainga.
I Jaona 1.10 Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary ny teniny tsy ato anatintsika.
I Jaona 2.4 Izay manao hoe: Fantatro Izy (Jesoa), nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny.
I Jaona 5.10 Izay mino ny Zanak'Andriamanitra no manana ny fanambarana ao anatiny; izay tsy mino an'Andriamanitra dia efa nampandainga Azy, satria tsy mino ny fanambarana izay nanambaran'Andriamanitra ny Zanany izy.
Romana 13.9 Fa ny hoe: "Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra zavatr'olona" (Eks.20:13-17), mbamin'izay didy hafa rehetra, dia samy efa ao anatin'izao teny izao hoe:"Tiava ny namanao tahaka ny tenanao"(Lev.19:18
13.10 Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna.
Raha tianao ny tenanao dia «automatique» tokony ho tia namana ianao.
15. xxx
(
21/08/2009 16:34)

Ny tenako dia tiako sy ireo namako tiako fatsy tiako ireo namana sandoka.
Tsy havelako fa aleo ho faty ho azy eo . Rehefa tsy avelako dia tsy ho avelan'Andriamanitra koa! Aleo izy hifampitady @ any!
:-D :-D :-D
16. cutie
(
21/08/2009 17:22)
ka raha ohtra ka tsy mifona mitsy le oul de ahona no hamelana ny helony?? Misy tsy mahafantatra akory manko we tsy mety ny nataony :-D :-D :-D :-D
17. bor2lais
(
24/08/2009 12:20)
cutie:
ka raha ohtra ka tsy mifona mitsy le oul de ahona no hamelana ny helony?? Misy tsy mahafantatra akory manko we tsy mety ny nataony :-D :-D :-D :-D
--------
Sady mamaly aho no manampy fanazavana mikasika izay efa voalazako ery ambony.
1. Anjaranao aloha ny miteny azy (mariky ny fitiavana azy izany) :
ohatra.
- izao no nataonao ahy
- izao no vokany teo @ fiainako
- izao no andrasako aminao
- sns
2. Raha miaiky izy dia anjaranao ny mamela azy (araka ny andinin-tsoratra masina maro voalaza etsy ambony)
3. Raha tsy miaiky kosa izy :
- apetrao amin'Andriamanitra ny "raharaha" (mivavaka ho azy) : mbola mariky ny fitiavana azy ihany izany
- midika izany fa tsy atao manavesatra ny fo intsony satria efa itokisana Ilay nametrahana azy. Izany hoe fadiana ny "miloloha entana ao anaty taxi-brousse". Io ilay antsoin'ny namana sasany eo ambony hoe maivana ny fo rehefa avy mamela heloka saingy ny eto dia ny fametrahana amin'Andriamanitra ny "raharaha" no manome izany fanamaivanana izany !
Averiko indray fa fomba fijeriko ihany io ka tsy voatery hitovy amin'ny hafa !
19. rzakarivola
(
01/09/2009 06:44)
bor2lais:
[quote=cutie]
ka raha ohtra ka tsy mifona mitsy le oul de ahona no hamelana ny helony?? Misy tsy mahafantatra akory manko we tsy mety ny nataony :-D :-D :-D :-D
--------
1. Anjaranao aloha ny miteny azy (mariky ny fitiavana azy izany) :
2. Raha miaiky izy dia anjaranao ny mamela azy (araka ny andinin-tsoratra masina maro voalaza etsy ambony)
3. Raha tsy miaiky kosa izy ...
Averiko indray fa fomba fijeriko ihany io ka tsy voatery hitovy amin'ny hafa !
==> Ataoko fa tsy lavitra an'io fomba fijerin'i bor2lais io ny an'i Jesoa :
"15 Ary raha manota aminao ny rahalahinao dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana hianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao;
16 fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo ( Deo.19.15).
17 Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin'ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy."
20. cutie
(
02/09/2009 02:55)
17 Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin'ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy
tsy mazava :roll: