MILAMINA SA TSY MILAMINA NY TANY

1. naritsimba ( 17/07/2009 05:26)
Fanontaniana napetraky Hery ary @ blaoginy io!
Dia nanontany izy mikasika ny PPN.
Raha ny PPN no resahina dia toy izao: ny menaka dia maro azo isafidianana 4000ar hatr@ 7000ar ny 1litatra, t@ teo aloha dia izay vidiny nitiavan'ny RA8 azy no nataony, 2500ar indraindray, ary tafakatra 5000ar rehefa tiany akarina. Raha ny vary kosa dia tsy nisy fiovany firy ny vidiny ary misy fotoana aza dia midina izany, manodidina ny 1000ar hatr@ 1500ar ny 1kg.
Ny siramamy dia tsy niova fa toy ny teo aloha ihany ary manana safidy ianao, ho an'ny llafarinina indray dia t@ fotoana tsy nisiany no niakatra fa @ izao kosa dia efa milamina izany, ary ny vidin'ny mofo dia tsy nihetsika ary ny habeny dia tsy nisy fiovana. Raha ireo no jerena dia azo lazaina fa tsy marina ny tatitra voarainareo any ivelany any.
Ireo izay zatra nigalabona t@ volam-bahoaka teo aloha no mijaly sy mitaraina ary mamafy lainga ankehitriny fa tsy izahay izay zatra ny niafy ary niasa tamin-kitsipo ka tsy nanantena fahatapahan-ny vola miditra toy ny olona very seza akory.
Noho izany izay tsy miasa ihany no tsy mihinana, ary izay azo t@ makarakara dia mivoaka @ kiloadoaka.
Hafatra ho an'ny hery: mba olona nianatra sy manan-tsaina ihany ise ka dia aza manao fisainana toa io, lasa mihaino tsaho sy lainga afafin'ny very seza.
répondu par fijo le 19/07/2009 19:51
2. ouiandry ( 17/07/2009 05:43)
sasapona enao naritsimba ra i lehery no henonao, jereo le sarinedala ao @ pejy voalohan'ny avatar d hohazonao an-tsaina oe avy aiza lehery, zaha sahy milaza fa bandy tsy nianatra io bandy io, efa maty mou i Ra-ndimby (Consulat Italie) fa raha tsy zany an, aza lany andro ry naritsimba fa mpanompon'i lé8 sisa ny eto ka sasa-pona izay mihevitra fa ady hevitra ny atao eto fa fanasana atidoha sy firarian-doza ho an'y HAT hahahahaha, ny fianakavianay efa nahatsapa d efa tsy mandeha eto satria le resaka efa resaka tsysy ilavana anazy, lehery moa d efa sur zah fa kopy lery fa rah misy fuite ny fahatongavany aty dago na sous-protection'i lé8 aza d tsy maintsy vitamatavy lery!
3. hery ( 17/07/2009 05:53)
naritsimba> Fanontaniana no nataoko ka :-)

Ary efa miadana tsara mihitsy izany ny malagasy raha izany. Tsy hitako intsony izay mampatahotra an'i Andry TGV rehefa tsy omen'ny CI vola.

Ary toa hoe manomboka indray hono ny delestazy? :-)

naritsimba mahalala tsara fa manana fianakaviana sy namana maro any Madagasikara aho ary tsy lafo ny mi-telefona avy aty ka dia mi-tel isanandro. Tsy eny @ magro aho no mi-tel fa olona tsotra daholo izany. Ny ankamaroany aza dia pro-TGV (voasasa atidoha fa mbola resena lahatra). Dia ireo olona ireo no mitaraina hoe tena sahirana be. Ny namana sasany mitady fika hitsoahana satria ny asa (projets niaraka tamin'ny amerikana) very daholo.

izaho aloha tsy nahita fianarana fa na tsy mahita fianarana aza toa mahita hoe tsy mandeha ny fiainana ao... afatsy ireo mpanao afera tokoa angaha. Ireo izay tsy navelan-n'ny BIANCO higika... fa amin'izao manjary mahazo vahana.
4. xxx ( 17/07/2009 08:54)
naritsimba:
izay azo t@ makarakara dia mivoaka @ kiloadoaka.
:) Zany hony ry TIM a! Sa mivoaka amin'ny fomba hafa ny an'ny sasany aminareo ireo????
5. ari.malala ( 17/07/2009 12:07)
naritsimba an, ny siramamy anie teo aloha k 1500 ny kilao e! izao efa tafakatra 1900 ny kilao! vitsiana b enao maita 1800 ariary zany! d ts niova ahoana moa? ary ngà le vary moa tsy hoe 500 ny kilao? ary le menaka tsy hoe 2500 ny kilao? d ahoana no anazavanao an'io 4000 - 7000 io?
6. pikatti ( 17/07/2009 13:36)
Hoy andrywui

fanasana atidoha sy firarian-doza ho an'y HAT hahahahaha, ny fianakavianay efa nahatsapa d efa tsy mandeha eto satria le resaka efa resaka tsysy ilavana anazy
:-D :-D
Voasasa tato ve ny lohanareo é,efa madio @ izay zany?
Fa inona foana no mbola hataon'elah ato é!!!
Efa nalazain'olona elah mba mahaiza misaina sao petsa eo
7. xxx ( 17/07/2009 13:50)
angamba lainga be ko zany hoe tsy niova zany ny mofo, zao aloha fa ilay mofo 1000 fmg d efa nisy foana hatr@ zay na dia mbola tsy voahongana aza i ra8, mofo kely bilitina kely zay, ankehitriny anefa dia kely bilitina toy ny mofo 1000 fmg ny mofo varotana 1500, a peine 25 cm, sady poakaty be tsy hitako zay "mie" ao anatiny, ilay mofo 1000 fmg taloha moa tsy lazaina ntsony fa efa lasa rikiki
8. ari.malala ( 17/07/2009 14:32)
Mbola hoan'i naritsimba ihany, vakio kely ity azafady fa vaovao androany t@ l'express de Madagascar, ialana tsiny fa @ teny frantsay ilay izy

ECONOMIE

Filière riz
Crainte de pénurie dans les villes

Le débat sur la filière riz tenu hier à la Banque mondiale a révélé un risque de pénurie de riz dans les grandes villes.

Une menace plane. Les prix du riz appliqués actuellement sur le marché pourront ne pas étre maintenus dans quelques mois. Surtout dans les grandes villes où il y a une forte concentration de la population, une réduction d'offre pourra entraîner une explosion des prix. Ce qui n'est pas le cas en milieu rural où des riz seront disponibles. Selon les explications apportées hier par des intervenants de la filière, la réduction de l'offre est liée à une malaise aussi bien des opérateurs que des producteurs.
Malaise dans le secteur
Au niveau des opérateurs, la crainte d'une éventuelle subvention par le gouvernement sur le riz a été avancée comme une raison de ce malaise. L'achat de riz local ainsi que les importations sont réduits. Un communiqué officiel sur les intentions du gouvernement est alors attendu. « Maintenant les opérateurs sont fixés sur la position du gouvernement, et donc sur les prix auxquels ils doivent acheter les riz », indique Andry Rakotovao de la plate-forme de concertation de la filière riz. « D'où la baisse des achats dans les zones de production et des importations » précise-t-il.
Par ailleurs, les acheteurs sont aussi confrontés à un problème d'accès au financement auprès des banques. « Les opérateurs ont du mal à accéder à un crédit pour les avances sur collecte. Les banques craignent aussi ce manque de visibilité » témoigne Hugues Rajaonson, coordonnateur du cercle des économistes malgaches.
De leur côté, les producteurs éprouvent de la réticence à vendre leurs productions du fait que des collecteurs proposent un prix en-dessous du prix de revient. « Pour un agriculteur moderne, le prix de revient s'élève entre 500 à 600 ariary. Or, on nous achète le kilo entre 300 à 360 ariary » se lamente un porte-parole de producteurs. « Difficile de rembourser les crédits des institutions de microfinance », ajoute-t-il.
Face à la situation, la Banque mondiale propose pour les prochains mois, l'abstention d'écouler du riz importé à prix subventionné, pour que le paddy puisse se stabiliser à long terme.

Lantoniaina Razafindramiadana
Date : 17-07-2009

http://www.lexpressmada.com/display.php?p=display&id=28082
9. sapele ( 17/07/2009 14:44)
za de nievitra fa tena misy le crise lazina lava teto AMIN'NY serasera fa 1volana mahery za no tany dago,itako tany daholo zay tadiaviko eny fa na ny devis aza tsy miova tamin'ny vidiny 2taona lasa zay ,na ny PPN de misy zay ilaina,fa ny olona tsy makasitraka ny fitondrana sy ny sitrapony no milaza fa crise ao madagasika,nefa tamin'ny andron'ny filoha teo aloha ve de tsisy crise ?na ireo ny tsy anasa na ny mpamaky etsy sy ero?.angamba le mamonjy eo amin'ny magro isan'andro ireny no tratran'ny crise fa tsy mieritreritra izay hitady asa akory.ka aoka re ny tsaho mba hajanona fa zay zava-misy marina lazao eto.na ny menaka aza mbola nividy 3800ar izahay mora nohon'ny teo aloha ary azo ampiasaina tsara.etc,,,,,,,,
10. xxx ( 17/07/2009 15:14)
za ndray dia eto madagasikara dia afaka milaza fa tena misy ilay krizy
11. sapele ( 17/07/2009 16:10)
krizy hafa kosa angamba ny anareo ko!sa manantena paradisa?
12. xxx ( 17/07/2009 16:18)
marina zany, tena krizy hafa! krizy d'adolescence an'i tgv
13. bozyboleta ( 17/07/2009 17:29)
Asio resaka ny lafarinina, ny lasantsy, ny fandriampahalemana dia ho voavaly haingana io fanontaniana io. Reo fotsiny aloha f'aza mitady lavitra.

Ny mpanokatra lohahevitra miresaka menaka Ar 4,000 - 7,000; ka mahatakatra izany daholo ve ny sarambabembahoaka?

Sokafy tsara ny maso f'aza tapenana ondana ;-)
14. fijo ( 17/07/2009 20:25)
io i ari mipetraka ao madagasikara aty tsy tsy mankeny amin'ny magro akory .sa misy tananarivo roa koa ao mada ao,ka le tananarivo misy an'i naritsimba le tsy misy kirizy ,de le tananarivo misy an'i ari sy ny gazety(satria ny gazety rehetra hafa tsy izay miondana tgv)dia milaza daholo fa misy ny kirizy.ny express aza izay mpanohatra ravalo milaza mivantana fa misy io kirizy io.
ka noho izany dia misy mandainga ao.na i naritsimba no mandainga na i ari sy ny gazety rehetra.
15. diloo ( 17/07/2009 22:25)
Hoy i Bozyboleta :
Ny mpanokatra lohahevitra miresaka menaka Ar 4,000 - 7,000; ka mahatakatra izany daholo ve ny sarambabembahoaka?


Raha tsy tsikaritra ilay mpanokatra lohahevitra t@'ny voalohany io tsikeran'i Bozyboleta io, dia mazava ho azy fa manana pouvoir d'achat non négligeable ilay mpanolotra hevitra. Araka izany, dia tsy misy ny krizy aminy satria manana ny ampy izy, n'inon'inona ny vidim-pianana.

Manoloana ny sarambabembahoaka, mazana be ho an-dreo ny vidin'ny menaka Ar 4,000- 7,000.:Tsy takatra ny madinika ny sarany.

Sentrin'izany, raha mpanana io mpanokatra hevitra io, mazava ho azy fa tsy mitombona aminy ny filazana fa tsy misy ny krizy.

Ny mahagaga anefa, raha io fikirizana filazana fa tsy misy ny krizy eto Madagasikara, inona ary ny anton'ny filohan'ny tetezamita mangataka aumône
voatsipaka tany Bruxelles iny: tsy porofo ve izany fa misy ny krizy?

Sa kosa fiainana paradisa ny mikasika manokana ity mpanoratra ity, koa tsy misy antony aminy ny fiainan'ny malagasy maro izay mitrongy mafy vao homana, amin'izao vanimpotoana ny HAT izao.
:!:
16. xxx ( 18/07/2009 03:33)
toa efa mandroso be hono dago izao ,izahay aloha tsy mahita any fa toa hoe mimenomenona be ny olona fa kely ny fahe fana mividy nefa ny entana lavo be e
17. patrick2002 ( 18/07/2009 07:56)
oh ry zalahy ah! 4 mois anie i Rajoelina no nitondra eh! dia mihevitra ve ianareo ,fa hiova manao ahoana ny gasy ,7 taona aza ny dadanareo tsy nahavita fa ny azy ( groupe TIKO ) no natevina kou .
Raha ny resaka PPN dia milaza aminao izaho fa betsaka ny miteny fa nidina ny vidiny ,eo @ menaka no tena hita misongadina ,fa ny vary no tsy dia misy fihenany firy .
18. sapele ( 18/07/2009 10:17)
misy mahasahy milaza ve eto fa raha mipetraka aty ivelany de aty tsisy crise,sa mora ny fiainana aty nohon'ny fiainanana ao dago ? ra resaka PPn no tenenina,,,be ny firenena itako fa mbola azo atao fa sambatra ny malagasy,,,reefa miezaka ny manatsara ny fiainanao manokana ianao de tsy tratran'ny crise mavesatra fa raha ilaozanao mitabataba eto foana de zakao ary ny crise.somary mahery ny teniko fa amiko ny zavatra rehetra miseho de nataon'Atra tsara daholo amin'ny fotoanany avy.
19. patrick2002 ( 18/07/2009 12:48)
niteny anao izao fa raha ny menaka no jerena t@ androny Ravalo dia mbola nividy menaka mora izahay taty Canada miohatra ny tany DAGO ,aty izahay mividy menaka 6 dollar ny bidon de 4 l any DAGO 25000 Fmg izany hoe 2,5 dollar ny 1 litre t@ androny Ravalo .mbola lafo noho ny any france
Tsy haiko na ny any madagasikara no lafo menaka indrindra eran`izao tontolo izao ,raha ny vary indray dia marina fa mbola lafo ny vary aty Canada ,nefa ny canadien dia tsy mihbinana vary isan`andro.
20. ravonjison ( 18/07/2009 16:49)
Misy mitady hanao propagande indray ato . Toa mampahatsiahy ahy an\' i Corée du nord izy itý, efa hita fa maty mosary ny olona, misy ny tifirina sy vonoana fotsiny, sns... dia mbola afenina sy miziatra foana ireo olona mpitondra sy ny manodidina azy .
- firy ny miaina ambanin\' ny seul de pauvreté ?
- firy ny PNb?
- firy ny taux de chomage ?
- firy ny zaza maty alohan\' ny telo taona ?
- firy ny olona matin\' ny aretina izay fantatra fa azo tsaboana ,
- firy ny mpamono olona voasambotra ka nogadraina ?
...............

Betsaka ny fanontaniana azo apetraka sy valiana , tsy te-handany andro @izany aho,fa ny fehiny dia itý : Madagascar, l\' un de pays les plus pauvres.

Tsy hitako izay ilázana fa sambatra ny malagasy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0715