Aleo ho any izay ho any!

1. ronaldo09 ( 08/08/2009 07:10)
Raha ny kisarisarin’ ny ady hevitra mety hisy any an-toerana, dia toa manome vahana ny hevitr’ ireo Filoha teo aloha ny Vondrona iraisam-pirenena. Indrindra ilay Filoha naloam-bahoaka farany teto amintsika. Fa inona marina no tombontsoa ambonin’ ireo Vondrona iraisam-pirenena ireo amin’ ny hamerenana an-dRavalomanana eo amin’ ny Fitondrana ? Tsy misy tombontsoa ho an’ ny Malagasy anefa izany, satria efa nanana ny safidiny nimatimatesany izy ireo. Matoky ny vahoaka fa tsy hivadika tamin’ ny teny nifanomezana nandritry ny tolona, teny amin’ ny kianja 13 mey ny Filoha Rajoelina.
Ny fanirian’ ny valalabemandry , dia hanana mpitondra hahay hitsinjo ny tombontsoany sy mahatsapa ny mahazo azy fa tsy mila olona mpanao rapa-dango ny efa kely ananany. Tsy mahasoa noho izany ny manao dia miverina satria efa safidy ny nanala ny mpitondra mpanao didy jadona. Hotsarain’ ny tantara eto ireo mbola mikiry biby hamerina ny olona efa nandatsaka ny aim-bahoaka. Tsy vitan’ izay fa mbola nanao ampihimamba ny fananam-bahoaka sy nikasa hivarotra ny tanindrazana noho ny tombontsoa manokana. Samy tompon’ antoka avokoa ireo mpitondra nifandimby teto Madagasikara, saingy ny fomba fisehony no samy hafa. Ity Filoha farany ity no tena namela ratra mafy tao am-pon’ ny vahoaka. Satria raha tsy notifirina ireo nikatsaka ny fahafahana, dia naiditra am-ponja. Ankoatra izay dia nobaboina ihany koa ny fananany. Koa vahoaka iza no haniry mpitondra toy izany ?
Ny zava-misy anefa, dia tsy ny hetahetam-bahoaka nanao tolona no tena katsahin’ ireo mpanelanelana iraisam-pirenena fa ny tombontsoan’ olom-bitsy, efa nampitondra faisana an’ i Madagasikara hatramin’ ny nahazoany ny fahaleovantena. Misy ambadika hafa koa izao fihetsik’ izy ireo mandany vola tsy toko tsy forohona, amin’ ny dinika any Mozambika izao. Fiaramanidina efatra be izao no foiny, hitondrana ireo olona hidinika any an-toerana ary hiantohana ny lany rehetra. Raha tena tsara sitrapo marina izy ireo maninona raha nomena nanampiana ny Malagasy izany vola izany ? Efa nisy anefa ny manantena fa efa mivonona amin’ izany ny delegasiona tarihin-dRajoelina. Anisany nilokalokan’ ity mpitari-tolona tanora ity rahateo ny hitondra ny hetahetam-bahoaka any an-toerana.

répondu par milamm le 08/08/2009 11:05
2. Noue ( 08/08/2009 07:20)
"ronaldo09":
Ity Filoha farany ity no tena namela ratra mafy tao am-pon’ ny vahoaka. Satria raha tsy notifirina ireo nikatsaka ny fahafahana, dia naiditra am-ponja. Ankoatra izay dia nobaboina ihany koa ny fananany. Koa vahoaka iza no haniry mpitondra toy izany ?
Ity filoha farany hoy ianao , dia iza moa izany fa tsy tgvendrana eee ?? Inona moa no tena hatahoran'tgvendrana raha miverina Ravalomanana ?

-satria ho hapokany oe iza no tena nitifitra an'ireo olona niakatra teny @ zone rouge

-satria raha hisy ny fifidianana dia ho very tanteraka ry tgvendrana !! aiza ve ko ry rondefo ve no hilatsaka ao ?? tena hilatsaka ankady ee ! 1% des voix ?

ary tadidio fa tsy ny vondron'olona natao sorona velively akory no atao oe vahoaka
3. hery ( 08/08/2009 08:22)
Dia tsy mba mieritreritra kely fotsiny ve hoe fa dia maninona loatra no tena tsy manaiky an'izao tetezamita izao ny Vondrona Iraisam-pirenena.

Dia tena sur ve nareo hoe noho i Ravalo no mahatonga ny Vondrona Iraisam-pirenena tsy hanaiky?

Dia sur ve nareo hoe misy tombontsoany?

Izaho indray dia sur fa matoa tena mi-insiste mihitsy ny Vondrona IRaisam-pirenena hoe tsy hanampy an'i Madagasikara raha tsy miverina @ ara-dalàna dia satria tsapany fa tsy ara-dalàna mihitsy ny zavatra misy ao Madagasikara na dia tsy miteny aza ny ankamaroan'ny olona.

Fantany fa be dia be ny vahoaka tsy afaka miteny fa raha vao miteny dia perquisitions sy fanenjehana hoe TIM taloha sns izay no manjo.

Fantany fa tsy normal izany hoe miaramila hafahafa rafitra izany ka hoe ny kolonely no hibaiko ny jeneraly.

Tsy adala akory izy ireo ka handany vola be hanaovana an'izao sy izao raha tsy hitany hoe tena misy zavatra tsy normal ao.

NY sasany tampin'ny fankahalàna olona iray ny masony ka tsy hitany intsony hoe mijaly ny vahoaka.
4. Mirananirina ( 08/08/2009 08:32)
Ny fanirian’ ny valalabemandry , dia hanana mpitondra hahay hitsinjo ny tombontsoany sy mahatsapa ny mahazo azy fa tsy mila olona mpanao rapa-dango ny efa kely ananany.
Tsy azoko tsara izy izany.Ny tombotsoany sa ny tombotsoan' ny vahoaka.
5. xxx ( 08/08/2009 08:57)
i ronaldô oa tena mba nianatra ihany fa mety tsy nandalina na nafindrafindra hoazy angamba, voalaza eo ambony hoe" raha tena tsra sitra-po maninona tsy nanampiana ny malagasy ireo vola ireo", panongampanjakana ve le vendrana ity no hompiana a, matoa izy nandany vola nividy ny miaramila hanampy azay hanongam-panjakana dia misy tombotsoany ao fa aza fohy fisaina, tsy ny tombotsoanlà mihitsy na ho anà fa ha azy(ANDRY) raha tena tia ny malagasy izy dia tokony hanaiky ny fiverenadravalo satria hotonga ny fanampiana raha miverina i ra8 sinon fanjakana matoatoa, ka asa na izany no tena mitsinjo ny vahoaka na mitsinjo ny fananany, anjaranla ny mandinika
6. diloo ( 08/08/2009 08:59)
Ny bloquage tsy Andry fa ilay dadatoany ra-Sarla. Tsy afaka manapaka hevitra samy irery aho hoy izy omaly, fa hifandinika @'ny delegasioniko.
Izany hoe mbola mila mihery @'i ra-Sarla raha ekena ny fiverenan'i Ra8, na tsia.
Manoloana io anefa, dia d'accord i deba sy ra-Zafy mikasika ny transition inclusive napetreka ny CI. Ny amnistie hoy i Deba tsy ho ahy irery, fa ho an'i inclusive rehetra . Tsy anaiky io mihintsy anefa i ra-Sarla. Tsy afa manaotra izany i zandry kely.
Araka izany, dia tsy manana ny maha izy azy i Andry, fa miankina (pris en otage poloitika) @'i ra-Sarla.
Raha tsy raikitra io sonia io mba hisian'ny fifanarahana inclusive ny rehetra, dia tafita ny tetika'adin'i ra-Sarla.
I ra-Sarla ao aoriana kely eo, hanilika an'i Andry, dia mety hanatanterka ny finalisation ilay coup d'état nataony. Mety ho ra-Sarla no lasa futur empereur hitondra ny fanjakana. Tsy blem-ny ny fanaovana sorona ny tsy manatsiny. Ary mbola ho hataon'ny mandohalika ny vahaoka hafahany manjaka eran'ny Nosy.
I Andry, dia pion fotsiny hafahana hazoana ny fon'ny rehetra. Ary mandeha tsara ny planin'i ra-Sarla. Na i Ratsirahonana aza, mitsingevaheva @'izao fotoana izao, tsy maha maitriser azy.
Tys adalan'i ra-Sarla akory nanaraka sy hitsikilo ny fihetsik'i Andry. Misy antony, ny fampiseony iny poleta am-pahibemaso eny eo @'ny fehinkimbony iny.
Midiky iny toa nanaovany ilay vice- Amiraly iny t@'ny marsa, izy no mandidy ny fanaovana na tsia ny sonia.
Enga anie tsy ho izany tokoa fa dia lasa Corée du nord eo isika, dia i Jong Il ra-Sarla no miandry antsika malagasy.
:evil: :x :wink:
7. milamm ( 08/08/2009 11:05)
hevitra hafa anohizako io hypothese-n'i diloo io,tsy hanaiky hitsambikinan'i sarla fotsiny eo i ramarson sy deba satria anisany ho voailika ankoatry izay dia fantany sarla fa tsy haharitra ela izy raha mandeha irery na capsat miaraka aminy ao ihany aza afaka manamboatra azy zany hoe tsy ho tafa na ovina2 ny iakarany irery eo,i andry aloha izao no azony ifoterana fa tsy maintsy hanao izay fomba iverenany daholo na i Ravalomanana na i deba te hody fotsiny aza nefa tsy maintsy ifamingampigana ihany koa izy mitsamm eny andalana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3