Tsy maintsy mamela heloka koa isika...

21. bor2lais ( 04/09/2009 07:26)
cutie:

17 Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin\'ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy

tsy mazava :roll:


-----------
Na tsy amiko mivantana aza ny fanontaniana no miantefa dia ezahiko ho valiana ihany.

Raha ny fijeriko azy, ny hafatra lehibe avy amin\'ireo andininy 3 nosoratan\'i rzakarivola ireo dia ny hoe : raha manao ny tsy mety aminao ny \"rahalahinao\" dia adidinao ny miteny azy.

Ahoana ny fomba hitenenana azy ? Am-pitiavana no tokony hanaovana izany. Ahoana izany miteny am-pitiavana izany ? Tsy mifanala baraka (tsy mifampivazavaza eo imason\'olona maro avy hatrany fa mety tsy zakan\' ilay rahalahinao izany ohatra) !

Izany hoe, ireo andininy 3 ireo no \"étapes\" arahina, izay milaza ihany koa fa tsy maintsy atao hatrany ny ala nenina (araka ny fahitako azy an !). Ny tanjona dia ny ahatsapany fa nanao ny tsy mety (taminao) izy ka mba hiezahany hiova amin\'ny ho avy.

Ny andininy 17 farany io dia milaza fa natao ny ala nenina rehetra nefa tsy nety niaiky ny fahadisoany ilay \"rahalahinao\". Tonga eo amin\'ny teboka faha-3 amin\'ny nolazaiko amin\'ny valinteny 16 etsy ambony.

Fomba fijeriko ihany anefa io (ary inoako fa fomba fijery \"mahametimety\" anay sy ilay rahalahy nanao ratsy tamiko) ka ialako tsiny raha toa ka mety tsy mahafa-po !
22. cutie ( 04/09/2009 13:55)
ka raha oul efa tsy mifanerasera tsony fa samy alavitra de ahona ihany no hitenana an'le rahalahy we nisy tsy nety nataony??? zay ne no tsy azoko we adidinao no mandeha miteny any nefa le oul aza tsy hita :-D
23. bor2lais ( 04/09/2009 14:10)
cutie >> Rehefa tsy hita intsony ilay olona (nefa ianao mbola manana alahelo aminy ihany raha ny fahazoako azy) dia ity angamba no mety :

- apetrao amin'Andriamanitra ny "raharaha" (mivavaka ho azy) : mbola mariky ny fitiavana azy ihany izany

- midika izany fa tsy atao manavesatra ny fo intsony satria efa itokisana Ilay nametrahana azy. Izany hoe fadiana ny "miloloha entana ao anaty taxi-brousse". Io ilay antsoin'ny namana sasany eo ambony hoe maivana ny fo rehefa avy mamela heloka saingy ny eto dia ny fametrahana amin'Andriamanitra ny "raharaha" no manome izany fanamaivanana izany !

Izay ny fijeriko azy an !
24. cutie ( 04/09/2009 16:51)
ok :wink:
25. niryna ( 11/09/2009 05:33)
bor2lais:

cutie >> Rehefa tsy hita intsony ilay olona (nefa ianao mbola manana alahelo aminy ihany raha ny fahazoako azy) dia ity angamba no mety :

- apetrao amin'Andriamanitra ny "raharaha" (mivavaka ho azy) : mbola mariky ny fitiavana azy ihany izany

- midika izany fa tsy atao manavesatra ny fo intsony satria efa itokisana Ilay nametrahana azy. Izany hoe fadiana ny "miloloha entana ao anaty taxi-brousse". Io ilay antsoin'ny namana sasany eo ambony hoe maivana ny fo rehefa avy mamela heloka saingy ny eto dia ny fametrahana amin'Andriamanitra ny "raharaha" no manome izany fanamaivanana izany !

Izay ny fijeriko azy an !
mitovy hevitra aminao koa aho
Ny ahy indray dia mibahana ato an-tsaiko ilay vavaka hoe mamela ny helonay tahaka ny namelanay izay nanana heloka taminay....hay ve izany mila mamela ireny olona ireny e,dia mitovy an'i cutie koa ny eritreritro .raha izaho no nihevitra hoe diso izy kanefa izy tsy nieritreritra ny tenany ho diso ? raha lavitra ilay olona na tsy tadidiko intsony ilay nataony tamiko?
Dia izaho ihany no namaly hoe mivavaka amin'Atra aho dia mamela ireny olona ireny ary mbola mangataka fifonana aminy koa raha misy fahotana vita kanefa tsy tsaroana ,soa ihany fa mahafantatra ny ao ampontsika tokoa izy e


26. bor2lais ( 11/09/2009 06:41)
Hoy i Niryna etsy ambony :
"... raha izaho no nihevitra hoe diso izy kanefa izy tsy nieritreritra ny tenany ho diso ? raha lavitra ilay olona na tsy tadidiko intsony ilay nataony tamiko?
Dia izaho ihany no namaly hoe mivavaka amin'Atra aho ..."
--------
-> Izay indrindra no tiako lazaina ...

Amiko mantsy dia Izy Tompo mihitsy no nanao io fampiharana io raha teo amin'ny hazo fijaliana Izy : "mamelà ny helony fa tsy fantany izay ataony".

Resaka nataoNY tamin'ny Rainy io = vavaka nataoNY tamin'ny maha-nofo Azy (nahatsiaro tena naratra sy narary) ka nanankinaNY ny famelan-keloka amin'Andriamanitra satria tsy nahatsiaro tena tamin'ny fahadisoany ireo izay nanombo Azy !

Fomba fijeriko ihany koa anefa io an !
27. cutie ( 11/09/2009 19:01)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5061