BEPC: lalaovin'ny faty ny ho avin'ny zaza Malagasy

1. bozyboleta ( 27/07/2009 18:06)
Famoronan-dahatsoratra (isa 15)
« Misy ezaka ataon’ny fitondrana tetezamita hampandroso haingana ny firenena amin’izao fotoana izao. Inona avy ireo ezaka ireo araka ny hevitrao ? Tohano amina ohatra mazava izany ao anaty fehezanteny 15, manaraka rafitra sy drafitra ary tsy ahitana diso tsipelina »


Io no laza adina tamin’ny taranja Malagasy nataon’ireo mpiadina BEPC androany.
Dia tena lalaovin’ireto faty ireto mihitsy ny ho avin’ny zaza Malagasy.
Asaina mandainga sy mamorona izany ny mpiadina??
Raha tsy mahita havaly @io dia very isa 15 be izao.
répondu par fijo le 30/07/2009 19:24
2. xxx ( 27/07/2009 18:17)
Ka mitovy @ ilay t@ taona lasa ihany anie izany e!

[size=13px]Maro ny ezaka nataon'ny filoha Ravalomanana eto amin'ny firenena.Tanisao amin'ny andalana vitsivitsy izany ary tohano ny hevitrao.
Fehezan-teny 15 raha kely indrindra ary manaraka ny rafitra sy tsipelina
(Isa 15)[/size]
3. xxx ( 27/07/2009 18:20)
taminy taona lasaoviana aloha izany e??? toa tsy nahita anizany izahay, fa ity de taminy taona 2009 no nivoaka!! 8O
4. xxx ( 27/07/2009 18:25)
Ka ny an'elah 2009 ihany no mba hitan'elah sy kritiken'elah fa tsy mba mijery ny lasa.
5. xxx ( 27/07/2009 21:37)
Efa ho 35 taona no naha mpampianatra malagasy ahy rankizy ary mpitsara fanadinana BEPC ihany koa aho. Na tamin'ny andron-dRatsiraka aza tsy mbola nisy sahy nampiditra anaran'ny fitondrana tao anaty lazaadina. Ity 2009 ity no nisantatra azy ka dia misaotra indrindra tompoko fa ho azo antoka ny ho avin'ny ankizy. Samy mba ho lasa DJ sy mpanongam-panjakana anie izy ireo, izany hoe samy ho tafita sy hahatafita an'i Madagasikara é !
6. salopard ( 27/07/2009 22:45)
4.XXX:
Efa ho 35 taona no naha mpampianatra malagasy ahy rankizy ary mpitsara fanadinana BEPC ihany koa aho
.

aza mifanao rankizy aloha ra-profesora, fa mbola tsy nifanisa volon-javatra fotsy isika (na volon-doha io, na volon-kelika, na volom-b....bava, na volom---, etc...
7. bozyboleta ( 28/07/2009 03:53)
Tsy mbola nisy nanaotao foana ôtran'ity faty ity.
Satria famoronan-dahatsoratra dia asaina mamorona tokoa ny ankizy.
Zavatra tsisy no foronina. :lol: :lol:

Manala baraka ny fampianarana ary manao tsinontsinona ny mpianatra.
8. ravatorano ( 28/07/2009 05:24)
amiko ny olana mety hitranga sia eo anivon'ilay mpampianatra mpitsara raha tsy mitovy hevitra aminy ilay ankizy mamoaka ilay hevitra sy soratra ao anatin'ny taratasim-panadinana !
fantatra fa misy ny olona tena manohana tsisy fepetra ny tatezamita ao koa ireo zanak'i dada iringiriny ary ho raisitsika ohatra ary fa raha milaza ilay mpianatra fa tsy nisy fampandrosoana vitan'ny HAT mihitsy aloha teto hatramin'izao dia ahoana ? raha ilay mpampianatra zanak'i dada aloha dia avy d mahazo naoty farakizay ambony ilay mpianatra ary minoa ahy marimarina fa raha tojo ilay mpitsara mpanohana an'ny HAT indray dia mety avy d aotra avy hatrany ! eo no mety hisy olana fa miankina amin'ny fomba fitsaran'ireo mpampianatra ihany io izany hoe raha tsy tongany any ampitsarana taratasim-panadinana ny politika dia hilamina ihany izany !
9. ari.malala ( 28/07/2009 05:56)
Loza kou zany! Fa ny mahalasa ny saiko hoa d zao e! izay diplaoma azon'ny ankizy afa-panadinana @ ty taona ity v reconnus? satria tsin ministera tao anaty governemanta tsy ankatoavin'izan'iza no mikarakara ilay fanadinana ko! Ary hono hoa e! nisy niteny teto hoe 7 de moyenne d afaka CEPE teo, misy porofo v? D aona izany?
10. ravatorano ( 28/07/2009 06:47)
ahona moa no tsy reconnu ry arimalala ah !
izao anie ilay oe continuité de l'etat e !
ary ilay resaka 7 de moyenne d everiko fa tena diso tanteraka satria zaho dia manana anabavy niatrika sy nanao ireo fitsarana sy deliberation tamin'ny cpe ireny fa tsy izany velively no izy !
noho izany dia tsisy porofo izany sady ireny koa ange tsy lazaina mihitsy hoe izao no naoty farany ambany nohafahana fanadinana e sa efa mba naheno an izany nareo ! ao anatin'ny "secret d'etat" kosa izay :wink:

d nisy ankizy ary nanoratra hoe : " tsy nisy asa vita na fampandrosoana nataon'ny HAT izany hatramin 'izao fa mitokana ireo asa efa vitan 'ny fitondrana ravalomanana ry zareo amin'izao fotoana izao "

njekaky ô !
heviny io ah
d asa aloha fa miandry izay avoakan 'ilay mpitsara amin'izay e

ny iray indray nanaoratra hoe : "vao nandray fitondrana ny HAT dia efa betsaka ny asa vita sy fampandrosoana fa ny lalana irondro manakara aza vitany tsara tao anatin'ny telo volana fotsiny,ny kianja fanaovana baolina tany mahajanga jereo ny hatsarany ,ny tobimpahasalamana tany Nikoly tsihombe androy izay vao notokanan'ny vadin'ny filohan'ny HAT , afa tsy ireo olona maro mpanapoaka baomba azon'ny zandary sy polisy teto andrenivohitra .Isan'ny asa fampandrosoana malaky ny firenana izany ary santionanay ireo "

dia ahona ouz ilay mpitsara mapnohana ny ara dalana etsy ankorondrano amin'izany kle

mampimé marina an

11. ari.malala ( 28/07/2009 07:01)
Hay v e! zà v nahalala fa hoe ts ankatoavin'izan'iza ilay mikarakara ny fanadinana d zay ko :P Soa refa reconnus e! manjary very fotoana ftsn ny mpianatra sy ny mpampianatra mantsy...
12. naritsimba ( 28/07/2009 07:14)
40 nampianarana ny dadako, mpanohitra izy t@ andron'ny PSD satria AKFM iringiriny mandra-pahafatiny, ary lehiben'ny mpitsara fanadinana foana hatramin'ny fotoana niasany t@ fanjakana, fa tsy nisy mihitsy mpampianatra t@ zany na inona sujet na inona, na misy idiran'ny politika na tsy nisy dia ny mpitsara dia mitsara araja ny maha mpitsara azy.
RAha jereko ny laza adina t@ andron'ny fanjanahan-tany frantsay, dia ny momba an'i Frantsa no resahina, moa ve izany tsy politika, raha jerena ny laza adina t@ andron'ny Tsiranana dia mahakasika ny fahaleovantena sy ny nahakasika ny fandrosoana nentin'ny fahaleovantena no tao anatiny, t@ andron'ny Ratsiraka dia laza adina nahakasika ny sosialisma sy ny foto-kevitra djoutche ary ny hoe ankizy ankehitrio tompon'ny taona roa arivo. T@ andron'ny Zafy no tsy niditra politika ny fampianarana, t@ andron'ny Ra8 dia io efa voalaza etsy ambony io, noho izany tsy maha taitra ahy mihitsy raha toy ireny ny laza adina fa kosa mila mpampianatra tsara hofana ny malagasy ary mpampianatra tsy mampiditra politika any am-pianarana. Sahiko no milaza eto fa ny dadako na dia mpanohitra aza dia tsy nampiditra politika t@ fampianarana mihitsy nandritra ny 48 taona nampianarany.
13. ravatorano ( 28/07/2009 07:48)
raha ny fahitako azy ange ranary tsy dia izay loatra e : isika izao mety tamin'ny andron 'i ratsiraka avokoa no naka izany bepce zany izay natao hoe cfepsc(certificat de fin d'etudes primaire et du second cycle) izy taloha.
Mba manana tahiry ihany aho amin'ny taranja MALAGASY momba izany hatramin'izay taona izay no makaty fa tsy nahitako taratra mikasika politika mhitsy ao indrindra fa tsy fandaharam-pianarana any antsekoly ilay izy satria rah ny tena izy dia tokony any amin'ny tantara any no hisy an'izay fa raha amin'ny famoaboasan-kevitra amin'ny taranja malagasy koa dia hitako fa lasa mivoana mihitsy izany.gaga be aza aho fa na ny gazety la verité sy ny grande ile izay manohana fatratra ity tatezamita ity dia nanao fankianana mafy io laza adina io.
Ekeko fa ny tamin'ny andro taloha dia tsy tafiditry ny politika mihitsy ny fampianarana fa hatramin'ny nisian'ny revolisiona sosialista dia niditra tsikelikely teny ihany ny politika.
Fa tena mino ve ranary fa hoe tsisy na tsy mamofopofona resaka politika mihitsy io laza adina io ary tsy hisy fiantraikany eo amin'ny fitsarana izany ?
Ny asehonao mantsy dia ny tsy fiandanian'ny dadanao tamin'izay zava niainany izay teo amin'ny fitsara fa ho toa an'i dadanao avokoa ve ireo mpitsara amin'zao
tsy mino aho kah !
14. xxx ( 28/07/2009 08:46)
LOOOOOOOOOOZZZZZZZZZZZZZZZZZAAAAAAAAAAAA

Very ilay firenena !!! Politisé h@ tsinay maintiny !!!

VOOOOONJJJJJJJJJJJJJJEEEEEEEEEEEEEEEEEEEOOOOOO
15. bozyboleta ( 28/07/2009 09:08)
Mbola tsisy tahaka ity hatrizay e! Na t@ andron'i jamba nanasana atidoha ny tanora tompon'ny taona 2000 aza tsy natao tery vay manta sal@ zao.
Ny mpanao laza adina dia olona manana traik'efa manokana mihoatra noho ny mpanabe tsotra.
Tsy maintsy jeren'ny "mpitsara laza adina" ny soso-kevitra rehetra ary izay laza adina hita fa tena ahafahana manamarina fa azo atao, zakan'ny lohan'ny mpianatra sy ny salan-taonan'ny mpiadina, ary vita ao anatin'ny fotoana heverina hamitana azy no raisina.
Mino aho fa tsisy ireo notanisaiko ireo raha zavatra kitoatoa toa io ny laza adina nivoaka tany.

Ankoatra izay, marina daholo ireo voalazan'ny hafa eo ambony ireo mikasika ny fitsarana ny fanadinana. Tsy hisy ny fijery mahitsy eo @ ireo mpitsara fa miankina be dia be @ loko politika-ny ny fomba hitsarany.
Ny ankizy mpiadina aloha dia tsy maintsy mba nanovokovoka ihany satria fanadinana io, fa dia tena nandany ron-doha mihitsy "namorona"

Nanontany ny zanako aho omaly hoe nanao ahoana ny fanadinana. Avy dia novaliany hoe "fanadinam-poza". Saika sosotra aho satria noheveriko fa mi-souzy. Kanjo rehefa nasehony ilay laza adina dia tena nangoraka azy indray aho. Tsy nahita nosoratana aho hozy fa tena nieritreritra mafy mihitsy. Sady @ zay fehezanteny 15 no nasaina natao, dia tena namoromporona mihitsy.

Mampalahelo ny zaza Malagasy.
16. naritsimba ( 28/07/2009 09:36)
Raha mbola ampidirana resaka politika ny asam-panjakana, sy ny asa rehetra dia tsy misy zavatra manjary eto.
Firy t@ ireo mpiasa miasa @ izao fotoana moa no tsy resaka politika no tena nidirany niasa fa tsy dia fahaizana loatra, ny tenako dia sahy mirehareha fa tsy mba tratran'izany.
T@ andron'ny Tsiranana dia PSD daholo ny ankamaroany, t@ andron'ny AREMA dia AREMA daholo, t@ andron'ny Ra8 dia TIM daholo, t@ andron'ny Zafy no tsy dia niseho loatra, @ izao moa dia mizara telo ny mpiasa ary dia vola daholo no fototr'izany:
1-Ny TIM very seza dia mimenomenona fa very fihinanana.
2-Ny tsy TIM dia manao izay hidirana @ ireo antoko mitana toerana @ izao fotoana izao, ao ny te hanao TGV, ao ny manao Leader Fanilo, sns, ny hita mampiavaka azy kely dia tsy mirohotra manao TGV daholo fa samy manao izay ahitany asa.
Niova tokoa ny toe-tsaina ka dia aleo ho hita eo e!
Hita mihitsy hoe fitiavan-tena no betsaka fa tsy mba mijery ny tombotsoam-pirenena ny rehetra.
17. bozyboleta ( 28/07/2009 09:47)
Hay ve mba mahita ihany ry naritsimba hoe misy ny kitranoantrano @ zao.
Mivoaka daholo ny avy any an'ala hitady seza.
Izay no tsy mahatafita @ le tatezana fa ry vendrana isany no mahazo seza dia mipetraka fotsiny tokoa fa tsy mba mihetsiketsika.
Tsy fahaizana, tsy fahalalana, tsinontsinona fa "akama" fotsiny dia manabe kibo ambony seza eo.

Izao BEPC izao no santionan'ny fahaizan'ny faty.
Tsy takatry ny saim-pozany ny hasarobidin'ny diplaoma sy ny fianarana.
18. AndriambyII ( 28/07/2009 09:50)
bozyboleta:

Famoronan-dahatsoratra (isa 15)
« Misy ezaka ataon’ny fitondrana tetezamita hampandroso haingana ny firenena amin’izao fotoana izao. Inona avy ireo ezaka ireo araka ny hevitrao ? Tohano amina ohatra mazava izany ao anaty fehezanteny 15, manaraka rafitra sy drafitra ary tsy ahitana diso tsipelina »


Io no laza adina tamin’ny taranja Malagasy nataon’ireo mpiadina BEPC androany.
Dia tena lalaovin’ireto faty ireto mihitsy ny ho avin’ny zaza Malagasy.
Asaina mandainga sy mamorona izany ny mpiadina??
Raha tsy mahita havaly @io dia very isa 15 be izao.


1:Famongorana ny kolikoly sy ny ady sanina politika
2:Famerenana ny fahendrena malagasy mangatsakatsaka .
3:Fanomezana lanja ny sata- piaraha-monina nofehezin\' ireo niseho azy ho be loha sy fatsora hatr@ ny niandohan\' ny fanjanahantany .
4:Fandrindrana ny fifandraisana @ any ivelany @ varotra rehetra (omby , olona ,volamena , harena an- kibon\' ny tany...)
5:Fitakiana ny trosan \'ireo izay manana trosa @ Madagasikara ( ekonomika ,famatsiana ,moraly ,..)
6:Fanadiovana ny rafitry ny fianakaviana malagasy @ ankapobeny.
7:Fampivelarana sy fanavaozana ny vatsy sy ny sopi- pirenena avy @ lafy valon\' ny nosy .
8:Fanavaozana ny fifandraisana @ firenena any ivelany tsy ho toa ny taloha intsony ,satria tsy nahitana tombony ho an\' ny firenena hatramin\' izay izy ireny.
9:Fampivoarana ny orinasa goavana (siderorozia , metalorzia , petrosimika , angovo manara- penitra ,simia biolojika ,simia mineraly )
10:Fanaterana ny fahaizana ara- bakoka sy nentin- drazana momba ny fahasalamana .
11:Fahalalahana momba ny haino aman-jery ary ny tranokala eran\' ny nosy .
12:Fanomezan- danja ny kolotsaina artistika malagasy (mozika , asa- tànana )
13:Fanomezana fahafahana ho an\' ireo politisiana tsy nahavita heloka ( famonoana sy fampamonoana olombelona )
14:Fanavaozana ny rafi-piorenan\' ny tafika malagasy rehetra tsy ankanavaka (antanety , anabakabaka, andranomasina )
15:Fitohizan\' ny fiveleran\' ny tanàna @ ara- dalàna .
TSY MBA MAHAZO 15/15 VE IZANY ?








8) 8) 8) 8) 8)
19. ari.malala ( 28/07/2009 11:22)
naritsimba:

40 nampianarana ny dadako, mpanohitra izy t@ andron'ny PSD satria AKFM iringiriny mandra-pahafatiny, ary lehiben'ny mpitsara fanadinana foana hatramin'ny fotoana niasany t@ fanjakana, fa tsy nisy mihitsy mpampianatra t@ zany na inona sujet na inona, na misy idiran'ny politika na tsy nisy dia ny mpitsara dia mitsara araja ny maha mpitsara azy.
RAha jereko ny laza adina t@ andron'ny fanjanahan-tany frantsay, dia ny momba an'i Frantsa no resahina, moa ve izany tsy politika, raha jerena ny laza adina t@ andron'ny Tsiranana dia mahakasika ny fahaleovantena sy ny nahakasika ny fandrosoana nentin'ny fahaleovantena no tao anatiny, t@ andron'ny Ratsiraka dia laza adina nahakasika ny sosialisma sy ny foto-kevitra djoutche ary ny hoe ankizy ankehitrio tompon'ny taona roa arivo. T@ andron'ny Zafy no tsy niditra politika ny fampianarana, t@ andron'ny Ra8 dia io efa voalaza etsy ambony io, noho izany tsy maha taitra ahy mihitsy raha toy ireny ny laza adina fa kosa mila mpampianatra tsara hofana ny malagasy ary mpampianatra tsy mampiditra politika any am-pianarana. Sahiko no milaza eto fa ny dadako na dia mpanohitra aza dia tsy nampiditra politika t@ fampianarana mihitsy nandritra ny 48 taona nampianarany.



Mba efa nanala izany BEPC iany ny tenako fa tsy mba nahatsiaro laza adina politika iringiriny toy izao kosa ka! Raha milaza i naritsimba hoe mila mpampianatra tsy mampiditra politika any am-pianarana, fa in kay no resahan'io laza adina io? tsy resaka politika? sady amizay tsy mba misy anehoana hevitra fa tonga d efa tranché avy hatrany manasohaso ny tenany hoe mampandroso... ka mandroso mankaiza? mandroso mankany anaty lavaka? Ny dadanao no ts nampiditra politika fa ity radomelina tohananao mafy ity jereo kely ny adiny!!! izao v d mba mety!!! tsy voater hitovy hevitra aminy dool nge ny olona e!
20. Radomy ( 28/07/2009 11:28)
Miarahaba,

Tsy ny fitsinjovana ny hoavin'ny mpianatra no tadiavin'ity ministra ity fa ny "te-ahazo laza" (na ratsy tsy maninona fa mila malaza ihany) fotsiny.
Mampalahelo ny toy izao ary tokony ho fongorina fa mamono taranaka.
http://gasikarasahy.blogvie.com

Na misy fahavoazana ilay rangahy na habadoana no mitarika an'io.

Mankahery.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.433